2010–2019
Lesona Miavaka
Aprily 2012


Lesona Miavaka

Ny fanantenako sy ny vavaka ataoko dia mba hanohizantsika hizaka amim-boninahitra ny enta-mavesatsika ary hanolorantsika fanampiana ireo manodidina antsika izay mijaly.

Nandritra izay 20 volana lasa izay dia voatahy manokana ny fianakavianay noho ny fanananay zazakely miavaka iray.

I Paxton kely, zafikelinay lahy, dia manana aretina tsy fahita firy hatrany ambohoka vokatry ny fahabangana eo amin’ ny chromosome iray, izay aretina “génétique” izay nampiavaka azy tokoa ara-bakiteny satria iray ao anatin’ ny an-jaton’ ny tapitrisa ny fitrangan’ izany. Ho an’ ny zanako vavy sy ny vadiny, hatramin’ ny nahaterahan’ i Paxton dia nanomboka teo ny dia iray tsy nampoizina sady nanova tanteraka ny fiainana. Izany toe-javatra niainana izany dia lasa fitsapana sarotra izay nianarana lesona miavaka maro misy ifandraisany amin’ ny mandrakizay.

Ny Loholona Russell M. Nelson Malala izay vao niresaka tamintsika teo dia nampianatra hoe:

“Noho ny antony izay tsy fantatra dia misy olona sasantsasany manana olana ara-batana hatramin’ ny fahaterahana. Mety tsy ho tomombana ny ampahany sasany amin’ ny vatana. Mety tsy mirindra tsara ny fiasan’ ny rafitra sasany ao amin’ ny vatana. Ary samy iharan’ ny aretina sy fahafatesana ny vatantsika rehetra. Na izany aza anefa dia fanomezana tsy voavidim-bola ny vatana. …

“Tsy mitaky vatana tonga lafatra ny fanatratrarana ny anjara hitovy amin’ Andriamanitra. Raha ny marina, ny sasantsasany amin’ ireo fanahy tsara indrindra dia mitoetra ao amin’ ny vatana malemy na tsy tomombana. …

“Ho avy tokoa ny fotoana izay ‘[hanakambanana] indray ao amin’ ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; ny rantsambatana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ ny tena endriny,’ (Alma 11:43). Ary noho ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia ho tanteraka ao Aminy isika.”1

Ho anareo rehetra izay miatrika fanamby, olana, fahadisoam-panantenana na alahelo noho ny mahazo ireo olon-tiana, dia tsarovy fantaro izao: tia an’ ireo olona iharan’ ny fanaintainana amin’ ny fitiavana tsy manam-petra sy fangorahana mandrakizay Andriamanitra Raintsika any an-danitra, ary tia anareo ihany koa!

Mety hanontany tena ireo izay iharan’ izany fanaintainana izany hoe: nahoana no mamela izao zavatra izao hitranga Andriamanitra Tsitoha? Ary hanaraka ho azy avy eo ilay fanontaniana tsy maintsy hapetraka manao hoe: nahoana no mitranga amiko izao? Nahoana isika no tsy maintsy miaina aretina sy zava-mitranga izay mankarary na mahafaty mialoha ireo olona sarobidy ao amin’ ny fianakaviana na mamela azy ireo hijalijaly mandritra ny taona maro? Nahoana no misy alahelo toy izany?

Mandritra izany fotoana izany dia afaka mitodika amin’ ilay drafitra lehiben’ ny fahasambarana nataon’ ny Raintsika any an-danitra isika. Izany drafitra izany, rehefa nampahafantarina antsika nandritra ny fiainana talohan’ ny fiainana an-tany, dia nanosika antsika rehetra hihobim-pifaliana.2 Raha lazaina amin’ ny fomba tsotra dia fotoana fiofanana ho amin’ ny fisandratana mandrakizay ity fiainana ity, ary izany dingana izany dia midika hoe fitsapana sy fisedrana izany. Efa toy izany hatrany izany ary tsy misy olona afa-miala amin’ izany.

Ny fametraham-pitokisana amin’ Andriamanitra dia zava-dehibe eo amin’ ny fiainantsika eto an-tany. Mandray ny herin’ ny Sorompanavotan’ i Kristy isika rehefa manana finoana Aminy mandritra ireo fotoana mampisy fanontaniana maro sy mahakely ny valiny ireo.

