2010–2019
Tafahaona Indray Isika Izao
Aprily 2012


Tafahaona Indray Isika Izao

Mieritreritra antsika tsirairay avy sy izay zavatra ilaintsika ny Ray any an-danitra. Enga anie isika ho heniky ny Fanahy ao anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny fihaonambe.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, amin’izao fihaonantsika izao indray eto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana ity dia faly mandray anareo sy maneho ny fitiavako anareo aho. Mihaona isaky ny enim-bolana isika mba hifanamafy orina, hifankahery, hifanohana ary hanorina finoana. Tonga eto isika mba hianatra. Mety hikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana sy fanamby atrehinareo eo amin’ny fiainana ny sasantsasany aminareo. Mety manana olana noho ny fahadisoam-panantenana sy famoizana olon-tiana ny sasany. Samy afaka handray fahazavana sy fankaherezana ary fanohanana isika rehefa mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo.

Raha misy fanovana tokony ho atao eo amin’ny fiainanareo, dia enga anie hahita fomba sy herimpo hanaovana izany ianareo eo am-pihainoana ireo teny entanim-panahy izay ho alahatra eto. Enga anie isika handray fanapahan-kevitra vaovao mba entina hiainana, ka ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any an-danitra feno fahamendrehana. Enga anie isika hanohy hanohitra ny faharatsiana hatrany na aiza na aiza ahitana izany.

Tena voatahy tokoa isika tonga eto an-tany amin’izao fotoana izao—fotoana mahatalanjona eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Tsy afaka ny hiara-hivory ao anatin’ny efitra lehibe iray isika rehetra kanefa manana ny fahafahana hanaraka ny fizotran’ny fihaonambe amin’ny alalan’ny fahitalavitra, ny fampielezam-peo, ny cable, ny zanabolana ary ny Internet—eny na amin’ny alalan’ny fitaovana entin-tanana koa aza. Mitambatra ho iray isika, samy manana ny fiteniny, mipetraka amin’ny tany maro samihafa kanefa ny rehetra dia iray ao amin’ny finoana sy ao amin’ny fotopampianarana ary ao amin’ny tanjona.

Hatramin’ilay fiandohana kely 182 taona lasa izay, dia mihamihanaka maneran-tany ny fisiantsika. Ity tanjona lehibe iarahantsika manolo-tena ity dia hitohy handroso hatrany, hanova sy hitahy fiainana mandritra izany fihanahany izany. Tsy hisy foto-kevitra, na hery hafa eto amin’izao tontolo izao afaka hanakana ny asan’Andriamanitra. Na inona na inona zavatra hiseho, ity tanjona lehibe ity dia tsy maintsy handroso hatrany. Tsaroanareo angamba ilay teny mifono faminaniana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith: “Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity. Handrovitsihy ny fanenjehana, hanao tambabe ny mpihetraketraka, hanambatra hery ny tafika, hitatatata ny fanaratsiana, kanefa ny fahamarinan’Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”1

Maro ny zava-manahirana sy miendrika fanamby eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, ry rahalahiko sy anabaviko, kanefa maro koa ny zava-mahasoa sy mampivoatra. Araky ny ambarantsika ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo, manao hoe: “Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.” Enga anie isika hanohy hanao toy izany.

Misaotra anareo aho noho ny finoanareo sy ny fanoloran-tenanareo amin’ny filazantsara. Misaotra anareo aho noho ny fitiavana sy fifanampiana ataonareo. Misaotra anareo aho noho ny asa fanompoana izay ataonareo eo amin’ny paroasy na sampana misy anareo ary eo amin’ny tsatòkanareo sy ny distrikanareo. Ny asa fanompoana toy izany no hahatontosan’ny Tompo ny maro amin’ireo tanjony eto an-tany.

Maneho ny fankasitrahako anareo aho noho ny hatsaram-panahinareo amiko na aiza na aiza alehako. Misaotra anareo aho noho ny vavaka ataonareo ho ahy. Nahatsapa ireny vavaka ireny aho ary velom-pankasitrahana noho izany.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabaviko, tonga eto isika mba handray torolalana sy fanetanam-panahy. Maro ireo hafatra hozaraina mandritra ny roa andro manaraka. Afaka manome toky anareo aho fa ireo lehilahy sy vehivavy izay hiteny eto dia nikatsaka ny fanampiana sy ny fitarihan’ny lanitra teo am-panomanana ny hafatra hozarainy. Nentanim-panahy izy ireo amin’ny zavatra izay horesahiny amintsika eto.

Mieritreritra antsika tsirairay avy sy izay zavatra ilaintsika ny Ray any an-danitra. Enga anie isika ho heniky ny Fanahy ao anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny fihaonambe. Izany no vavaka amin-kitsimpo atolotro amin’ny anarana masin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 444.