2010–2019
Tonga Saina: Ny Fanasan’ ny Tompo, ny Tempoly, ary ny Fahafoizan-tena Manao Asa Fanompoana
Aprily 2012


Tonga Saina: Ny Fanasan’ ny Tompo, ny Tempoly, ary ny Fahafoizan-tena Manao Asa Fanompoana

Miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefa miaina ombam-bavaka ny fanekempihavanantsika

Ny Mpamonjy dia nitantara tamin’ ny mpianany momba ilay zanakalahy izay nandao ilay rainy mpanan-karena, nandeha tany an-tany lavitra tany, ary nandany ny lovany. Rehefa tonga ny mosary, dia nanao asa farany ambany ilay zatovolahy dia ny manome hanina kisoa izany. Noana mafy izy ary te hihinana ireo voankazo fanome ny biby.

Raha lavitry ny fonenany izy sy lavitry ny toerana tiany hipetrahana, ary tena tao anatin’ ny fahantrana tanteraka, dia nisy zavatra manan-danja lehibe mandrakizay nitranga teo amin’ ny fiainan’ ity zatovolahy ity. Hoy ny tenin’ ny Mpamonjy, “nody ny sainy.”1 Tsaroany hoe iza moa izy, nahatsapa ny zavatra tsy ampy teo amin’ ny fiainany izy, ary nanomboka naniry ny hahazo ireo fitahiana izay maimaim-poana tao an-tranon-drainy.

Mandritra ny fiainantsika, na ao anatin’ ny fotoan’ ny haizina, na olana, na alahelo, na fahotana izany, dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina isika hampatsiahy antsika fa tena zanakalahy sy zanakavavin’ ny Ray any an-danitra, izay mikarakara sy tia antsika isika, ary mety maniry mafy an’ ireo fitahiana masina ireo isika izay Izy irery ihany no afaka manome azy. Amin’ izao fotoana izao dia tokony hiezaka ny ho tonga saina isika ary hiverina any amin’ ny fahazavan’ ny fitiavan’ ny Mpamonjy antsika.

Ireo fitahiana ireo dia natao ho an’ ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra araka ny rariny sy ny hitsiny. Ny faniriana ireo fitahiana ireo, anisan’ izany ny fiainam-pifaliana sy hasambarana, dia lafiny iray manan-danja ao amin’ ny drafitry ny Ray any an-danitra ho antsika tsirairay avy. Nampianatra ny mpaminany Almà hoe: “Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo.”2

Rehefa mitombo ny faniriantsika ara-panahy, dia lasa mizaka tena ara-panahy isika. Ahoana anefa no hanampiantsika ny hafa, sy ny tenantsika ary ny fianakaviantsika hampitombo ny faniriantsika hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina ny filazantsarany? Ahoana no hampitomboantsika ny faniriana hibebaka, sy ho lasa mendrika, ary haharitra hatramin’ ny farany? Ahoana no hanampiantsika ny tanorantsika sy ny tanora tokan-tena mba hamela izany faniriana izany hiasa ao anatin’ izy ireo mandrapahatonga azy ireo ho lasa niova fo sy lasa “olomasina [marina] amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy”?3

Miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefa miaina ombam-bavaka ny fanekempihavanantsika—amin’ ny alalan’ ny fandraisana ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana, amin’ ny alalan’ ny fahamendrehana handray ny fahazoan-dalana hiditra any amin’ ny tempoly, ary amin’ ny alalan’ ny fahafoizan-tena hanompo ny hafa.

Rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana isika, dia mahatsiaro fa manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ ny batisa isika. Raha tiana ho fotoana isan-kerinandro iainana ny fanadiovana ara-panahy ny fanasan’ ny Tompo dia mila manomana ny tenantsika isika alohan’ ny hahatongavana any amin’ ny fivorian’ ny fanasan’ ny Tompo. Manao izany isika amin’ ny alalan’ ny fampirimana tanteraka ny asantsika isan’ andro sy ny fialambolintsika ary fanadinoana ireo eritreritra sy ny olan’ izao tontolo izao. Rehefa manao izany isika, dia manome toerana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ho an’ ny Fanahy Masina.

Dia vonona ny hisaintsaina mikasika ny Sorompanavotana isika. Mihoatra ny fieritreretana fotsiny momba ny fijaliana sy ny fahafatesan’ ny Mpamonjy, ny fisaintsainantsika dia manampy antsika hahafantatra fa amin’ ny alalan’ ny sorona nataon’ ny Mpamonjy, dia manana fanantenana, sy fahafahana, ary tanjaka isika hirosoana amin’ ny fiovana marina sy amin-kitsimpo eo amin’ ny fiainantsika.