Taorian’ ny Fitsanganany tamin’ ny maty, rehefa nitsidika an’ i Amerika ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, dia nandroso ity fanasana ity ho an’ ny olon-drehetra:

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po. …

“Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany Izy, dia niara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandroso niaraka tamin’ ny marariny sy ny oriny ary ny maleminy, ary niaraka tamin’ ny jambany, ary niaraka tamin’ ny mareniny sy tamin’ ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany.”3

Misy tanjaka lehibe azo avy amin’ ilay teny hoe: “ny valalabemandry iray manontolo … dia nandroso”—iray manontolo, ry rahalahy sy rahavavy. Miatrika fanamby isika rehetra. Ary ilay andian-teny hoe: “izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany.” Moa tsy milaza momba antsika rehetra va izany?

Fotoana fohy taorian’ ny nahaterahan’ i Paxton kely dia fantatray fa hitahy anay sy hampianatra anay lesona miavaka ny Ray any an-danitra. Rehefa nametraka ny tananay teo ambonin’ ny lohany kely ny rainy sy ny tenako mba handraisany ny voalohany amin’ ireo tsodranon’ ny fisoronana maro dia tonga tao an-tsaiko ireo teny ao amin’ ny toko faha-9 ao amin’ ny bokin’ i Jaona dia: “ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.”4

Tena naseho tamin’ ny alalan’ i Paxton tokoa ny asan’ Andriamanitra.

Mianatra faharetana, sy finoana ary fankasitrahana izahay amin’ ny alalan’ ny hery mampitonin’ ny asa fanompoana, amin’ ny alalan’ ireo ora tsy manam-petra niainana fiontanam-po mahery vaika, ny ranomasom-pangorahana, ary ireo vavaka sy fanehoam-pitiavana ho an’ ireo olon-tiana mila fikarakarana manokana, indrindra ho an’ i Paxton sy ny ray aman-dreniny.

Nilaza ny Filoha James E. Faust, izay filohan’ ny tsatòkako fony aho zatovolahikely hoe: “Izaho dia mankasitraka ireo ray aman-dreny be fitiavana izay mizaka mafy sy mandresy ny tebitebiny sy ny alahelony noho ny zanaka iray izay teraka niaraka tamin’ ny fananana olana lehibe ara-tsaina na fahasembanana ara-batana. Izany tebiteby izany matetika dia mitohy isan’ andro isan’ andro, mandritra ny androm-piainan’ ireo ray aman-dreny na ilay zaza mihitsy. Matetika aza ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy manome fikarakarana goavana izay tsy misy fiafarana mihitsy, na andro na amin’ ny alina. Maro ireo reny no mifofotra mafy ara-batana sy ara-pihetsehampo mandritra ny taona maro, manamaivana ny fanaintainana izay mihatra eo amin’ ilay zanany mila fanampiana manokana.”5

Araky namaritan’ i Môsià azy dia nanatri-maso ny fitiavana madion’ ny Mpamonjy izay natolotra ho an’ ny fianakavian’ i Paxton izahay, fitiavana izay natao ho an’ ny olon-drehetra: “Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’ i Alma sy ny rahalahiny; eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra.”6

Indray alina tamin’ ny voalohandohan’ ny nahaterahan’ i Paxton, raha tao amin’ ny sampan-draharaha fameloman’ aina ny zaza vao teraka iny izahay tao amin’ ilay Foibe mahafinaritra Fitsaboana ireo Zaza Madinika tao Salt Lake City, Utah, dia variana izahay tamin’ ireo fanoloran-tena sy fikarakarana tsy an-kijanona natolotr’ ireo mpitsabo, mpanampy mpitsabo ary mpikarakara. Nanontany ny zanako vavy aho hoe ahoana no ahafahantsika mandoa ny vola saran’ izao ary dia nanombantombana ny saran’ izany aho. Nilaza ny dokotera iray nijoro teo akaikaiky teo fa “ambany loatra” ny tombantombana nataoko ary ny fitsaboana an’ i Paxton kely raha ny marina dia mihoatra noho ny tombantombako. Teo no nahafantaranay fa ny ankamaroan’ ireo sarany naloa tao amin’ io hôpitaly io dia efa voaloa avy amin’ ireo fanomezana fotoana sy vola tamim-pahalalahana nataon’ ny hafa. Nampanetry tena ahy ny teny nolazainy teo am-pisaintsainako ny hasarobidin’ ity fanahy kely ity ho an’ ireo izay miahy azy fatratra.

