2010–2019
Mampianatra ny Zanatsika mba Hahatakatra
Aprily 2012


Mampianatra ny Zanatsika mba Hahatakatra

Mihoatra noho ny fizarana fampahalalana fotsiny ny fampianarana ny zanatsika mba hahatakatra. Izany dia midika hoe manampy ny zanatsika hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony.

Rehefa nandalo ireo taona maro, dia antsipirian-javatra betsaka teo amin’ ny fiainako no lasa nihananjavozavo. Saingy an’ isan’ ireo fahatsiarovana izay mitoetra ho mazava indrindra ao an-tsaiko ireo fahaterahan’ ny zanakay tsirairay. Toy ny tena akaiky mihitsy ny lanitra tamin’ izany, ary raha manandrana aho dia afaka ny hanana ireo fahatsapana fanehoam-panajana sy fahatalanjonana izay tsapako tamin’ izany fotoana izany isaky ny hoe eny an-tsandriko ny iray tamin’ ireo zazakely sarobidy ireo.

“Lova avy amin’ i Jehovah ny [zanatsika]” (Salamo 127:3). Fantany sy tiany amin’ ny fitiavana lavorary izy tsirairay ireo (jereo ny Môrônia 8:17). Tena andraikitra masina tokoa no napetraky ny Ray any an-danitra amintsika amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika mba hiara-hiasa Aminy eo amin’ ny fanampiana an’ ireo fanahy tsara indrindra izay Azy mba ho tonga amin’ izay fantany fa ho azon’ izy ireo tratrarina.

Izany tombontsoa masina hoe hitaiza ny zanatsika izany dia andraikitra lehibe lavitra kokoa noho izay mety ho vitantsika samirery raha tsy miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo. Fantany tsara ny zavatra tokony ho fantatry ny zanatsika sy ny zavatra tokony hataon’ izy ireo ary izay toetra tokony hananan’ izy ireo mba hahafahany miverina eo anatrehany indray. Omeny torololana sy fitarihana mazava tsara ireo reny sy ray amin’ ny alalan’ ny soratra masina sy ireo mpaminaniny ary ny Fanahy Masina.

Ao anatin’ ny fanambarana iray ho an’ ny andro farany izay azo tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanome torolalana ho an’ ny ray aman-dreny ny Tompo mba hampianatra ny zanany hahatakatra ny fotopampianaran’ ny fibebahana, ny finoana an’ i Kristy, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mariho fa ny Tompo dia tsy milaza fotsiny hoe isika dia tokony “hampianatra ny fotopampianarana” fa ny torolalany dia ny tokony hampianarantsika ny zanatsika mba “hahazoany ny fotopampianarana.” (Jereo ny F&F 68:25, 28; nampiana fanamafisana.)

Hitantsika ao amin’ ny Salamo ny hoe: “Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho” (Salamo 119:34).

Mihoatra noho ny fizarana fampahalalana fotsiny ny fampianarana ny zanatsika mba hahatakatra. Izany dia midika hoe manampy ny zanatsika hampiditra ilay fotopampianarana ao am-pony amin’ ny fomba izay hahatonga izany ho lasa ampahan-javatra manorina ny maha-izy azy mihitsy ary hita taratra eny amin’ ny toetrany sy ny fihetsiny mandritra ny fiainany manontolo.

Nampianatra i Nefia fa ny anjara asan’ ny Fanahy Masina dia ny mitondra ny fahamarinana “hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona” (2 Nefia 33:1). Ny anjara asantsika amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika dia ny manao izay rehetra vitantsika mba hamoronana tontolo ahafahan’ ny zanatsika mahatsapa ny fitarihan’ ny Fanahy ary avy eo dia manampy azy ireo hamantatra izay zavatra tsapany.

Tsaroako ny antso an-tariby iray izay voaraiko avy tamin’ i Michelle zanakay vavy taona maro lasa izay. Tao anatin’ ny fihetseham-po malefaka no nilazany hoe: “Mama a! Vao avy niaina zavatra mahavariana niaraka tamin’ i Ashley aho.” I Ashley dia zanany vavy kely izay dimy taona tamin’ izany fotoana izany. Io maraina io dia nofariparitan’ i Michelle hoe maraina izay tsy nisy afa-tsy adiady tsy nisy fiafarany teo amin’ i Ashley sy i Andrew izay telo taona—ny iray tsy te-hizara ary ilay iray kosa mikapoka ilay anankiray hafa. Rehefa avy nanampy azy ireo mba hifandamina i Michelle dia lasa nandeha nijery ny zazakely.

Vetivety teo dia iny i Ashley avy any nihazakazaka sady tezitra fa hoe tsy mizara i Andrew. Nampahatsiahivin’ i Michelle an’ i Ashley ilay fanoloran-tena nataon’ izy ireo nandritra ny takarivan’ ny mpianakavy dia ny hoe hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa.

