2010–2019
Ireo Zavatra Antenaiko mba ho Takatr’ ireo Zafikeliko Vavy (sy Lahy) momba ny Fikambanana Ifanampiana
Oktobra 2011


Ireo Zavatra Antenaiko mba ho Takatr’ ireo Zafikeliko Vavy (sy Lahy) momba ny Fikambanana Ifanampiana

Efa hatrany amin’ ny andro niantombohan’ ny famerenana tamin’ ny laoniny ny filazantsara no nilan’ ny Tompo vehivavy mahatoky mba hirotsaka ho mpianany.

Voninahitra ho ahy ny miresaka aminareo ao anatin’ izao fivoriana manan-tantara izao. Fitahiana nomena antsika ny fahafahana miaraka. Nandritra izay naha-filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ahy izay, dia lasa nanana fitiavana lalina anareo rahavavy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ ity Fiangonana ity aho, ary nampitomboan’ ny Tompo ny fahatakarako ny zavatra tsapany momba antsika sy ny zavatra antenainy amintsika.

Ny hafatro dia nomeko ny lohateny hoe: “Ireo Zavatra Antenaiko mba ho Takatr’ ireo Zafikeliko Vavy (sy Lahy) momba ny Fikambanana Ifanampiana.” Ireo zokiny indrindra amin’ ireo zafikeliko vavy dia mifofotra mafy manao ny asa ao amin’ ny boky Fivoarana Mandrakizay (Mon Progrès Personnel) ary manao izay ananana ireo fahazarana sy toetran’ ny vehivavy marina. Atsy ho atsy dia izy ireo sy ireo hafa mitovy aminy indray no hiandraikitra ity fikambanam-behivavy tena lehibe manerana an’ izao tontolo izao ity.

Manantena aho fa ny zavatra izay lazaiko ao amin’ ity hafatra ity dia hanome azy ireo sy ireo rehetra izay mihaino na mamaky izany, fahatakarana mazava momba ny zavatra ao an-tsain’ ny Tompo ho an’ ireo zanakavaviny rehefa naorina ny Fikambanana Ifanampiana.

Lamin’ ny Maha-mpianatra efa nisy Fahiny

Antenaiko fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny dia naorina araka ny lamin’ ny maha-mpianatra izay nisy tao amin’ ny Fiangonana fahiny. Rehefa nanorina ny Fiangonany ny Mpamonjy tao anatin’ ny vanim-potoanan’ ny Testamenta Vaovao, “dia mpandray anjara lehibe tao anatin’ ny asa fanompoa[ny] ny vehivavy.”1 Namangy an’ i Marta sy Maria, izay roa tamin’ ireo mpanara-dia Azy tena navitrika, tany an-tranon’ i Marta Izy. Raha nihaino Azy iny i Marta ary nanompo Azy araka ny fomba tamin’ izany fotoana izany, dia nampian’ ny Tompo izy mba hahita fa mbola afaka manao mihoatra noho izany. Nampiany i Marta sy Maria mba hahatakatra fa izy ireo dia afaka misafidy ilay “anjara tsara,” izay tsy hoesorina amin’ izy ireo.2 Izany fanazavana malefaka izany dia natao ho toy ny fanasana mba handray anjara ao amin’ ny asan’ ny Tompo. Ary taty aoriana tao amin’ ny Testamenta Vaovao, ilay fijoroana ho vavolombelona matanjak’ i Marta momba ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy dia manome fampahalalana antsika momba ny finoany sy ny maha-mpianatra azy.3

Raha tohizintsika ihany ny famakiana ny Testamenta Vaovao dia mahita fampahalalana isika fa nanohy nanorina ny fiangonan’ ny Tompo ireo Apôstôly. Mahita fampahalalana koa isika momba ireo vehivavy mahatoky ary ny maha-mpianatra azy ireo dia nitondra anjara biriky teo amin’ ny fampiroboroboana ny Fiangonana. I Paoly dia niresaka momba ireo mpianatra vehivavy tany amin’ ireo toerana toy ny tany Efesosy4 sy Filipia.5 Saingy rehefa very tao anatin’ ny apôstazia ilay Fiangonan’ ny Tompo dia very koa izany lamin’ ny maha-mpianatra izany.

