2010–2019
Finoana, Herimpo, Fahafaham-po: Hafatra ho an’ ireo Ray aman-dreny Tokan-tena
Aprily 2012


Finoana, Herimpo, Fahafaham-po: Hafatra ho an’ ireo Ray aman-dreny Tokan-tena

Miezaka mafy ianao mitaiza ireo zanakao ao amin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana, ao anatin’ ny fahafantarana fa tsy afaka manova ny lasa ianao, fa afaka mamolavola ny hoavy

Ny hafatro anio dia ho an’ ireo ray aman-dreny tokan-tena ato amin’ ny Fiangonana, izay ny ankamaroan’ izy ireo dia reny tokan-tena—dia ianareo vehivavy mahatoky izany, izay noho ny toe-javatra samihafa nitranga teo amin’ ny fiainana dia lasa mitaiza zanaka sy mikarakara irery ny tokantrano. Mety mananotena na nisara-bady ianareo. Mety miatrika ireo fanamby amin’ ny maha ray aman-dreny tokan-tena ianareo vokatry ny tsy fanajana ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena, kanefa ankehitriny dia efa miaina araka ny fitsipiky ny filazantsara ianareo, ary efa nanova ny fiainanareo ho tsara kokoa. Isaorana ianareo noho ny fisorohanareo ny fiarahana aman’ olona izay hanimba ny hatsaranareo sy ny maha-mpanara-dia anareo. Tsy mendrika ny hatao mihitsy izany.

Na dia nisy fotoana aza ianareo nanontany tena hoe: “fa nahoana no izaho”? Ao anatin’ ny fahasarotan’ ny fiainana no ahafahantsika mivoatra mankany amin’ Andriamanitra rehefa voavolavolan’ ireo olana sarotra ny toetrantsika ary rehefa miseho ireo trangam-piainana noho ny fanajan’ Andriamanitra ny fahafahan’ ny olombelona misafidy. Hoy ny nambaran’ ny Loholona Neal A. Maxwell hoe, tsy afaka mahatakatra ny anton’ ny zava-mitranga rehetra isika satria “tsy hananantsika avokoa ny zava-misy rehetra mahatonga izany.”1

Na inona na inona anefa toe-javatra iainanareo na ny antony nahatonga izany, dia tena mahafinaritra ianareo. Isan’ andro ianareo dia miatrika ny fahasarotan’ ny fiainana, manao ny asa izay tokony hataon’ olon-droa kanefa dia saika ataonareo samirery tanteraka izany. Sady ray ianao no reny. Ianao no mampandeha ny tokantranonao, miahy ny fianakavianao, indraindray dia tena sahirana ara-pivelomana, ary ny tena mahagaga dia mbola mahita fomba ahafahana manompo amin’ ny fomba miavaka ato amin’ ny Fiangonana ihany ianao. Mamelona ny zanakao ianao. Miara-mivavaka sy miara-mitomany amin’ izy ireo ianao ary mivavaka ho azy ireo. Te-hanao ny tsara indrindra ho azy ireo ianao kanefa miahiahy isaky ny alina hoe ilay tsara indrindra avy aminao dia mety tsy ho ampy velively.

Na dia somary miahotrahotra ihany aza aho miresaka mivantana loatra ny toe-piainako manokana, dia nivoaka avy tamin’ ny tokantrano tahaka izany aho. Notaizan’ ny reniko irery tao anatin’ ny toe-piainana feno fahantrana izahay tao anatin’ ny ankamaroan’ ireo taonan’ ny fahazazako sy ny fahatanorako. Notsinjaraina tsara ny vola. Niaina tao anatin’ ny fanirery anaty izy, ary indraindray nitady mafy fanohanana sy namana. Na dia teo aza anefa izany rehetra izany, dia nanana fahambonian-toetra ny reniko, izay loharano goavan’ ny fananana faharisihana sy toetra miavaka nolovainy avy amin’ ireo razambeny avy any Écosse.

Soa ihany, fa ireo taona niainany taty aoriana dia nahitana fitahiana bebe kokoa mihoatra noho ny tany am-piandohana. Nanambady mpikambana vao niova fo izy, izay lehilahy maty vady. Nofehezina tany amin’ ny Tempolin’ i Londres Angleterre izy ireo ary taty aoriana dia nanompo nandritra ny fotoana fohy toy ny mpisahana ny fanaovana ôrdônansy tao. Niaraka teny nandritra ny dimy amby roapolo taona latsaka izy ireo—faly, mirana, ary afa-po mandrapahafatiny izy ireo.