Rehefa mihira ny fihirana mikasika ny fanasan’ ny Tompo isika, sy mandray anjara amin’ ny vavaky ny fanasan’ ny Tompo, ary mandray ireo tandindon’ ny nofony sy ny rany, dia mikatsaka ombam-bavaka ny famelana ny fahotantsika sy ny fahalementsika. Mieritreritra ny fampanantenana nataontsika sy notandrovintsika nandritra ny herinandro lasa isika ary manao fanoloran-tena miavaka manokana hanaraka ny Mpamonjy mandritra ny herinandro ho avy.

Ry ray aman-dreny sy mpitarika, afaka manampy ny tanora ianareo hiaina ireo fitahiana tsy manam-paharoa avy amin’ ny fanasan’ ny Tompo amin’ ny alalan’ ny fanomezana azy ireo fahafahana manokana handalina ary hifanakalo hevitra sy hahita ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotana eo amin’ ny fiainan’ izy ireo. Avelao izy ireo handalina ny soratra masina ho an’ ny tenany manokana ary hifampianatra avy amin’ ny zavatra niainany.

Ny ray, ny mpitarika ao amin’ ny fisoronana, sy ireo fiadidian’ ny kôlejy dia manana andraikitra manokana hanampy ny mpihazona Fisoronana Aharôna hiomana mialoha hanatanteraka ny adidy masin’ izy ireo ao amin’ ny fanasan’ ny Tompo. Izany fiomanana izany dia tanterahina mandritra ny herinandro amin’ ny alalan’ ny fiainana ny fampianaran’ ny filazantsara. Rehefa miomana amin’ ny fanasan’ ny Tompo ireo zatovolahy, ary manamasina sy mizara ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana sy amim-panajana, dia manaraka ara-bakiteny ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy tamin’ ny Fiaraha-misakafo Farany4 izy ireo ary ho lasa tahaka Azy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanasan’ ny Tompo dia manome antsika fahafahana mba hahatongavantsika saina ary mba hiainantsika “fiovam-po lehibe”5—hahatsiarovantsika hoe iza isika ary inona no tena iriantsika. Rehefa manavao ny fanekempihavanana hitandrina ny didy isika, dia mahazo ny Fanahy Masina ho namana mba hitarika antsika hiverina any amin’ ny Ray any an-danitra. Tsy mahagaga raha nodidiana isika mba “hihaona miaraka matetika … mba hiara mandray ny mofo sy ny[rano]”6 ary handray ny fanasan’ ny Tompo ho an’ ny fanahintsika.7

Ankoatry ny fanasan’ ny Tompo, dia hitombo ny faniriantsika hiverina any amin’ ny Ray any an-danitra rehefa lasa mendrika ny handray ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly isika. Lasa mendrika isika amin’ ny alalan’ ny fankatoavana mafy sy tsy tapaka ireo didy. Izany fankatoavana izany dia manomboka any amin’ ny fahazazana ary miha-mahery amin’ ny alalan’ ny traikefa azo ao amin’ ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy mandritra ireo taona maro fiomanana. Ary enga anie, ny mpisorona sy ny Ravintsara hametraka tanjona ary hiomana manokana mba handray ny fanafiana masina sy hofehezina any amin’ ny tempoly.

Inona no fenitra arahana ho an’ ireo mpihazona ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly? Ny Mpanao Salamo dia nampatsiahy antsika hoe:

“Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masina?

“Izay madio tanana sy mahitsy fo.”8

Ny fahamendrehana hihazona ny fahazoan-dalana ho any amin’ ny tempoly dia manome antsika hery hitandremana ireo fanekempihavanan’ ny tempoly. Ahoana no hahazoan’ ny tenantsika manokana izany hery izany? Miezaka isika ny hahazo ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Ray any an-danitra, mikasika an’ i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina, ny fisian’ ny Sorompanavotana, ary ny fahamarinan’ ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ ny laoniny. Manohana ireo mpitondra antsika isika, mikarakara ny fianakaviantsika amin’ ny hatsaram-panahy, mijoro ho vavolombelon’ ny Fiangonana marin’ ny Tompo, manatrika ireo fivoriam-piangonantsika, manome lanja ny fanekempihavanantsika, manatanteraka ny adidin’ ny ray aman-dreny, ary miaina fiainana feno hatsarana. Mety hiteny ianao hoe toy ny Olomasin’ ny Andro Farany mahatoky fotsiny izany! Marina ny voalazanao. Ny fitsipika arahan’ ireo mpihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tsy avo loatra izany ka hoe tsy ho tratra. Miaina amim-pahatokiana ny filazantsara fotsiny izany sy manaraka ny mpaminany.

