Mba Ho Hita Indray Izay Very

Nataon’ ny Loholona M. Russell Ballard

Avy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo


Rehefa mikatsaka ny hiaina ny filazantsara sy ny fotopampianaran’ i Kristy ianao dia hitarika anao sy ny fianakaviana ny Fanahy Masina.

Ry rahalahy sy rahavavy, araka ny soratra masina, ilay Liahôna dia “bola boribory iray izay araka ny fahaizana asa kanto” ka nisy sahaza roa tanatin’ izany, ary ny iray nanondro dia ny lalana tokony halehan’ ny fianakavian’ i Lehia Rainy tany an-tany foana (1 Nefia 16:10).

Azoko an-tsaina ny antony nahataitra an’ i Lehia rehefa nahita izany izy tamin’ ny voalohany, satria tsaroako ny fihetsiko tamin’ ny vao nahita maso voalohany ny fiasan’ ny vondron’ ny zanabolana GPS aho. Ny tao an-tsaiko dia fitaovana maoderina iray “izay araka ny fahaizana asa kanto” izany. Ohatry ny toa tsy azoko saintsainina akory hoe iny fitaovana kely ao anatin’ ny telefaoniko iny dia afaka manondro mazava tsara ny toerana misy ahy ary milaza amiko ny fomba ahatongavako any amin’ ny toerana tiako haleha.

Fitahiana ho ahy sy i Barbara vadiko ny GPS. Ho an’ i Barbara dia midika izany fa tsy mila miteny amiko mba hijanona intsony izy sy manontany olona amin’ izay lalana tokony ho aleha. Ho ahy dia midika izany fa afaka manana ny rariny aho rehefa miteny hoe: “Tsy mila manontany na iza na iza aho. Fantatro tsara izay alehako.”

Ry rahalahy sy rahavavy, ankehitriny isika dia manana fitaovana izay mbola miavaka kokoa noho ny GPS tsara indrindra. Misy fotoana, sy antony maro izay tsy ahitan’ ny olona tsirairay ny lalany. Amin’ ny alalan’ ny bitsiky ny Fanahy Masina no ahafahantsika miverina eo amin’ ilay lalana marina ary ny sorompanavotan’ ny Mpamonjy no afaka mampody antsika any an-trano.

Azo lazaina fa sady mihatra amin’ ny fiaraha-monina iray manontolo na amin’ ny olona tsirairay koa ny hoe very. Isika ankehitriny dia miaina ao anatin’ ny fotoana iray izay isian’ ny fisafotofotoana ao anatin’ ny ankamaroan-javatra eto amin’ ity izao tontolo izao ity, indrindra mikasika ireo soatoavina sy ireo laharampahamehana ao amin’ ny tokantranontsika.

Ny Filoha Joseph F. Smith zato taona lasa izay, dia nampifandray mivantana ny fifaliana tamin’ ny fianakaviana ary namporisika antsika mba hampifantoka ny ezaka ataontsika ao anatin’ izany. Hoy izy hoe: “Tsy misy an’ izany hoe tena fifaliana izany izay misaraka amin’ ny tokantrano sy hita any ivelan’ ny tokantrano. … Tsy misy ny fifaliana rehefa tsy misy ny fanompoana ary tsy misy fanompoana lehibe kokoa noho ilay manova ny tokantrano ho rafitra masina sy mampivelatra ary miaro ny fiainam-pianakaviana. … Mila fivoarana ny tokantrano” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 382, 384).

Mila fivoarana ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika ao anatin’ ity izao tontolo izao ity izay tsy mitsahatra mirona any amin’ ny zavatra ara-nofo sy ny tsy finoana. Ny ohatra iray mahavariana mikasika an’ izany dia ny fitomboan’ ny tsy firaharahiana ny fanambadiana eto Etazonia. Vao nanomboka kely ity taona ity dia nanao tatitra ny gazety New York Times fa “ny isan’ ny zaza nateraky ny vehivavy tsy manambady dia nitombo bebe kokoa indray: Ny antsasany mahery amin’ ny zaza nateraky ny vehivavy Amerikana latsaky ny 30 taona dia ivelan’ ny fanambadiana avokoa” (Jason DeParle and Sabrina Tavernise, “Unwed Mothers Now a Majority Before Age of 30,” New York Times, 18 Feb. 2012, A1).