Maro aminareo vehivavy tsara ato amin’ ny Fiangonana manerana izao tontolo izao no miatrika toe-javatra mitovitovy amin’ izany ary mampiseho herimpo mitovy amin’ izany hatrany hatrany koa isan-taona.

Tsy dia tena izao loatra no nantenainao na nomaninao, na nivavahanao na niandrasanao tany am-piandohana taona maro lasa izay. Ny dianao mamakivaky ny fiainana dia feno fahasarotana sy fiovana tsy ampoizina, ka ny ankamaroany dia vokatry ny fiainana ao anatin’ ilay izao tontolo izao izay lavo, izay natao ho toerana hiatrehana fitsapana sy fisedrana.

Miaraka amin’ izay anefa dia miezaka mafy ianao hitaiza ireo zanakao ao amin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana, ao anatin’ ny fahafantarana fa tsy afaka manova ny lasa ianao, fa afaka mamolavola ny hoavy. Hahazo fitahiana ianao ho fanonerana izany eny an-dalana eny, na dia tsy miseho avy hatrany aza izany.

Miaraka amin’ ny fanampian’ Andriamanitra, dia tsy tokony hatahotra ny hoavy ianao. Hihalehibe ny zanakao ary hataony hoe sambatra ianao, ary ny zavatra tsirairay ao anatin’ ireo zava-bitany maro dia ho toy ny atokany ho mari-panajana anao.

Aoka ianao tsy hihevitra velively fa ny toeranao amin’ ny maha-mpikambana anao ato amin’ ny Fiangonana dia ambany noho ny an’ ny mpikambana hafa, toy ireny hoe kelikely kokoa ny fitahiana azonao avy amin’ ny Tompo noho ny an’ ny hafa. Ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy misy ny olona ambany saranga.

Manantena izahay fa rehefa manatrika fivoriana ianao ka mahita fianakaviana izay toa feno tsara sy faly na mandre olona iray miresaka momba ny fianakaviana tonga lafatra, dia hahatsapa ho faly fa anisan’ ny mpikambana ao amin’ ny fiangonana izay mifantoka amin’ ny fianakaviana sy mampianatra ny tena anjara asan’ izy ireo ao amin’ ny drafitry ny fahasambaran’ ny Ray any an-danitra ho an’ ireo Zanany; ary eo anivon’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fahoriana sy fitomboan’ ny tsy fahadiovam-pitondratena, dia ananantsika ireo fotopampianarana, sy fahefana, sy ôrdônansy ary fanekempihavanana izay manolotra ny fanantenana tsara indrindra ho an’ izao tontolo izao, ka tafiditra ao anatin’ izany koa ny fanantenana tsara indrindra ho an’ ny fahasambaran’ ny zanakao amin’ ny hoavy ary ho an’ ny fianakaviana izay ho aorin’ izy ireo.

Nandritra ny fihaonamben’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ ny Septambra 2006, dia notantarain’ ny Filoha Gordon B. Hinckley ny zavatra niainan’ ny reny iray nisara-bady izay nanan-janaka fito ka tamin’ izany fotoana izany izy ireo dia teo anelanelan’ ny 7 ka hatramin’ ny 16 taona. Nandeha niampita ny arabe izy hanatitra zavatra ho an’ ny mpifanolobodirindrina aminy. Hoy izy hoe:

“Rehefa nihodina hiverina hody aho dia hitako ireo jiro nirehitra tao an-tranoko. Ohatry ny henoko ny feon’ ireo zanako rehefa nivoaka ny trano aho minitra vitsy talohan’ izay. Hoy izy ireo hoe: ‘Neny a! Inona no sakafontsika hariva?’ ‘Afaka mitondra ahy any amin’ ny tranomboky ve ianao?’ ‘Mila mitady taratasy matevina fanaovana sary aho anio hariva.’ Reraka sy torovana aho raha nijery io trano io ary nahita ny jiro nirehitra tao amin’ ny efitrano tsirairay. Nieritreritra an’ ireo ankizy rehetra ireo aho izay miandry ahy ho tonga ao an-trano hanome izay ilainy. Tena tsapako ho mavesatra mihoatra noho izay zakako ilay entana nolanjaiko.

