2010–2019
Tatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana, taona 2011
Aprily 2012


Tatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana, taona 2011

Ho an’ ny Fiadidiana Voalohan’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany

Ry Rahalahy malala: Araka ny voalazan’ ny fanambarana ao amin’ ny fizarana faha-120 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny Filankevitry ny Fitantanana ny Fahafolonkarena no manome lalana ny hampiasana ny volan’ ny Fiangonana. Io filankevitra io dia ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy.

Io Filankevitra io no manapaka ny teti-bola ho an’ ireo departemanta sy tetik’ asa samihafa ato amin’ ny Fiangonana ary ny vola omena ireo fari-piadidiana ara-pivavahana. Ireo departemantan’ ny Fiangonana, rehefa nahazo lalana, dia mampiasa ny vola araky ilay teti-bola nekena sy araky ny rafitra sy fomba fiasan’ ny Fiangonana.

Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana dia nahazo fahefana hanara-maso ireo firaketana sy ireo rafitra rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fanaraha-maso araky ny tokony ho izy amin’ ireo vola niditra, sy vola nivoaka, ary ny fitehirizana ny vola raisin’ ny Fiangonana. Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana dia tsy miankina amin’ ireo departemanta sy asa hafa ato amin’ ny Fiangonana, ary izy io dia mampiasa mpitam-bola voamarina izay manana mari-pahaizana ara-panjakana, mpanamarina ny fampiasam-bola anatiny izay manana mari-pahaizana ara-panjakana, mpiandraikitra ny rafitry ny serasera izay manana mari-pahaizana ara-panjakana, ary olona matihanina itokisana hafa koa.

Araky ny fanaraha-maso natao, dia maneho ny heviny ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana fa, raha ny mikasika ny zavatra ara-materialy rehetra, dia voarakitra sy voatantana araky ny fomba fitantanana ara-dalàna sy araky ny teti-bola nekena ary araky ny rafitra sy fomba fiasan’ ny Fiangonana ny anjara biriky voaray, sy ny fandaniam-bola natao, ary ny fidiram-bolan’ ny Fiangonana tamin’ ny taona 2011.

Natao tatitra tamim-panajana,

Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny Fiangonana

Robert W. Cantwell

Tale Mpitantana