2010–2019
Manan-danja Aminy Ianao
Oktobra 2011


Manan-danja Aminy Ianao

Kanefa mampiasa fitaovam-pandanjana hafa kely tsy mitovy amin’ ny fampiasan’ izao tontolo izao ny Tompo entiny handanjana ny hasarobidin’ ny fanahy.

I Mosesy, izay iray tamin’ ireo mpaminany lehibe indrindra fantatr’ izao tontolo izao, dia notezain’ ny zanakavavin’ i Farao ary nandany ny 40 taonany voalohany teo amin’ ny fiainany teo an-dalantsaran’ ny lapan’ i Egypta. Hitany mivantana ny voninahitra sy halehibean’ izany fanjakana fahiny izany.

Taona maro taty aoriana, teo an-tampon’ ny tendrombohitra lavidavitra iray, lavitr’ ireo hatsarana sy ny hakanton’ i Egypta mahavariana, no nijoroan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra ary nifanatrehany tava sy niresahany Taminy toy ny lehilahy iray miresaka amin’ ny namany.1 Nandritra izany fotoam-pitsidihana izany no nampisehoan’ Andriamanitra tamin’ i Mosesy ny asa kanton’ ny Tanany, nanomezany fahafahana azy hahita sombiny amin’ ny asany sy ny voninahiny. Rehefa nikatona ilay fahitana dia lavo tamin’ ny tany nandritra ny ora maro i Mosesy. Rehefa nimpody taminy ny ainy dia nahatakatra zavatra iray izy, zavatra izay tsy mbola nitranga taminy hatrizay nandritra ireo taona maro niainany teo an-dapan’ i Farao.

“Fantatro,” hoy izy, “fa tsinontsinona ny olona.”2

Latsa-danja Kokoa Noho Izay Heverintsika Isika

Arakaraka ny hianarantsika bebe kokoa mahakasika izao tontolo izao no hahatakarantsika kokoa—farafahakeliny amin’ ny ampahany kely—mikasika izay fantatr’ i Mosesy. Midadasika, sy feno mistery ary be voninahitra tokoa izao tontolo izao ka tsy takatry ny sain’ ny zanak’ olombelona. “Tontolo tsy hita isa no efa nohariako,” hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy.3 Ny habakabaka amin’ ny alina izay mahatalanjona dia vavolombelona manamarina izany fahamarinana izany.

Vitsy ny zavatra izay nahatonga ahy ho tolagaga fatratra tahaka ny fisidinako nandritra ny alina maizina teny amin’ny ranomasina sy kaontinanta ary ny fitazanako avy teo amin’ ny varavarankelin’ny efitry ny mpanamory ny voninahitra tsy manam-petran’ ireo kintana an-tapitrisany.

Nanandrana nanisa ireo kintana eran’ izao rehetra izao ireo mpahaikintana. Ny vondron’ ny mpahay siansa iray dia nanombantombana fa ny isan’ ireo voam-pasika misy eny amin’ ny moron-dranomasina sy tany efitr’ izao tontolo izao no ampitomboana impolo vao hanome ny isan’ ireo kintana izay takatry ny masolavitra lehibe ananantsika.4

Manaitra ny fitovian’ izany tsoa-kevitra izany amin’ ilay fanambarana nataon’ i Enôka mpaminany fahiny manao hoe: “Na dia vitan’ ny olona aza ny hanisa ny poti-tany, eny, tany an-tapitrisany tahaka ity, dia tsy mbola fiandohan’ ny isan’ ny zava-boaharinao akory izany.”5

Rehefa mieritreritra ny habetsahan’ ny zavatra noharian’ Andriamanitra isika dia tsy mahagaga raha nanoro hevitra ny olona i Benjamina ilay Mpanjaka lehibe, ny mba “[hitana] mandrakariva ao amin’ ny fahatsiarovana ny halehibeazan’ Andriamanitra sy ny mahatsinontsinona [antsika].”6

Lehibe Kokoa Noho ny Fiheverantsika ny Tenantsika Isika

Kanefa na dia tsinontsinona aza ny olona dia mahatalanjona sy mahagaga ahy hatrany ny mieritreritra fa “lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra.”7