“Tsaroako aho nijery ny lanitra tao anatin’ ny ranomaso, ary niteny hoe, ‘Ray Malala ô, tena tsy vitako intsony ny anio alina. Reraka loatra aho. Tsy vitako intsony. Tsy afaka ny hody ao an-trano aho dia hikarakara irery ireo zanako rehetra ireo. Moa ve aho afaka mankany Aminao ary miaraka Aminao indray alina monja? …’

“Tsy tena nandre ireo teny ho valin’ izany aho, saingy henoko tao an-tsaiko izany. Toy izao ny valiny: ‘Tsia, ry zanako, tsy afaka mankaty amiko ianao amin’ izao fotoana izao. … Fa izaho afaka mankany aminao.’”2

Misaotra anareo ry rahavavy isany, noho izay rehetra ataonareo mba hitaizana ny fianakavianareo ary hananana hatrany tokantrano feno fitiavana izay ahitana hatsarana, sy fiadanana, ary tombontsoa.

Na dia mahatsapa ho irery aza ianareo matetika, ny tena marina dia tsy irery tanteraka velively ianareo. Rehefa mandroso ao anatin’ ny faharetana sy finoana ianareo, dia hiaraka aminareo ny Tompo, handrotsaka an’ ireo fitahiana tena ilaina ny lanitra.

Hiova ny tanjonareo sy ny fahitanareo ny fiainana ka raha tokony ho kivy ianareo dia hitraka.

Maro aminareo no efa nahita ilay fahamarinana lehibe sy manova, dia ny hoe rehefa miaina mba hilanja ny enta-mavesatry ny hafa ianao, dia lasa maivana kokoa ny enta-mavesatrao. Na dia tsy miova aza ny toe-javatra misy, ny toetranao kosa dia miova. Afaka miatrika ireo fitsapanao amim-panekena bebe kokoa izany ianao ary miaraka amin’ ny fo tena mahatakatra, ary miaraka amin’ ny fanehoana fankasitrahana lalina kokoa noho ny zavatra anananao, fa tsy maniry izay zavatra tsy anananao.

Hitanao fa rehefa miezaka ianao hankahery ireo hafa izay toa kivy dia hahazo fankaherezana ary tena “feno dia feno” tokoa ny kapoakantsika (Salamo 23:5).

Amin’ ny alalan’ ny fiainana ao anatin’ ny fahamarinana, dia indray andro any ianao sy ny zanakao dia hahazo ireo fitahiana amin’ ny maha isan’ ny ao anatin’ ny fianakaviana iray feno sy mandrakizay.

Ry mpikambana sy mpitarika, moa ve misy zavatra hafa mihoatra noho ny azonareo atao mba hanohanana ny fianakavian’ ireo ray aman-dreny tokan-tena ka tsy mitsara na mitsikera azy ireo? Moa ve ianareo afaka mampianatra ny tanora ao anatin’ ireny fianakaviana ireny, indrindra fa maneho ohatra tsara ho an’ ireo zatovolahy mikasika ny hoe inona no fanaon’ ny lehilahy tsara ary ahoana no fomba fiainan’ ny lehilahy tsara? Eo anatrehan’ ny tsy fisian’ ny ray, moa ve ianareo tena mampiseho ohatra izay mendrika ny ho alain-tahaka?

Amin’ izao fotoana izao, mazava ho azy, dia misy ireo fianakaviana izay ny lehilahy no ilay ray aman-dreny tokan-tena. Ry rahalahy, mivavaka ho anareo koa izahay, ary midera anareo. Natao ho anareo koa ity hafatra ity.

Ry Ray aman-dreny tokan-tena, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa manao ny tsara indrindra vitanareo ianareo ao anatin’ ireo olana tena sarotra indrindra mianjady amin’ ny zanak’ olombelona, dia hitahy anareo ny lanitra. Tena marina fa tsy irery ianareo. Avelao ilay hery manavotra sy feno fitiavan’ i Jesoa Kristy hanazava ny fiainanareo amin’ izao fotoana izao sy hameno anareo amin’ ny fanantenana an’ ilay fampanantenana mandrakizay. Mahereza. Manàna finoana sy fanantenana. Hatreo amin-kerimpo ny ankehitriny ary banjino amim-pahatokiana ny hoavy. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Neal A. Maxwell, Notwithstanding My Weakness (1981), 68.

  2. Ao amin’ ny Gordon B. Hinckley, “In the Arms of His Love,” Liahona, Nov. 2006, 117.