Rehefa nanomboka namerina ny Fiangonany tamin’ ny laoniny indray ny Tompo tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith, dia nampidirina tao anatin’ ny lamin’ ny maha-mpianatra indray ny vehivavy. Volana vitsivitsy taorian’ ny nanorenana tamin’ ny fomba ôfisialy ny Fiangonana dia nanome fanambarana ny Tompo fa ilaina atokana mba ho mpitarika sy mpampianatra ao amin’ ny Fiangonana i Emma Smith ary mba ho mpanampy ôfisialy an’ ilay vadiny, dia ny Mpaminany izany.6 Tao anatin’ ilay antsony mba hanampy ny Tompo hanorina ny fanjakany dia nomena torolalana izy momba ny fomba hampitomboany ny finoany sy ny fahamarinan-tenany manokana, sy momba ny fomba hanamafisany orina ny fianakaviany sy ny tokantranony ary ny fomba hanompoana ny hafa.

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa nanomboka tamin’ ilay andro namerenana ny filazantsara tamin’ ny laoniny tao anatin’ ity fotoampitantanana ity, dia efa nila vehivavy mahatoky ny Tompo mba hirotsaka ho mpianany.

Ohatra iray fotsiny tamin’ ireo anjara biriky tena lehibe nentin’ izy ireo ny teo amin’ ny fanaovana asa fitoriana. Tanteraka ny firoboroboana lehibe teo anivon’ ny Fiangonana tany am-piandohana noho ireo lehilahy mahatoky izay vonona ny handao ny fianakaviany mba handeha ho any amin’ ny toerana tsy fantatra ary hiaritra fihafiana sy fitsapana ao anatin’ ny fampianarana ny filazantsara. Kanefa ireo lehilahy ireo dia nahatakatra fa ny asa nanirahana azy ireo dia tsy ho tanteraka raha tsy nisy ilay finoana sy fiaraha-miasa feno nasehon’ ireo vehivavy teo amin’ ny fiainan’ izy ireo, izay nikarakara ny tokantrano sy ny asa ary nikarama ho an’ ny fianakaviany sy ireo misiônera. Ireo rahavavy ireo koa dia nikarakara ireo olona niova fo an’ arivony izay nivondrona tao amin’ ny fiaraha-monina nisy azy ireo. Nanolo-tena lalina tamin’ ilay fomba fiainana vaovao izy ireo, dia ny fitondrana fanampiana eo amin’ ny fanorenana ny fanjakan’ ny Tompo sy ny fandraisana anjara ao amin’ ilay asa famonjeny.

Mifandray amin’ ny Fisoronana

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa ny Tompo dia nanentana ny fanahin’ ny Mpaminany Joseph Smith mba hanorina ny fikambanan’ ny vehivavin’ ny Fiangonana “eo ambanin’ ny fisoronana sy araka ny lamin’ ny fisoronana”7 ary hampianatra azy ireo ny “fomba ahafahan’ [izy ireo] mahazo ireo tombontsoa sy fitahiana ary fanomezana avy amin’ ny Fisoronana.”8

Rehefa tafaorina tamin’ ny fomba ôfisialy ny Fikambanana Ifanampiana dia nanohy ilay antsony tamin’ ny naha-mpitarika azy i Emma Smith. Voantso ho filohan’ ilay fikambanana izy niaraka tamin’ ireo mpanolotsaina roa mba hiaraka hanompo aminy ao amin’ ny fiadidiana. Raha tokony ho nofidiana tamin’ ny alalan’ ny fifidianana nataon’ ny daholobe izany fiadidiana izany, izay fahita mahazatra any amin’ ireo fikambanana any ivelan’ ny Fiangonana, dia nantsoina kosa tamin’ ny alalan’ ny fanambarana izy ireo sy notohanan’ ireo izay ho entin’ izy ireo ary natokana tamin’ ny alalan’ ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana mba hanompo ao amin’ ireo antsony. Noho izany izy ireo dia “voantson’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny faminaniana sy amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ataon’ ireo izay manana fahefana.”9 Ny fanorenana azy teo ambanin’ ny fisoronana dia nahafahan’ ilay fiadidiana nahazo fitarihana avy amin’ ny Tompo sy ny Mpaminaniny mikasika ny asa iray manokana. Ny fiorenan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia nahafahana nampiasa tamim-pahendrena sy tamim-pilaminana ilay trano fitehirizan’ ny Tompo izay ahitana talenta sy fotoana ary zavatra hafa.

Izany vondrom-behivavy voalohany izany dia nahatakatra fa izy ireo dia nomena fahefana hampianatra sy hanentana fanahy ary hampivondrona ireo rahavavy ho mpianatra mba hanampy amin’ ilay asa famonjen’ ny Tompo. Tao anatin’ ireo fivorian’ izy ireo voalohany dia nampianarina an’ ireo rahavavy ireo tanjona fototra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana—mampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ ny tena manokana, sy manamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary mitady sy manampy ireo izay sahirana.