Ary raha mety hitazana ny velaran’izao tontolo izao izay tena midadasika isika ka hiteny hoe: “Inona tokoa moa ny olona raha oharina amin’ ny hakanton’ ny fahariana?” dia Andriamanitra mihitsy no nilaza fa isika no antony nahariany izao tontolo izao! Ny asany sy ny voninahiny—izay tanjon’ ity tontolo faran’ izay kanto indrindra ity—dia ny hamonjy sy hanandratra ny zanak’ olombelona.8 Raha lazaina amin’ ny fomba hafa dia naorina ho tombontsoan’ ny olona tsotra sy mety maty toa ahy sy ianao ilay velaran’ ny mandrakizay izay midadasika, ny voninahitra sy mistery fonosin’ ny tontolo sy ny fotoana tsy misy fetra. Nahary izao tontolo izao ny Ray any an-danitra mba hahafahantsika mahatratra ireo zavatra mety ho vitantsika amin’ ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika.

Hevimifanohitra eo amin’ ny olombelona izao: tsinontsinona ny olona raha oharina amin’ Andriamanitra; kanefa manan-danja be tokoa isika amin’ Andriamanitra. Na dia miendrika ho tsinontsinona aza isika raha oharina amin’ ny fahariana tsy hita fetra dia manana ny sombin’ ny fiainana mandrakizay miredareda ao anatintsika. Manana ilay fampanantenana izay tsy takatry ny saina isika dia ny fisandratana—tontolo tsy misy fiafarana—eo am-pelantanantsika. Ary fanirian’ Andriamanitra lehibe ny hanampy antsika hahatratra izany.

Ny Hadalan’ny Fieboeboana

Ilay mpamitaka lehibe dia mahafantatra fa iray amin’ ireo fitaovany mahomby indrindra hisarihana ny zanak’ Andriamanitra amin’ ny lalan-diso dia ny herin-tsitona ataony amin’ ny hevi-dison’ ny olombelona. Misarika ny sasany amin’ ny fieboeboana mihoam-pampana izy, misarika azy ireo ho be fialonana ary mamporisika azy ireo hino ny haitraitra mikasika ny maha-manan-danja ny tenan’ izy ireo manokana sy ny tsy fahafahana mandresy azy ireo. Lazainy fa efa mihoatra ny olon-tsotra izy ireo ary noho ny fahaiza-manaony, noho ny hery ananany hatramin’ ny nahaterahany na noho ny sarangany eo amin’ ny fiaraha-monina dia miavaka izy ireo eo anatrehan’ ny rehetra izay manodidina azy ireo. Tarihany izy ireo hino fa tsy handairan’ ny lalàna izay mihatra amin’ ny hafa intsony izy ireo noho izany ary tsy tokony ho adalaina amin’ ny olana mianjady amin’ ny olon-kafa rehetra.

Voalaza fa tian’ i Abraham Lincoln ity tononkalo iray izay mivaky toy izao ity:

Nahoana no mieboebo, ry fanahin’ izay mety maty?

Sombin-drahona iray izay mandalo, tainkintana mitsoriaka dia ho faty,

Tselatra kely miserana, sombin’ onja mitopatopa ihany,

Toy izany ny fiainan-dRaolona, hiafara ambanin’ ny tany.9

Takatr’ireo mpanara-dia an’ i Jesoa Kristy fa raha oharina amin’ ny mandrakizay dia ho “fotoana fohy” ihany eo amin’ ny toerana sy ny fotoana izao fandalovantsika eto an-tany izao.10 Fantatr’ izy ireo fa ny tena lanjan’ ny olona iray dia tsy misy ifandraisany loatra amin’ ny zavatra omen’ izao tontolo izao lanja ambony indrindra. Fantatr’ izy ireo fa afaka manangona ny volan’ ny tany manontolo ianao ary tsy azo ividianana na inona na inona any an-danitra akory izany.

Ireo izay “[h]andova ny fanjakan’ Andriamanitra”11 dia ireo izay ho “tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana.”12 “Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.”13 Ny mpanara-dia tahaka izany dia mahatakatra ihany koa fa “rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”14

Tsy Hadino Isika

Ny fomba iray hafa hamitahan’ i Satana dia amin’ ny alalan’ ny fanakiviana. Manandrana manao izay hampifantoka ny fijerintsika amin’ ny maha-tsinontsinona antsika izy mandrapahatonga antsika hisalasala hoe sarobidy tokoa ve isika sa tsia. Milaza amintsika izy fa kely loatra isika ka tsy hisy hahatsikaritra akory, ary hadino isika—indrindra hadinon’ Andriamanitra.

