2010–2019
Tendrombohitra ho Hanihana
Aprily 2012


Tendrombohitra ho Hanihana

Raha manam-pinoana an’ i Jesoa Kristy isika dia ho fitahiana ho antsika na ireo fotoana faran’ izay mafy na ireo fotoana mora indrindra eo amin’ ny fiainantsika.

Reko ny Filoha Spencer W. Kimball nandritra ny fivoriana irain’ ny fihaonambe nangataka mba homen’ Andriamanitra tendrombohitra ho hanihana. Hoy izy hoe: “Fanamby lehibe maro no miandry antsika, fahafahana manao zava-tsoa goavana ho atrehina. Raisiko amin-kafaliana izany zavatra hitranga mampientanentana izany ary te-hiteny amim-panetren-tena amin’ ny Tompo aho hoe: ‘Omeo ahy izany tendrombohitra izany,’ omeo ahy ireo fanamby ireo.”1

Nientana ny foko, noho ny fahafantarako tsara ny sasany tamin’ ireo fanamby sy fahoriana efa natrehiny. Nanam-paniriana aho ny hitovy bebe kokoa aminy, izay mpanompo maherifo an’ Andriamanitra. Koa dia nivavaka aho indray alina mba hiatrika fitsapana hanombantombanako ny herimpoko. Tena mbola tsaroako tsara izany. Nandohalika nivavaka aho indray alina tao amin’ ny efitrano fatoriako niaraka tamin’ ny finoana izay toa nanenika ny foko.

Tao anatin’ ny iray na roa andro dia nivaly ny vavaka nataoko. Nanaitra sy nampanetry tena ahy ilay fitsapana faran’ izay mafy indrindra teo amin’ ny fahatanorako. Nanome ahy lesona anankiroa izany. Voalohany, nanana porofo mazava aho fa nandre sy namaly ny vavaka nataoko tamim-pinoana Andriamanitra. Ary ny faharoa kosa dia nanomboka nianatra lesona iray aho izay mbola tohizako ianarana hatramin’ izao mikasika ny antony nahatsapako fahatokian-tena toy izany tamin’ iny alina iny fa misy fitahiana lehibe mety ho tonga avy amin’ ny fahoriana, izay hanonitra mihoatra lavitra noho izay mety ho sarany.

Ankehitriny ilay fahoriana izay natrehiko tamin’ izany fotoana efa elabe izany dia toa bitika raha oharina amin’ ireo izay efa nitranga taty aoriana―tamiko sy tamin’ ireo olon-tiako. Maro aminareo ankehitriny no mandalo fitsapana ara-batana, sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo izay mety mahatonga anareo hikiakiaka tahaka ny nataon’ ny mpanompon’ Andriamanitra lehibe sy mahatoky iray izay fantatro tsara tokoa. Nandre azy nihiaka noho ny fanaintainana teo ambonin’ ny fandriany ny mpitsabo-mpanampy nikarakara azy, nanao hoe: “Efa niezaka ny nanao ny tsara aho nandritra ny androm-piainako koa nahoana no mitranga amiko izao zavatra izao?”

Fantatrareo ny fomba namalian’ ny Tompo izany fanontaniana izany tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ izy tao am-ponja:

“Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ ireo mpamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty; raha hatsipy any amin’ ny lalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; ary ambonin’ izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.

“Efa nidina tambanin’ izany rehetra izany ny Zanak’ Olona. Moa va ianao lehibe kokoa noho Izy?

“Koa hazòny ny lalanao dia hitoetra eo aminao ny fisoronana; fa efa voatendry ny fetran’ izy ireo ka tsy afa-mihoatra izy. Fantatra ny andronao ary tsy hahena ny taonanao, koa aza matahotra izay mety hataon’ ny olona, fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”2

Toa tsy misy valiny tsara kokoa ho an’ ny fanontaniana mikasika ny antony hisian’ ny fitsapana sy ny tokony hataontsika mihoatra noho ny tenin’ ny Tompo tenany mihitsy, izay nandalo fitsapana nangidy lavitra amintsika noho izay azontsika noeritreretina.

