Araky ny Fitsipiky ny Fahamarinana Irery Ihany

Nataon’ ny Loholona Larry Y. Wilson

Ao amin’ ny Fitopololahy


Ny ray aman-dreny hendry dia manomana ny zanak’ izy ireo hahavita izany tsy misy azy ireo. Manome fahafahana hivoatra izy ireo rehefa manovo fahamatorana ara-panahy ny ankizy mba hahafahan’ izy ireo mampihatra araka ny tokony ho izy ny fahafahan’ izy ireo misafidy

Iray volana na nihoatra kely taorian’ ny nivadianay, dia nandeha dia lavitra tamin’ ny fiara izaho sy ny vadiko. Izy no nitondra fiara ary izaho kosa niezaka niala sasatra. Niezaka hoy aho satria ny lalambe izay nizoranay dia malaza amin’ ny fisakanan’ ny pôlisy noho ny fandehanana mafy loatra, ary ny vadiko dia mety nanana fahazarana nandeha mafy tamin’ izany fotoana izany. Hoy aho hoe: “Mandeha mafy loatra ianao. Mandehana mora.”

“Hoy ilay vao lasa vadiko tany an’ eritreriny, “efa am-polo taonany izao no nitondrako fiara ary ankoatra ny mpampianatra nitondra fiara ahy, dia tsy nisy olona niteny ahy amin’ ny fomba fitondrako fiara.” Ary dia hoy ny navaliny ahy hoe: “Inona no manome anao zo hiteny ahy amin’ ny fomba fitondrako fiara?”

Tena marina fa nampitandrina ahy ny fanontanian’ ny vadiko. Noho izany raha mba nanao izay tsara indrindra avy amiko aho mba handray ny andraikitro vaovao amin’ ny maha-vady ahy, dia hoy aho hoe: “Tsy fantatro— satria vadinao aho ary izaho mihazona ny fisoronana.”

Ry rahalahy ity misy fanorotoroana kely fotsiny: raha toa ianareo efa sendra toe-javatra mitovitovy amin’ izany, dia tsy izany no valiny mety. Ary faly aho mitatitra fa izay ihany no fotoana tokana nanaovako izany hadisoana izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava fa ny zo ampiasana ny fisoronana ao an-tokantrano na any amin’ ny toeran-kafa dia mifandray mivantana amin’ ny fahamarinana eo amin’ ny fiainantsika: “Ny herin’ ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.”1 Mitohy milaza izany fa tsy hanana izany hery izany isika rehefa “mampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ ny fanahin’ ny [olon-kafa], na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana.”2

Ity soratra masina ity dia milaza fa tokony hitarika amin’ ny alalan’ ny “fitsipiky ny fahamarinana” isika. Izany fitsipika izany dia ampiharina amin’ ny mpitarika rehetra ao amin’ ny Fiangonana ary amin’ ireo ray sy ny reny rehetra ao an-tokantranony ihany koa.3 Very ny zontsika amin’ ny fananana ny Fanahin’ ny Tompo sy ny fahefana hafa rehetra azontsika avy amin’ Andriamanitra rehefa mampihatra fifehezana tsy ara-drariny amin’ ny olon-kafa isika.4 Mety hieritreritra isika fa izany fomba izany dia hitondra soa ho an’ ilay olona “voafehy.” Kanefa isaky ny manandrana manery olona iray hanaraka ny fahamarinana isika, olona izay afaka sy tokony hampihatra ny fahafahany misafidy, dia manao ny tsy rariny. Rehefa mametraka fetra henjana ho an’ ny olona iray mba hisian’ ny lamina isika, dia tokony hotanterahina miaraka amin’ ny faharetana feno fitiavana sy amin’ ny fomba izay mampianatra ny fitsipika mandrakizay izany famerana zany.

Tsy afaka manery tsotra izao ny hafa isika hanao ny zavatra tsara. Ny soratra masina dia milaza mazava tsara fa tsy izany no fomban’ Andriamanitra. Ny fanerena dia manangona lolom-po. Mahatonga tsy fahatokisana izany ary mitarika ny olona hahatsapa fa tsy mahay izy ireo. Ny fahafahana mianatra dia ho very rehefa mieritreritra amim-panambonian-tena ny olona mifehy fa manana ny valiny marina rehetra ho an’ ny hafa izy. Ny soratra masina dia nilaza fa “efa toetra sy efa saika fomban’ ny olon-drehetra” ny mampihatra avy hatrany fitondrana tsy marina,5 ka tokony ho mailo isika fa fandrika mora mahavoafandrika izany. Ny vehivavy koa dia mety mampihatra izany fitondrana tsy marina, na dia miantefa kokoa amin’ ireo lehilahy aza izany olana izany ao amin’ ny soratra masina.