Nanontaniany i Ashley raha te-hivavaka sy hangataka fanampiana amin’ ny Ray any an-danitra, saingy mbola tena tezitra i Ashley ka dia namaly hoe: “Tsia.” Rehefa nanontaniana izy raha toa ka nino hoe hamaly ny vavaka hataony ny Ray any an-danitra, dia namaly izy hoe tsy fantany. Nangataka azy ny reniny mba hanandrana ary dia noraisiny moramora ny tanan’ i Ashley dia niara-nandohalika taminy izy.

Nanoro hevitra an’ i Ashely i Michelle hoe afaka mangataka ny Ray any an-danitra izy mba hanampy an’ i Andrew mba hahay hizara—ary hanampy azy mba ho tsara fanahy. Tsy maintsy nanaitra ny sain’ i Ashley ny fieritreretana hoe manampy an’ ilay zandriny lahy kely mba hahay hizara ny Ray any an-danitra, ka dia nanomboka nivavaka izy, ary nangataka ny Ray any an-danitra aloha izy mba hanampy an’ i Andrew zandriny lahy kely mba hahay hizara. Rehefa nangataka Taminy izy mba hanampy azy ho tsara fanahy dia nanomboka nitomany. Nofaranan’ i Ashley ny vavaka nataony ary nasitriny teo an-tsoroky ny reniny ny lohany. Nofihinin’ i Michelle izy ary nanontaniany hoe maninona izy no mitomany. Nilaza i Ashley hoe tsy fantany.

Dia hoy ny reniny hoe: “Fantatro ny antony hitomanianao. Mahatsapa zavatra tsara ao anatinao ao ve ianao?” Naneho fanekena tamin’ ny lohany i Ashley, ary dia notohizan-dreniny hoe: “Ny Fanahy izany, izay manampy anao hahatsapa zavatra tsara toy izany. Izany no fomban’ ny Ray any an-danitra hilazana aminao fa tiany ianao ary hanampy anao Izy.”

Nanontaniany i Ashley raha toa ka nino izany, raha toa ka nino fa afaka manampy azy ny Ray any an-danitra. Niaraka tamin’ ilay maso keliny vonton-dranomaso no namalian’ i Ashley hoe eny.

Indraindray ny fomba mahery vaika indrindra hampianarana ny zanatsika mba hahatakatra fotopampianarana iray dia ny mampianatra ao anatin’ ny toe-javatra izay iainan’ izy ireo amin’ iny fotoana iny mihitsy. Ireny fotoana ireny dia tonga ho azy ary miseho ao anatin’ ireo zavatra atao mahazatra eo amin’ ny fiainam-pianakaviana. Tonga izy ireny nefa vetivety dia lasa, noho izany dia mila mailo isika ary mila mamantatra ny fotoana iray tokony hampianarana rehefa iny manatona antsika iny ny zanatsika fa manana fanontaniana na ahiahy, na rehefa manana olana eo amin’ ny fifandraisany amin’ ireo iray tampo aminy na amin’ ny namana, na rehefa mila mifehy ny hatezerany, na rehefa manao hadisoana na rehefa mila mandray fanapahan-kevitra. (Jereo ny Teaching, No Greater Call: A Resource Guide for Gospel Teaching [1999], 140–41; Marriage and Family Relations Instructor’s Manual [2000], 61.)

Raha vonona isika ary mamela ny Fanahy hitarika ao anatin’ ireo toe-javatra ireo dia hahazo fampianarana izay mifono fahombiazana sy fahatakarana lehibe kokoa ny zanatsika.

Manan-danja toy izany koa ireo fotoana ahafahana mampianatra izay miseho rehefa arindranao amim-pisainana tsara ireo fotoana fanao tsy tapaka iarahana toy ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinan’ ny mpianakavy ny soratra masina, ny takarivan’ ny mpianakavy, ary ireo zavatra hafa iarahan’ ny fianakaviana manao.

Ao anatin’ ny fotoana rehetra ahafahana mampianatra dia tena mahomby kokoa ny fianarana rehetra sy ny fahafahana mahataka-javatra rehefa atao ao anatin’ ny tontolo ahatsapana fo feno hafanana sy fitiavana izany ka manatrika eo ny Fanahy.

Teo amin’ ny roa volana mialohan’ ny hahafeno valo taona an’ ireo zanany, dia nanokana fotoana isan-kerinandro ity raim-pianakaviana ity mba hanomanana azy ireo ho amin’ ny batisa. Nilaza ny zanany vavy fa rehefa tonga ny anjarany dia nomen’ ny rainy diary izy ary niara-nipetraka izy ireo, izy mianaka irery ihany, dia nifampiresaka sy nizara ireo zavatra tsapa mikasika ireo fitsipiky ny filazantsara. Nasain-drainy nanao sary entina hisarihana ny maso izy tao anatin’ izany. Sary izay nampiseho ny fiainana talohan’ ny nahaterahana sy ity fiainana eto an-tany ity ary ny dingana tsirairay izay tokony hataony mba hiverenana hiara-hiaina amin’ ny Ray any an-danitra indray. Nijoro ho vavolombelona momba ny dingana tsirairay izay hita ao amin’ ilay drafitry ny famonjena izy rehefa nampianatra izany tamin’ ilay zanany vavy.