Mamelà ahy ianareo hizara traikefa niainako izay afaka manampy kely ireo izay mihevitra ny tenany ho tsinontsinona, na hadino na irery.

Taona maro lasa izay dia nanaraka fiofanana ho tonga mpanamory tany amin’ ny Tafika An’ habakabaka Amerikanina aho. Lavitra tokoa ny trano fonenako aho, izay miaramila Alemana Tandrefana mbola tanora, teraka tany Tchéquoslovaquie, ary lehibe tany Alemana Atsinanana ary sahirana be teo amin’ ny fitenenana teny Anglisy. Tsaroako tsara ny dianay nankany amin’ ilay toeram-piofanana tany Texas. Teny ambony fiaramanidina aho dia nipetraka teo akaikin’ ny miaramila iray izay niroky araky ny fiteny avy any Atsimon’ i Etazonia. Zara raha nisy haiko izay teny nolazainy. Nanontany tena mihitsy aho tamin’ izay raha tena ilay fiteny tena izy tokoa no nampianarina ahy teo aloha. Nivarahontsana aho nieritreritra hoe hifaninana ho tonga amin’ ilay toeran’ ny mpanamory mahay indrindra amin’ ireto mpianatra ireto aho izay ny teny Anglisy no tenin-drazany.

Rehefa tonga teo amin’ ny toby fiantsonana teo amin’ ilay tanàna kelin’ i Big Spring, Texas aho, dia nitady ary nahita ny sampana an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, izay nahitana mpikambana nahafinaritra azo nisaina tamin’ ny rantsantanana izay nivory tao amin’ ny efitrano nofaina tao anatin’ ilay toby miaramila mihitsy. Teo am-pananganana ny trano fiangonana ny mpikambana tamin’ izay, izay ho ampiasain’ izy ireo ho Fiangonana rahatrizay. Tamin’ izany andro izany dia ny mpikambana no manao ny ankamaroan’ ny asa amin’ ny fananganana trano fiangonana.

Nanaraka ny fiofanako ho mpanamory sy nianatra mafy araka izay tratrako aho isan’ andro isan’ andro ary avy eo dia nandany ny fotoana malalaka nananako niasana tamin’ ilay trano fiangonana vaovao vao hatsangana. Tany no nianarako fa hay tsy karazana soradihy ny atao hoe 2 sy 4 fa refin’ ny tapa-kazo. Tany koa no nianarako ny fahaizana mikapoka maritoa ka tsy mahavoa ny ankihibe rehefa mamantsika fantsika.

Nandany fotoana maro tokoa aho niasana tamin’ ilay trano fivavahana hany ka naneho ny ahiahiny ilay filohan’ ny sampana—izay iray amin’ ireo mpampianatra anay ho mpanamory—hoe sao dia tokony handany fotoana bebe kokoa aho hianarana.

Ireo namako sy mpiara-mianatra tamiko dia nanao ihany koa izay fanaony amin’ny andro mampalalaka azy ireo, na dia azo lazaina tsara aza raha ny fijeriko fa ny sasany tamin’ ireo zavatra nataony ireo dia tsy nifanaraka amin’ny bokikely Ry Tanora Mahereza izay misy ankehitriny. Izaho kosa dia nankafy ny fandraisako anjara mavitrika tao amin’ilay sampana kely vaovao tany Texas, nampihatra koa ireo fahaizana mandrafitra vao nianarako ary nanatsara ny teny Anglisiko teo am-panatanterahako ny antsoko mampianatra ao amin’ ny kôlejin’ ny loholona sy ny Sekoly Alahady.

Tamin’ izany fotoana izany i Big Spring dia tsy araka ny anarany, fa toerana kely tsy nanana ny lanjany ary toerana tsy be mpahafantatra. Ary matetika aho no nahatsiaro ho toy izany mihitsy—tsy manan-danja, tsy be mpahafantatra ary somary tia nitokantokana. Na izany aza dia tsy mbola niahiahy velively aho raha toa ka hadinon’ny Tompo na tsy ho hitany ny misy ahy tany. Fantatro fa tsy dia manana ny lanjany loatra amin’ ny Ray any an-danitra ny toerana misy ahy, na ny laharana misy ahy amin’ ny kilasy fiofanana ho mpanamory, na ny antsoko tato am-piangonana. Zava-dehibe ho Azy kosa ny zavatra ataoko, ny fitodihan’ ny foko Aminy ary ny faniriako an-tsitrapo hanampy ireo manodidina ahy. Fantatro fa raha manao ny tsara indrindra vitako aho dia handeha tsara ny zava-drehetra.

