2010–2019
Mpandray Anjara Avokoa Isika
Oktobra 2011


Mpandray Anjara Avokoa Isika

Ho an’ ny lehilahy rehetra, na tanora na antitra, izay mihazona ny fisoronana, mangataka feo matanjaka sy feno fanoloran-tena bebe kokoa aho … feo ho an’ ny tsara, feo ho an’ ny filazantsara, feo ho an’ Andriamanitra.

Maniry ny hiresaka mivantana aminareo aho ry rahalahy anio hariva, ary ampidiriko amin’ izany ireo zatovolahy ao amin’ ny Fisoronana Aharôna, eo am-pihazonana ao am-poko ny fanahin’ ilay fihirana mampihetsim-po sy ny vavaka mampientana fanahy nataon’ ny Loholona Richard G. Hinckley.

Rehefa miresaka ny halehiben’ ilay Fahitana Voalohan’i Joseph Smith isika, dia tsindraindray ihany vao miresaka kely ilay fifanandrinana nifono fandrahonana izay niseho talohan’ io fotoana io, fifanandrinana izay ny hamotika ilay zazalahy kely no tanjony na farafaharatsiny hanakana ireo fanambarana izay ho avy. Tsy mila miresaka mahakasika ilay fahavalo mihoatra noho izay tokony ho izy isika, ary izaho manokana dia tsy tia miresaka mahakasika azy velively, kanefa ny zavatra niainan’ i Joseph kely dia mampahatsiahy antsika lehilahy rehetra izay manatrika eto, ao anatin’ izany ny zatovolahy rehetra, ny zavatra tokony ho tsaroana.

Voalohany, i Satana na Losifera na ny Rain’ ny Lainga—izay tianareo iantsoana azy—dia tena misy, ilay faharatsiana miseho amin’ ny endrik’ olombelona. Ny tanjony dia ny hitondra fahoriana amin’ ny lafiny rehetra, ary izy dia mihetraketraka izay tsy izy eo anatrehan’ ny fisehon’ ny fahazavana manavotra sy raha vantany vao mieritreritra momba ny fahamarinana fotsiny. Faharoa, izy dia manohitra mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra, ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ary ny asan’ ny fiadanana sy famonjena. Hiady hanohitra izany izy na oviana na oviana ary na aiza na aiza hahafahany manao izany. Fantany fa ho resy izy ary horoahina amin’ ny farany, saingy tapa-kevitra izy nyny hamotika miaraka aminy, olona maro hafa, araka izay tratrany.

Ka inona ary ireo tetik’ ady sasany ampiasain’ ny devoly eo amin’ izany fifanandrinana izany raha vao ny fiainana mandrakizay no resahina? Dia mbola mampianatra antsika zavatra hafa indray ilay zava-niseho nitranga tao amin’ ny Ala kely Masina. Noraketin’i Joseph fa tao anatin’ ny ezaka hanakanana ny zavatra hitranga amin’ ny hoavy, i Losifera dia nampihatra ny “fahefana mahagaga nananany tamiko izay namatotra ny lelako, hany ka tsy afaka niteny aho.”1

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer anikeheo maraina fa i Satana dia tsy afaka manala ny ain’ olona mivantana. Iray amin’ ireo zavatra maro tsy azony atao izany. Kanefa toa mahomby ihany ny ezaka ataony hanakanana ity asa ity raha toa afaka ny hamatotra ny lelan’ ireo mahatoky izy. Noho izany indrindra ry rahalahy, dia manantena aho anio hariva fa hirotsaka handray anjara sy hanokatra ny vava ireo zatovo sy lehilahy lehibe izay mba manome lanja ity ady hifanoheran’ ny tsara sy ny ratsy ity. An-tanin’ ady isika izao, ary ao anatin’ireo minitra vitsivitsy manaraka dia tiako ny ho lasa toy ny tompon’ andraikitra mpandray anarana ireo olona izay hirotsaka.

