2010–2019
Ny Sorona
Aprily 2012


Ny Sorona

Ny fiainantsika natokana ho an’ ny asa fanompoana sy ny sorona no fanehoana tsara indrindra an’ ilay fanoloran-tenantsika hanompo ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika.

Ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia nantsoina hoe “ilay zava-manan-danja indrindra tamin’ ny zava-nitranga rehetra nanomboka hatrany amin’ ny fahariana ka hatrany amin’ ny mandrakizay.”1 Izany sorona izany no ivon’ ny hafatr’ ireo mpaminany rehetra. Hita taratra mialoha izany tamin’ ny alalan’ ny fanaovana sorona biby araky ny fitakian’ ny lalàn’ i Mosesy. Nanambara ny mpaminany iray fa ny tena dikan’ ireo lalàna rehetra ireo dia “manondro izany sorona lehibe sady farany [izany] … dia ho ny Zanak’ Andriamanitra, eny, tsisy fetra ary mandrakizay” (Almà 34:14). Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina i Jesoa Kristy tamin’ ny fanolorana ny tenany ho sorona ho an’ ny fahotan’ ny olon-drehetra. Izany sorona izany dia nanolotra ilay faran’ izay tsara indrindra—ilay Zanak’ ondrilahy tsy misy kilema—handrakotra ny ratsy tena lehibe indrindra—dia ny fahotan’ izao tontolo izao. Hoy ny teny tsy hay hadinoina nolazain’ i Eliza R. Snow hoe:

Nalatsany ny rany soa,

Nomeny ny ainy.

Ny ota no sandainy,

Ho fanavotana.”2

Io sorona io—ilay Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy—no ivon’ ny drafitry ny famonjena.

Ny fijaliana tsy hay takarina nozakain’ i Jesoa Kristy no namarana ny fanaovana sorona amin’ ny alalan’ ny fandatsahan-dra, kanefa tsy namarana kosa ny maha-zava-dehibe ny sorona eo amin’ ny drafitry ny filazantsara izany. Ny Mpamonjy antsika dia mbola mitaky ny hanohizantsika ny fanolorana sorona, saingy ny sorona asainy ataontsika amin’ izao dia ny “[hanaterantsika] ho sorona ho [Azy] ny fo torotoro sy ny fanahy manenina” (3 Nefia 9:20). Nandidy antsika tsirairay koa izy hifankatia sy hifanompo—izany hoe, hanolotra sorona mitovitovy amin’ ilay sorona nataony amin’ ny alalan’ ny fahafoizana ny fotoanantsika sy ireo zavatra maha-maika antsika izay miendrika fitiavan-tena. Ao anatin’ ny fihirana iray feno fitaomam-panahy no hihirantsika hoe: “Ny fahasoavana hirotsaka tokoa, vokatry ny fahafoizantenany.”3

Hiresaka mikasika ireo sorona eto an-tany ireo aho, izay angatahin’ ny Mpamonjy mba hataontsika. Tsy horesahiko ao anatin’ izany ireo sorona izay terena mba hataontsika na zavatra atao izay mety ny fahazoana tombontsoa manokana no mandrisika antsika hanao izany mihoatra ilay asa fanompoana na ilay sorona (jereo ny 2 Nefia 26:29).

I.

Ny finoana Kristianina dia manana tantara mifono sorona ka tafiditra ao anatin’ izany ilay sorona faran’ izay lehibe indrindra. Nandritra ireo taona maro tany am-piandohan’ ny vanim-potoana Kristianina dia namono ho maritiora olona an’ arivony noho ny finoany an’ i Jesoa Kristy i Roma. Tao anatin’ ireo taonjato taty aoriana, rehefa nosaratsarahan’ ny tsy fitovian-kevitra ara-potopampianarana ny Kristianina dia nanenjika ary tena namono mihitsy aza ireo mpikambana avy amin’ ny vondrona hafa ireo vondrona sasany. Ny Kristianina vonoin’ ny Kristianina hafa no martiora tena mampalahelo indrindra teo amin’ ny finoana Kristianina.

Maro ireo Kristianina no nanolotra sorona tamin-tsitrapo izay nentanin’ ny finoana an’ i Kristy sy ny faniriana hanompo Azy. Ny sasany dia nisafidy ny hanolotra ny fiainana manontolo amin’ ny maha-olon-dehibe azy mba hanompo ny Tompo. Izany vondron’ olona mendri-kaja izany dia ahitana ireo fikambanan-drelijiozin’ ny Fiangonana Katôlika ary ireo izay nanompo nandritra ny androm-piainany tamin’ ny naha-misiônera Kristianina azy ao amin’ ny finoana Prôtestanta samihafa. Ireo ohatra nasehon’ izy ireo dia sarotra sy manentana fanahy, kanefa ny ankamaroan’ ireo mpino an’ i Kristy dia sady tsy takiana no tsy afaka hanokana ny fiainany manontolo hanao asa fanompoana masina.

