2010–2019
Fianakaviana ao anatin’ ny Fanekempihavanana
Aprily 2012


Fianakaviana ao anatin’ ny Fanekempihavanana

Tsy hisy zavatra hafa izay tonga na ho tonga eo amin’ ny fianakavianao ka manan-danja mihoatra ny fitahian’ ny famehezana.

Tiako ny miaraka aminareo eto mandritra ity fivoriana ity izay nanasana ireo rehetra mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra eto an-tany. Fitahiana ho antsika ny eo ambany fiahian’ ny Filoha Thomas S. Monson. Amin’ ny maha-Filohan’ ny Fiangonana azy dia izy no lehilahy velona tompon’ andraikitra amin’ ireo fanalahidy izay mamehy ireo fianakaviana ary ireo ôrdônansin’ ny fisoronana rehetra ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.

Misy raim-pianakaviana iray, izay niverina avy tamin’ ny fahalainany teo aloha, izay mihaino eto anio hariva satria te-hahazo toky amin’ ny fony manontolo amin’ izany fanomezana avy amin’ ny famehezana izany izy. Tia ny zanany kely roa izy, lahy sy vavy kely ary ny vadiny. Toy ireo ray aman-dreny hafa koa dia afaka mahita mialoha ny fifaliana any an-danitra izy rehefa mamaky ireto teny ireto: “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ ny voninahitra mandrakizay, dia voninahitra izay tsy ananantsika ankehitriny.”1

Izany ray miara-mihaino amintsika eto izany dia mahafantatra ny lalana mankany amin’ izany toeran-kaleha lehibe izany. Tsy mora izany. Efa fantany izany. Nitaky finoana an’ i Jesoa Kristy izany, fibebahana marina, ary fiovana tao am-pony izay azo avy tamin’ ny eveka tsara fanahy hahatsapa iray izay nanampy azy hahatsapa ny famelan-keloka feno fitiavan’ ny Tompo.

Nitohy ihany ireo fiovana mahatalanjona teo aminy rehefa niditra ny tempoly masina ho an’ ny fanafiana masina izy izay nofaritan’ ny Tompo tamin’ ireo olona nomeny hery tao amin’ ny tempoly voalohany tamin’ ity fotoam-pitantanana ity. Tany Kirtland, Ohio izany. Toy izao no nolazain’ ny Tompo mikasika izany:

“Koa, noho izany antony izany, dia nomeko anareo ny didy handehananareo any Ohio; ary any no hanomezako anareo ny lalàko; ary any no hanafiana anareo amin-kery avy any ambony;

“Avy amin’ io toerana io … manana asa lehibe efa miandry Aho, fa ho voavonjy i Isiraely, ary hotarihiko izy ireo na aiza na aiza sitrako, ary tsy misy hery hahasakana ny tanako.”2

Ho an’ ilay namako vao nampahavitrihana tsy ela izay sy ho an’ ireo mpihazona ny fisoronana rehetra, dia misy asa lehibe mbola ho atao entina hanavotana ny ampahan’ i Isiraely, izay andraikitsika na ho andraikitsika, dia ny fianakaviantsika izany. Fantatr’ ilay namako sy ny fianakaviany fa mitaky ny famehezana amin’ ny alalan’ ny fahefan’ ny Fisoronana Melkizedeka any amin’ ny tempoly masin’ Andriamanitra izany.

Nangataka ahy mba hanao izany famehezana izany izy. Tian’ izy mivady hatao faran’ izay haingana izany. Kanefa noho ny fahafenoan’ ny fotoana amin’ ny fahatongavan’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia navelako hotapahin’ izy mivady miaraka amin’ ny evekany ny fakana fotoana amin’ ny mpitantsoratro mba hahazoana daty mety hanaovana izany.