Nahatsiaro ilay soratra masina mahazatra ireo misiônera aho izay lasa nisy dikany vaovao tamiko: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra.”7

Nitomany aho teo am-pisaintsainana ny fitiavana tsy manam-petran’ ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ho antsika tsirairay avy, teo am-pianarana tamin’ ny fomba mahery vaika ny hasarobidin’ ny fanahy, ara-batana sy ara-panahy, eo imason’ Andriamanitra.

Nahafantatra ny fianakavian’ i Paxton fa voahodidin’ ny anjely mpanompo avy any an-danitra sy teto an-tany tsy tambo isaina izy ireo. Ao ny sasany izay tonga moramora rehefa ilaina ary nandeha tsy an-kiteniteny. Ao ireo hafa izay manatitra sakafo eo am-baravarana, manasa ny lamba, maka ireo mpiray tampo avy any am-pianarana, miantso mba hankahery ary indrindra nivavaka ho an’ i Paxton. Teo dia lesona iray hafa miavaka koa no nianarana: Raha sendra olona izay lasan’ ny rano ianao, moa ve ianao hanontany raha mila fanampiana izy—sa tsara kokoa raha tonga dia hitsoraka anaty rano ianao ary hanavotra azy ireo ao anatin’ izany rano lalina be izany? Na dia avy amin’ ny fo sy atao matetika aza ilay filazana hoe: “Lazao raha misy azoko hanampiana” dia tsy fanampiana mihitsy.

Manohy mianatra ny lanjan’ ny fieritreretana sy fahalianana mikasika ny fiainan’ ireo manodidina antsika isika, ka tsy mianatra ny lanjan’ ny fanampiana fotsiny fa ny fifaliana lehibe tsapa azo avy amin’ ny fanampiana ny hafa koa.

Ny Filoha Thomas S. Monson Malala, izay ohatra tena mahafinaritra eo amin’ ny fampitrakana ireo olona trotraka, dia nilaza hoe: “Andriamanitra dia mitahy ireo rehetra izay miezaka ny manampy ny mpiara-belona aminy, manome zavatra mba hanamaivanana ny fijaliana, miezaka manao ny tsara rehetra avy ao aminy mba hananana tany tsaratsara kokoa. Moa tsy tsikaritrareo ve fa manana tsiky miavaka ny olona tahaka izany? Manana fahatokiana sy fiainana milamina izy ireo. Toa faly sy afa-po hatrany izy ireo, satria tsy misy olona mandray anjara amin’ ny fanampiana ny hafa ka tsy hahazo fitahiana feno ho an’ ny tenany.”8

Na dia miatrika fitsapana, fizahan-toetra, fahasembanana, alahelo, ary karazam-pijaliana hafa aza isika dia eo hatrany ilay Mpamonjy antsika izay miahy sy be fitiavana. Nampanantena Izy hoe:

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. …

“Ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. [Aza malahelo ny fonareo, aza matahotra].”9

Tena feno fankasitrahana ny Raintsika any an-danitra izahay amin’ ilay Paxton mahatalanjona anay. Nampiseho ny asany tamin’ ny alalany tokoa ny Tompo ary manohy mampianatra anay lesona manan-danja, sy masina ary miavaka.

Tiako ny hamarana ny teniko amin’ ny tonon’ ity fihirana iray izay tena tiako ity:

Mirotsaka amin’ ity ady ity ny rehetra;

Faly isika! Faly tokoa!

Ry tafika, misy satro-boninahitra miandry antsika any;

Handresy isika ary hanao izany.10

Ry rahalahy sy rahavavy, ny fanantenako sy ny vavaka ataoko dia ny mba hanohizantsika hizaka amim-boninahitra ny enta-mavesatsika ary hanolorantsika fanampiana an’ ireo manodidina antsika izay mijaly sy mila fikarakarana sy fankaherezana. Enga anie isika hisaotra an’ Andriamanitra amin’ ireo fitahiany sy hanavao ny fanoloran-tenantsika amin’ ny Raintsika any an-danitra, mba hanompo amim-panetren-tena ireo zanany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.