II.

Ho an’ ny ankamaroan’ ny mpanara-dia an’ i Kristy dia miompana amin’ ny fanaovana izay azontsika atao isan’ andro eo amin’ ny fiainantsika manokana andavanandro ny sorona ataontsika. Raha ny amin’ izay lafiny izay dia tsy mahalala vondrona hafa izay manao sorona lehibe kokoa noho ny Olomasin’ ny Andro Farany aho. Ny sorona ataon’ izy ireo—ny sorona ataonareo, ry rahalahy sy anabaviko isany—dia mifanohitra amin’ ireo fikatsahana fahafaham-po ho an’ ny tena manokana izay mahazatra an’ izao tontolo izao.

Ireo ohatra voalohany ho zaraiko dia ireo Môrmôna mpamaky lay. Ny sorona miavaka nataon’ izy ireo izay namoizany ny ainy, sy ny fifandraisana ara-pianakaviana, sy ny tokantranony ary ireo zavatra izay mahasoa azy no fototry ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny. Niresaka mikasika ny zavatra izay nandrisika an’ ireto mpamaky lay ireto i Sarah Rich rehefa niresaka mikasika an’ i Charles vadiny, izay nantsoina hanao asa fitoriana any an-toerana lavitra: “Tena fotoana sarotra izany na ho ahy na ho an’ ny vadiko, kanefa ny adidy no niantso anay mba hisaraka mandritra ny fotoana fohy ary noho ny fahafantaranay fa nanao ny sitrapon’ ny Tompo izahay, dia nanana faniriana izahay ny hahafoy izay mety ho fahatsapan-javatra ananan’ ny tenanay manokana mba hanatontosana ilay asa … miompana amin’ ny fanampiana eo amin’ ny fanorenana ny Fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.”4

Amin’ izao andro izao, ny tanjaky Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany izay tena miharihary dia ny fanaovan’ ireo mpikambana ao aminy asa fanompoana sy sorona tsy misy fitiavan-tena. Talohan’ ny namerenana nanokana ny iray tamin’ ireo tempolintsika dia nanontanian’ ny mpitondra fivavahana Kristiana iray ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe nahoana no tsy ahitana hazofijaliana eo amin’ izany, izay mariky ny finoana Kristianina tena fahita mahazatra. Namaly ny Filoha Hinckley hoe ny mariky ny finoana Kristianina izay anananay dia “ny fiainan’ ireo olona ao aminay.”5 Tena marina tokoa fa ny fiainantsika natokana ho an’ ny asa fanompoana sy ny sorona no fanehoana tsara indrindra an’ ilay fanoloran-tenantsika hanompo ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika.

III.

Tsy manana mpitondra fivavahana nofanina ho matihanina sy karamaina Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Vokatr’ izany, ireo mpikambana lahika izay voantso hitarika sy hanompo eo anivon’ ny mpiangona dia tsy maintsy miandraikitra tanteraka ny fitantanana ireo fivoriam-piangonantsika, sy ireo fandaharan’ asantsika ary ireo fiaraha-mientantsika maro. Manao izany ho an’ ny vondron’ ny mpivavaka mihoatra ny 14.000 izy ireo raha eto Etazonia sy Kanada fotsiny no resahina. Mazava ho azy fa tsy isika irery akory no manana lahika avy eo anivon’ ny mpiangona ato amintsika izay manompo ho mpampianatra sy mpitarika lahika. Kanefa ny fotoana atolotr’ ireo mpikambana ao amintsika mba hifanofanana sy hifanompoana dia be dia be lavitra tokoa. Ohatra amin’ izany ny ezaka ataontsika mba hanaovana izay hamangiana isam-bolana ny fianakaviana tsirairay eo anivon’ ireo mpiangona ao amintsika amin’ ny alalan’ ireo mpampianatra isan-tokantrano sy hanaovana izay hitsidihan’ ireo mpamangy isan-tokantrano ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana isam-bolana ireo olon-dehibe vehivavy tsirairay. Tsy mahafantatra asa fanompoana azo ampitahaina amin’ izany izahay ao anatin’ izay mety ho fikambanana misy manerana an’ izao tontolo izao.