Tsaroanareo ny teniny rehefa nanoro hevitra antsika Izy fa tokony hibebaka isika vokatry ny finoantsika Azy:

“Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamely anao amin’ ny tsorakazon’ ny vavako sy amin’ ny fisafoako ary amin’ ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ ireo zavatra rehetra ireo ho an’ ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ ny zanak’ olombelona.”3

Izaho sy ianao dia manam-pinoana fa ny fomba hihoarana sy handresena ireo fitsapana dia ny finoana fa misy “balsama any Gileada”4 ary hoe efa nampanantena ny Tompo hoe “tsy … hahafoy anao Aho.”5 Izany no zavatra nampianarin’ ny Filoha Thomas S. Monson antsika mba hanampiana antsika sy ireo izay tompointsika mandritra ny fitsapana izay toa mahatrotraka sy toa ireny hoe isika irery izany no miatrika azy.6

Kanefa ny Filoha Monson dia nampianatra tamim-pahendrena koa fa ny fototry ny finoana manoloana ny fisian’ ireo fampanantenana dia mitaky fotoana mba hanorenana azy. Mety efa nahita ny antony ilana izany fototra ioeranana izany ianao, tahaka ny efa nahitako izany, teo anilan’ ny fandrian’ ny olona iray izay mitady hilavo lefona teo amin’ ny ady mba haharetana hatramin’ ny farany. Raha tsy miorim-paka tsara ao am-pontsika ny fototra iorenan’ ny finoana dia hirodana ny hery ahafahana maharitra.

Ny tanjoko anio dia ny hamariparitra ny zavatra fantatro mikasika ny fomba ahafahantsika manorina izany fototra tsy voahozongozona izany. Amim-panetren-tena lehibe no hanaovako izany noho ny antony roa. Voalohany, ny zavatra holazaiko dia mety hahakivy ireo izay sahirana mafy ao anatin’ ny fahoriana lehibe ary mahatsapa fa mirodana tsikelikely ny fototra iorenan’ ny finoany. Ary faharoa, fantatro fa fitsapana lehibe kokoa noho ny hatramin’ izay no miandry ahy alohan’ ny hifaranan’ ny fiainako. Noho izany, ny torohevitra izay arosoko anareo dia mbola ilaina ho porofoina eo amin’ ny fiainako manokana amin’ ny alalan’ ny faharetana hatramin’ ny farany.

Fony aho zatovolahy dia niasa tamin’ ny orinasa iray mpiantoka ny fanaovana lafi-pototra sy fototra ho an’ ny trano vao haorina. Nandritra ny hafanan’ ny fotoam-pahavaratra dia asa mafy tokoa ny manomana ny tany hametrahana ny lasitra izay handrotsahana ny simenitra ho an’ ny lafi-pototra. Tsy nisy milina tamin’ izany. Nampiasa angady sy angady fandraofambe izahay. Asa mafy tokoa tamin’ izany fotoana izany ny fanorenana fototra mafy orina sy maharitra ho an’ ireo trano haorina.

Nitaky faharetana koa izany. Rehefa avy nandrotsaka ny lafi-pototra izahay dia niandry izany ho maina aloha. Na dia tianay aok’ izany aza ny hanohy ny asa dia tsy maintsy niandry ihany koa izahay aorian’ ny nandrotsahana ny fototra alohan’ ny hanalana ireo lasitra.

Ary ny tena mahazendana ho an’ ny mpanangan-trano izay zazavao amin’ ny asa dia ilay dingana mahasorena sy mandany fotoana izay ametrahana ireo tsora-by ao anatin’ ilay lasitra mba hahamafy tanteraka ilay fototra rehefa vita.

Mitovy amin’ izany fomba izany koa ny tsy maintsy hanomanana amim-pitandremana tsara ny fototra iorenan’ ny finoantsika mba hahatohitra ireo tafio-drivotra izay handalo eo amin’ ny fiainantsika tsirairay. Izany fototra mafy orina iorenan’ ny finoana izany dia ny fahamarinan-toetran’ ny tena manokana.