Avy eo, amin’ ny maha mpihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly efa nandray ny fanafiana masina antsika, dia manorina lamim-piainana tahaka ny an’ i Kristy isika. Tadifitra ao anatin’ izany ny fankatoavana, ny fahafoizan-tena hitandrina ireo didy, ny fifankatiavana, ny fahadiovan’ ny saina sy ny fitondrantena, ary fanolorana ny tenantsika hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ ny Mpamonjy sy amin’ ny alalan’ ny fanarahana ireo lamina fototry ny fahatokiana dia azontsika “ny hery avy any ambony”9 hiatrehana ireo fanambin’ ny fiainana. Ilaintsika mihoatra noho ny hatramin’ izay izany hery masina izany ankehitriny. Hery izay tsy azontsika raha tsy amin’ ny alalan’ ny ôrdônansin’ ny tempoly. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahafoizan-tena ataontsika handraisana ny ôrdônansin’ ny tempoly dia mendrika an’ izay ezaka rehetra azontsika atao.

Rehefa mitombo ny faniriantsika hianatra sy hiaina ny filazantsara, dia lasa maniry tsotra fotsiny ny hifanompo isika. Nilaza tamin’ i Petera ny Mpamonjy hoe: “Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”10 Tena talanjona aho amin’ ny faniriana lalin’ ny tanora ankehitriny hanompo sy hitahy ny hafa—mba hitondra fanovana eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Isika koa dia mitady mafy an’ ilay fifaliana izay entin’ ny fanompoana ataony.

Na izany aza dia sarotra ho an’ ny tanora ny mahatakatra fa ny zavatra ataon’ izy ireo ankehitriny dia hanomana azy ireo amin’ ny fahafahana hanompo any aoriana na hanakana azy ireo tsy hanao izany. Isika rehetra dia manana “andraikitra tsy azo ihodivirana”11 hanampy ireo tanorantsika hiomana amin’ ny asa fanompoana maharitra eo amin’ ny fiainana amin’ ny alalan’ ny fanampiana azy ireny mba hizaka tena. Ankoatry ny fizakan-tena ara-panahy izay efa noresahantsika, dia misy koa ny fizakan-tena ara-nofo, ka tafiditra ao anatin’ izany ny fanovoana fianarana ambony na fianarana asa aorian’ ny fianarana tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa, ny fianarana miasa, ary ny fiainana amin’ izay ananana. Amin’ ny alalan’ ny fisorohana ny trosa sy ny fanangonam-bola ankehitriny, dia vonona ny hanao asa fanompoana amin’ ny fotoana feno ao am-piangonana isika mandritra ny taona maro ho avy. Ny tanjon’ ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo dia ny mba hampilamina antsika manokana ahafahantsika manampy ny hafa izay mila fanampiana.

Na tanora isika na antitra, ny ataontsika androany dia mamaritra ny fanompoana izay ho azontsika atao sy ho ankafizintsika rahampitso. Nampahatsiahy antsika ny mpahaitononkalo iray hoe: “Ny teny tena mampalahelo indrindra ao anatin’ ireo teny mampalahelo rehetra izay tenenina na soratana, dia hoe: ‘Raha mba izao mantsy aho no…!’ ”12 Ndeha isika tsy hiaina ao anatin’ ny fanenenana an’ izay zavatra nataontsika na tsy nataontsika!

Rahalahy sy ranabavy malala, ilay zatovolahy nolazain’ ny Mpamonjy, ilay antsointsika hoe zanaka adala, dia tena nody tany an-trano. Tsy hadinon-drainy izy ary niandry azy ny rainy. Ary “raha mbola lavitra [ilay zanakalahy], dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka izy, ary … nanoroka azy.”13 Ho fanomezam-boninahitra ny fiverenan’ ny zanany lahy, dia nampaka haingana akanjo izy, sy peratra, ary nankalaza izany tamin’ ilay zanak’ omby nafahy14—ireo dia mpampahatsiahy fa tsy misy fitahiana tsy homena izany rehefa maharitra amim-pahatokiana isika ao anatin’ ilay lalana mitondra miverina any amin’ ny Ray any an-danitra.

Miaraka amin’ ny fitiavany sy ny fitiavan’ ny Zanakalahiny ato am-poko, dia manasa antsika tsirairay avy aho mba hanaraka ny faniriantsika ara-panahy ary ho tonga saina. Ndeha isika hiresaka amin’ ny tenantsika eo anoloan’ ny fitaratra ary hanontany hoe, “Aiza ho aiza eo amin’ ny fiainako no misy ny fanekempihavanako?” Eo amin’ ilay lalana marina isika rehefa afaka miteny hoe, “mandray ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro aho, mendrika ny hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy handeha ho any amin’ ny tempoly aho, ary manolo-tena mba hanompo sy hitahy ny hafa aho.”

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa tia antsika tsirairay avy Andriamanitra “ka nomeny ny Zanany lahitokana”15 mba hanonitra ny fahotantsika. Fantany isika ary miandry antsika Izy, na dia mbola lavitra Azy aza isika. Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ ny faniriantsika isika ary tonga saina dia ho “sakambininy mandrakizay amin’ ireo sandrim-pitiavany”16 ary horaisiny ao an-trano. Mijoro ho vavolombelona n amin’ izany aho amin’ ny anarana masin’ ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.