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa ny fiorenan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia lafiny iray tena ilaina amin’ ny fanomanana ireo Olomasina mba hahazo ireo tombontsoa sy fitahiana ary fanomezana, izay tsy hita raha tsy any amin’ ny tempoly. Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa ny Fikambanana Ifanampiana “dia lafiny iray tena manan-danja ao anatin’ ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany” ary “narafitra sy nampiasaina amin’ ny fomba manokana izay manampy ireo mpikambana mahatoky hahazo ny fiainana mandrakizay any amin’ ny fanjakan’ ny Raintsika.”10 Azontsika alaina sary an-tsaina ny mety ho tsapan’ ireo rahavavy, rehefa tao amin’ ilay Trano Biriky Mena Fivarotana izay an’ i Joseph Smith izy ireo nandritra ireo fivorian’ ny Fikambanana Ifanampiana voalohany, ary nanatrika havoana iray izay nisy tempoly izay teo am-piorenana rehefa nampianatra azy ireo ny Mpaminany hoe: “tokony hisy fiaraha-monina miavaka iray izay lavitra ny faharatsiana rehetran’ izao tontolo izao ary miavaka sy feno hatsarana ary masina.”11

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hanome lanja ny tempoly toy ny nataon’ ireo rahavavy tao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana voalohany, izay nino fa ireo fitahiana avy any amin’ ny tempoly no valisoa lehibe indrindra ary tanjona lehibe ho an’ ny vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany rehetra. Manantena aho fa toy ireo rahavavy tao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana tany am-piandohana ireo, ny zafikeliko vavy koa dia hiezaka isan’ andro mba hanana fahamatorana ampy hanaovana sy hanajana ireo fanekempihavanana masin’ ny tempoly ary rehefa mandeha any amin’ ny tempoly izy ireo dia hifantoka tsara amin’ izay zavatra lazaina sy atao. Izy ireo dia homena hery ho fiadiana12 sy hanana tombontsoa hahazo “ny fanalahadin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra.”13 Hanana tombontsoa hanatanteraka ilay andraikiny masina sy mandrakizay izy ireo amin’ ny alalan’ ireo ôrdônansin’ ny fisoronana izay tsy hita raha tsy any amin’ ny tempoly, ary hampanantena izy ireo fa hiaina toy ny mpianatra nanolo-tena. Feno fankasitrahana aho fa ny iray tamin’ ireo tanjona voalohany nanorenan’ ny Tompo ny Fikambanana Ifanampiana dia ny mba hanome andraikitra an’ ireo vehivavy mba hifanampy eo amin’ ny fiomanana handray “ireo fitahiana lehibe kokoa an’ ny fisoronana izay hita ao amin’ ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ ny tempoly.”14

Ny Fialofana sy Hery mitarika hita ao amin’ ilay Fikambanam-behivavy Miely Manerana an’ izao tontolo izao

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra ilay fitarihana sy hery manan-danja ao anatin’ ilay fiarahana lehiben’ ny mpirahavavy maneran-tany ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana. Nanomboka tamin’ ny 1842 dia niparitaka nihoatra lavitra an’ i Nauvoo ny Fiangonana, ary ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny dia hita any amin’ ny firenena mihoatra ny 175, izay ahitana rahavavy miteny amin’ ny fiteny mihoatra ny 80. Misy paroasy sy sampana vaovao aorina foana isan-kerinandro ary ireo Fikambanana Ifanampiana vaovao dia lasa tafiditra ao anatin’ ilay fiarahan’ ny mpirahavavy tsy mitsaha-mitombo hatrizay, izay “miely manerana ireo kaontinanta.”15 Fony mbola vitsy ny isan’ ny Fikambanana Ifanampiana ary tsy niorina afa-tsy teto Utah ihany aloha, dia afaka nampifantoka bebe kokoa an’ ilay fikambanan’ izy ireo sy ny maha-mpianatra azy ireo tamin’ ny fandaharan’ asa ara-tsôsialy teo an-toerana sy ny asa fanampiana ataon’ ireo vondrona samihafa tao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo mpitarika. Namorona karazan’ asa atao any an-tokantrano izy ireo sy namolavola tetik’ asa fanorenana hôpitaly sy fitehirizana karazam-boa. Ireo ezaka nataon’ ny Fikambanana Ifanampiana tany am-piandohana ireo dia nanampy tamin’ ny fanorenana ny lamin’ ny maha-mpianatra izay ampiharin’ ny rehetra ankehitriny. Noho ny Fiangonana efa nitombo dia afaka manatanteraka ny tanjony any amin’ ny paroasy sy sampana rehetra ary any amin’ ny tsatòka sy distrika ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny, ka manao izay hampandeha izany ao anatin’ ity izao tontolo izao tsy mitsaha-miova ity.