Akory ny hatairako sy ny hafaliako rehefa niteny tamiko tany am-piangonana ilay ray fa ho atao ny 3 Aprily ilay famehezana. Tamin’ izany andro izany, tamin’ ny 1836 no nandefasana an’ i Elia, izay mpaminany niakatra velona tany an-danitra, ho ao amin’ ny Tempolin’ i Kirtland mba hanome ny fahefan’ ny famehezana an’ i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Eto anivon’ ny Fiangonana ireo fanalahidy ireo ankehitriny ary ho eto mandrapahatapitry ny fotoana.3

Izany dia mitovy amin’ ilay fanomezan-dalana avy any an-danitra nomen’ ny Tompo an’ i Petera rehefa nampanantena izy hoe: “Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.”4

Nitahy ireo rehetra mpihazona ny fisoronana ny fiverenenan’ i Elia. Nolazain’ ny Loholona Harold B. Lee mazava tsara izany raha niteny izy nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana, rehefa nilaza ny teny nolazain’ ny Filoha Joseph Fielding Smith. Henoy tsara ilay izy: “Mihazona ny fisoronana aho. Ianareo ry rahalahy izay manatrika eto dia mihazona ny fisoronana koa, ary mihazona ny Fisoronana Melkizedeka isika—izay nohazonin’ i Elia sy ireo mpaminany hafa ary i Petera, i Jakoba ary i Jaona. Kanefa na dia manana ny fahefana hanao batisa aza isika, na dia manana ny fahefana hametra-tanana ho amin’ ny fanomezana ny Fanahy Masina sy hanendry ireo hafa ary hanao ireo zavatra hafa rehetra ireo, dia tsy hahavita na inona na inona isika satria tsy hanan-kery ireo zavatra nataontsika raha tsy misy ny fahefan’ ny famehezana.”

Notohizan’ ny Filoha Smith izany hoe:

“Ny ôrdônansy ambonimbony, ireo fitahiana lehibe izay zava-dehibe amin’ ny fisandratana ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra, izay any amin’ ny toerana mitokana no hahazoana azy, ary tsy misy olona manana ny zo hanatanteraka izany raha tsy efa nandray ny fahefana hanao izany avy amin’ ny lehilahy izay mihazona ny fanalahidy rehetra. …

“… Tsy misy lehilahy eto ambonin’ ity tany ity izay manana ny zo handeha sy hanatanteraka ôrdônansy ao amin’ ny filazantsara raha tsy Filohan’ ny Fiangonana izy, izay mihazona ireo fanalahidy, ary manome lalana ho amin’ izany. Nomeny antsika ny fahefana. Nanolotra ny fahefan’ ny famehezana eo amin’ ny fisoronantsika izy satria izy no mihazona ireo fanalahidy.”5

Izany fanomezan-toky izany dia nolazain’ ny Filoha Boyd K. Packer koa rehefa nanoratra mikasika ny fahefan’ ny famehezana izy. Ny fahafantarana fa marina ireo teny ireo dia mankahery ahy, hankahery koa an’ ilay fianakaviana izay hofeheziko amin’ ny 3 Aprily: “Nihazona ireo fanalahidy ireo i Petera. Nihazona ny fahefan’ ny famehezana izay hamehezana etỳ ambonin’ ny tany i Petera, … mba hamehezana any an-danitra na hamahana etỳ ambonin’ ny tany ka dia ho toy izany koa any an-danitra. Hazonin’ ny Filohan’ ny Fiangonana ireo fanalahidy ireo—izay mpaminany, mpahita ary mpanambara. Izany fahefan’ ny famehezana masina izany dia eto anivon’ ny Fiangonana ankehitriny. Tsy misy zavatra hafa raisina ho toy ny masina kokoa noho izany ho an’ ireo izay mahafantantra ny lanjan’ izany fahefana izany. Tsy misy zavatra hafa tokony ho arovana noho izany. Vitsy ireo lehilahy izay mihazona ity fahefan’ ny famehezana ity eto ambonin’ ny tany mandritra ny fotoana iray—isaky ny tempoly dia misy rahalahy izay nomena izany fahefan’ ny famehezana izany. Tsy misy olona mahazo izany afa-tsy avy amin’ ny mpaminany, mpahita ary mpanambara sy Filohan’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.”6

