2010–2019
Mandra-pihaonantsika Indray
Oktobra 2011


Mandra-pihaonantsika Indray

Enga anie ny fanahy izay tsapantsika teto hiaraka sy hitoetra amintsika raha hanao ireo zavatra fanaontsika andavanandro isika.

Ry rahalahy sy anabaviko, fantatro fa miombo-kevitra amiko ianareo fa fihaonambe tena nitaona fanahy indrindra ity fihaonambe ity. Nahatsapa be dia be ny Fanahin’ ny Tompo isika nandritra ireo izay roa andro lasa izay, rehefa voakasika ny fontsika ary nihamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ity asa masina ity. Maneho fankasitrahana an’ ireo olona tsirairay avy izay nandray anjara izahay, ka anatin’ izany ireo Rahalahy izay nanolotra ny vavaka.

Eto daholo isika rehetra satria tia ny Tompo ary te-hanompo Azy. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena mikarakara antsika ny Raintsika any An-danitra. Miaiky ny Tanany aho amin’ ny zavatra rehetra.

Mbola nahatalanjona indray ny hira tamin’ ity, ary dia maneho ny fankasitrahako manokana sy ny an’ ny Fiangonana manontolo aho ho an’ ireo izay nanaiky nizara ny talentany tamintsika mikasika izany.

Maneho fankasitrahana lalina aho ho an’ ireo Rahalahy izay nisaorana nandritra ity fihaonambe ity. Nanompo tsara sy tamim-pahatokiana izy ireo ary nitondra anjara biriky lehibe ho an’ ny asan’ ny Tompo.

Maneho fankasitrahana lalina an’ ireo mpanolotsaiko mahatoky sy feno fanoloran-tena aho ary misaotra azy ireo ampahibemaso noho ny fanohanana sy ny fanampiana izay atolony ahy. Tena lehilahin’ ny fahendrena sy ny fahatakarana marina izy ireo, ary tsy hay refesina ny asa fanompoany.

Hisaorako ireo rahalahiko ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo noho ny fanompoana amin-kery sy ao anatin’ny tsy fahatsapana faharerahana ataon’ izy ireo amin’ ny asan’ ny Tompo. Maneho torak’ izany koa ny fankasitrahako an’ ireo mpikambana ao amin’ ireo Kôlejin’ ny Fitopololahy sy amin’ ny Episkôpà Mpiahy aho noho ny asa fanompoana tsy mila tambiny sy mahomby ataony. Maneho fankasitrahana torak’ izany koa an’ ireo vehivavy sy lehilahy izay manompo amin’ ny maha-mpiandraikitra azy ao amin’ ireo vondrona fanampiny maneran-tany aho.

Ry rahalahy sy anabavy, manome toky anareo aho fa ny Raintsika any An-danitra dia mahita ireo fanamby izay atrehantsika ao amin’ ity izao tontolo izao ity ankehitriny. Tiany isika tsirairay ary hotahiany raha miezaka mitandrina ny didiny sy mikatsaka Azy amin’ ny alalan’ ny vavaka.

Tena sambatra isika manana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy naverina tamin’ ny laoniny. Izany dia manome ny valin’ ireo fanontaniana mikasika ny hoe avy aiza isika, nahoana isika no tonga eto, ary ho aiza isika raha hiala amin’ ity fiainana ity. Izany dia mampisy lanjany sy tanjona ary fanantenana ny fiainantsika.

Isaorako ianareo noho ny asa fanompoana izay ifanaovanareo amim-pahazotoana tokoa. Isika no tanan’ Andriamanitra eto amin’ ity tany ity, ary nomena andraikitra ny hitia sy hanompo ireo Zanany.

Isaorako ianareo noho ny zavatra rehetra izay ataonareo any amin’ ny paroasy sy sampana misy anareo. Maneho ny fankasitrahako anareo aho noho ny fanekenareo hanompo amin’ ny antso izay niantsoana anareo, na inona izany na inona. Ny antso tsirairay dia manan-danja eo amin’ ny fampiroboroboana ny asan’ ny Tompo.

Tapitra izao ny fihaonambe. Raha handeha hody any amin’ ny tokantranontsika isika dia enga anie isika ho tafody soa aman-tsara. Enga anie ka hilamina ny zava-drehetra nandritra ny tsy nahateo antsika. Enga anie ny fanahy izay tsapantsika teto hiaraka sy hitoetra amintsika raha hanao ireo zavatra fanaontsika andavanandro isika. Enga anie isika hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa. Enga anie isika ka ho hita foana eo am-panaovana ny asan’ ny Tompo.

Enga anie ny fitahian’ ny lanitra ho aminareo. Enga anie ny tokantranonareo ho heniky ny filaminana sy ny fitiavana. Enga anie ianareo ka hamahana hatrany ny fijoroanareo ho vavolombelona, mba hahatonga izany ho lasa fiarovana ho anareo eo anoloan’ ny fahavalo.

Amin’ ny maha-mpanomponareo ahy, dia iriako amin’ ny foko manontolo ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny hanompo Azy ary ny hanompo anareo.

Tiako ianareo. Mivavaka ho anareo aho. Te-hangataka aminareo indray aho ny mba hahatsiarovanareo ahy sy ireo Manampahefana Ambony rehetra ao anatin’ ny vavakareo. Miaraka aminareo izahay ao anatin’ ny fampandrosoana ity asa mahatalanjona ity. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa isika rehetra dia tafiditra ao anatin’ izany ary ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay dia samy manana anjara andraikitra. Enga anie Andriamanitra ka hanome antsika ny hery sy ny fahaiza-manao ary ny fahavononana hanao tsara ny anjarantsika.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa marina ity asa ity, ary velona ny Mpamonjintsika, ary mitantana sy mitarika ny Fiangonany eto ambonin’ ny tany Izy. Apetrako aminareo ny tenivavolombeloko fa velona Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay ary tia antsika Izy. Tena Raintsika tokoa Izy ary tena miavaka sy tena misy. Enga anie isika hahatsapa sy hahatakatra fa te-hanatona akaiky antsika mafy tokoa Izy sy te hanampy antsika mafy tokoa, ary lehibe tokoa ny fitiavany antsika, ary betsaka tokoa ny ataony sy tiany hatao amintsika.

Hitahy anareo anie Izy. Omba anareo ankehitriny sy rahatrizay anie ny fiadanana nampanantenainy.

Manao veloma anareo aho mandram-pihaonantsika indray afaka enim-bolana, ary izany no ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.