2010–2019
Manana ny Fahitana mba Handraisana Andraikitra
Aprily 2012


Manana ny Fahitana mba Handraisana Andraikitra

Raha toa isika ka te hiroborobo fa tsy te ho very, dia tsy maintsy manana fahitana mikasika antsika isika tahaka ny fahitan’ ny Mpamonjy antsika.

Tahaka ireo ray aman-dreny tsara rehetra, ny ray aman-dreniko dia naniry hoavy mamirapiratra ho an’ ireo zanany. Ny raiko dia tsy mpikambana, ary satria noho ny toe-draharaha tsy dia nahazatra niseho tamin’ izany fotoana izany, dia tapa-kevitra ny ray aman-dreniko fa tokony handao an’ i Samoa Amerikana izay nosy fiavianay izaho sy ireo rahalahiko sy anabaviko, mba handeha ho any Etazonia hianatra.

Sarotra be tamin’ ireo ray aman-dreninay indrindra fa ho an’ ny reniko ny fanapahan-kevitra hisaraka aminay. Fantatr’ izy ireo fa hisy ireo fanamby tsy fantatra satria hipetraka any amin’ ny tontolo vaovao izahay. Kanefa, niaraka tamin’ ny finoana sy ny fanapahan-kevitra, dia niroso nanatanteraka ny drafiny izy ireo.

Noho ny nitaizana reniko ho Olomasin’ ny Andro Farany, dia efa tsy zoviana taminy intsony ny fitsipiky ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ary ireo ray aman-dreninay dia samy nahatsapa fa mila ny fitahian’ ny lanitra izy ireo hanampy ireo zanany. Niaraka tamin’ izay faniriana izay dia nanomboka nanokana andro iray isan-kerinandro hifadiana hanina sy hivavahana ho anay izy ireo. Ny tanjon’ izy ireo dia ny hanomana ny zanak’ izy ireo hanana hoavy mamirapiratra. Nandray andraikitra izy ireo teo anatrehan’ izany tanjona izany, raha nampihatra ny finoany tamin’ ny alalan’ ny fikatsahana ny fitahian’ ny Tompo. Tamin’ ny alalan’ ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia nahazo fanomezan-toky sy fankaherezana ary fahatonian-tsaina izy ireo fa handeha tsara avokoa ny zava-drehetra.

Rehefa eo anivon’ ireo fanambin’ ny fiainantsika isika dia ahoana no fomba ahazoantsika fahitana izay ilaina hanatanterahana ireo zavatra izay hampanakaiky antsika kokoa amin’ ny Mpamonjy? Raha mikasika izay fahitana izay dia mampianatra antsika an’ ity fahamarinana ity ny bokin’ ny Ohabolana: “Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona” (Ohabolana 29:18). Raha toa isika ka te hiroborobo fa tsy te ho very, dia tsy maintsy manana fahitana mikasika antsika isika tahaka ny fahitan’ ny Mpamonjy antsika.

Ny Mpamonjy dia nahita zavatra tsara bebe kokoa tamin’ ireo mpanarato be fanetren-tena ireo izay nantsoiny hanaraka Azy noho ny tamin’ ny vao nahitany azy ireo tamin’ ny voalohany. Izy dia nahita fahitana hoe ho lasa inona izy ireo any aoriana. Fantany ny hatsaran’ izy ireo sy ny hery anaty ananan’ izy ireo ary dia nandray andraikitra niantso azy ireo Izy. Tsy nanana traikefa izy ireo tany am-piandohana, fa rehefa nanaraka teny izy ireo, dia nahita ny ohatra nasehony sy nahatsapa ny fampianarany ary lasa mpianany. Nisy ny fotoana izay nandaozan’ ny mpianany sasany Azy satria ny zavatra henon’ izy ireo dia sarotra tamin’ izy ireo. Rehefa tsapan’ i Jesoa fa mety handeha koa ny hafa, dia nanontany an’ ireo Roambinifololahy izy hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” (Jaona 6:67). Ny valintenin’ i Petera dia nampiseho fa niova izy ary nahatakatra hoe iza ny Mpamonjy. “Hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68), hoy ny navaliny.

Niaraka tamin’ izay fahitana izay, ireo mpianatra mahatoky sy be fanoloran-tena ireo dia afaka nanatanteraka zavatra sarotra rehefa nandeha nitory ny filazantsara izy ireo sy nanorina ny Fiangonana taorian’ ny nandehanan’ ny Mpamonjy. Tamin’ ny farany dia nisy tamin’ izy ireo nahafoy ny ainy mihitsy noho ny fijoroany ho vavolombelona.