Tamin’ ny fahatongavan’ i Elia dia tsy ny fahefana fotsiny no natolotra fa ny fo koa dia nampitodihana: “Ny fanahy, fahefana ary antson’ i Elia dia, ny hananany ny fahefana hihazona ny fanalahidin’ ny fanambarana, ôrdônansy, fahitana, hery sy fanafiana masina amin’ ny fahafenoan’ ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany; ary handraisany sy hahazoany ary hanatanterahany ireo ôrdônansy rehetra izay atao ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra, hatramin’ ny famerenana ny fon’ ireo ray hitodika amin’ ny zanaka ary ny fon’ ireo zanaka hitodika amin’ ny ray, na dia ireo izay efa any an-danitra aza.”7

Izany fahatsapana ny fitodihan’ ny fony izany dia efa tonga teo amin’ ilay namako sy ny fianakaviany. Mety tonga eo aminareo mandritra ity fivoriana ity izany. Mety hitanareo tao an-tsainareo, tahaka ny nahitako azy, ny endriky ny rainareo na ny reninareo. Mety ho ny rahalahinareo na ny anabavinareo izany, na zanakavavy na lahy.

Mety any amin’ ny tontolon’ ny fanahy izy ireo na any amin’ ny kaontinanta lavitra. Fa be ny fifaliana azo avy amin’ ny fahatsapana fa azo antoka ny fifandraisana amin’ izy ireo satria ianao dia voafehy na azo fehezina amin’ izy ireo amin’ ny alalan’ ny ôrdônansin’ ny fisoronana izay ho eken’ Andriamanitra.

Efa nampianarina ny zavatra tsy maintsy ataony ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay ray ao anatin’ ny fianakaviana voafehy. Tsy hisy zavatra hafa izay tonga na ho tonga eo amin’ ny fianakavianao ka manan-danja mihoatra ny fitahian’ ny famehezana. Tsy misy zavatra manan-danja mihoatra ny fanajana ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana sy ny fianakaviana izay nataonao na ho ataonao any amin’ ny tempolin’ Andriamanitra.

Mazava ny fomba hanaovana izany. Ny Fanahy Masin’ ny Fampanantenana, amin’ ny alalan’ ny fankatoavantsika sy ny fahafoizan-tenantsika, dia tsy maintsy hamehy ny fanekempihavanan’ ny tempoly izay nataontsika mba hahatanteraka izany any amin’ ny tontolo izay ho avy. Nanazava ny dikan’ izany hoe fehezin’ ny Fanahy Masin’ ny Fampanantenana izany ny Filoha Harold B. Lee, tamin’ ny filazany ny teny nambaran’ ny Loholona Melvin J. Ballard hoe: “Afaka mamitaka ny olona isika fa tsy afaka mamitaka ny Fanahy Masina, ary tsy ho mandrakizay ireo fitahiana voaraintsika raha tsy fehezina amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ ny fampanantenana. Ny Fanahy Masina dia ilay mamaky ny ao an-tsaina sy ny ao am-pon’ ny olona ary manome lalana amin’ ny famehezana ireo fitahiana voalaza eo ambonin’ ny loha. Rehefa izany dia voafatotra, mihatra ary manan-kery tanteraka izany famehezana izany.”8

Rehefa nofehezina tao amin’ ny Tempolin’ i Logan Utah izaho sy Rahavavy Eyring dia tsy mbola takatro tamin’ izany ny lanjany fenon’ izany fampanantenana izany. Mbola miezaka manakatra ny tena dikan’ izany aho, kanefa nanapa-kevitra izaho sy ny vadiko nanomboka hatramin’ izay fanambadianay efa ho 50 taona izay mba hanasa ny Fanahy Masina arak’ izay vitanay ho eo amin’ ny fiainanay sy eo anivon’ ny fianakavianay.

Fony aho raim-pianakaviana mbola tanora, vao nofehezina tany amin’ ny tempoly sy nampitodika ny foko tamin’ ny vadiko sy ny fianakaviako kely dia nihaona vao voalohany tamin’ ny Filoha Joseph Fielding Smith aho. Tao amin’ ilay efitrano filan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany izay nanasana ahy no nahazoako fijoroana ho vavolombelona azo antoka rehefa nanontany ahy ny Filoha Harold B. Lee hoe, raha niresaka mikasika ny Filoha Smith, izay nipetraka teo akaikiko: “Moa mino ve ianao fa ity lehilahy ity dia mpaminanin’ Andriamanitra?”

