2010–2019
Fisoronana Aharôna: Mitsangàna ary Ampiasao ny Herin’ Andriamanitra
Aprily 2012


Fisoronana Aharôna: Mitsangàna ary Ampiasao ny Herin’ Andriamanitra

Ny fisoronana dia ilaina ampiasaina mba hanatontosana zavatra tsara. Ianareo dia nantsoina mba “hitsangana ary hamirapiratra” fa tsy hanafina ny fahazavanareo anaty haizina.

Vao tsy ela akory aho izay no tany Afrika Atsimo nitsidika tokantrano niaraka tamin’ i Thabiso, izay mpanampy voalohany tao amin’ ny kôlejin’ ny mpisorona tao amin’ ny paroasin’ i Kagiso. I Thabiso sy ny evekany izay miahy sy mihazona ny fanalahidin’ ny kôlejy dia nivavaka ho an’ ireo mpikambana ao amin’ ny kôlejy izay malaina, ary nikatsaka fitaomam-panahy mba hahafantarana hoe iza no hotsidihana ahoana no hanampiana azy ireo. Nisy nanosika azy ireo hitsidika ny tokantranon’ i Tebello, ary dia nasain’ izy ireo aho hiaraka amin’ izy ireo.

Rehefa nandalo ilay alika masiaka voahofana hiambina izahay dia tafiditra tao amin’ ny efitrano fandraisam-bahiny niaraka tamin’ i Tebello, zatovolahy iray tsy dia be teny izay nitsahatra tsy nankany am-piangonana satria sahirana nanao zavatra hafa izy isaky ny Alahady. Somary sahiran-tsaina izy kanefa faly nandray anay ary nanasa ny fianakaviany mihitsy izy hiaraka aminy. Naneho ny fitiavany an’ ilay fianakaviana ny eveka sy ny faniriany hanampy azy ireo ho tonga fianakaviana mandrakizay amin’ ny alalan’ ny famehezana any amin’ ny tempoly. Tohina ny fon’ izy ireo, ary afaka nahatsapa ny fanatrehan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fomba mahery vaika izahay izay nitarika ny teny rehetra sy ny fihetseham-po rehetra.

Saingy ny tenin’ i Thabiso no tena nampiavaka ilay fitsidihana. Raha ny fahitako azy dia niteny tamin’ ny fitenin’ ny anjely ity mpisorona tanora ity—teny feno fitiavana izay tena takatsika rehetra fa indrindra indrindra tena nahakasika ny fon’ ity namany izany. “Tena tiako tokoa ny niresaka taminao foana tany am-piangonana,” hoy izy. “Miteny zavatra tsara ho ahy foana ianao. Ary moa ve fantatrao fa mitsipozipozy ny ekipa mpanao baolina ao amintsika rehefa tsy nisy anao intsony. Ianao mantsy no tena mahay milalao baolina.”

“Tena miala tsiny aho,” hoy ny navalin’ i Tebello. “Hiverina hiaraka aminareo aho ry zalahy.”

“Tena mahafinaritra izany” hoy i Thabiso. “Ary tsaroanao ve isika ilay manao fiomanana mba ho misiônera? Afaka manao izany indray ve isika?”

“Eny,” hoy ny navalin’ i Tebello, “Te-hiverina aho.”

Angamba ny hafaliana lehibe indrindra izay niainako tamin’ ny naha-mpanolotsaina ahy ato amin’ ny fiadidian’ ny Zatovolahy maneran-tany dia ny mahita ny mpihazona Fisoronana Aharôna manerana izao tontolo izao mampihatra ny herin’ ny Fisoronana Aharôna. Kanefa indraindray koa aho manatri-maso amin’ ny fo feno alahelo hoe zatovolahy firifiry no tsy mahatakatra ny zavatra tsara azon’ izy ireo atao amin’ ny hery izay hazonin’ izy ireo.

Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra izay ampiasaina hanompoana ny zanany. Raha izao mantsy no mba afaka mahatakatra daholo ny zatovolahy rehetra, ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna rehetra, fa ny fisoronany dia mihazona ny fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely. Raha izao mantsy izy ireo no mba afaka mahatakatra fa manana adidy masina hanampy ny namany hahita ny lalana mitondra mankany amin’ ny Mpamonjy. Raha mba fantany mantsy fa ny Ray any an-danitra dia hanome azy ireo hery hanazavana ny fahamarinan’ ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny amin’ ny fomba tena mazava sy tsotra ka dia hahatsapa amin’ ny fomba tsy azo lavina ny fahamarinan’ ny tenin’ i Kristy ny hafa.

Ry zatovolahy malalan’ ny Fiangonana, hanontany anareo fanontaniana iray aho izay antenaiko fa ho entinareo ao am-ponareo mandritra ny fiainanareo. Hery lehibe kokoa manao ahoana no mety ho azonareo eto an-tany noho ny fisoronan’ Andriamanitra? Hery lehibe manao ahoana no mety ho lehibe kokoa noho ny fahafahana manampy ny Raintsika any an-danitra manova ny fiainan’ ireo namantsika, manampy azy ireo eo amin’ ilay lalana mankany amin’ ny fahasambarana mandrakizay amin’ ny alalan’ ny fahadiovana amin’ ny fahotana sy ny tsy mety natao?