Mila mihira andalana vitsivitsy amin’ ny “Nous voici tous enrôlés” ve aho? Fantatrareo ve ilay andalana milaza hoe: “Miandry ireo miaramila izahay ankehitriny; iza no handray anjara?”2 Mazava ho azy fa ny zavatra lehibe amin’ ity antso hanompo an’ ady ity dia tsy angatahina hampiasa basy na hanipy grenady akory isika. Tsia, tafika mitafy ny fiadiany dia “ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra” no ilainay.3 Koa dia manantena misiônera izay tsy hanao fanahy iniana hanakatona ny vavany aho anio hariva fa kosa hanokatra ny vavany sy hanatanteraka fahagagana, miaraka amin’ ny Fanahin’ ny Tompo sy amin’ ny fahefan’ ny fisoronana ananan’ izy ireo. Ny fitorian-teny toy izany, araky ny nolazain’ ireo rahalahy tany amin’ ny fiandohan’ ity fotoam-pitantanana ity, no ho tonga fitaovana izay “nanatanterahana sy mbola hanatanterahana ireo asa mahery indrindra” vitan’ ny finoana.4

Miangavy manokana ireo zatovolahy ao amin’ ny Fisoronana Aharôna aho mba hipetraka sy handray an-tsoratra. Ndeha hizarako manokana fanoharana ara-panatanjahan-tena ianareo. Fifanandrinana manana endrika “izay iray maty eo” no ataontsika izao amin’ ny mpifanandrina izay tsy tia anareo sy mankahala ity asa ity, noho izany dia somary ho henjankenjana kely aminareo aho, ho hentitra dia hentitra, miaraka amin’ ny feo mitondra fanairana ampy tsara mba hampihetsika faingana anareo—toy ny fanaon’ ny mpanazatra rehefa kely sisa ny fotoana hilalaovana ary tsy misy zava-dehibe mihoatra noho ny fandresena ao amin’izany lalao izany. Ary satria miankina aminareo ny mety ho vokatr’ izany lalao izany dia izao no lazain’ ity mpanazatra ity, mba hahafahana milalao ity lalao ity dia takiana ny hanana fahadiovana ara-pitondrantena bebe kokoa mihoatra noho izay ananany amin’izao fotoana izao ny sasantsasany aminareo. Eo amin’ io fifanandrinan’ ny tsara sy ny ratsy io dia tsy afaka ny milalao ho an’ ny ekipan’ ny mpifanandrina aminareo ianareo isaky ny tonga ny fakam-panahy ary avy eo manantena hilalao ao amin’ ny ekipan’ ny Mpamonjy amin’ ny fotoana hankanesana any amin’ ny tempoly sy hanaovana asa fitoriana, toy ireny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga ireny. Izany, ry namako kely, dia tsy azonareo atao. Tsy azo vazivaziana Andriamanitra.

Miatrika safidy manadala izaho sy ianao ankehitriny. Hitantsika fa misy Fisoronana Aharôna amin’ ny taonan’ ny zatovolahy an’ arivony maro efa voarakitra ao amin’ ny firaketan’ ny Fiangonana, izay mandrafitra ny lisitr’ ireo hirotsaka ho misiônera amin’ ny atsy ho atsy. Kanefa ny fanamby dia ny hihazonana ireo diakona, sy mpampianatra ary mpisorona ireo mba hananany fahazotoana sy fahamendrehana ampy hanendrena azy ho loholona ary hanompoany ho misiônera. Noho izany dia ilaintsika ireo zatovolahy izay efa ao anaty ekipa mba hijanona ao ary hanajanona ihany koa ireo fahadisoana fanao rehetra, indrindra amin’ izao fotoana izay ilainay anareo hanao izay tsara indrindra vitanareo izao! Amin’ ny seha-pifaninana ara-panatanjahantena rehetra izay fantatro dia saika misy tsipika voafaritra foana eo amin’ ny tany na ny kianja izay tsy maintsy hijanonan’ ny mpifaninana mba hahafahany manohy mifaninana. Eny, ny Tompo dia nanoritra tsipika izay mamaritra ny fahamendrehana ho an’ ireo voantso hiasa hiaraka Aminy amin’ ity asa ity. Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ ireo fandikan-dalana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ ireo zavatra ireo! Tsy afaka manao izany ianareo. Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’ izay nantsoin’ i Lehia hoe “lalana voarara”5 ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ ilay lalana “ety sy tery”6 tsy azo atao izany.

Kanefa misy vahaolana mikasika izany fanamby izany ho anareo, tahaka ny hisian’ny vahaolana sahaza an’ireo naman’ ny fiangonana izay handeha hitorianareo koa. Na iza na iza ianareo ary na inona na inona vitanareo dia afaka ny ho voavela heloka ianareo. Ianareo tsirairay ry zatovolahy dia afaka manajanona ireo fandikan-dalana izay misakantsakana anareo. Izany no fahagagan’ ny famelan-keloka, ilay fahagagan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Kanefa tsy hahavita izany ianareo raha tsy manolo-tena marina amin’ ny filazantsara, ary tsy afaka hanao izany raha tsy mibebaka amin’ ny fotoana ilàna izany. Miangavy anareo aho ry zatovolahy mba ho mazoto sy ho madio. Ary raha ilaina dia miangavy anareo aho hiverina ho mazoto ary hiverina ho madio indray.

