2010–2019
Izao no Fotoana Tokony Hitsanganana sy Hamirapiratana!
Aprily 2012


Izao no Fotoana Tokony Hitsanganana sy Hamirapiratana!

Amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo, dia nateraka mba hitarika ianareo.

Izaho dia mahatazana tsara dia tsara ny Tempolin’ i Salt Lake avy eo amin’ ny varavarankelin’ ny birao misy ahy ao amin’ ny Zatovovavy. Isan’ andro aho dia mahita ny anjely Môrônia mijoro ery amin’ ny tendron’ ny tempoly ery izay toy ny mari-pamantarana mamirapiratra maneho tsy ny finoany fotsiny ihany fa ny antsika ihany koa. Tiako i Môrônia satria nitoetra ho madio sy marina izy tao anatin’ ny fiaraha-monina iray tena feno faharatsiana. Izy no maherifoko. Nijoro irery izy. Toy ny tsapako izany hoe mitsangana eny amin’ ny tampon’ ny tempoly eny izy ankehitriny mba hamporisika antsika hanana herimpo hahatsiaro hoe iza moa isika ary mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly masina—“hitsangana sy hamirapiratra,”1 hijoro ho eo ambonin’ ny antsoantson’ izao tontolo izao, ary araka ny naminanian’ i Isaia dia mba, “Hiakatra… any an-tendrombohitr’ i Jehovah”2—dia ny tempoly masina izany.

Tafavory eto androany ireo zanakavavin’ ny Tompo izay voafidy manokana. Tsy misy vondrona hafa izay mijoro amin’ ny fahamarinana ka manana hery mitaona hanao ny tsara bebe kokoa eto amin’ izao tontolo izao noho ireo zatovovavy sy vehivavin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Hitako ny fahamendrehanareo ary fantatro ny toetra sy ny hoavinareo avy amin’ Andriamanitra. Efa niavaka ianareo tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana. Ny razambenareo dia nitondra niaraka taminy fanekempihavanana sy fampanantenana maro. Ianareo dia nandova ireo toetra masina nananan’ i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba izay patriarika mahatoky. Nisy mpaminanin’ Andriamanitra anankiray indray mandeha izay niantso anareo tsirairay tafavory eto androany alina hoe: “ilay fanantenana iray mamirapiratra”3 ho an’ ny hoavy. Ary manaiky izany aho! Mamirapiratra be tokoa ny hazavanareo ao anatin’ ity izao tontolo izao feno fanamby ity. Tena “andro tsy ho hadinoina na oviana na oviana”4 izao andro izao. Andronareo izao ary izao no fotoana natokana ho an’ ny zatovovavy rehetra na aiza na aiza mba “hitsangana sy hamirapiratra mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ ireo firenena.”5

“Ny faneva dia fitsipi-pandrefesana iray izay hamaritan’ ny olona iray ny fanarahana ny fahamarinana na ny fahalavorariana.”6 Isika dia tokony ho fanevan’ ny fahamasinana izay natao mba ho hitan’ izao tontolo izao! Ilay bokikely Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza) izay nohavaozina dia tsy hoe ahitana fitsipika tokony hiainana amim-pahamarinana fotsiny fa misy ireo fitahiana nampanantenaina raha toa ianareo ka manaraka izany. Ireo teny hita ao anatin’ io bokikely io dia fitsipika ho an’ izao tontolo izao ary ny fiainana ireo fitsipika ireo dia hanome fahafahana anareo hahafantatra izay tokony hatao mba hitovizana bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy ary mba hahazoana fifaliana ao anatin’ ity izao tontolo izao izay tsy mitsahatra miharatsy ity. Ny fiainana ireo fitsipika ao anatin’ io bokikely io dia hanampy anareo ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Ary eto amin’ ity izao tontolo izao izay iainantsika ity dia ho ilainareo ny fananana izany namana izany mba handraisana fanapahan-kevitra lehibe izay hamaritra ny ankamaroan’ ny fahombiazanareo sy ny fifalianareo amin’ ny hoavy. Ny fiainana ireo fitsipika ireo dia hanampy anareo tsirairay avy ho mendrika ny hiditra ao amin’ ny tempoly masin’ ny Tompo ary rehefa ao dia handray ireo fitahiana sy hery izay miandry anareo ianareo rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina.7