Ny fitondrana tsy marina dia matetika miaraka amin’ ny fitsikerana tsy tapaka ary tsy fanomezana sitraka na fitiavana. Ireo izay iharan’ izany dia hahatsapa fa izy ireo dia tsy hahazo sitraka na oviana na oviana amin’ ny mpitarika sy ireo ray aman-dreny ary dia tsy hahomby foana izy ireo. Ny ray aman-dreny hendry dia tsy maintsy mahazaka rehefa vonona ny hanomboka hampihatra ny fahafahany misafidy amin’ ny sehatra miavaka iray eo amin’ ny fiainany ireo zanany. Kanefa rehefa mihazona ny fahefana rehetra amin’ ny fanapahan-kevitra ny ray aman-dreny ary mandray izany ho toy ny “zony,” dia tena mametra ny fivoarana sy ny fivelaran’ ireo zanany izy ireo.

Voafetra ihany ny fotoana hijanonan’ ny zanatsika ao an-tokantranontsika. Raha toa isika ka miandry ny fotoana handaozany ny tokantranontsika vao hamela azy ireo hampiasa izany fahafahana misafidy izany, dia niandry ela loatra isika. Tsy hahay tampotampoka eo handray fanapahan-kevitra hendry izy ireo raha toa ka tsy mbola nanana fahafahana velively mba nandray fanapahan-kevitra manan-danja tao an-tokantranontsika. Ny ankizy toy izany dia na matetika mikomy amin’ izany fanerena izany na tratran’ ny tsy fahaizana mandray fanapahan-kevitra ho an’ ny tenany manokana.

Ny ray aman-dreny hendry dia manomana ny zanak’ izy ireo hahavita izany tsy misy azy ireo. Manome fahafahana hivoarana izy ireo eo rehefa manovo ny fahamatorana ara-panahy ireo zanaka mba hahafahan’ izy ireo mampihatra araka ny tokony ho izy ny fahafahan’ izy ireo misafidy. Ary mazava ho azy, ny dikan’ izany dia matetika ny zanaka hanao fahadisoana mba hahafahan’ izy ireo mianatra avy amin’ izany.

Ny fianakavianay dia niaina zavatra iray izay nampianatra anay momba ny fanampiana ny zanaka hampivelatra ny fahafahan’ izy ireo manao safidy. Ny zanakay vavy, Mary, dia mpilalao baolina kitra malaza tamin’ ny mbola zatovo. Indray taona ny ekipany dia tonga tany amin’ ny lalao famaranana, ary araky ny vinavinantsika rehetra, dia ho tanterahina andro Alahady izany lalao izany. Amin’ ny maha-zatovo azy, dia an-taonany maro no nampianarana an’ i Mary fa ny andro Sabata dia natao ho andro fitsaharana sy fanavaozana ny hery ara-panahy, fa tsy fialam-boly. Kanefa dia mbola nahatsapa fanerena avy tamin’ ny mpanazatra sy ny ekipany ny hilalaovany izy ary koa ny faniriany tsy hamela ny ekipany ho resy.

Nanontany anay ny tokony ho ataony izy. Afaka nandray mora foana teo amin’ ny toerany ilay fanapahan-kevitra izaho sy ny vadiko. Kanefa dia nanapa-kevitra izahay taorian’ ny fandinihana ombam-bavaka fa raha amin’ ity toe-javatra ity dia efa vonona ny zanakay vavy handray andraikitra ara-panahy amin’ izay fanapahan-kevitra horaisiny manokana. Namaky soratra masina niaraka taminy izahay, ary namporisika an’ i Mary hivavaka sy hisaintsaina momba izany.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nolazainy ny fanapahan-keviny. Hilalao amin’ ny andro Alahady izy. Inona ary no ho ataonay izao? Taorian’ ny fifanakalozan-kevitra fanampiny sy nandraisana ny fanomezan-toky avy amin’ ny Fanahy dia notanterahanay araka ny nampanantenanay ny hamela azy hanao ny safidiny mba hilalao. Taorian’ ny fiafaran’ ny lalao, dia nandeha tsimoramora nanatona ny reniny izay efa niandry azy i Mary. “Neny a!” hoy izy, “tena nahatsiravina iny. Tsy te-hahatsapa zavatra tahaka izany intsony aho. Tsy hilalao amin’ ny andro Sabata intsony aho.” Ary dia tsy nanao izany intsony izy.

Takatr’ i Mary mivantana tamin’ izay ny fitsipiky ny fitandroana ny andro Sabata. Raha toa ka nanery azy izahay tsy hilalao, dia ho nosakananay tsy hahazo fampianarana mahery vaika avy amin’ ny Fanahy izy.

