Niova fo ho amin’ ny Filazantsarany amin’ ny alalan’ ny Fiangonany

Nataon’ ny Loholona Donald L. Hallstrom

Ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy


Ny hanampy antsika hiaina ny filazantsara no tanjon’ ny Fiangonana.

Tiako ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Indraindray isika dia mampifanolosolo ny teny hoe filazantsara sy Fiangonana, kanefa tsy mitovy izy ireo. Na izany aza anefa dia mifampiankina soa aman-tsara izy ireo ary samy ilaintsika.

Ny filazantsara dia ilay drafitra mahatalanjona izay an’ Andriamanitra ary hanomezana fahafahana antsika, amin’ ny maha-zanany antsika, hahazo izay rehetra ananan’ ny Ray (jereo ny F&F 84:38). Antsoina hoe fiainana mandrakizay izany ary faritana ho ilay “fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (F&F 14:7). Ampahany manan-danja amin’ ilay drafitra ny fiainantsika eto an-tany—fotoana izay hampivoarantsika ny finoana (jereo ny Môrônia 7:26), sy hibebahana (jereo ny Môsià 3:12), ary hihavanana amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 4:11).

Koa satria ny fahalementsika eto an-tany sy ny fisian’ ny “fifanoherana amin’ ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11) dia hahatonga ity fiainana ity ho sarotra tanteraka, ary satria tsy vitantsika ny manadio ireo otantsika manokana, dia nilaina ny fisian’ ny Mpamonjy iray. Rehefa nampahafantatra ny drafitry ny famonjena i Elohima, ilay Andriamanitra Mandrakizay sy Rain’ ny fanahintsika rehetra, dia nisy iray teo anivontsika izay niteny hoe: “Inty Aho, iraho Aho” (Abrahama 3:27). I Jehovah no anarany.

Nateraky ny Ray any an-danitra Izy, na ara-panahy na ara-batana, ka manana ny hery tsy manam-petra handresena an’ izao tontolo izao. Nateraky ny reny iray mety maty Izy ka niharan’ ny fanaintainana sy ny fijalian’ ny fiainana an-tany. Ilay Jehovah lehibe dia nomena anarana koa hoe Jesoa ary nantsoina koa hoe Kristy, izay midika hoe Mesia na Ilay Voahosotra. Ny zava-bitany manetriketrika dia ny Sorompanavotana, izany “nidinan’ [i Jesoa ilay Kristy] ho ambanin’ ny zava-drehetra” (F&F 88:6), nahafahany nanefa ny onitra ho antsika tsirairay avy hahazoana ny fanavotana.

Naorina nandritra ny fiainan’ i Jesoa Kristy teto an-tany ny Fiangonana, izay “natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apôstôly sy ny mpaminany” (Efesiana 2:20). Amin’ izao “fitantanan’ ny fotoam-pahafenoana” (F&F 128:18) izao dia naverin’ ny Tompo indray ny zavatra izay nolazainy manokana tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “hanorina fiangonana amin’ ny alalanao Aho” (F&F 31:7). I Jesoa Kristy no lohan’ ny Fiangonany hatrizay ka hatramin’ izao. Ireo mpaminany, izay mihazona ny fahefana maha-apôstôly azy ireo no misolo tena Azy eto an-tany.

Fiangonana mahatalanjona tokoa ity. Ny rafitra ao aminy, ny fahombiazany, ary ny hatsarany tanteraka dia hajain’ ireo rehetra izay mikatsaka amim-piniavana ny hahafantatra izany. Ny Fiangonana dia manana fandaharan’ asa ho an’ ireo ankizy, ireo tanora, ireo lehilahy ary ireo vehivavy. Manana trano fiangonana tsara tarehy izay mihoatra ny 18.000 izany. Manenika ny tany manontolo ireo tempoly mirentirenty—miisa 136 ankehitriny—miampy eo amin’ ny 30 eo an-dalam-pahavitana na efa nambara fa ho atsangana. Misy tafika ahitana misiônera amin’ ny fotoana feno miisa 56.000, izay ahitana tanora sy efa zokinjokiny, izay manompo any amin’ ny firenena 150. Ny asa fanampiana olona maneran-tany ataon’ ny Fiangonana dia ohatra mahatalanjona maneho ny fahalalahan-tanan’ ireo mpikambana ato amintsika. Ny rafitra fifanampiana misy eo amintsika dia entina hikarakarana ny mpikambana ao amintsika ary mivohy ny fizakan-tena amin’ ny fomba izay tsy mbola fahita na aiza na aiza. Ato amin’ ity Fiangonana ity dia manana mpitarika laïka feno fandavan-tena isika ary fiaraha-monin’ ireo Olomasina izay feno fanoloran-tena ny hifanompo amin’ ny endriny mahatalanjona. Tsy misy zavatra mitovy amin’ ity Fiangonana ity manerana an’ izao tontolo izao.

