2010–2019
Mitsangàna ary Mamirapirata
Aprily 2012


Mitsangàna ary Mamirapirata

Iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahantsika mitsangana sy mamirapiratra ny mankatò amin-pahatokiana ireo didin’ Andriamanitra.

Voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo amin’ity takariva ity. Isaky ny volana Janoary, dia tsy andriko mihitsy ny filazana ny teny filamatra amin’ny Fiaraha-mientana Ifampizarana. Na izany aza dia maka fotoana foana aho hanombantombanana raha toa aho ka nahafehy na tsia ireo lesona niompana tamin’ilay teny filamatra tamin’ny taona lasa.

Andeha averintsika jerena ao anatin’ny fotoana fohy ireo teny filamatra faramparany: “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy,”1 “Aoka ianareo hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ ny asa tsara,”2 “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao,”3 “Koa mahereza sy mahatanjaha,”4 ary ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo: “Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ ny olon-drehetra.”5

Ny fandalinana sy fifantohana tamin’ireo soratra masina ireo nandritra ny taona iray manontolo dia nahatonga azy ireo hanana toerana ao am-pontsika sy ao amin’ny fanahintsika ary ao amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Manantena izahay fa hanohy hanaraka ny fitarihana avy amin’izy ireo ianareo rehefa hampifantoka ny saintsika isika amin’ny teny filamatry ny Fiaraha-mientana Ifampizarana ho an’ny taona 2012, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Manazava ny sasintenin’ny fizarana 115 hoe: taona 1838 tamin’izay, ary tao Far West, Missouri no toerana nisehoan’ny zava-nitranga. “Nampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba ny fananganana io toerana io sy ny tranon’ ny Tompo” i Joseph Smith. Nanana fomba fijery tsara sy feno risimpo ilay Mpaminany. Ao amin’ny andininy faha-5 izay ahitantsika ny teny filamatra ho an’ity taona ity dia nilaza taminy ny Tompo hoe: “Lazaiko marina tokoa aminareo rehetra: Mitsangàna ary mamirapirata mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ ireo firenena.”

Inona no zavatra tonga an-tsainareo rehefa mandre ny teny hoe mitsangàna ianareo? Izaho manokana dia mieritreritra anareo—ry tanora mendri-kajan’ny Fiangonana. Azoko sary an-tsaina ny fitsangananareo amim-pahavitrihana avy eo am-pandrianareo isa-maraina handeha hanao seminera vao maraimbe. Hitako ianareo mitsangana amim-pahatokiana avy eo am-pandohalihana rehefa nahavita ny vavaka isan’andro ataonareo. Mieritreritra anareo aho izay mitsangana amin-kerimpo hizara ny fijoroanareo ho vavolombelona sy hiaro ny fitsipika iainanareo. Entanin’ny fanoloran-tenanareo ho an’ny filazantsara sy ireo ohatra tsara ataonareo ny fanahiko. Maro aminareo no efa nanaiky ity fanasana hitsangana sy hamirapiratra ity, ary ny fahazavanareo dia mamporisika ireo hafa hanao torak’izany koa.

Ny iray amin’ireo fomba lehibe indrindra ahafahantsika mitsangana sy mamirapiratra dia ny fankatoavana amim-pahatokiana ny didin’Andriamanitra. Isika dia mianatra momba ireo didy ireo ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminaniny maoderina ary ao amin’ireo pejin’ny bokikely Ry Tanora, Mahereza. Tokony hanana ny tahadikan’izany ianareo tsirairay avy. Ao amin’ny ahy manokana izay amin’ny teny Anglisy, hoe For the Strength of Youth, dia nataoko anaty faribolana ireo teny hoe for izay midika hoe ho sy ny hoe You, izay midika hoe anao, araky ny nampianaran’ny namako iray ahy izay hajaiko fatratra. Izany fomba tsotra izany dia mampahatsiahy ahy fa tsy taridalana amin’ny ankapobeny fotsiny ireo fitsipika ireo—fa natao ho ahy manokana. Manantena aho fa haka fotoana ianareo hanasiana faribolana ny bokikelinareo, ka hamaky izany hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ary hahatsapa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona fa natao ho anao koa ireo fitsipika ireo.

Mety misy aminareo ireo alaim-panahy tsy hiraharaha na handà ireo fitsipika ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza. Mety hijery ilay bokikely izy ireo ary hiteny hoe: “Jeren’i Neny fa tsy miresaka mikasika ny [atao eto ilay fitsipika resahana] ity bokikely ity.” Na mety hanamarin-tena izy ireo hoe: “Tsy dia maninona anie ny ataoko e! Izaho dia mino fa tsy dia ratsy toetra loatra noho i [ampidiro eto ny anaran’ny namana na olom-pantatra iray].