Araka ny hitanareo, ny fanampiana ny zanaka hampihatra ny fahafahany misafidy araka ny tokony ho izy dia mitaky ny fampianarana azy ireo hivavaka sy handray ny valin’ ny vavak’ izy ireo. Tsy maintsy misy koa ny fampianarana momba ny lanja sy ny tanjon’ ny fankatoavana ary koa momba ireo fitsipiky ny filazantsara hafa manan-danja.6

Teo amin’ ny fitaizana ny fianakavianay dia nanapa-kevitra izahay fa ny tanjonay lehibe indrindra dia ny hanampy ny zanakay hanorina ny fifandraisan’ izy ireo manokana amin’ ny lanitra. Fantatray fa mila miankin-doha tanteraka amin’ ny Tompo izy ireo amin’ ny farany, fa tsy aminay. Nilaza i Brigham Young hoe: “Raha toa aho ka hisafidy amin’ ny adidy rehetra izay takiana amin’ ny … zanak’ olombelona, … dia apetrako voalohany, ary alohan’ ny zava-drehetra ny adidy amin’ ny fikatsahana … ny Tompo Andriamanitsika mandrapanokafantsika ny lalam-pifandraisan’ ny lanitra amin’ ny eto an-tany—avy amin’ Andriamanitra mankany amin’ ny fanahintsika.”7

Efa nandray ny valin’ ireo vavaka nataony tao anatin’ ny toe-javatra hafa niseho taloha i Mary, ka dia natoky izahay fa ny zanakay vavy dia nampivelatra ity lalam-pifandraisana teo amin’ ny lanitra sy ny fiainany ity. Noho izany dia nianatra zavatra tsara izy avy tamin’ ny zavatra niainany ary nanana fitaovana hanaovana safidy tsaratsara kokoa amin’ ny ho avy. Raha tsy misy ny fifandraisana amin’ ny Fanahy, dia lasa mandray fanapahan-kevitra tsy zarizary izay mifanaraka amin’ ny sainy ny zanaka sy ny ray aman-dreny amin’ ny anaran’ ny fampiharan’ izy reo ny fahafahany misafidy. Ny fampanantenan’ ny soratra masina dia hoe “ireo izay hendry … sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana azy … [dia tsy ho] voafitaka.”8

Ny vokany iray fanampiny sady mahatsiravina avy amin’ ny fitondrana tsy marina dia ny fahaverezan’ ny fahatokiana ny fitiavan’ Andriamanitra. Nahafantatra olona vitsivitsy aho izay teo ambanin’ ny ziogan’ ny mpitarika na ny ray aman-dreny izay be baiko sy mamehy, ary hitan’ izy ireo fa mafy ny mahatsapa ilay fitiavana lehibe avy amin’ ny Ray any an-danitra izay hanohana sy handrisika azy ireo ao anatin’ ilay lalan’ ny fahamarinana.

Raha toa isika ka te-hanampy ireo izay hiadidiantsika mba hanao izay hananana ilay fifandraisana manan-danja amin’ ny lanitra dia tokony ho toy ilay karazan’ ny ray aman-dreny sy mpitarika nofaritan’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 121 isika. Isika dia tsy maintsy mandray andraikitra amin’ ny alalan’ ny “fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy”9 Ny Filoha Henry B. Eyring dia niteny hoe: “Amin’ ny fanampiana rehetra izay azontsika omena … ny tanora, ny lehibe indrindra dia ny mamela azy ireo hahatsapa ny fahatokiantsika fa eo amin’ ny lalana mody any amin’ Andriamanitra izy ireo ary vitan’ izy ireo izany.”10

Rehefa mieritreritra ireo fitsipika izay hitarika antsika any am-piangonana sy any an-tokantrano isika dia mamela ahy ianareo hamarana amin’ ny alalan’ ny ohatra avy amin’ ny filazalazana ny mombamomba ny Filoha Thomas S. Monson. I Ann Dibb, zanakavavin-dry Monson, dia nilaza fa hatramin’ izao, rehefa tonga eo amin’ ny varavarana fidirana ny trano nitaizana azy izy, dia milaza ny rainy hoe: “Oay e! jereo anie iza ity tonga ity e! Tena faly izahay ary jereo anie ny hatsaran-tarehiny e!” Ary dia tohizany hoe: “Mandoka ahy foana ny ray aman-dreniko, na manao ahoana na manao ahoana ny bika aman’ endriko na inona na inona nataoko. … Rehefa mandeha mitsidika ny ray aman-dreniko aho dia fantatro fa misy mpitia aho, misy mpandoka aho, ary raisina an-tanan-droa foana aho, teo ao an-trano aho.”11

Rahalahy sy ranabavy, izany no fomban’ ny Tompo. Na dia efa nailika aza ianao tany aloha tany, dia fantatro fa tian’ ny Tompo ianao hanatona Azy.12 Tiany avokoa ny rehetra. Raisina an-tanan-droa avokoa ny rehetra. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Exibir Referências

  1.  

    1.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana121:36.

  2.  

    2.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37; nampiana fanamafisana.

  3.  

    3. Jereo ny Neal A. Maxwell, “Put Off the Natural Man, and Come Off Conqueror,” Tambuli, Jan. 1991, 13–14.

  4.  

    4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37.

  5.  

    5.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:39.

  6.  

    6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–29.

  7.  

    7.  Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 44.

  8.  

    8.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57.

  9.  

    9.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42.

  10.  

    10. Henry B. Eyring, “Help Them on Their Way Home,” Liahona, Mey 2010, 25.

  11.  

    11. Heidi S. Swinton, To the Rescue: The Biography of Thomas S. Monson (2010), 372.

  12.  

    12. Jereo Matio 11:28.