Tamin’ izaho teraka, ny fianakavianay dia niaina tamin’ ny trano kely teo an-tokontanin’ ny iray amin’ ireo trano fiangonana lehibe sy manan-tantara izay an’ ny Fiangonana, dia ny Tabernakelin’ i Honolulu. Miala tsiny aho ankehitriny amin’ ireo namana malalako ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy, izay miahy ny fananan’ ny Fiangonana, raha hiteny fa fony aho zazalahy kely dia nihanika sy nisitrika ary nilalao teo amin’ ny faritra rehetra amin’ izany toerana izany, manomboka hatraty amin’ ny fanambanin’ ny dobo izay feno rano mamirapiratra ka hatrany amin’ ny tampony tao anatin’ ny tafo mitsangana manaitra dia manaitra. Nanao savily mihitsy aza izahay (toy ireny fanaon’ i Tarzan ireny) teo amin’ ireo rantsana lavabe mikirazorazon’ ireo hazo “banians” izay hita eo amin’ io toerana io.

Zava-drehetra ho anay ny Fiangonana. Nanatrika fivoriam-piangonana maro izahay, mihoatra lavitra noho izay misy amin’ izao fotoana izao. Isaky ny Alakamisy tolakandro izahay no manatrika ny Kilonga. Ireo fivorian’ ny Fikambanana Ifanampiana dia isaky ny Talata maraina. Ireo fiaraha-mientana ifampizarana an’ ireo tanora dia atao isaky ny Alarobia hariva. Asa aman-danonan’ ny paroasy kosa ny Asabotsy. Ary ny Alahady maraina no handehanan’ ireo lehilahy sy zatovolahy manatrika ny fivorian’ ny fisoronana. Amin’ ny mitataovovonana ny Sekoly Alahady ary amin’ ny hariva indray izahay miverina hanatrika ny fivoriana Fanasan’ ny Tompo. Rehefa jerena ireo fifamezivezena sy fivoriana ireo dia toa lany amin’ ny fanatrehana ireo zavatra atao any am-piangonana ny Alahadinay iray manontolo sy ny ankamaron’ ireo andro hafa mandritra ny herinandro koa.

Noho ny tena fankafizako ny Fiangonana dia nandritra izany fahazazako izany koa no sambany nahatsapako fa misy zavatra izay mbola tsara lavitra avy amin’ izany. Tamin’ ny faha-dimy taonako dia nisy fihaonambe goavana natao tao amin’ ilay tabernakely. Nandeha tamin’ ilay lalan-kely mandalo amin’ ny trano fonenanay izahay ary nandalo ilay tetezana kely izay mankany amin’ ilay trano fivoriana goavana ary nipetraka teo amin’ ny laharan-tseza faha-10 teo ho eo tao amin’ ilay trano fivavahana lehibe. Niahy sy nandaha-teny nandritra izany fivoriana izany i David O. McKay, Filohan’ ny Fiangonana. Tsy mahatadidy na inona na inona tamin’ izay zavatra noteneniny aho, fa saingy tsaroako mazava tsara kosa ny zavatra hitako sy tsapako tamin’ izany. Nanao palitao ambony ambany miloko fotsy somary manopy vony ny Filoha McKay ary ilay volony fotsy tanteraka dia tsara hogo tokoa. Araky ny fomba misy any amin’ ireo nosikely dia nosalorana fehi-tenda telo sosona vita tamin’ ny felam-boninkazo mena midorehitra izy. Rehefa niteny izy dia nahatsapa zavatra somary mahery sy nahakasika ahy manokana aho. Taty aoriana vao takatro fa ny herin’ ny Fanahy Masina no tsapako tamin’ izay. Nihira ny hira famaranana izahay.

Iza no miaraka amin’ ny Tompo? Iza?
Izao no fotoana anehoana izany.
Manontany amim-pahasahiana izahay hoe:
Iza no miaraka amin’ ny Tompo? Iza?
(“Who’s on the Lord’s Side?” Hymns, no. 260)

Nohirain’ ny olona efa ho 2.000 ireo tononkira ireo kanefa amiko dia toy ny fanontaniana niantefa tamiko izany ary te-hitsangana aho tamin’ izany hamaly hoe: “Izaho!”

Misy ireo olona sasany no mieritreritra fa ny fahavitrihana ato am-piangonana no tanjona farany indrindra. Misy loza mitatao ao anatin’ ny finoana izany. Misy tokoa izany hoe mazoto ato am-piangonana kanefa malaindaina amin’ ny filazantsara. Aleo ho hazavaiko kokoa: tanjona tena tsara tokoa ny hoe mavitrika ato am-piangonana; kanefa tsy ampy izany. Ny fahavitrihana ato am-piangonana dia famantarana ety ivelany ny faniriantsika ara-panahy. Raha manatrika ireo fivoriantsika isika, ka mihazona sy manatanteraka ny antsontsika ato am-piangonana ary manompo ny hafa dia hitan’ ny mason’ ny olona izany.