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny manan-danja indrindra amin’ireo didin’Andriamanitra rehetra dia ilay iray izay tena sarotra ho anao ankehitriny ny mitandrina azy.”6 Nanazava ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Izaho dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; fa misy lalana sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisaina izy ireny.”7 Raha manana olana amin’ny fitandremana ireo fitsipika sy didy ireo ianareo dia mamporisika anareo aho hitady fanampiana avy ao amin’ny filazantsara. Vakio ny soratra masinareo. Manokana fotoana hitsidihana ny tranonkala ôfisialin’ny Fiangonana, ny LDS.org, mba hahitana ireo valin’ny fanontaniana anananareo. Miresaha amin’ny ray aman-dreninareo, ny mpitarika anareo ao am-piangonana ary amin’ireo izay maneho ohatra tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo ny filazantsara. Mivavaha. Aboray amin’ny Rainareo any an-danitra izay tia anareo ny ao am-ponareo. Ampiasao isan’andro ny fanomezan’ny fibebahana. Manompoa ny hafa. Ary ny tena zava-dehibe dia henoy sy ankatoavy ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia mankahery antsika rehetra amin’ny alalan’ireto teny ireto: “Ry tanora namako, aoka ianareo hatanjaka. … Fantatrareo izay tsara sy izay ratsy, ary tsy misy fanaingoana afaka hanova izany na dia manintona tahaka ny inona aza. … Raha toa ka mamporisika anao hanao zavatra izay fantatrao fa ratsy ireo izay milaza ho namanao, dia ianao no tokony ho ilay iray izay mijoro hanohana ny marina, na dia tsy maintsy ianao irery aza no hanao izany.”8

Tsy tian’ny Ray any an-danitra isika hitodika any amin’izao tontolo izao ary hanaraka ny fomba fisainany izay tsy mitsaha-miova. Tiany isika hitodika any Aminy ary hanaraka ny fitarihany izay tsy miova. Tiany hiaina ny filazantsara isika ary hitarika ny hafa any amin’izany amin’ny alalan’ny fanarahana fitsipika ambony.

Manome ohatra tsara maro entina hanehoana izany hevitra izany ny soratra masina. Ao amin’ny bokin’ny Mpitsara ao amin’ny Testamenta Taloha dia mianatra momba an’i Samsona isika. Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anaty lehibe i Samsona. Nampanantenaina ny reniny fa “izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.”9 Kanefa rehefa nihalehibe i Samsona dia nanaraka kokoa ny fakam-panahin’izao tontolo izao fa tsy ny fitarihan’Andriamanitra. Naneho safidy izy noho ny hoe “izy [ireny] ihany no mahafinaritra [azy]”10 fa tsy noho ny hoe safidy tsara ireny safidy ireny. Nampiasain’ny soratra masina matetika ny teny hoe “dia nidina izy”11 rehefa nilaza mikasika ny fiainan’i Samsona sy ny zavatra nataony ary ny safidy nataony. Raha tokony hitsangana sy hamirapiratra i Samsona mba hampiasa ilay hery anaty lehibe nananany dia resin’ny fisarihan’izao tontolo izao izy, ka very ny hery nomen’Andriamanitra azy ary maty tao anatin’ny fahatanorany tamin’ny fomba mampalahelo izy.

Etsy ankilany ny soratra masina dia manome ny ohatra nataon’i Daniela. Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anaty lehibe koa i Daniela. Ao amin’ny bokin’i Daniela, toko faha-6, dia hitantsika ny hoe: “Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy.”12 Rehefa niatrika ireo fanambin’ny fiainan’izao tontolo izao i Daniela dia tsy niondrika nijery ny fitsipi-piainan’izao tontolo izao izy—fa nitsangana ary niandrandra tany amin’ny lanitra. Raha tokony hanaraka ny didy mifototra amin’ny an’izao tontolo izao izay nomen’ny mpanjaka i Daniela, dia ny hoe mba tsy hivavaka na amin’iza na amin’iza fa amin’ny mpanjaka ihany mandritra ny 30 andro dia “nankao an-tranony [i Daniela]; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany.”13

Tsy natahotra ny hitsangana sy hamirapiratra tamin’ny fanarahana ny didin’Andriamanitra i Daniela. Na dia nandia alina iray tsy nampahazo aina tao an-davaky ny liona aza izy noho ny fijoroany tamin’ny fahamarinana, dia voaro sy voatahy izy noho ny fankatoavany. Rehefa navoakan’ny Mpanjaka Dariosy tao an-davaky ny liona i Daniela ny ampitso maraina dia namoaka didy izy fa tokony hatahotra ny Andriamanitr’i Daniela daholo ny rehetra ary hanaraka ny ohatry ny fahatokiany. Tena nampiseho tamintsika ny dikan’ny hoe faneva ho an’ny firenena i Daniela ary ny tsy fampandeferana ny fitsipika iainantsika manoloana an’ireo fakam-panahin’izao tontolo izao.