Ny ohatra tena fantatra tsara indrindra mikasika ny asa fanompoana sy fahafoizan-tena miavaka ataon’ ny Olomasin’ ny Andro Farany (OAF) dia ny asa ataon’ ireo mpitory filazantsara. Ankehitriny dia tovolahy sy tovovavy mihoatra ny 50.000 izy ireo ary lehilahy sy vehivavy lehibe mihoatra ny 5.000. Manolotra enim-bolana ka hatramin’ ny roa taona ao anatin’ ny fiainany izy ireo mba hampianarana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy hanaovana asa fanampiana olona any amin’ ny firenena mihoatra ny 160 manerana an’ izao tontolo izao. Mitaky fanaovana sorona foana ny asan’ izy ireo, ka ao anatin’ izany ireo taona atolony hanaovana ny asan’ ny Tompo sy ny sorona ataony hanomezana vola hiantohana ny tenan’ izy ireo.

Ireo izay mijanona ao an-tokantrano koa—ireo ray aman-dreny sy olona hafa ao amin’ ny fianakaviana—dia manao sorona amin’ ny famoizana ny fiarahana amin’ ireo zanakalahiny sy zanakavaviny izay misiônera amin’ ny fandefasan’ izy ireo azy ireo hanao izany. Ohatra, nandray ny antsony hitory ny filazantsara ny tanora Bireziliana iray raha mbola tao anatin’ ny famelomany ny rahalahiny sy ny anabaviny izy taorian’ ny nahafatesan’ ny rainy sy ny reniny. Nisy Manampahefana Ambony iray namaritra ny filan-kevitra nataon’ ireto ankizy ireto ary nahatsiarovan’ izy ireo fa ireo ray aman-dreniny izay efa nodimandry dia nampianatra azy ireo fa tokony ho vonona lalandava izy ireo ny hanompo ny Tompo. Nanaiky ilay antso hitory ilay zatovolahy, ary ilay rahalahiny izay 16 taona indray no nandray ilay andraikitra mba hiasa hamelomana ny fianakaviana.6 Maro amintsika no mahafantatra ohatra maro hafa izay maneho ny fanaovana sorona mba hanaovana asa fitoriana na hanohanana mpitory filazantsara iray. Tsy mahafantatra asa fanompoana sy fanaovana sorona amin-tsitrapo tahaka izany isika any amin’ izay mety ho fikambanana hafa any amin’ izao tontolo izao.

Matetika izahay no misy manontany hoe: “Ahoana no handresenareo lahatra ireo tanora sy olona zokinjokiny izay mpikambana ao aminareo handao ny fianarany na ny fotoana fisotroan-drononony mba hanao sorona toy izany?” Maro ireo reko nanome izao fanazavana izao: “Ny fahafantarana ny zavatra nataon’ ny Mpamonjy ho ahy—Ny fahasoavany tao anatin’ ny fijaliany noho ny fahotako sy ny fandreseny ny fahafatesana mba hahafahako hiaina indray—dia tsapako ho toy ny voninahitra ho ahy ny manao ilay sorona kely izay angatahina amiko ho fanompoana Azy. Te-hizara ny fahalalana izay natolony ahy aho.” Ahoana no handresenay lahatra ireo mpanara-dia an’ i Kristy toy izany mba hanompo? Hoy ny mpaminany iray hoe: “Angatahanay [fotsiny] izy ireo hanao izany.”7

Ireo sorona hafa ateraky ny fanaovana asa fitoriana dia ny sorona ataon’ ireo izay mandray andraikitra eo anatrehan’ ny fampianaran’ ireo misiônera ary lasa mpikamban’ ny Fiangonana. Ho an’ ireo olona niova fo maro dia tena goavana ireo sorona natao ireo ka tafiditra ao anatin’ izany ny fahatapahan’ ny finamanana amin’ ireo namana sasany sy ny fifandraisana amin’ ny fianakaviana.

Nandritra ny fihaonambe iray, taona maro lasa izay, no nandrenesantsika mikasika ny tovolahy iray izay nandray ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny rehefa nianatra taty Etazonia. Rehefa akaiky ny fotoana hiverenan’ ity tovolahy ity ho any amin’ ny tany niaviany dia nanontany azy ny Filoha Gordon B. Hinckley mikasika izay hitranga aminy rehefa hiverina hody izy ka efa lasa Kristianina. “Ho diso fanantenana tanteraka amiko ny fianakaviako,” hoy ny navalin’ ilay tovolahy. “Mety ho roahin’ izy ireo aho ary ho raisiny ho toy ny efa maty. Raha ny mikasika ny hoaviko sy ny asako dia hikatona amiko daholo ny varavarana rehetra.”