Ry rahalahy, miresaka aminareo amim-pahasahiana izahay satria toa hita fa mahomby kokoa rehefa amim-paharanitan-tsaina no hanaovana izany. Miresaka amim-pahasahiana izahay satria tena misy i Satana ary vonona ny handrava anareo ary mbola tena tanora fanahy ianareo dia efa miatrika sahady ny fitaomany. Koa dia sintoninay amin’ ny vozon’ akanjonareo ianareo ary am-pitandremanay arak’ izay hainay manao hoe:

Mampandria sofina! Mirefodrefotra sy mivaivay ny feon’ ny ady;

Mirotsaha, mandraisa anjara! Mirotsaha, mandraisa anjara!7

Ry namako kely, mila misiônera an’ alin-kisa fanampiny isika afaka volana sy taona vitsivitsy hoavy. Tsy maintsy avy amin’ ny fiakaran’ ny isan-jaton’ ireo Fisoronana Aharôna izay ho tendrena, ho mazoto, ho madio ary ho mendrika ny hanompo no hahatratrana izany.

Ho an’ ireo izay efa nahavita ny asa fanompoana na mbola eo am-panompoana dia misaotra anareo izahay noho ny asa tsara vitanareo ary noho ireo fiainan’ olona izay novainareo. Ho tahiana anie ianareo! Fantatray koa fa misy ireo izay naniry nandritra ny androm-piainany hanao asa fitoriana kanefa, noho ny antony ara-pahasalamana na sakana hafa tsy azo ihoarana dia tsy afaka manao izany. Maneho fankasitrahana ampahibemaso sy mirehareha amin’izany vondron’olona izany izahay. Fantatray ny fanirianareo, ary ankasitrahanay ny fanoloran-tenanareo. Tianay sy midera anareo izahay. “Ao anatin’ ny ekipa” koa ianareo ary ho isan’ izany hatrany, na dia nolavina tamim-boninahitra ny tsy hanompo amin’ ny fotoana feno aza. Saingy mila ireo ambiny rehetra izahay!

Ankehitriny ry rahalahy ao amin’ ny Fisoronana Melkizedeka, aoka tsy hitsikitsiky sy hipetrapetraka tsy amim-panahiana eo amin’ ny sezanareo ianareo. Mbola tsy tapitra ny tiako hambara. Mila mpivady an’ arivony maro mba hanompo any amin’ny sahan’ ny misiôna ny Fiangonana. Tapitra mangataka izany daholo ireo filohan’ ny misiôna tsirairay. Na aiza na aiza toerana hanompoan’ ireo mpivady dia afaka mitondra fahamatorana amin’ ny asa izay tsy entin’ ireo zatovo 19 taona izy ireo, na dia tsara koa aza ny ataon’ iretsy farany.

Mba hamporisihana ireo mpivady hanompo dia nanao ny iray amin’ ireo fanovana feno fahasahiana sy feno fahalalahan-tanana indrindra izay hita teo amin’ ny sehatry ny asa fitoriana tao anatin’ ny 50 taona lasa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Roambinifololahy. Tamin’ ny volana Mey tamin’ ity taona ity dia nandray filazana ireo mpitarika ny fisoronana eny amin’ ny saha fa ho ampian’ ny Fiangonana avy amin’ ny teti-bolan’ ny Fiangonana ny hofan-tranon’ ireo mpivady (ary ny hofan-trano ihany no resahintsika eto) raha toa ka mihoatra ny vola voafaritra mialoha mba ho aloa isam-bolana izany hofan-trano izany. Tena fitahiana izany! Izany dia fanampiana avy any an-danitra an’ilay ampaham-pandaniana lehibe indrindra izay atrehan’ireo mpivady mandritra ny asa fanompoany. Namaritra ihany koa ireo Rahalahy fa ny asa fanompoana ataon’ ny mpivady dia afaka ny ho 6 na 12 volana, ary koa 18 na 24 volana toy ny mahazatra. Misy fihetsika mendri-piderana iray koa dia ny famelana ireo mpivady hody mandritra ny fotoana fohy raha misy trangam-piainana mahakasika ny fianakaviana izay ilaina azy ireo, fa izy ireo no miantoka izany fodiany izany. Ary aza miahiahy hoe handeha handondona varavarana na hanaraka fandaharam-potoana tahaka ny ataon’ ireo 19 taona ireo ianareo! Tsy mangataka anareo hanao izany izahay saingy kosa maro ireo zavatra hafa azonareo atao, ary omena fahalalahana ianareo amin’ ny fomba hanatanterahanareo izany.