Ary dia nandeha tsara ny zava-drehetra.15

Ho Voalohany ireo Farany

Tsy raharahian’ ny Tompo na mandany ny fotoanantsika miasa ao anatin’ ny efitrano vita amin’ ny vatovandana isika na ao anatin’ ny efitranon-tsoavaly. Fantany ny misy antsika, na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsoran’ ny toe-javatra iainantsika. Ho ampiasainy—araky ny fombany sy ho amin’ ny tanjony masina—ireo izay mampitodika ny fony Aminy.

Fantatr’ Andriamanitra fa ny sasantsasany amin’ ireo olona lehibe indrindra nisy hatrizay dia ireo izay tsy ho voarakitra na oviana na oviana ao amin’ ny tantaran’ ny zanak’ olombelona izay nosoratana. Ireo no olona sambatra sy feno fanetren-tena izay manaraka ny ohatry ny Mpamonjy ary mandany ny androm-piainany amin’ ny fanaovana ny soa.16

Mpivady iray tahaka izany, izay ray aman-drenin’ izay namako iray izay, no ohatra tsara naneho tamiko izany fitsipika izany. Niasa tamin’ ny toerana fanaovana vỳ tao Utah ilay rangahy. Rehefa tonga ny ora fisakafoana atoandro dia mamoaka ny soratra masiny na ny gazetibokim-piangonana izy ary mamaky izany. Rehefa mahita izany ireo mpiara-miasa aminy dia manarabiraby azy ary manaratsiratsy ny finoany. Rehefa manao izany anefa izy ireo dia resahiny amin-katsaram-panahy sy amim-pahatokian-tena. Tsy navelany hiteraka fahatezerana na fanafintohinana teo aminy izany tsy fanajana atao aminy izany.

Taona maro taty aoriana dia narary mafy ny iray tamin’ireo tena mpanesoeso azy indrindra. Talohan’ ny nahafatesany dia nangataka izy ny handraisan’ ity lehilahy be fanetren-tena ity fitenenana amin’ ny fanaovam-belona mandritra ny fandevenana azy—izay nataony tokoa.

Tsy dia nanana zavatra maro teo anivon’ ny fiaraha-monina na harena ity mpikamban’ ny Fiangonana mahatoky ity, kanefa ny hery mitarika nasehony dia nahakasika lalina ny fon’ ireo rehetra izay nahafantatra azy. Nodimandry nandritra ny loza tao am-piasana izy rehefa nijanona mba hanampy ny mpiara-miasa iray hafa taminy izay tafahitsoka tao anaty ranomandry.

Tsy nihoatra ny herintaona dia voatery nandalo fandidiana tao amin’ ny lohany koa ny vady navelan’ Itompokolahy, ary taorian’ izany dia tsy afaka nandeha intsony. Kanefa ny olona dia tia mandany ny fotoanany miaraka aminy satria izy mihaino. Mahatadidy tsara koa izy. Mikarakara koa. Na dia tsy afaka nanoratra aza izy dia nahatadidy ireo laharan’ ny telefaonin’ ireo zanany sy zafikeliny. Tadidiny tsara koa ireo daty nahaterahana sy tsingerintaona fankalazana.

Ireo izay mitsidika azy dia mivoaka avy tao miaraka amin’ ny fahatsapana mahafinaritra kokoa mahakasika ny fiainany sy mahakasika ny tenan’ izy ireo. Mahatsapa ny fitiavany izy ireo. Fantatr’ izy ireo fa miraharaha izy. Tsy mba mitaraina izy fa mandany kosa ny fotoanany hitahiana ny fiainan’ ireo hafa. Nilaza ny iray tamin’ ireo namany fa ity vehivavy ity no iray amin’ ireo olona vitsivitsy fantany izay tena naneho ny fitiavana sy fiainana tahaka ny an’ i Jesoa Kristy.