Nanana fahafahana aho nandre ohatra maro nasehon’ny tanora amin’izao andro maoderina izao, izay toa anareo mihitsy, izay tsy matahotra ny hitsangana sy hamirapiratra ary hamela ny hazavany ho faneva hita maso eo anivon’ireo tanora mitovy aminy. I Joanna no iray amin’ireo telo hany mba mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa nisy azy ary hany mba zatovovavy tao amin’ny paroasiny. Nampanantena tamin’ny tenany izy sy tamin’ny Tompo fa tsy hampiasa teny ratsy na oviana na oviana. Rehefa nampiarahana tamin’ny zatovolahy iray izy mba hiaraka hanao tetik’asa iray, zatovolahy izay tsy nanao fanoloran-tena nitovy tamin’ny azy, dia tsy nampandefitra ny fitsipika iainany izy. Nangatahiny ilay zatovolahy mba hanaja ny fitsipika iainany. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa nanana fahazarana vaovao sy nampiasa fiteny madio kokoa ilay namany tamin’ny alalan’ny fanaovany fampahatsiahivana feno hatsaram-panahy ary indraindray tamin’ny fomba somary henjankenjana. Maro ireo olona nahatsikaritra ny fiovana, ka tao anatin’izany ny rain’ity tovolahy ity izay nisaotra an’i Joanna noho ny ohatra tsara nataony teo amin’ny fiainan’ny zanany lahy.14

Nandritra ny fanatanterahana iraka tany Philippines dia nihaona tamin’i Karen aho izay nizara ny zavatra iray niainany fony izy Ravintsara ary tao anatin’ny fianarana mba hahazoana mari-pahaizana Licence mikasika ny fitantanana trano fandraisam-bahiny syfikarakarana sakafo. Nitaky tamin’ny mpianatra tsirairay mba hianatra hanao sy hanandrana ireo karazan-java-pisotro izay ho aroso ao amin’ny trano fisakafoanan’izy ireo ny mpampianatra iray. Nisy alikaola ny sasantsasany tamin’ireo zava-pisotro ireo ary fantatr’i Karen tsara fa mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra ny fanandramany azy ireo. Teo anatrehan’ny mety ho voka-dratsy hiseho dia nanangona ny risimpony i Karen ahafahany hitsangana sy hamirapiratra, ary dia tsy nanandrana ireo zava-pisotro ireo izy.

Nanazava i Karen hoe: “Nanatona ahy ny mpampianatro ary nanontany ahy ny antony tsy nisotroako. Hoy izy hoe: ‘Ramatoakely Karen, ahoana no hahalalanao an’ilay tsiro ary hahazoanao naoty tsara amin’ity taranja manan-danja ity raha tsy farafaharatsiny ianao manandrana ireo zava-pisotro ireo?’ Nolazaiko azy fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary amin’ny maha-mpikambana ahy dia tsy misotro zava-pisotro izay manimba ny tenantsika aho. Na inona na inona nandrasany tamiko, na dia nidika koa aza izany hoe hahazo naoty ambany aho, dia ho azoko tsara izany, saingy tsy handefitra amin’ny fanarahako ny fitsipika iainako manokana aho.”

Nandeha ny herinandro maromaro ary tsy nisy zavatra fanampiny nolazaina mikasika an’izany andro izany. Tany amin’ny faran’ny tapa-taona dia noeritreretin’i Karen fa ho hita any amin’ny naotiny farany ny vokatr’ilay fandavany ny hanandrana ireo zava-pisotro. Nisalasala izy hijery ny naotiny kanefa rehefa nojereny izany dia hitany fa nahazo ny naoty faran’izay ambony indrindra tao an-dakilasiny izy.

Hoy izy hoe: “Nianatra avy tamin’izany zava-nitranga izany aho fa Andriamanitra … dia tena hitahy antsika rehefa manaraka Azy isika. Fantatro koa fa na dia ho nahazo naoty ratsy aza aho dia tsy ho nanenenako ny zavatra nataoko. Fantatro fa hahomby foana aho eo imason’ny Tompo rehefa misafidy ny hanao ny zavatra fantatro fa tsara tokony ho atao.”15

Ry zatovovavy malala, samy teraka tao anatin’ny fananana hery anaty lehibe ianareo tsirairay avy. Zanakavavy tian’ny Ray any an-danitra ianareo. Fantany sy tiany ianareo. Manasa anareo izy mba “hitsangana sy hamirapiratra,” ary mampanantena Izy fa raha manao izany ianareo dia hanohana anareo sy hitahy anareo Izy. Mivavaka aho mba hahitanareo tsirairay avy ny herimpo hanekena izany fanasana izany ary handraisana ireo fampanantenany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.