Ny fisafidianantsika ny tsara lalandava rehefa manoloana antsika ny safidy no manorina ilay tany mafy hijoroan’ ny finoantsika. Afaka manomboka any amin’ ny fahazazana izany satria ny fanahy tsirairay dia teraka miaraka amin’ ilay fanomezana ny Fanahin’ i Kristy izay maimaim-poana. Amin’ ny alalan’ izany Fanahy izany no ahafantarantsika hoe nanao ny tsara teo anoloan’ Andriamanitra isika sa nanao ny ratsy teo imasony.

Ireo safidy ireo, izay miseho an-jatony maro amin’ ny ankamaroan’ ny andro, dia manomana tany mafy izay hanorenana ny tranon’ ny finoantsika eo amboniny. Ilay rafitra vỳ izay handrotsahana ny ventin’ ny finoantsika manodidina azy dia ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, miaraka amin’ ny fanekempihavanana, sy ôrdônansy ary fitsipika rehetra izay ao anatiny.

Ny iray amin’ ireo fanalahidy hananana finoana maharitra dia ny fandanjalanjana tsara ny fotoana izay takiana mba hiorenany sy haniriany faka. Izany no antony tsy nahamety ny fivavahako aloha loatra teo amin’ ny fiainako mba hahazo tendrombohitra avoavo kokoa hihanihana sy fitsapana lehibe kokoa ho atrehana.

Izany fiorenana mafy izany dia tsy tongatonga ho azy rehefa mandeha ny fotoana, fa tena mitaky fotoana izany. Ny fitomboan’ ny taona fotsiny dia tsy ampy hahatanteraka izany. Ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa tsy ankiato amin’ ny fo sy fanahy manontolo no mahatonga ny fijoroana ho vavolombelon’ ny fahamarinana ho lasa tanjaka ara-panahy tsy mety rava.

Ankehitriny aho dia te-hamporisika ireo izay miatrika fitsapana goavana, izay mahatsapa fa mety hanjavona ny finoan’ izy ireo manoloana an’ ireo olana tsy misy fiafarany. Iny olana mianjady amin’ ny tena iny dia mety efa fomba iray hahafahanao manamafy ny finoana ary amin’ ny farany ahafahanao manana finoana tsy ho voahozongozona. I Môrônia, zanakalahin’ i Môrmôna ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia nilaza tamintsika ny fomba hahatanteraka izany fitahiana izany. Nampianatra ilay fahamarinana tsotra sy tsara izy hoe ny fanaovana asa miaraka amin’ ny fananana finoana na dia kely fotsiny aza dia hamela an’ Andriamanitra hampitombo izany:

“Ary ankehitriny, izaho Môrônia dia somary hiresaka ihany ny momba ireny zavatra ireny; tiako haseho izao tontolo izao fa ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ ny fizahan-toetra ny finoanareo.

“Fa tamin’ ny finoana no nanehoan’ i Kristy ny tenany tamin’ ny razantsika, rehefa avy nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary tsy naneho ny tenany taminy Izy raha tsy efa nananany ny finoana Azy; koa tsy maintsy ilaina ny nananan’ ny sasany finoana Azy, satria tsy naneho ny tenany tamin’ izao tontolo izao Izy.

“Nefa noho ny finoan’ ny olona no efa nanehoany ny tenany tamin’ izao tontolo izao sy nankalazany ny anaran’ ny Ray ary nanomanany ny lalana izay hahatonga ireo hafa ho mpandray anjara amin’ ny fanomezam-pahasoavana avy any an-danitra, mba hahazoany manantena ireo zavatra ireo izay tsy hitany.