“Moa ve ianao vonona ny hahafoy zavatra goavana toy izany noho ny filazantsara?” hoy ny Filoha Hinckley nanontany.

Tamin-dranomaso no namalian’ ity tovolahy ity azy hoe: “Moa tsy marina ve izy ity, sa tsy izany?” Rehefa nekena izany dia namaly izy hoe: “Ka inona no zava-dehibe ankoatr’ izany?”8 Izany no toe-tsaina amam-panahy vonona hanao sorona ananan’ ny mpikambana vaovao maro eo anivontsika.

Ohatra maro hafa mikasika ny asa fanompoana sy ny fanaovana sorona no miseho eo amin’ ny fiainan’ ireo mpikambana mahatoky ao amintsika izay manompo any amin’ ireo tempolintsika. Ny asa fanompoana atao any amin’ ny tempoly dia tsy hita afa-tsy eo anivon’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, kanefa tokony ho afaka hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana sorona toy izany ireo Kristianina rehetra. Tsy manana fombafomba mikasika ny fanaovana asa fanompoana any amin’ ny mônastera akory ny Olomasin’ ny Andro Farany, kanefa isika dia mbola afaka mahatakatra sy manaja ny sorona ataon’ ireo olona izay entanin’ ny finoana Kristianina ananany hanolotra ny fiainany hanao izany asam-pivavahana izany.

Nandritra ny fihaonambe tahaka izao, herintaona lasa izay, dia nizara ohatra mikasika ny fanaovana sorona izay misy ifandraisany amin’ ny tempoly ny Filoha Thomas S. Monson. Nisy raim-pianakaviana Olomasin’ ny Andro Farany mahatoky iray izay nipetraka tany amin’ ny nosikely lavitra iray tany Pasifika, izay nanao asa mitaky herim-batana goavana tany amin’ ny toerana lavitra azy nandritra ny enin-taona mba hahazoana vola ampy hitondrana ny vadiny sy ireo zanany 10 mianadahy hanatanteraka fanambadiana sy famehezana mandrakizay any amin’ ny Tempolin’ i Nouvelle-Zélande. Nanazava ny Filoha Monson hoe: “Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay izay azo avy amin’ ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy fahafoizan-tena lehibe loatra, na saran-dalana lafo loatra, na olana izay sarotra loatra ka tsy ahafahana mandray ireo fitahiana ireo.”9

Izaho dia feno fankasitrahana noho ny amin’ ireo ohatra mahafinaritra ahitana fanehoana fitiavana, sy fanaovana asa fanompoana ary fanaovana sorona amin’ ny fomba Kristianina izay hitako eo anivon’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany. Hitako ianareo manatontosa ny antsonareo ato am-piangonana, izay matetika ao anatin’ ny fanolorana betsaka ny fotoana sy izay ananana. Hitako ianareo manao asa fitoriana ka avy any am-paosinareo no andoavanareo izay rehetra ilaina amin’ izany. Hitako ianareo manolotra amin-kafaliana ny fahaiza-manaonareo eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo. Hitako ianareo mikarakara ny mahantra amin’ ny alalan’ ny ezaka ataonareo manokana sy amin’ ny alalan’ ny fitondrana ny anjara biriky ao amin’ ny fandaharan’ asa fifanampiana sy ny fandaharan’ asa fanampiana olona ato amin’ ny Fiangonana.10 Ireo rehetra ireo dia manamafy ny filazana avy tamin’ ny fanadihadiana iray natao manerana ny firenena fa ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia “manao asa an-tsitrapo sy manolotra zavatra mihoatra lavitra noho ny ankamaroan’ ireo Amerikana ary tena malala-tanana kokoa aza eo amin’ ny fanolorana fotoana sy vola raha oharina amin’ ireo [20 isan-jato] izay manolotra be indrindra raha ireo olona mpino eto Amerika no resahina.”11

Ireo ohatra toy izany dia manamafy orina antsika rehetra. Mampahatsiahy antsika ny fampianaran’ ny Mpamonjy izany:

“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany. …

“Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” (Matio 16:24–25).

IV.

Angamba ireo ohatry ny asa fanompoana sy fanaovana sorona tsy mifono fitiavan-tena izay tena mahazatra sy manan-danja indrindra dia ireo izay atao any anatin’ ny fianakaviantsika. Manolo-tena hitaiza sy hikarakara ireo zanany ireo reny. Tsy mitandro hasasarana hamelomana ireo vady aman-janany ireo ray. Ireo fanaovana sorona izay tafiditra ao anatin’ ilay asa fanompoana manan-danja mandrakizay ho an’ ny fianakaviantsika dia maro loatra raha ho tanisaina ary efa mahazatra loatra ka tsy dia ilaina holazaina.