Fony mbola ankizivavy kely i Emi zanakay vavy, dia tiany ny mijery ny zavatra rehetra ataoko rehefa miomana ny handeha hiangona aho. Rehefa avy mijery ny zavatra fanaoko mahazatra izy dia mibango ny volony ary mampiditra ny akanjolavany, dia angatahany foana aho mba hanisy an’ ilay antsoiny hoe “zavatra mamirapiratra,” eo amin’ ny tarehiny. Ilay hoe “zavatra mamirapiratra” dia nentiny nilazana menaka malefadefaka fanosotra izay hisorohana ny kentrona. Saingy araka ny fangatahana dia eo amin’ ny takolaka sy ny molotr’ i Emi no anosorako azy, dia mitsiky izy avy eo ary milaza hoe: “Vonona ny handeha amin’ izay aho!” Ny zavatra tsy fantatr’ i Emi dia efa nisy “zavatra mamirapiratra” teny aminy. Namirapiratra ny endriny satria tena madio sy tsy manan-tsiny izy ary tsara toetra. Nanana ny Fanahy niaraka taminy izy ary hita izany.

Iriako ireo zatovovavy rehetra tafavory eto androany alina mba hahafantatra sy hahatakatra fa ny hatsaranareo—ny “famirapiratanareo”—dia tsy miankina amin’ ny fanaingoana ny tarehy, na ny menaka malefadefaka fanosotra na ny lamaody nivoaka farany eo amin’ ny fitafy sy ny endriky ny volo. Mitoetra ao anatin’ ny fahadiovanareo manokana izany. Rehefa miaina ireo fitsipika ianareo sy mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana, dia afaka mitondra fiantraikany mahery vaika eo amin’ izao tontolo izao. Ny ohatra asehonareo, na ny hazavana eo amin’ ny masonareo aza dia hisy fiantraikany amin’ ny hafa izay mahita ny “famirapiratanareo,” ary haniry ny ho toa anareo izy ireo. Aiza no ahazoanareo izany hazavana izany? Ny Tompo no fahazavana, “ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra eo amin’ izao tontolo izao, izay mihaino ny feon’ ny Fanahy.”8 Misy hazavana tonga eo amin’ ny masonareo sy ny endrikareo rehefa manakaiky ny Ray any an-danitra sy an’ i Jesoa Kristy Zanakalahiny ianareo. Izay no ahazoantsika an’ ilay “zavatra mamirapiratra!” Ary ankoatr’ izany dia afaka mahita ianareo fa tsy dia nahomby tamin’ ny kentrona teo amiko akory ilay “menaka mamirapiratra!”

Ilay antso hoe “mitsangàna ary mamirapirata” dia antso iray ho anareo tsirairay avy mba hitarika an’ izao tontolo izao hanatanteraka tanjona lehibe—hanangana ilay faneva—ary hitarika an’ ity taranaka ity hanana hatsaran-toetra sy fahadiovana ary fahamendrehana hiditra ny tempoly. Raha maniry ny hanova an’ izao tontolo izao ianareo dia tsy maintsy miavaka eo anatrehan’ izao tontolo izao. Averiko ireo tenin’ ny Filoha Joseph F. Smith, izay nilaza tamin’ ireo vehivavy tamin’ ny androny hoe: “Tsy ianareo mihitsy no tokony ho tarihin’ ireo [zatovo]vavin’ izao tontolo izao, fa ianareo no tokony hitarika … an’ ireo [zatovo]vavin’ izao tontolo izao any amin’ ny zava-drehetra izay … manadio ny zanak’ olombelona.”9 Mbola mitoetra ho marina ireo teny ireo ankehitriny. Amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia nateraka mba hitarika ianareo.

Ao anatin’ ity izao tontolo izao izay iainantsika ity, ilay fahafahanareo mitarika dia hitaky ny fitarihana sy ny fanananareo ny Fanahy Masina ho namana lalandava, izay hilaza aminareo “ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo”10 rehefa miantehitra amin’ ny fitarihany sy ireo bitsika avy Aminy ianareo. Ary satria tsy mitoetra ao amin’ ny tempoly izay tsy masina ny Fanahy Masina dia ho ilaintsika tsirairay avy ny fandinihana ny fahazarantsika sy ny ao am-pontsika. Mila manova zavatra daholo isika rehetra—mila mibebaka izany. Hoy ny Mpanjaka Lamônia ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna hoe: “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao.”11 Moa ve, izaho sy ianao, vonona ny hanao izany?