Isan’ andro ireo rahavavy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana manerana an’ izao tontolo izao dia miaina karazana fitsapana sy toe-java-miseho maro eto an-tany. Ny vehivavy sy ny fianakaviany ankehitriny dia miatrika mivantana ireo fanantenana tsy tanteraka, aretina ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy, ary loza sy fahafatesana. Ny rahavavy sasany dia ianjadian’ ny fanirery sy ny fahadisoam-panantenana satria tsy manana fianakaviana ary ny sasany dia mizaka ny vokatry ny safidy ratsy nataon’ ireo olona tao amin’ ny fianakaviana. Ny sasany dia niaina ady na hanoanana na loza ara-boajanahary ary ny sasany dia tratran’ ny adin-tsaina vokatry ny fiankinan-doha amin’ ny zavatra ratsy na ny tsy fananan’ asa na ny tsy fahampian’ ny fahaizana. Ireo zavatra manahirana rehetra ireo dia tena afaka manimba ny finoana ary mamparefo ny herin’ ny olona tsirairay sy ny fianakaviana. Ny iray amin’ ireo tanjon’ ny Tompo tamin’ ny fampivondronana ireo rahavavy ho lasa mpianatra dia ny mba hanome fahamaivanana izay hanandratra azy ireo any ambonin’ ny “zavatra rehetra izay manakantsakana ny fifaliana sy ny fivoaran’ ireo vehivavy.”16 Any amin’ ny paroasy sy sampana rehetra dia misy Fikambanana Ifanampiana izay ahitana rahavavy afaka mitady sy mandray fanambarana sy torohevitra miaraka amin’ ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana mba hifanamafy orina sy hampiasa ireo vahaolana mifanaraka amin’ ny tokantranon’ izy ireo manokana sy ny fiaraha-moniny.

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa amin’ ny alalan’ ny Fikambanana Ifanampiana, dia mivelatra ny maha-mpianatra azy ireo ary afaka mirotsaka miaraka amin’ ny hafa izy ireo manao ilay karazan’ asa manaitra sy feno herim-po nataon’ ny Mpamonjy. Ny karazan’ asa izay asaina ataon’ ireo rahavavy ao amin’ ity Fiangonana ity amin’ izao androntsika izao dia tsy mbola hoe tsotsotra ny votoatiny na tsy nanan-danja teo imason’ ny Tompo hatramin’ izay. Amin’ ny alalan’ ny fahatokian’ izy ireo dia afaka mahatsapa ny fankatoavan’ ny Tompo izy ireo ary afaka manana ny Fanahy Masina hiaraka aminy.

Tokony ho fantatr’ ireo zafikeliko vavy koa fa ilay fiarahan’ ny mpirahavavy ao anatin’ ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka manolotra toerana azo antoka sy toeram-pialofana ary toeram-piarovana.17 Rehefa lasa mihasarotra kokoa noho ny teo aloha izao androntsika izao, ireo rahavavy mahatoky ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana dia hiray hina hiaro ireo tokantrano ao Ziona eo anatrehan’ ireo feo mitabataban’ izao tontolo izao sy ilay fitarihan’ ilay fahavalo izay manimba sy manelingelina. Ary amin’ ny alalan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia ho ampianarina sy hatao mafy orina izy ireo ary avy eo dia ho ampianarina bebe kokoa sy atao mafy orina kokoa hatrany, ary afaka mitondra fitahiana ho an’ ny zanaky ny Raintsika maro kokoa ny hery mitarika ananan’ ireo vehivavy marina.