Tahaka ireo hery hafa, ny fisoronana dia ilaina ampiasaina mba hanatontosana zavatra tsara. Ianareo dia nantsoina mba “hitsangana ary hamirapirat[ra]” (F&F 115:5), fa tsy hanafina ny fahazavanareo anaty haizina. Ireo izay be herimpo ihany no ho isaina ho isan’ izay voafidy. Rehefa mampihatra ny herin’ ny fisoronana masina ianao, dia hitombo ny herimponao sy ny fahatokianao. Ry zatovolahy, fantatrareo fa manao ny zavatra tsara indrindra ianareo rehefa ao anatin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Fantatrareo fa tena faly ianareo rehefa mirotsaka amim-pientanentanana ao anatin’ ny asa tsara iray. Andriano ny herin’ ny fisoronanareo amin’ ny alalan’ ny fahadiovanareo sy fahamendrehanareo.

Miray feo amin’ ny antso nataon’ ny Loholona Jeffrey R. Holland aho izay nataony taminareo enim-bolana lasa izay teto amin’ ity polpitra ity. “Izaho dia miandrandra,” hoy izy, “lehilahy tanora sy lehibe izay manome lanja ity ady ifanaovan’ ny tsara sy ny ratsy ity hirotsaka amin’ izany sy hanandratra ny feony. Ao anatin’ ny ady isika.” Dia notohizany hoe, “… Mangataka feo matanjaka sy feno fanoloran-tena bebe kokoa aho, feo tsy hoe hanohitra fotsiny ny ratsy … , fa feo ho an’ ny tsara, feo ho an’ ny filazantsara, feo ho an’ Andriamanitra” (“Mandray anjara Avokoa Isika Rehetra,” Liahona, Nôv. 2011, 44, 47).

Eny ry mpihazona ny Fisoronana Aharôna, ao anatin’ ny ady isika. Ary ao anatin’ izany ady izany, ny fomba tsara indrindra hiarovan-tena amin’ ny ratsy dia ny fanatanterahana amim-pahavitrihana ny fahamarinana. Tsy afaka ny hihaino ireo teny ratsy ianao dia hanao toy ny tsy mandre izany. Tsy afaka ny hijery, irery na miaraka amin’ ny hafa sary mamoafady ianao dia hanao toy ny tsy mahita izany. Tsy afaka ny hikasika zavatra tsy madio ianao dia hody hanao hoe tsy misy voka-dratsiny izany. Tsy tokony hiraviravy tanana ianao rehefa mikatsaka ny hanapotika izay zavatra mahasoa sy madio i Satana. Fa mijoroa kosa amim-pahasahiana amin’ ny zavatra fantatrao fa marina! Rehefa mahita na mandre zavatra mifanohitra amin’ ny fitsipiky ny Tompo ianao, dia tsarovy hoe iza moa ianao—miaramilan’ ny tafik’ Andriamanitra, manana ny herin’ ny fisoronany masina. Tsy misy fitaovam-piadiana tsara kokoa hanoherana ny fahavalo, ilay rain’ ny lainga, noho ny fahamarinana izay hivoaka ny vavanao rehefa mampiasa ny herin’ ny fisoronana ianao. Ny ankamaroan’ ireo namanao dia hanaja anao noho ny herimponao sy ny fahamarinan-toetranao. Ny sasany anefa tsy hanao izany. Kanefa tsy mampaninona izany. Hahazo fanajana sy fahatokiana avy amin’ ny Ray any an-danitra ianao satria nampiasainao ny heriny hanatanterahana ny tanjony.

Miantso indray ny fiadidian’ ny kôlejin’ ny Fisoronana Aharôna rehetra aho mba hanangana indray ny fanevan’ ny fahafahana ary handamina sy hitarika ireo tafikareo. Ampiasao ny herin’ ny fisoronanareo mba hanasana ireo manodidina anareo hanatona an’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fibebahana sy batisa. Manana ny fahefana sy ny herin’ ny Ray any an-danitra ianao hanao izany.

Roa taona lasa izay raha nitsidika an’ i Santiago, Chilie aho, dia tena talanjona tamin’ i Daniel Olate, zatovolahy izay matetika miaraka amin’ ny misiônera. Nangataka azy aho mba hanoratra ho ahy, ary rehefa nahazo lalana taminy aho dia hovakiako aminareo ny ampahany tamin’ ny e-mail nalefany: “Feno 16 taona aho, ary tamin’ ny Alahady aho no notendrena tao amin’ ny anjara fanompoan’ ny mpisorona. Tamin’ io andro io ihany aho dia nanao batisa namana iray. Ny anarany dia Carolina. Nampianatra azy ny filazantsara aho, ary nanatrika tsy tapaka ny fiangonana izy ary efa nandray ny mari-boninahitry ny Fivoaran’ ny Tena Manokana aza izy, kanefa tsy navelan’ ireo ray aman-dreniny natao batisa izy mandrapahafantatr’ izy ireo ahy sy mandrapananan’ izy ireo fahatokiana tamiko. Tiany ny hanaovako batisa azy, ka tsy maintsy niandry iray volana izahay mandrapahatongan’ ilay Alahady, izay naha-16 taona ahy. Tena nahatsapa zavatra tsara aho noho ny fanampiako olona tena tsara toy izany mba hatao batisa, ary faly aho fa izaho no nanao ny batisany.”