Ry rahalahy, tsapanay fa tsy afaka ny handeha hanompo ny sasantsasany aminareo amin’ izao fotoana izao na mety tsy ho afaka mihitsy vokatry ny tsy fahasalamana, fianakaviana, na antony ara-bola. Kanefa raha manao drafitra kely fotsiny ianareo dia ho maro no ho afaka.

Ry eveka sy filohan’ ny tsatòka, hifanakalozy hevitra mandritra ny filan-kevitra sy ny fihaonambe izany toe-javatra izany. Rehefa mipetraka eo amin’ ny sezanareo eny aloha ianareo dia mivavaha mba hahita ireo olona manatrika eo izay tokony handray izany antso izany. Avy eo dia miresaha amin’ izy ireo ary ampio izy ireo hametraka daty mba hanombohana ny fanompoana. Ry rahalahy, raha toa ka izany no mitranga dia lazao ny vadinareo fa raha afaka manajanona ny seza mampahazo aina tokoa sy ny télécommande ianareo mandritra ny volana vitsivitsy, dia afaka manajanona ny zafikeliny koa izy ireo. Ho voatahy ireo madinika malalantsika ireo ary mampanantena aho fa hanao zavatra ho azy ireo eo amin’ ny fanompoana ny Tompo ianareo izay, tontolo tsy hisy fiafarana, tsy ho vitanareo raha toa ianareo ka mijanona ao an-tokantrano miaraka amin’ izy ireo. Inona no mety ho fanomezana lehibe kokoa atolotr’ ireo Raibe sy Renibe ho an’ ny taranany mihoatra ny fitenenana amin’ ny fihetsika sy teny hoe: “Mpanompo any amin’ ny misiôna ity fianakaviana ity!”

Tsy ny asa fitoriana ihany no ilaintsika atao ato amin’ ity, Fiangonana mivelatra sy mahatalanjona be ity. Kanefa ireo zavatra hafa rehetra mila ataontsika dia miankina amin’ ny fandrenesan’ ny olona voalohany ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy ny firotsahany ato amin’ ny finoantsika. Noho izany tokoa angamba no nanomezan’ i Jesoa ny Roambinifololahy ilay andraikitra fototra—dia ny hoe “[handeha] hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”8 Ary aorian’ izany ary izay ihany vao tonga ireo fitahiana hafa avy amin’ ny filazantsara—firaisan’ ny fianakaviana hina, fandaharan’ asan’ ny tanora, fampanantenana ny fisoronana, ary ireo ôrdônansy mifanesy hatrany amin’ ny tempoly. Kanefa nijoro ho vavolombelona i Nefia fa tsy misy afaka ny ho tonga amin’ izany raha tsy “[n]iditra tamin’ ny … vavahady” aloha.9 Noho ireo zavatra maro izay mila atao eo am-pamakivakiana ny lalana mankany amin’ ny fiainana mandrakizay dia mila misiônera maromaro kokoa isika hanokatra izany vavahady izany ary hanampy ny hafa handingana izany.

Ho an’ ny lehilahy rehetra, na tanora na antitra, izay mihazona ny fisoronana, mangataka feo matanjaka sy feno fanoloran-tena bebe kokoa aho, feo tsy hoe hanohitra ny ratsy sy ilay olona izay endriky ny faharatsiana fotsiny ihany, fa feo ho an’ ny tsara, feo ho an’ ny filazantsara, feo ho an’ Andriamanitra. Ry rahalahy amin’ ny sokajin-taona rehetra, vahao ny lelanareo ary jereo ny fiasa mahagagan’ ny teny avoakan’ ny vavanareo eo amin’ ny fiainan’ ireo “izay [voasakana] tsy hahita ny fahamarinana … noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”10

Faingana hiady, hirotsaka eny an-tsaha;

Ny fahamarinana no aro loha, fehikibo sy aro-tratra.

Ahofahofay ilay faneva; amim-pireharehana!

Mandroso amim-pifaliana tsy omby tratra ho any an-trano isika.11

Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, Tompontsika, amena.