2010–2019
Eto am-pamaranana Ity Fihaonambe Ity
Aprily 2012


Eto am-pamaranana Ity Fihaonambe Ity

Enga anie ianareo hisaintsaina ireo fahamarinana renareo ary hanampy anareo izany fahamarinana izany ho tonga tsaratsara kokoa mihoatra ny nisy anareo talohan’ ny fiantombohan’ ity fihaonambe ity.

Feno ny foko eto am-pamaranana ity fihaonambe manan-daza ity. Nandray fitahiana sesehena tokoa isika teo am-pihainoana ireo torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ ireo izay nandaha-teny tamintsika. Ataoko angamba fa hiombon-kevitra amiko ianareo fa nahatsapa ny Fanahin’ ny Tompo isika satria nampihetsi-po antsika izany ary nitondra tanjaka teo amin’ ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Mbola nankafy hira mahafinaritra indray isika, izay nampivoatra sy nampihaingo ny fivoriana tsirairay nandritra ny fihaonambe. Maneho fankasitrahana ireo rehetra izay nizara ny talentany tamintsika mahakasika izany aho.

Manolotra ny fisaorana eram-po aho ho an’ ireo tsirairay izay nandaha-teny tamintsika aho ary koa ho an’ ireo izay nanao ny vavaka nandritra ny fivoriana tsirairay.

Tsy hita isa ireo olona izay miasa, na izy ireo tsy hita ampahibemaso na any amin’ ny andraikitra takotakona isaky ny fihaonambe. Tsy ho tanteraka ny fanatontosantsika ireo fivoriana rehetra raha tsy teo ny fanampian’ izy ireo. Misaotra azy rehetra ireo koa aho.

Fantatro fa miray feo amiko ianareo maneho fankasitrahana amin-kitsimpo ho an’ ireo rahalahy sy rahavavy izay nisaorana nandritra ity fihaonambe ity. Hotsaroantsika izy ireo. Ireo anjara birikiny teto amin’ ny asan’ ny Tompo dia goavana tokoa ary hisy fiantraikany amin’ ireo taranaka maro ho avy.

Nanohana koa isika, tamin’ ny alalan’ ny fananganana tanana, rahalahy sy rahavavy izay nantsoina handray antso vaovao nandritra ity fihaonambe ity. Faly mandray azy ireo izahay ary tianay ho fantany fa miandrandra ny fiaraha-miasa amin’ izy ireo ao anatin’ ity tanjon’ ny Mpampianatra ity izahay. Nantsoina avy tamin’ ny alalan’ ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra izy ireo.

Nampita ity fihaonambe ity amin’ ny faritra maro kokoa mihoatra noho ny teo aloha isika, mipaka amin’ ireo olona any ankoatry ny kaontinanta sy ranomasimbe na aiza na aiza. Na dia lavitra ny ankamaroanareo aza ny vata-tenanay dia tsapanay ny fanahy entinareo sy ny fanoloran-tenanareo, ary mampita ny fitiavanay sy ny fankasitrahanay anareo izahay na aiza na aiza misy anareo.

Fitahiana lehibe ho antsika tokoa, ry rahalahy sy ranabavy ny manana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny eo amin’ ny fiainantsika sy ao am-pontsika. Manolotra valiny ho an’ ireo fanontaniana goavan’ ny fiainana izany. Manolotra lalana sy tanjona ary fanantenana eo amin’ ny fiainantsika izany.

Miaina ao anatin’ ny andro mahory isika. Manome toky anareo aho fa fantatry ny Raintsika any an-danitra tsara ireo fanamby atrehintsika. Tia antsika tsirairay Izy ary maniry ny hitahy sy hanampy antsika. Miantsoa Azy amin’ ny vavaka, araka ny fampaherezana nataony tamintsika hoe: “Mivavaha mandrakariva, dia haidiko aminao ny Fanahiko, ary ho lehibe ny fitahiana anao—eny, mihoatra noho izay mety ho azonao amin’ ny rakitsoan’ ny tany.”1

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, ho feno fitiavana sy fifanajana ary ny Fanahin’ ny Tompo anie ny tokantranontsika. Tiavo ny fianakavianareo. Raha misy tsy fitovian-kevitra na fifandirana eo anivonareo dia miangavy aho alamino izao ankehitriny izao izany. Hoy ny Tompo hoe:

“Ary tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo. …

“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ ny devoly kosa, izay rain’ ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.

“[Kanefa] Indro, tsy fotopampianarako … [izany]; fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.”2

Amin’ ny maha-mpanompo ahy manetry tena eto anoloanareo no hamerenako ny tenin’ ny Mpanjaka Benjamina fony izy niresaka tamin’ ny vahoakany, nanao hoe:

“Izaho dia tsy nandidy anareo … mba … hiheveranareo fa ny tenako dia mihoatra noho ny olona mety maty.

“Fa izaho dia tahaka ny tenanareo, andairan’ ny karazany rehetra amin’ ny rofin’ ny vatana sy ny saina; kanefa dia efa nofinidin’ … ny tanan’ ny Tompo … ary dia efa notehirizina sy notsimbinina tamin’ ny heriny tsy manan-tsahala aho mba hanompo anareo amin’ ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ ny Tompo ahy.”3

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, fanirian’ ny foko manontolo ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra ary hanompo Azy sy hanompo anareo.

Ankehitriny raha handao ity fihaonambe ity isika dia miantso ireo fitahian’ ny lanitra aho mba hirotsaka aminareo tsirairay avy. Enga anie ianareo izay lavitra ny tokantranonareo ho tody soa aman-tsara any. Enga anie ianareo hisaintsaina ireo fahamarinana renareo ary hanampy anareo izany fahamarinana izany ho tonga tsaratsara kokoa mihoatra ny nisy anareo talohan’ ny fiantombohan’ ity fihaonambe ity roa andro lasa izay.

Mandrapihaonantsika indray afaka enim-bolana dia mangataka ny fitahian’ ny Tompo aho hirotsaka aminareo ary, hirotsaka amintsika rehetra koa. Izany no ataoko amin’ ny anarany masina—dia i Jesoa Kristy, ilay Tompo sy Mpamonjy antsika—amena.