Hitako ihany koa ireo Olomasin’ ny Andro Farany tsy mba tia tena izay manangan-jaza, ao anatin’ izany ireo zaza izay mila fanampiana manokana, ary mikatsaka ny hanome an’ ireo zanaka nankinin’ ny fanjakana tamin’ izy ireo ny fanantenana sy ny tombontsoa izay tsy mba nomena azy ireo noho ny toe-javatra niainany teo aloha. Hitako ianareo mikarakara ireo olona ao amin’ ny fianakaviana sy ireo mpifanolobodirindrina izay manana fahasembanana hatrany am-bohoka, na manana olana ara-tsaina na ara-batana, na olana vokatry ny fahanterana. Hitan’ ny Tompo koa ianareo, ary nasainy nambaran’ ny mpaminaniny hoe: “arakaraky ny ifanaovanareo sorona sy ny hanaovanareo sorona ho an’ ny zanakareo no hitahian’ ny Tompo anareo.”12

Izaho dia mino fa ireo Olomasin’ ny Andro Farany izay manao asa fanompoana sy sorona tsy misy fitiavan-tena ao anatin’ ny fitsaohana ny Mpamonjy amin’ ny alalan’ ny fanarahana ny ohatra nataony dia tafiditra bebe kokoa ao anatin’ ny fananana ireo soatoavina mandrakizay noho izay mety ho vondron’ olona hafa. Ny fanaovany sorona ny fotoanany sy izay ananany dia raisin’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ho anisan’ ny fianarana sy fiomanan’ izy ireo ho amin’ ny mandrakizay. Fahamarinana iray nambara tao amin’ ny Lectures on Faith, izany, izay mampianatra fa “ny finoana izay tsy mitaky fanaovana sorona ny zava-drehetra dia tsy hanana hery ampy entina hiteraka ny finoana ilaina ho an’ ny fiainana sy ny famonjena. … Amin’ ny alalan’ izany fanaovana sorona izany, ary amin’ ny alalan’ izany ihany, no nilazan’ Andriamanitra fa hahazoan’ ny olombelona ny fiainana mandrakizay.”13

Tahaka ny maha-ivon’ ny drafitry ny famonjena ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia tokony hanao sorona avy amintsika manokana koa isika mpanara-dia an’ i Kristy mba hanomana ilay hoavy izay atolotr’ ilay drafitra ho antsika.

Fantatro fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay. Fantatro fa noho ny sorompanavotana nataony dia manana antoka isika hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Izy no Tompontsika sy Mpamonjy antsika ary Mpanavotra antsika, ary mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Bruce R. McConkie, The Promised Messiah: The First Coming of Christ (1981), 218.

  2. “Endrey fahendrena, fitia,” Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, pejy 37.

  3. “Dera ho an’ ilay nandre an’ i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, p. 100.

  4. Sarah Rich, ao amin’ ny Guinevere Thomas Woolstenhulme, “I Have Seen Many Miracles,” ao amin’ ny edisiona nataon’ i Richard E. Turley Jr. sy Brittany A. Chapman, Women of Faith in the Latter Days: Boky 1, 1775–1820 (2011), 283.

  5. Gordon B. Hinckley, “The Symbol of Our Faith,” Liahona, Apr. 2005, 3.

  6. Jereo ny Harold G. Hillam, “Sacrifice in the Service,” Ensign, Nôv. 1995, 42.

  7. Gordon B. Hinckley, “The Miracle of Faith,” Liahona, Jolay 2001, 84.

  8. Gordon B. Hinckley, “It’ s True, Isn’ t It?” Tambuli, Ôkt. 1993, 3–4; jereo koa ny Neil L. Andersen, “It’ s True, Isn’ t It? Then What Else Matters?” Liahona, Mey 2007, 74.

  9. Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, Mey 2011, 91–92.

  10. Jereo, ohatra ao amin’ ny, Naomi Schaefer Riley, “What the Mormons Know about Welfare,” Wall Street Journal, Feb. 18, 2012, A11.

  11. Ram Cnaan and others, “Called to Serve: The Prosocial Behavior of Active Latter-day Saints” (draft), 16.

  12. Ezra Taft Benson, “To the Single Adult Brethren of the Church,” Ensign, Mey 1988, 53.

  13. Lectures on Faith (1985), 69.