Misy ohatra hafa ao amin’ ny soratra masina mikasika an’ ireo izay nahazo ilay fahitana mikasika ny filazantsara ary nandray andraikitra teo anatrehan’ izany fahitana izany. Ny mpaminany Almà dia nahazo ny fahitany rehefa nandre an’ i Abinadia nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana teo anoloan’ ny Mpanjaka Noa. Nandray andraikitra teo anatrehan’ ny fampianaran’ i Abinadia i Almà ary nandeha nampianatra ireo zavatra nianarany sy nanao batisa olona maro izay nino ny teniny (Jereo ny Mosià 17:1–4; 18:1–16).). Raha tao anatin’ ny fanenjehana ireo Olomasina fahiny ny Apôstôly Paoly dia niova fo teny amin’ ny lalana nankany Damaskosy izy ary dia nandray andraikitra tamin’ ny alalan’ ny fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona momba an’ i Kristy (jereo ny Asan’ ny Apôstôly 9:1–6, 20–22, 29).

Amin’ izao androntsika izao dia maro ireo tovolahy sy zatovovavy ary mpivady efa lehibe izay namaly ny antson’ ny mpaminanin’ Andriamanitra mba hitory ny filazantsara. Miaraka amin’ ny finoana sy ny herimpo dia mandao ny tokantranony sy ny zava-drehetra mahazatra azy izy ireo noho ny finoan’ izy ireo an’ ilay soa lehibe azon’ izy ireo atao amin’ ny maha-misiônera azy ireo. Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ ilay fahitany izy ireo ka mandeha manompo dia mitahy fiainan’ olona maro, ary manova ny fiainan’ izy ireo manokana koa ao anatin’ izany. Tamin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana lasa teo, dia nisaotra antsika ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ ny fifanompoana nataontsika ary nampatsiahy antsika an’ ilay andraikitsika mba ho toy ny tanan’ Andriamanitra hitahy ireo zanany eto an-tany (jereo “Mandra-pihaonantsika Indray,” Liahona, Nôv. 2011, 108). Nahafaly ny fo ny fahatontosan’ izany andraikitra izany rehefa nandray andraikitra teo anatrehan’ izany fahitana izany ny mpikamban’ ny Fiangonana.

Rehefa takatry ny Mpamonjy talohan’ ny nandehanany fa mila fanampiana isika, dia hoy izy hoe: “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho” (Jaona 14:18). Nampianatra ny mpianany izy hoe: “fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:26). Io ihany ilay Fanahy Masina izay afaka manome hery antsika sy mamporisika antsika hanao ireo zavatra izay ampianarin’ ny Mpamonjy sy ny mpaminanintsika sy Apôstôlintsika amin’ izao fotoana izao.

Rehefa arahantsika asa ny fampianaran’ ny mpitarika antsika, dia mahazo fahatakarana lalina kokoa an’ ilay fahitan’ ny Mpamonjy ho antsika isika. Nandritra ity fihaonambe ity, dia nahazo torolalana manentana ny fanahy isika avy amin’ ny mpaminany sy ny apôstôly. Halalino ny fampianaran’ izy ireo ary saintsaino ao am-ponareo izany miaraka amin’ ny fikatsahana ny Fanahy Masina mba hanampy anareo hahazo fahitana mikasika an’ ireo fampianarana ireo eo amin’ ny fiainanareo. Eo anatrehan’ izany fahitana izany, dia ampiharo ny finoanareo ary araho asa ny torohevitr’ izy ireo.

Fakafakao ary halalino ny soratra masina miaraka amin’ ny saina handray hazavana sy fahalalana bebe kokoa avy amin’ ny hafatr’ izy ireo ho anao. Saintsaino ao am-ponao izy ireo ary avelao izy ireo hanentana ny fanahinao. Ary manaova asa eo anatrehan’ izay fanentanam-panahy azonao.

Toy ilay zavatra nianaranay amin’ ny maha-fianakaviana anay, dia hoe mandray andraikitra isika rehefa mifady hanina sy mivavaka. I Almà dia nilaza fa ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia fomba iray hahazoana fananana antoka rehefa nilaza izy hoe: “Nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny” (Almà 5:46). Isika koa dia lasa mahafantatra ny fomba hiatrehana ireo fanamby eo amin’ ny fiainantsika amin’ ny alalan’ ny fifadian-kanina sy vavaka.