I Daniel dia iray amin’ ireo zatovolahy maro be manerana izao tontolo izao izay mampiasa araka ny tokony ho izy ilay herin’ Andriamanitra izay nomeny azy ireo. Ny anankiray hafa dia i Luis Fernando, avy any Honduras, izay nahatsikaritra fa nandeha tamin’ ny lalana mampidi-doza ny namany ary nizara ny fijoroany ho vavolombelona taminy izy, izay nanavotra ara-bakiteny ny fiainany (jereo ny “A Change of Heart,” lds.org/youth/video). I Olavo, avy any Brésil, dia ohatra iray hafa. Amin’ ny maha-mpanompo maharitra marina azy ao an-tokantranony (jereo ny F&F 84:111), dia nanentana ny fanahin’ ny reniny hiverina havitrika ao am-piangonana i Olavo (jereo ny “Reunited by Faith,” lds.org/youth/video). Afaka mahita ny sasany amin’ ireo tantara ireo sy maro hafa mitovitovy amin’ izany ianao ao amin’ ny tranonkalan’ ny Fiangonana ho an’ ny tanora, youth.lds.org. Ankoatra izany, ny Internet, ny fifaneraserana amin’ ny alalan’ ny fampitam-baovao ary ireo teknôlôjia hafa dia fitaovana izay napetraky ny Tompo eo am-pelantananareo mba hanampy anareo hampihatra ny adidinareo ao amin’ ny fisoronana ary hampiely ny fitaoman’ ny fahamarinana sy ny hatsaran-toetra.

Ry zatovolahy malala, rehefa mampihatra ny Fisoronana Aharôna amin’ ny fomba izay nofaritako teo ianareo, dia miomana amin’ ny andraikitra izay ho atrehinareo amin’ ny hoavy. Kanefa manao zavatra mihoatra lavitra noho izany ianareo. Tahaka an’ i Jaona Mpanao batisa, ilay mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsara alaina tahaka, dia manomana ny lalan’ ny Tompo ihany koa ianareo ary manitsy ny lalan-kalehany. Rehefa manambara amim-pahasahiana ny filazantsaran’ ny fibebahana sy ny batisa ianareo, tahaka ny nataon’ i Jaona, dia manomana ny olona amin’ ny fiavian’ ny Tompo (jereo ny Matio 3:3; F&F 65:1–3; 84:26–28). Matetika ianareo no lazaina fa manana hery anaty lehibe. Ankehitriny no fotoana hampiasana izany hery izany, hampiasana ireo fahaiza-manao izay nomen’ Andriamanitra anareo mba hitahiana ny hafa, ary hamoahana azy ireo avy ao amin’ ny haizina ho any amin’ny hazavana ary hanomana ny lalan’ ny Tompo.

Nomen’ ny Fiangonana ny bokikely Adidy amin’ Andriamanitra ianareo ho loharano hanampy anareo hianatra sy hanatontosa ny andraikitrareo. Halalino matetika izany. Mandohaliha ianareo, lavitra an’ ireo teknôlôjia, ary katsaho ny fitarihan’ ny Tompo. Ary dia mitsangàna ary ampiasao ny herin’ Andriamanitra. Mampanantena anareo aho fa handray valiny avy amin’ ny Ray any an-danitra ianareo mikasika ny fomba hitondranareo ny fiainanareo sy hanampiana ny hafa.

Hindramiko ny tenin’ ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Aza ataonareo ambanin-javatra ny hery mitaona lavitra ananan’ ny fijoroanareo ho vavolombelona. … Manana ny fahafahana hahita ny tsy hitan’ ny olona ianareo. Rehefa manana maso hijerena, sofina handrenesana, ary fo hahatsapana ianareo, dia afaka manampy sy mamonjy ny hafa” (“Be Thou an Example,” Liahona, Mey 2005, 115).

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena misy ny herin’ ny fisoronana. Nahazo ny fijoroako ho vavolombelona aho tamin’ ny alalan’ ny fampiasaiko ny fisoronako. Efa nahita fahagagana maro niseho aho izay notanterahin’ ireo manana ny herin’ ny Fisoronana Aharôna. Efa vavolombelon’ ny herin’ ny fanompoan’ ny anjely aho rehefa nanambara tenin’ ny fanantenana avy amin’ ny Fanahy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna mahatoky, ka nanokatra ny fon’ ny olona iray mila fahazavana sy fitiavana. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, Tompontsika, sy mpitarika antsika ary Mpamonjy antsika, amena.