Nisy andian-jatovo iray tany Queen Creek, Arizona, izay tapa-kevitra ny “hitsangana sy hamirapiratra” ary hitarika ny zatovo eo amin’ ny tanànan’ izy ireo araka ny fitsipika napetraka ao amin’ ny Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza). Izy tsirairay ireo dia samy nanoratra zavatra izay tsapany fa manakana azy ireo tsy handroso, na zavatra izay tiany hovaina eo amin’ ny fiainany izay hita ao anatin’ ny diariny. Dia tena nangady lavaka ara-bakiteny izy ireo. Niara-nandeha izy ireo ka nandrovitra ilay takelaka tao anatin’ ilay diary, ary nanipy izany tao anatin’ ilay lavaka tao anaty tany toy ny nataon’ ireo vahoakan’ i Amôna tao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna tamin’ ireo fitaovam-piadiany.12 Dia naleviny ireo pejy ireo, ary tamin’ izay andro izay dia nanao fanoloran-tena ny hiova izy ireo. Nibebaka izy ireo. Tapa-kevitra ny hitsangana izy ireo!

Moa ve misy zavatra eo amin’ ny fiainanao izay tokony hovainao? Afaka manao izany ianao. Afaka mibebaka ianao noho ilay Sorompanavotan’ ny Mpamonjy izay tsy manam-petra. Nanao izay ahafahanao sy ahafahako miova sy ho lasa madio indray Izy ary ho lasa mitovy Aminy. Ary nampanantena Izy fa rehefa manao izany isika dia tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony Izy.13

Indraindray dia toa tena tsy vita mihitsy ny hoe mitoetra ho mamirapiratra. Ianareo dia miatrika olana maro izay mety hanakona ilay loharanon’ ny hazavana rehetra, dia ny Mpamonjy. Sarotra indraindray ny lalana ary misy fotoana toa misy zavona matevina manarona ilay hazavana. Izany no toe-javatra niseho tamin’ ny zatovovavy iray nantsoina hoe Florence Chadwick. Tamin’ ny faha-10 taonany no nahitan’ i Florence fa manana talenta eo amin’ ny filomanosana izy. Nilomano niampita ny ranon’ i La Manche izy tao anatin’ ny adiny 13 sy 20 minitra. Tia fanamby i Florence, ary taty aoriana izy dia nanandrana nilomano niala teo amin’ ny morontsirak’ i Californie hatrany amin’ ny Nosy Catalina—izay teo amin’ ny 34 km teo. Tao anatin’ izany dia nihareraka izy rehefa nilomano teo amin’ ny 15 ora teo. Nisy zavona nirotsaka izay nanakona ny fahitana ny morontsiraka. Nandeha sambo nanaraka azy teo akaikiny teo ny reniny ary nilaza tamin-dreniny i Florence fa tsy ho vitany ilay izy raha ny eritreriny. Namporisika azy mba hanohy ny reniny sy ilay mpanazatra azy, saingy ny hany hitany dia ilay zavona. Natsahany ny filomanosana ary raha vao tafiditra tao anaty sambo izy dia hitany fa hay nijanona teo amin’ ny 1,6 km sisa tsy hahatongavana teo amin’ ny morondranomasina izy. Taty aoriana rehefa nalain’ ny mpanao gazety am-bavany izy ary nanontaniana mikasika ny antony nijanonany tsy nilomano, dia nibaboka izy fa tsy hoe noho ilay rano mangatsiaka akory na noho ny halavirana izany. Hoy izy hoe: “Resin’ ilay zavona aho.”14

Nanandrana nilomano tamin’ izany indray izy taty aoriana ary dia nirotsaka indray ilay zavona matevina. Saingy tamin’ ity indray mitoraka ity dia nandeha foana izy ary tonga tamim-pahombiazana teo amin’ ilay morontsiraka. Tamin’ izay fotoana izay rehefa nanontaniana izy hoe inona no naha-samy hafa an’ ity tamin’ ilay teo aloha dia nilaza izy fa notazoniny tao an-tsaina ny sarin’ ilay morondranomasina tao anatin’ ilay zavona matevina ary nandritra ny faharetan’ ny filomanosany manontolo.15

Ho an’ i Florence Chadwick, dia ilay morontsiraka no tanjony. Ho antsika tsirairay avy dia ny tempoly no tanjontsika. Ry zatovovavy aoka ianareo hifantoka foana. Banjino foana ny tanjonareo. Ilay zavona matevin’ ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ireo feo manakivy avy amin’ izao tontolo izao dia aza avela hanakana anareo tsy hanatratra ny tanjonareo, sy tsy hiaina ireo fitsipika ary tsy hanana ny Fanahy Masina ho namana ary tsy ho mendrika ny hiditra ny tempoly masina. Tazony foana ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ny sarin’ ny tempoly sy ilay trano masin’ ny Mpamonjy.