Ireto mpivady ireto no ho olona voalohany hilaza fa tsy manana ny lanjany mihitsy eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Kanefa mampiasa fitaovam-pandanjana hafa kely tsy mitovy amin’ ny fampiasan’ izao tontolo izao ny Tompo entiny handanjana ny hasarobidin’ ny fanahy. Fantany ireto mpivady mahatoky ireto ary tiany izy ireo. Vavolombelona azo tsapain-tanana ny amin’ ny finoany mahery vaika Azy ireo fihetsika asehony.

Manan-danja Aminy Ianao

Ry rahalahy sy ranabavy, mety ho marina tokoa hoe tsinontsinona ny olona raha oharina amin’ ny halehibean’ izao tontolo izao. Mety misy fotoana aza hahatsapa ho tsy manan-danja, na tsy hitan’ ny olona, na irery na hadino isika. Kanefa tsarovy mandrakariva—manan-danja Aminy ianao! Raha toa ka miahiahy izany ianao dia eritrereto ireto fitsipika masina efatra ireto:

Voalohany, tia ireo manetry tena sy malemy fanahy Andriamanitra, satria “izy [ireny] no ho lehibe indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.”17

Faharoa, nanao izay “[hahazoan’]ny malemy sy ny tsotra [man]ambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao ny fahafenoan’ ny filazantsara[ny]” ny Tompo.18 Nisafidy ireo “zava-malemy amin’ izao tontolo izao [Izy] [mba] handroso sy handavo ireo zava-mahery sy matanjaka”19 ary hampahamenatra “ny mahery.”20

Fahatelo, na aiza na aiza toerana iainanao, na tsotra manao ahoana ny toe-piainana misy anao, na mitrongo vao homana ianao, na manao ahoana ny tsy fanananao fahaiza-manao, na manao ahoana ny fahatsoran’ ny endrikao ety ivelany, na kely manao ahoana no mety ahitan’ ny olona ny antsonao ato am-piangonana, dia tsy hoe tsy hitan’ ny Rainao any an-danitra ianao. Tia anao izy. Fantany ny fonao feno fanetren-tena sy ireo fihetsika feno fitiavana sy hatsaram-panahy ataonao. Izy roroa ireo no mitambatra ho fijoroana ho vavolombelona maharitra ny amin’ ny fahatokianao sy ny finoanao.

Fahaefatra sady farany, aoka ho takatrao fa tsy ny zavatra hitanao na iainanao ankehitriny no ho endriky ny mandrakizay. Tsy hahatsiaro fanirery, na fahoriana, na fanaintainana na fahakiviana mandrakizay ianao. Manana ny fampanantenana marin’ Andriamanitra isika fa tsy hanadino na hahafoy ireo izay mampitodika ny fony Aminy Izy.21 Manàna fanantenana sy finoana amin’ izany fampanantenana izany. Mianara mitia ny Rainao any an-danitra ary ho tonga mpanara-dia Azy amin’ ny teny sy fihetsika.

Aoka ho azonao antoka fa raha maharitra ianao, mino Azy, ary mijanona mahatoky amin’ ny fitandremana ireo didiny, dia indray andro any ho tsapanao mivantana ireo fampanantenana izay nambara tamin’ i Paoly Apôstôly hoe: “Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona, no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy.”22

Ry rahalahy sy ranabavy, ny Rain’ ny fanahinareo no Olona heni-kery indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Fantany ianareo. Tiany amin’ ny fitiavana tonga lafatra ianareo.

Raisin’ Andriamanitra tsy amin’ ny maha-olona izay mety miaina ao anatin’ ny planeta kely mandrira ny fotoana fohy fotsiny ianareo—fa raisiny amin’ ny maha-Zanany anareo. Raisiny hoy toy ilay olona izay vitanareo ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranareo rahatrizay. Tiany ho fantatrareo fa manan-danja Aminy ianareo.

Enga anie isika hino, sy hahatoky ary hiaina hatrany amin’ ny fomba izay ahafahantsika mahatakatra ny tena hasarobidintsika sy ny mety ho toetra hiafarantsika mandrakizay marina. Enga anie isika ho mendrika ireo fitahiana sarobidy homanin’ ny Raintsika any an-danitra ho antsika. Izany no vavaka ataoko amin’ ny anaran’ ny Zanakalahiny, dia i Jesoa Kristy, amena.