Miaina zavatra sarotra isika eo amin’ ny fiainantsika izay matetika afaka mampihena ny fahitantsika sy ny finoantsika mba hanao ireo zavatra izay tokony hataontsika. Lasa sahirana loatra isika ary matetika mahatsapa ho rempotra sy tsy afaka manao na inona na inona intsony. Satria samihafa avokoa isika rehetra, dia amim-panetrentena no anoroako hevitra hoe tsy maintsy mampifantoka ny fahitantsika amin’ ny Mpamonjy sy ny fampianarany isika. Inona no zavatra hitany tamin’ i Petera, i Jakoba, ary i Jaona sy ireo Apôstôly hafa izay nahatonga Azy handray andraikitra ka hanasa azy ireo mba hanaraka Azy? Tahaka ny fahitany azy ireo koa, ny Mpamonjy dia manana fahitana lehibe hoe ho lasa inona isika any aoriana. Ilaintsika ny fananana ny finoana sy herimpo nananan’ ireo apôstôly voalohany mba hahafahantsika mifantoka indray amin’ ireo zavatra tena manan-danja izay mitondra hasambarana maharitra sy hafaliana lehibe.

Rehefa mandalina ny fiainan’ ny Mpamonjy sy ny fampianarany isika, dia hitantsika eo anivon’ ny olona Izy ka mampianatra, mivavaka, manome hery, ary manasitrana. Rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika ary manao ny zavatra hitantsika ataony, dia manomboka mahita fahitana an’ ilay hoe ho lasa inona isika any aoriana. Hahazo fahiratan-tsaina mba hanao tsara bebe kokoa ianao amin’ ny alalan’ ny fanampian’ ny Fanahy Masina. Ho tonga ny fiovana, ary hitondra lamina hafa eo amin’ ny fiainanao ianao izay hitahy anao sy ny fianakavianao. Nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ ireo Nefita, dia nanontany ny Mpamonjy hoe: “Karazana olona toa inona moa ianareo?” Dia namaly izy hoe: “Tahaka Ahy” (3 Nefia 27:27). Mila ny fanampiany isika mba ho tonga tahaka Azy, ary efa nasehony antsika ny lalana: “Koa, mangataha dia handray ianareo; dondòny dia hovohana ianareo; fa izay mangataka no mahazo; ary izay mandondona no hovohana” (3 Nefia 27:29).

Fantatro fa rehefa mahazo fahitana mikasika antsika isika tahaka ny fahitan’ ny Mpamonjy antsika, ary rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ izany fahitana izany isika, dia ho voatahy amin’ ny fomba maro tsy ampoizina ny fiainantsika. Noho ilay fahitana nananan’ ny ray aman-dreniko, dia tsy hoe nomena fitahiana mba handrato fahalalana fotsiny aho teo amin’ ny fiainako fa tafiditra tao anatin’ ny toe-javatra izay nahafahako nahita sy nandray ny filazantsara. Ny tena zava-dehibe, dia nianatra ny dikan’ ny hoe ray aman-dreny tsara sy mahatoky aho. Amin’ ny teny tsotra dia niova tanteraka ny fiainako.

Ny fahitana nananany no nitarika ny ray aman-dreniko hifady hanina sy hivavaka ho an’ izay mahasoa ny zanany ary ny fahitana nananan’ ireo apôstôly fahiny no nitarika azy ireo hanaraka ny Mpamonjy, ary mbola eo ihany izany fahitana izany mba hanentana ny fanahintsika sy hanampy antsika handray andraikitra. Ry Rahalahy sy rahavavy, isika dia olona manana tantara eo amin’ ny fahitana ary manana finoana sy ny herimpo handray andraikitra. Jereo ny lalana nodiavintsika ary ny fitahiana efa azontsika! Minoa fa afaka manome fahitana anao Izy eo amin’ ny fiainanao sy manome herimpo handraisana andraikitra.

Mijoro ho vavolombelona aminareo ny amin’ ny Mpamonjy sy ny faniriany mba hiverenantsika any Aminy aho. Mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy manana finoana mba handray andraikitra isika—dia ny hanaraka Azy ary ho tonga tahaka Azy izany. Ao anatin’ ireo fotoana maro samihafa eo amin’ ny fiainantsika, dia manolotra ny tanany Izy ary manasa antsika:

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. (Matio 11:29–30).

Tahaka ny nahitan’ ny Mpamonjy ny hery anaty lehibe nananan’ ireo mpianany fahiny, dia mahita an’ izany zavatra izany koa Izy ao anatintsika. Aoka isika mba hahita ny tenantsika tahaka ny hahitan’ ny Mpamonjy antsika. Mivavaka aho mba hananantsika izany fahitana izany miaraka amin’ ny finoana sy herimpo handray andraikitra, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.