Rehefa nitantara izany ilay zanany vavy taty aoriana noho ny efa lasa lehibe dia nilaza izy hoe: “Tsy ho hadinoiko velively ilay fitiavana tsapako avy amin’ ny raiko nandritra iny fotoana niarahany tamiko iny. … Izaho dia mino fa io zavatra niainako io no antony lehibe indrindra nananako fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara tamin’ ny fotoana nanaovana batisa ahy” (jereo ny Teaching, No Greater Call, 129.)

Mitaky ezaka feno faharisihana sy ezaka atao tsy tapaka ny fampianarana mba hahatakaran-javatra. Mitaky fampianarana amin’ ny alalan’ ny fitsipika sy amin’ ny alalan’ ny ohatra izany ary indrindra amin’ ny alalan’ ny fanampiana ireo zanatsika hiaina izay zavatra ianarany.

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Raha tsy atao izay iainana ny fitsipika iray ao amin’ ny filazantsara, dia … ho sarotra kokoa ny hino izany fitsipika izany” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee[2000], 121).

Ny fomba nianarako nivavaka voalohany indrindra dia tamin’ ny alalan’ ny fiarahana mandohalika tamin’ ny fianakaviako nandritry ny vavaky ny mpianakavy. Nampianarina ahy ny fiteny ampiasaina ao anatin’ ny vavaka rehefa nihaino an’ ireo ray aman-dreniko nivavaka aho ary rehefa nampian’ izy ireo hanao ny vavako voalohany. Nianatra aho hoe afaka miresaka amin’ ny Ray any an-danitra aho ary afaka mangataka fitarihana.

Ny reniko sy ny raiko dia manangona anay tsy tapaka isa-maraina manodidina ny latabatra ao an-dakozia alohan’ ny sakafo maraina mba handohalika hanao ny vavaky ny mpianakavy. Nivavaka izahay isaky ny misakafo. Ny hariva alohan’ ny hatoriana dia miara-mandohalika ao amin’ ny trano fandraisam-bahiny izahay ary dia mamarana ny andro amin’ ny alalan’ ny vavaky ny mpianakavy.

Na dia betsaka aza ireo zavatra tsy azoko mikasika ny vavaka fony aho ankizy dia lasa tena ampahany manan-danja amin’ ny fiainako ny vavaka hany ka nitoetra niaraka tamiko foana izany. Mbola manohy mianatra aho ary mbola mihamitombo hatrany ny fahatakarako ny herin’ ny vavaka.

Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Isika rehetra dia mahatakatra fa ny fahombiazan’ ny hafatry ny filazantsara dia miankina amin’ ny fampianarana izany, sy ny fahatakarana izany ary ny fiainana izany amin’ ny fomba izay ahafahan’ ilay fampanantenana fifaliana sy famonjena ho tanteraka tokoa” (“Teaching and Learning in the Church” [fivoriam-piofanana ho an’ ireo mpitondra rehetra maneran-tany, 10 Feb. 2007], Liahona, Jiona 2007, 57).

Ny fianarana mba hahatakarana tanteraka ireo fotopampianaran’ ny filazantsara dia dingana arahina mandritra ny androm-piainana ary tonga amin’ ny endrika “fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nephi 28:30). Rehefa mianatra ny zanaka ary mampihatra ny zavatra nianarany dia hivelatra ny fahatakaran’ izy ireo, ary izany dia hitondra fahalalana sy fanaovana asa bebe kokoa ary hitondra fahatakarana vao mainka maharitra sy lalina kokoa.

Afaka mahafantatra isika fa manomboka mahatakatra ilay fotopampianarana ny zanatsika rehefa hitantsika miseho eny amin’ ny toetrany sy ny fihetsiny izany na dia tsy arahina fampitahorana na fanomezana valisoa aza. Rehefa mianatra mba hahatakatra ireo fotopampianaran’ ny filazantsara ny zanatsika dia lasa mizaka tena bebe kokoa izy ireo ary lasa tompon’ andraikitra kokoa. Lasa ampahany mitondra vahaolana eo amin’ ireo fanamby atrehan’ ny fianakaviantsika izy ireo ary mitondra anjara biriky tsara eo amin’ ny tontolo iainana ao an-tokantranontsika sy eo amin’ ny fahombiazan’ ny fianakaviantsika.

Hampianatra ny zanatsika hahatakatra zavatra isika rehefa manararaotra ireo fotoana rehetra ahafahana mampianatra sy manasa ny Fanahy ary maneho ohatra tsara sy manampy azy ireo hiaina izay zavatra ampianarina azy.

Rehefa mijery ny mason’ ny ankizy kely iray isika dia mahatsiaro an’ ilay hira hoe:

Zanaky ny Ray aho,

Ka mba tohano re.

Ampianaro ahy ny teniny

Hahaizako mandeha.

Tariho ampio, miaraha

Eo anilanay.

Toroy ahy ny ataoko

Hiverina any indray.

(“Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ ny ankizy, pejy 113; nampiana fanamafisana)

Enga anie isika hanatanteraka izany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy amena.