Mifanohitra amin’ izany kosa anefa fa tsy hita loatra ary sarotra refesina kokoa ny zavatra mikasika ny filazantsara, kanefa manana ny lanjany mandrakizay lehibebe kokoa. Ohatra, manao ahoana ny haben’ ny finoana tena ananantsika? Hatraiza ny fibebahantsika? Hatraiza ny lanjan’ ireo ôrdônansy eo amin’ ny fiainantsika? Hatraiza ny fifantohantsika amin’ ireo fanekempihavanana nataontsika?

Averiko indray: ilaintsika ny filazantsara sy ny Fiangonana. Raha ny marina dia ny hanampy antsika hiaina ny filazantsara no tanjon’ ny Fiangonana. Manontany tena isika matetika hoe: Ahoana no mahatonga ny olona iray havitrika tanteraka ato am-piangonana mandritra ny fahatanorany ary aty aoriana lasa tsy mazoto rehefa mihalehibe? Inona no mahatonga ny olon-dehibe iray izay nanatrika sy nanompo tsy tapaka kanefa lasa tsy tonga intsony? Ahoana no ahafahan’ ny olona iray izay diso fanantenana tamin’ ny mpitarika iray na tamin’ ny mpikambana hafa iray hamela izany hampitsahatra ny fandraisany anjara ato am-piangonana? Ny antony angamba dia mety hoe tsy tena niova fo tanteraka tamin’ ny filazantsara izy ireo—tamin’ ireo zavatra mikasika ny mandrakizay.

Manolotra fomba telo lehibe aho izay hahatonga ny filazantsara ho fototra iorenantsika:

  1. 1.

    Ampitomboy ny fahatakarantsika mikasika Ny Andriamanitra. Tena tsy maintsy ilaina ny fananana fahalalana sy fitiavana maharitra an’ ireo olona telo ao amin’ ny atao hoe Ny Andriamanitra. Mivavaha amin-kitsimpo amin’ ny Ray, amin’ ny anaran’ ny Zanakalahiny ary mikatsaha ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Ampiaraho amin’ ny vavaka ny fandalinana tsy tapaka sy fisaintsainana amim-panetren-tena mba hanorenana finoana tsy voahozongozona an’ i Kristy. “Fa ahoana moa no ahalalan’ ny olona iray ny tompo … izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ ny fony?” (Môsià 5:13).

  2. 2.

    Mifantoha amin’ ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana. Raha toa ka misy ôrdônansy manan-danja izay tokony mbola ho tanterahana eo amin’ ny fiainantsika dia miomàna amim-piheverana ny handray azy ireo tsirairay. Avy eo dia mila manorina fifehezan-tena isika mba hiaina amim-pinoana ny fanekempihavanantsika, mampiasa tanteraka ny fanomezan’ ny fanasan’ ny Tompo. Maro amintsika no tsy voaovan’ ny hery manadio ananan’ izany araka ny tokony ho izy noho ny tsy fahampian’ ny fanehoantsika fanajana an’ io ôrdônansy masina io.

  3. 3.

    Akambano ny filazantsara sy ny Fiangonana. Rehefa mifantoka amin’ ny filazantsara isika dia ho tonga fitahiana lehibe kokoa eo amin’ ny fiainantsika ny Fiangonana. Rehefa tonga amin’ ireo fivoriantsika tsirairay isika ka niomana ny “[hikatsaka] ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana” (F&F 88:118), dia ho tonga mpampianatra antsika ny Fanahy Masina. Raha toa ka ny hiala voly no hahatongavantsika dia matetika ho diso fanantenana isika. Raha nanontaniana ny Filoha Spencer W. Kimball indray mandeha hoe: “Inona no ataonao rehefa sendra manatrika fivoriana fanasan’ ny Tompo izay maha-monamonaina?” Ny valinteniny dia ity: “Tsy fantatro, satria mbola tsy nanatrika fivoriana toy izany aho na dia iray aza” (nolazain’ i Gene R. Cook, tao amin’ ny “Learning Gospel Is Lifetime Pursuit,” nataon’ i Gerry Avant, Church News, 24 Mar. 1990, 10).

Tokony hiriantsika eo amin’ ny fiainana ny zava-nitranga taorian’ ny nitsidihan’ ny Tompo sy nanorenany ny Fiangonany tany amin’ ireo vahoaka tany amin’ ny Tontolo Vaovao. Hoy ny soratra masina hoe: “Ary ny zava-nitranga dia toy izany no nandehanany [izany hoe ny Mpianany] tany anivon’ ny vahoakan’ i Nefia manontolo, sy nitoriany ny filazantsaran’ i Kristy tamin’ ny vahoaka rehetra eran’ ny lafin-tany; ary niova fo ho an’ ny Tompo ireny, sy tafatambatra tamin’ ny fiangonan’ i Kristy, ary dia toy izany no nitahiana ny vahoaka tamin’ izany taranaka izany, araka ny tenin’ i Jesoa” (3 Nefia 28:23).

Tian’ ny Tompo hiova fo tanteraka ho amin’ ny filazantsarany ireo mpikamban’ ny Fiangonany. Izany no hany lalana azo antoka izay ahazoantsika fiarovana ara-panahy ankehitriny ary fiadanana mandrakizay. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.