Vao niditra ny efitrano ny Filoha Smith ary mbola tsy niteny na inona na inona. Feno fankasitrahana mandrakizay aho fa afaka namaly noho ny zavatra tsapako tao am-poko: “Fantatro hoe izany tokoa izy,” ary fantatro tamim-pananana antoka tanteraka toy ny fahalalako fa ny masoandro dia mibaliaka fa izy dia mihazona ny fahefan’ ny famehezana ao amin’ ny fisoronana ho an’ ny rehetra eto ambonin’ ny tany.

Izany zava-nitranga izany dia nampahery vaika ny tenin’ ny Filoha Smith teo amiko sy ny vadiko rehefa nanome izao torolalana manaraka izao ny Filoha Joseph Fielding Smith nandritra ny fivorian’ ny fihaonambe tamin’ ny 6 Aprily 1972, nanao hoe: “Sitraky ny Tompo ny hanamafisana orina sy hiarovana ny vondron’ ny fianakaviana. Miangavy ireo ray izahay mba haka ny toerana natokana ho azy amin’ ny maha-lohan’ ny tokantrano azy. Mangataka ireo reny izahay mba hanohana sy hanampy ny vadiny ary ho fahazavana eo amin’ ireo zanany.”9

Mamelà ahy ianareo hanolotra zavatra efatra azonareo atao amin’ ny maha-ray mihazona fisoronana anareo mba hanomezana hery ny fianakavianareo sy hitarihana azy hiverina hody indray mba hiaraka amin’ ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy.

Voalohany, ataovy izay hahazoana sy hihazonana fijoroana ho vavolombelona azo antoka fa ananantsika ireo fanalahidin’ ny fisoronana ary hazonin’ ny Filohan’ ny Fiangonana. Mivavaha mahakasika izany isan’ andro. Ny valiny dia ho tonga miaraka fitomboan’ ny faharisihana ny hitarika ny fianakavianareo, ny fitomboan’ ny fahatsapanareo fanantenana ary miaraka amin’ ny fifaliana bebe kokoa eo amin’ ny asa fanompoana ataonareo. Ho falifaly ianareo sy hihevitra fa afaka ny ho tsara ny zava-drehetra ary ho fitahiana lehibe ho an’ ny vadinareo sy ny fianakavianareo ianareo.

Ny faharoa izay tsy maintsy atao dia ny fitiavana ny vadinareo. Hitaky finoana sy fanetren-tena ny fametrahana ny zava-mahaliana azy ho eo ambonin’ ny anao manakona ao anatin’ ireo zava-manahirana eo amin’ ny fiainana. Andraikitrareo ny mamelona sy mikolokolo ny fianakaviana miaraka aminy sady manompo ny hafa. Mety handany ny hery sy tanjaka rehetra izay anananareo izany indraindray. Mety hampitombo ny zavatra ilain’ ny vadinareo ny taona sy ny aretina. Raha misafidy ianareo amin’ izany ny hanao izay hahafaly azy kokoa mihoatra noho ianareo manokana dia mampanantena aho fa hitombo ny fitiavanareo azy.

Fahatelo, asaivo mifankatia ny tsirairay ao amin’ ny fianakaviana. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Raha ny mandrakizay no resahina dia azo lazaina fa raharaham-mpianakaviana ny famonjena. …

“Ny ankizy ambonin’ ny zava-drehetra hafa dia mila mahafantatra sy mahatsapa fa tiana sy ilaina ary ankasitrahana izy ireo. Ilaina omena antoka mikasika izany matetika izy ireo. Mazava be fa andraikitra tokony ho tanterahan’ ireo ray aman-dreny izany, ary matetika ny reny no afaka manao izany amin’ ny fomba tsara indrindra.”10

Kanefa loharano lehibe iray hafa hananana izany fahatsapana ho tiana izany ny fitiavana avy amin’ ireo ankizy hafa ao amin’ ny fianakaviana. Ny fifanampian’ ireo mpirahalahy sy mpirahavavy dia tsy ho tanteraka raha tsy amin’ ny alalan’ ny fikirizana ataon’ ny ray aman-dreny sy amin’ ny fanampian’ Andriamanitra. Fantatrareo fa marina izany avy amin’ ireo zavatra iainanareo eo amin’ ny fianakavianareo. Ary hamafisina foana izany isaky ny mamaky ny fifandirana nisy teo amin’ ny fianakavian’ i Lehia sy ny vadiny, Sarià, ao amin’ ny rakitsoratry ny Bokin’ i Môrmôna ianareo.