Mpianatra Mikarakara sy Manompo

Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia hahatakatra fa ny famangiana isan-tokantrano dia fanehoana ny maha-mpianatra azy ireo ary fomba manan-danja iray hanajan’ izy ireo ny fanekempihavanany. Izany lafiny iray ao anatin’ ny maha-mpianatra antsika izany dia tokony hitovy tsara amin’ ny asa fanampoana nataon’ ny Mpamonjy. Tany am-piandohan’ ny Fikambanana Ifanampiana, ny kaomitin’ ny famangiana isaky ny paroasy dia nomena asa mba hamantatra izay zavatra ilaina ary mba hanangona fanomezana ho zaraina amin’ ireo sahirana. Nandritra ny taona maro ireo rahavavy sy mpitarika tao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana dia nianatra dingana iray isaky ny mandeha ary nampivoatra ny fahaizan’ izy ireo mikarakara ny hafa. Nisy ireo fotoana izay nifantohan’ ireo rahavavy bebe kokoa tamin’ ny fanatanterahana famangiana sy fampianarana lesona ary fametrahana hafatra kely rehefa tonga tany amin’ ireo tokantranon’ ireo rahavaviny izy ireo ka tsy tao ireo rahavavy. Ireo fomba fanao ireo dia nanampy ireo rahavavy mba hianatra ny lamin’ ny fikarakarana. Toy ireo olona tamin’ ny andron’ i Mosesy izay nifantoka tamin’ ny firaketana fitanisana fitsipika lava dia lava, dia nisy fotoana koa ireo rahavavy tao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana no nametraka lalàna maro ho an’ ny tenany izay voasoratra na tsy voasoratra, tao anatin’ ny fanirian’ izy ireo hahatakatra ny fomba hifampaherezana.

Noho ny halehiben’ ny filana fanomezana fanampiana sy famonjena eo amin’ ny fiainan’ ireo rahavavy sy ny fianakaviany ankehitriny dia mila antsika ny Raintsika any an-danitra mba hanaraka lalana ambony kokoa ary hampiseho ny maha-mpianatra antsika amin’ ny alalan’ ny fikarakarana amin’ ny fo ireo zanany. Ankehitriny ny mpitarika, miaraka amin’ izany tanjona izany ao an-tsaina, dia ampianarina mba hangataka tatitra momba ny fandehan’ ny fiainam-panahin’ ireo rahavavy sy ny fianakaviany sy ny fiainana ara-nofon’ izy ireo ary momba ny asa fanompoana natao tany.18 Ankehitriny ny mpamangy isan-tokantrano dia manana andraikitra “hahafantatra tsara sy hitia amin’ ny fo tokoa ny rahavavy tsirairay ary hanampy azy hanamafy orina ny finoany sy hanompo azy.”19

Amin’ ny maha-mpianatry ny Mpamonjy feno fanoloran-tena antsika, dia mampivoatra ny fahafahantsika manao ireo zavatra izay ho nataony isika raha toa Izy ka tety. Fantatsika fa ho Azy dia ny fikarakarana ataontsika no zava-dehibe ary noho izany dia miezaka isika mba hifantoka amin’ ny fikarakarana ireo rahavavintsika fa tsy amin’ ny fanatanterahana ireo zavatra maro voatanisa ao anaty lisitra. Ny fanompoana marina dia refesina kokoa amin’ ny halalin’ ny fiantrana ataontsika fa tsy amin’ ny fahalavorarian’ ny tatitra mikasika ny antontan’ isa omentsika. Ho fantatsika fa mahomby isika ao anatin’ ny asa fanompoana ataontsika rehefa afaka miteny ireo rahavavintsika hoe: “Manampy ahy hivoatra ara-panahy ny mpamangy isan-tokantranoko” sy “Fantatro fa miahy lalina ahy sy ny fianakaviako ny mpamangy isan-tokantranoko” ary “Rehefa manana olana aho dia fantatro fa ny mpamangy isan-tokantranoko dia handray andraikitra fa tsy miandry angatahana.” Ireo mpitarika izay mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana ny hafa dia hiaraka hifandinika mba hitadiavana sy hahazoana fanambarana momba ny fomba tokony hanomezana hery ireo mpamangy isan-tokantrano sy ny fomba tokony handaminana sy hanatanterahana asa fanompoana entanim-panahy.

Ankoatr’ izany, ny famangiana isan-tokantrano dia fampivelarana ilay andraikitry ny eveka mba hiahy ny ondrin’ ny Tompo. Ny eveka sy ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia mila an’ ireo mpamangy isan-tokantrano feno aingam-panahy mba hanampy azy ireo hanatanteraka ny andraikiny. Amin’ ny alalan’ ny asa fanompoana ataon’ ireo mpamangy isan-tokantrano, dia afaka mahafantatra izay toe-piainan’ ny rahavavy tsirairay ao amin’ ny paroasy ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana ary manao tatitra momba ny toe-piainan’ izy ireo rehefa miresaka amin’ ny evekany.