Herinandro maro lasa izay dia nijoro tao amin’ ny efitrano selestialin’ ny Tempolin’ i Reno Nevada aho. Namirapiratra ilay hazavana niditra tao anatin’ izany efitrano izany ary mbola namirapiratra kokoa aza tamin’ ny alalan’ ilay fitoeran-jiro kiristaly, izay nandefa ny taratr’ ilay hazavana teo amin’ ireo lafiny madinika maro teo aminy izay vita sokitra ka nanome hazavana miendrika havana teny rehetra teny. Nientanentana ny foko rehefa nahatsapa aho fa ny Mpamonjy no “fahazavana sy fiainan’ izao tontolo izao,”16 ka ilay hazavany no tokony hatsangantsika ambony sy ho hita taratra eny amintsika. Isika dia ireo kiristaly kely izay mandefa ny taratr’ ilay hazavany ary mba hahafahantsika manao izany dia tsy maintsy madio sy afaka amin’ ny vovok’ izao tontolo izao isika. Rehefa nijoro tao amin’ ny Tempoly aho io andro io dia naheno indray tao an-tsaiko ilay antson’ i Môrônia ho antsika—zanakavavin’ i Ziona manao hoe: “Mifohaza dia mitsangana avy eo amin’ ny vovoka.”17 “Ary [aza mikasika] ny fanomezana ratsy na ny zavatra tsy madio.”18 “Ary mifohaza dia mitsangana ary anaovy ny fitafianao tsara tarehy, Ry zanakavavin’ i Ziona … , mba hahazoana manatanteraka ny fanekempihavanan’ ny Ray Mandrakizay izay efa nataony taminao, Ry mpianakavin’ i Isiraely.”19

Ireo fitahiana nampanantenaina dia tsy natao ho anareo fotsiny fa ho an’ ny taranaka rehetra. Rehefa manao ny tempoly ho tanjonareo ianareo, dia tsy ho voasakan’ ny fotoana sy ny halavirana ny fitaomanareo ho amin’ ny tsara, ary ilay asa ataonareo ho an’ ireo izay nialoha lalana anareo dia ho lasa fahatanterahan’ ilay faminaniana!

Nandritra ny fihaonambe farany teo dia nientanentana ny foko rehefa naheno ny Loholona David A. Bednar aho nanasa anareo tsirairay mba hazoto hirotsaka hanao ny tantaram-pianakavianareo manokana sy ny asa atao any amin’ ny tempoly ho an’ ireo izay efa nodimandry ka tsy nahazo ireo fitahian’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny.20 Rehefa nanao izany fanasana izany izy dia nidobodoboka be ny foko. Hitantsika ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana “ireo fanahy nofinidy hafa izay notanana ho fiandry mba hivoaka amin’ ny fotoam-pahafenoana handray anjara amin’ ny fandatsahana ny fototry ny asa lehiben’ ny andro farany, ka ao anatin’ izany ny fanorenana tempoly sy ny fanatontosana ôrdônansy ao amin’ izy ireo ho fanavotana ny maty.”21 Andronareo izao, ary efa nanomboka ny asa! Izao no fotoana tokony hahamendrika sy hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Rehefa manao ity asa ity ianareo dia ho lasa mpamonjy eo amin’ ny Tendrombohitr’ i Ziona.22

Raha niresaka momba anareo ny Loholona Russell M. Nelson dia nanambara izy hoe: “Ilay hery mitaona ananan’ ireo zatovovavin’ ny Fiangonana, izay toy ny olona goavam-be iray matory, dia hifoha sy hitsangana ary hanentana ny fanahin’ ireo mponin’ ny tany toy ny hery lehiben’ ny fahamarinana.”23 Ry zatovovavy, mitsangàna ary raiso ny toeranareo eo anivon’ ireo zava-miseho tena lehibe izay hamolavola ny hoavinareo sy ny hoavin’ izao tontolo izao. Izao no fotoana!

“An-tendrombohitra dia misy saina iray. Jereo miofaofa eran-tany indray”!24 Ry zatovovavy! Ianareo ilay faneva! Aoka ianareo hadio, katsaho ny hanana ny Fanahy Masina ho namana, aleveno ny fahotanareo sy ny fandikan-dalànareo, afantohy amin’ izay tokony hifantohana ny saina ary aza avela hanakona ny tanjonareo ny fahalotoana ara-pitondrantena. Aoka ianareo ho mendrika ny hiditra ny tempoly izao ankehitriny izao. Apetaho ilay “zavatrareo mamirapiratra!” Mijoro ho vavolombelona amin’ ny foko manontolo aho fa velona Andriamanitra ary Izy dia hanazava ny fiainantsika rehefa manakaiky an’ ilay Zanaka Malalany isika. Ary mivavaka aho mba ho toa an’ i Môrônia isika ka “[hitsangana] sy [hamirapiratra] mba hahatonga ny fahazavan[tsika] ho faneva ho an’ ireo firenena!”25 Amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.