Ny fahombiazana azon’ izy ireo dia manome fitarihana ho antsika. Nampianatra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy tamin’ ny fomba tsara sy tamim-pikirizana izy ireo hany ka ireo zanany, eny hatramin’ ireo taranaka sasantsasany tao anatin’ ny taranaka nifandimby aza dia nampalefaka ny fony teo anoloan’ Andriamanitra sy teo amin’ izy samy izy. Ohatra, nanoratra sy nanatona ireo olona tao amin’ ny fianakaviany izay fahavalony i Nefia sy ireo hafa. Nisy ny fotoana nanalefahan’ ny Fanahy ny fon’ ireo olona an’ arivony ary nanovany an’ ilay fankahalana ho fitiavana.

Ny fomba iray hamerenanareo ireo fahombiazan’ i Lehia Rainy dia amin’ ny alalan’ ny fomba hitarihanareo ny vavaky ny mpianakavy sy ireo fotoana iarahan’ ny fianakaviana, toy ny takarivan’ ny mpianakavy. Omeo fotoana ahafahana manao vavaka ireo ankizy rehefa afaka mifampivavaka ao anatin’ ilay faribolan’ ireo izay mila fitahiana. Fantaro haingana ny niantombohan’ ny tsy fitovian-kevitra ary jereo ireo fihetsika tsy mifono fitiavan-tena izay nifampanaovan’ izy ireo. Rehefa mifampivavaka izy ireo sy mifampanompo dia hihamalefaka ny fo ary hitodika any amin’ izy samy izy sy any amin’ ny ray aman-dreny.

Ny fomba fahaefatra hitarihana ny fianakaviana araky ny fomban’ ny Tompo dia tonga rehefa ampiharina ny fitsipi-pifehezana. Afaka manatanteraka ny adidintsika amin’ ny fanitsiana araky ny fomban’ ny Tompo isika ary avy eo mitarika ireo zanatsika mankany amin’ ny fiainana mandrakizay.

Ho tsaroanareo ireo teny, saingy mety mbola tsy hitanareo ny herin’ ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka manomana ny fianakaviany hiaina ao anatin’ ilay fiaraha-monina izay hiainany any amin’ ny fanjakana selestialy. Tsaroanareo angamba ireto teny ireto. Be mpahafantatra izany:

“Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ ny alalan’ ny fisoronana raha tsy amin’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

“Amin’ ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka—

“Manitsy eo no ho eo amin’ ny fomba henjana rehefa entanin’ ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao;

“Mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoa noho ny famatoran’ ny fahafatesana.”11

Ary taty aoriana ilay fampanantenana dia lasa manan-danja lehibe ho antsika amin’ ny maha-ray ato Ziona antsika: “Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay.”12

Tena ambony izany fitsipika izany ho antsika, kanefa rehefa fehezintsika amim-pinoana ny fontsika sy ny avonavontsika, dia haneho ny fanekeny ny Fanahy Masina, ary ho azo antoka ireo fampanantenana sy fanekempihavanana masina.

Hahita fahombiazana ianareo amin’ ny alalan’ ny finoanareo fa namerina ireo fanalahidin’ ny fisoronana izay mbola eto anivontsika ny Tompo—miaraka amin’ ny fatorana azo antoky ny fitiavanareo ny vadinareo, miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo hampitodika ny fon’ ireo zanakareo amin’ izy samy izy ary amin’ ireo ray aman-dreniny, ary miaraka amin’ ilay fitiavana izay mitarika anareo hanitsy sy hamporisika amin’ ny fomba izay manasa ny Fanahy hatrany.

Fantatro fa i Jesoa no ilay Kristy sy ilay Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson, dia mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetran’ ny fisoronana eto an-tany amin’ izao fotoana izao. Tiako izy ary manohana azy aho. Tiako izy ary mivavaka ho azy aho. Amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.