“Koa, ianareo dia mety hanana fanantenana koa sy ho tonga mpandray anjara amin’ ny fanomezam-pahasoavana raha tsy te hanana afa-tsy finoana ianareo.”7

Izany ampahany sarobidy amin’ ny finoana izany izay tokony ho arovanao sy ho ampiasainao amin’ izay ahafahanao mampiasa azy dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy. Nampianatra ny herin’ izany finoana izany arak’ izao fomba izao i Môrônia: “Ary koa tsy nisy na iza na iza, na tamin’ ny fotoana inona na tamin’ ny fotoana inona, nahavita fahagagana raha tsy taorian’ ny ninoany; koa, nino ny Zanak’ Andriamanitra izy aloha.”8

Efa nahita vehivavy iray aho izay nandray fahagagana tamin’ ny fahazoana tanjaka ampy hiatrehana ireo fahalasan’ olona maro tsy takatry ny saina tamin’ ny fahafahana nahavita tsotra fotsiny niteny tsy ankijanona ireto teny ireto, dia hoe: “Velona ilay Mpanavotra ahy.”9 Izany finoana izany sy ireo teny mifono fijoroana ho vavolombelona ireo dia teo foana na dia tao anatin’ ilay zavozavo izay nanamaizina fa tsy namafa velively ny fahatsiarovany ny fahazazany aza.

Nampitolagaga ahy koa ny nahita ny vehivavy iray izay namela heloka ny olona izay nanao ratsy taminy nandritra ny taona maro. Gaga aho ary nanontany azy hoe nahoana izy no nisafidy ny hamela sy hanadino ireo taona niaretana haratsian-toetra toy izany.

Namaly tsimoramora izy hoe: “Izany no zavatra sarotra indrindra nataoko hatrizay kanefa fantatro fotsiny hoe tsy maintsy manao izany aho. Dia nataoko izany.” Ny finoany fa ny Mpamonjy dia hamela heloka azy raha toa izy ka mamela ny hafa dia nanomana azy hanana fahatsapana fiadanana sy fanantenana rehefa niatrika ny fahafatesana izy volana vitsivitsy monja taorian’ ny namelany heloka an’ ilay fahavalony tsy nibebaka.

Nanontany ahy izy hoe: “Rehefa ho tonga any aho dia mety hanao ahoana izany hoe any an-danitra izany?”

Ary hoy aho hoe: “Fantatro fotsiny avy tamin’ ny nahitako ilay fahafahanao nampihatra finoana sy namela heloka fa hahafinaritra ny fandraisana anao any.”

Manana fankaherezana iray hafa aho ho an’ ireo izay manontany tena ankehitriny raha ampy ny finoany an’ i Jesoa Kristy haharetan’ izy ireo hatramin’ ny farany. Fitahiana ho ahy ny nahafantatra ireo olona sasany aminareo izay mihaino eto ankehitriny fony ianareo mbola tanora kokoa, sy natanjaka ary manan-tsaina kokoa noho ny ankamaroan’ ireo izay manodidina anareo, kanefa nisafidy ianareo ny hanao ny zavatra izay ho nataon’ ny Mpamonjy koa. Tao anatin’ ireo fitahiana maro azonareo dia nahita fomba ianareo hanampiana sy hikarakarana ireo olona izay mety ho tsy noraharahianareo na ho nankahalainareo teo amin’ ny fiainana niainanareo.

Rehefa tonga ny fitsapana mafy dia ho eo foana ilay finoana ahafahana miaritra izany, miorina araky ny hitanao ankehitriny saingy mety tsy hitanao akory tamin’ ny fotoana izay nampiharanao izany, eo amin’ ny fitiavana madion’ i Kristy, manompo sy mamela heloka ny hafa tahaka izay ho nataon’ ny Mpamonjy. Manorina ny fototry ny finoana ianao amin’ ny alalan’ ny fanehoana fitiavana toy ny nitiavan’ ny Mpamonjy ary amin’ ny alalan’ ny fanompoana Azy. Ny finoanao Azy no nitarika anao haneho fiantrana izay hitondra fanantenana ho anao.

Tsy tara na oviana na oviana ny fanamafisana ny fototry ny finoana. Misy foana ny fotoana. Afaka mibebaka sy mangataka famelan-keloka ianao amin’ ny alalan’ ny finoanao ny Mpamonjy. Misy olona izay azonao omena famelana. Misy olona izay azonao hanehoana fisaorana. Misy olona izay azonao tompoina sy atraka. Afaka manao izany ianao na aiza na aiza misy anao ary na dia manirery sy mahatsiaro ho nilaozana aza ianao.