Nampianatra antsika ny Filoha Thomas S. Monson fa “rehefa miezaka amim-pinoana ary tsy miroanahana manatanteraka ny andraikitra nomena antsika isika ary rehefa mikatsaka fitaomam-panahy avy any amin’ Ilay Avo Indrindra ao anatin’ ny fanatanterahana ny andraikitsika, dia afaka mahavita zava-mahagaga.”20 Manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia handray anjara ao anatin’ ireo fahagagana ireo rehefa manao izay ahatongavan’ ny famangiana isan-tokantrano ho lasa lamin’ ny maha-mpianatra izay ho eken’ ny Tompo rehefa hiverina Izy.

Manatanteraka ny Tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana

Ireo fampianarana ireo sy ny fampianarana manan-danja hafa koa momba ny Fikambanana Ifanampiana dia azon’ ireo zafikeliko vavy halalinina ankehitriny ao anatin’ ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (Ireo Zanakavavy ao amin’ ny Fanjakako: Ny Tantara sy ny Asan’ ny Fikambanana Ifanampiana). Io boky io dia ahitana ny rakitsoratry ny lovan’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo vehivavin’ ny Fiangonana. Hampiray ireo rahavavy manerana an’ izao tontolo izao izany sy hanampy azy ireo hiaina araka ireo tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo lamina sy tombontsoa amin’ ny maha-mpianatra. Vavolombelon’ ny anjara asa manan-danja ananan’ ny vehivavy ao anatin’ ny drafitry ny fahasambaran’ ny Raintsika izany, ary manome ireo fitsipika tsy azo hozongozonina mikasika ny zavatra inoantsika sy ny zavatra ataontsika ary ny zavatra ho arovantsika. Ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika antsika mba “handalina izany boky izany ary hamela ireo fahamarinana mandrakizay sy ireo ohatra manentana ny fanahy ao aminy mba hitarika ny fiainan[tsika].”21

Noho ny fahafantarany fa naorin’ Andriamanitra ny Fikambanana Ifanampiana, dia nilaza tamin’ ireo rahavavin’ ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Andraikitrareo ny mitarika an’ izao tontolo izao ary indrindra mitarika ny vehivavin’ izao tontolo izao. … Ianareo no lohany,” hoy izy, “fa tsy rambony.”22 Satria efa akaiky ny fotoana hiverenan’ ny Tompo dia manantena aho fa ireo zafikeliko vavy dia ho lasa vehivavy matanjaka sy mahatoky izay mampihatra ireo fitsipika sy lamin’ ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ ny fiainany. Rehefa lasa fomba fiainana ho azy ireo ny Fikambanana Ifanampiana, dia manantena aho fa hanompo amim-piraisan-kina miaraka amin’ ny hafa izy ireo mba hanatanteraka ireo tanjony masina. Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy marina izay naverina tamin’ ny laoniny ary feno fankasitrahana aho noho ny lamin’ ny maha-mpianatra izay naverina tamin’ ny laoniny rehefa nentanin’ ny Tompo ny fanahin’ ny Mpampinany Joseph Smith mba hanorina ny Fikambanana Ifanampiana. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 3.

  2. Jereo ny Lioka 10:38–42.

  3. Jereo ny Jaona 11:20–27.

  4. Jereo ny Asan’ ny Apôstôly 18:24–26; Romana 16:3–5.

  5. Jereo ny Filipiana 4:1–4.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25.

  7. Joseph Smith, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 12.

  8. Joseph Smith, ao amin’ ny History of the Church, 4:602.

  9. Fanekem-pinoana 1:5

  10. Joseph Fielding Smith, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 97.

  11. Joseph Smith, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 15.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22; jereo koa ny Sheri L. Dew, ao amin’ nyDaughters in My Kingdom, 128.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19; jereo koa ny Ezra Taft Benson, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 129.

  14. Daughters in My Kingdom, 131.

  15. Boyd K. Packer, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom,99.

  16. John A. Widtsoe, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 25.

  17. Jereo ny Daughters in My Kingdom,86–87.

  18. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’ Eglise (2010), 9.5.4.

  19. Manuel 2, 9.5.1.

  20. Thomas S. Monson, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 91.

  21. Ny Fiadidiana Voalohany, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, ix.

  22. Joseph F. Smith, ao amin’ ny Joseph F. Smith, Daughters in My Kingdom, 66.