Tsy afaka ny hampanantena aho hoe hisy fiafarany ny fahorianao eto amin’ ity fiainana ity. Tsy afaka ny hanome antoka anao aho fa ho mandritra ny fotoana fohy ihany ny fitsapana hianjady aminao. Ny iray amin’ ireo endrika mampiavaka ny fitsapan’ ny fiainana dia ny hoe toa mampiadana tanteraka ny fihodin’ ny famantaranandro izany ary avy eo toa mampijanona izany mihitsy.

Misy antony mahatonga izany. Mety tsy hanome fankaherezana ho anao akory ny fahafantarana an’ ireo antony ireo, kanefa afaka hanome anao faharetana. Avy amin’ ny zavatra iray daholo ireo antony ireo: noho ilay fitiavan’ izy ireo tonga lafatra anao, dia tian’ ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy ho mendrika ny hiaraka amin’ izy ireo ianao mba hiaina amin’ ny maha-fianakaviana mandrakizay. Ireo izay voadio tanteraka tamin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ihany no afaka ho any.

Niady mafy tamin’ ny homamiadana ny reniko tao anatin’ ny 10 taona latsaka kely. Isan’ ny fitsapana ho azy ireo fitsaboana sy fandidiana ary farany ny tsy fahafahany nihetsika teo am-pandriany.

Tsaroako ny raiko teo am-panatrehana azy niala aina niteny hoe: “Nandeha nody mba hiala sasatra any an-trano ny zazavavy kely iray.”

Iray tamin’ ireo mpandahateny nandritra ny fotoam-pandevenana azy ny Filoha Spencer W. Kimball. Tao anatin’ ny fanomezam-boninahitra farany nolazainy mikasika azy, dia tsaroako ny teny iray tahak’ izao: “Mety mieritrerira ny sasany aminareo hoe nijaly nandritra ny fotoana ela sy nijaly be tokoa i Mildred noho ny zavatra tsy nety iray izay nataony ka nitaky fisedrana. Hoy izy avy eo hoe: “Tsia, tian’ Andriamanitra fotsiny izy mba hamiratra bebe kokoa.” Tsaroako aho tamin’ izay fotoana izay nieritreritra hoe: “Raha vehivavy tsara toy izao aza mbola nila fampamirapiratana be toy izao, dia hanao ahoana izany ny ahy?”

Raha manam-pinoana an’ i Jesoa Kristy isika dia ho fitahiana ho antsika na ireo fotoana faran’ izay mafy na ireo fotoana mora indrindra eo amin’ ny fiainantsika. Ao anatin’ izany toe-javatra rehetra izany isika dia afaka misafidy ny tsara eo ambany fitarihan’ ny Fanahy. Manana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy isika izay mamolavola sy mitarika ny fiainantsika raha toa ka misafidy izany. Afaka miaina eo am-pananana fanantenana tonga lafatra sy fahatsapana fiadanana isika noho ny fananana mpaminany manambara amintsika ny toerana misy antsika eo amin’ ny drafitry ny famonjena. Tsy tokony hahatsapa velively isika hoe irery na tsy tiana ao anatin’ ny fanompoana ny Tompo, satria tsy toy izany velively isika. Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika. Nampanantena ny Mpamonjy fa ireo anjely dia ho eo ankaviantsika sy ankavanantsika, mba hanohana antsika.10 Ary mitazona ny teny nambarany foana Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray ary Ilay Zanakalahy Malalany no Mpanavotra antsika. Nanamafy ny fahamarinana ny Fanahy Masina nandritra ity fihaonambe ity ary mbola hanao izany rehefa mikatsaka izany ianareo, ka mihaino ary koa mandalina any aoriana ireo hafatra avy amin’ ireo mpanompo nahazo lalana avy amin’ ny Tompo izay eto. Ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ ny Tompo ho an’ izao tontolo izao manontolo. Miambina anareo ny Tompo. Velona Andriamaitra Ray. Jesoa Kristy Zanany Malala, no Mpanavotra antsika. Tsy manam-petra ny fitiavany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.