Fantatsika koa fa misara-panambadiana ny antsasany latsaka eo anivon’ ireo lehilahy sy vehivavy eto Etazonia izay manambady. Na dia ireo izay mitoetra ho mpivady aza dia matetika lasa goragora noho ny famelana ireo zavatra hafa hiditra ao anatin’ ny fifandraisan’ ny fianakaviana.

Mampiahiahy toy izany koa ilay lavaka mihalehibe foana izay manasaraka ny manan-karena sy ny mahantra ary izay manasaraka ireo izay miezaka ny miaro ny soatoavina sy ny fanoloran-tena mikasika ny fianakaviana sy ireo izay nitsahatra tsy nanao izany intsony. Raha ara-tarehimarika dia ireo izay tsy dia nandia fianarana loatra ary noho izany kely fidiram-bola no toa tsy dia manambady sy tsy miangona ary mety ho tafalatsaka kokoa ao anatin’ ny fanaovana heloka sy ny fananan-jaza any ivelan’ ny fanambadiana. Ary ireo fironana ireo dia mampisy fikorontanana koa any amin’ ny faritra maro hafa eto amin’ izao tontolo izao. (Jereo W. Bradford Wilcox and others, “No Money, No Honey, No Church: The Deinstitutionalization of Religious Life among the White Working Class,” available at www.virginia.edu/marriageproject/pdfs/Religion_WorkingPaper.pdf.)

Ny firoboroboana sy ny fahaizana anefa, izay mifanohitra amin’ ny eritreretin’ ny maro, dia toa mifandray amin’ ny tena mety hananana fianakaviana manaraka ny fomba nentim-paharazana sy ny soatoavina nentim-paharazana.

Ny fanontaniana tena mipetraka mazava ho azy dia mikasika ny antony sy ny vokany. Moa ve manana soatoavina sy fianakaviana mafy orina kokoa ny ampahany sasany ao amin’ ny fiaraha-monina satria manam-pahaizana sy miroborobo kokoa izy ireo, na moa ve izy ireo manam-pahaizana sy miroborobo kokoa satria manana soatoavina sy fianakaviana izay mafy orina izy ireo? Raha ato amin’ ity Fiangonana izay miely manerana an’ izao tontolo izao ity dia fantatsika fa ilay farany no izy. Rehefa manao fanoloran-tena ao anatin’ ny fianakiavana sy fanekempihavanana ara-pinoana ao anatin’ ny fitsipiky ny filazantsara ny olona, dia manomboka mandroso kokoa ara-panahy izy ireo ary ara-nofo koa indraindray.

Ary mazava ho azy fa lasa mafy orina ny fiaraha-monina amin’ ny ankapobeny rehefa mihamafy orina ny fianakaviana sy ny fanoloran-tena atao ao anatin’ ny fianakaviana. Ny fanoloran-tena amin’ ny fianakaviana sy ny soatoavina no anton-javatra fototra. Ny ambiny rehetra dia saika vokany avokoa. Rehefa mivady ny lehilahy sy ny vehivavy ary mifanao fanekempihavanana izy ireo dia tena hampitombo be ny tombontsoan’ izy ireo ara-pivelomana izany. Rehefa teraka ao anatin’ ny fanambadiana ny zanaka ary sady manana ray sy reny dia mitombo be tokoa ny fananan’ izy ireo tombontsoa sy ny mety tena hahazoan’ izy ireo fahombiazana eo amin’ ny asa. Ary rehefa miara-miasa sy miara-milalao ny fianakaviana dia mivelatra ny mpifanolobodirindrina sy ny fiaraha-monina, mivoatra ny toe-karena ary mihena ny filana fandaharan’ asa hanampiana ny mahantra ataon’ ny fanjakana ary mihena ny vola lany amin’ izany.

Noho izany, ny vaovao ratsy dia miteraka olana lehibe ara-piaraha-monina sy ara-toekarena ny faharavan’ ny fianakaviana. Saingy ny vaovao tsara kosa, toy ny hita ao anatin’ ny anton-javatra sy ny vokany rehetra, dia mety miova ireo olana ireo raha toa ka ovaina ny antony mahatonga azy ireo. Voavaha ny zavatra tsy ara-drariny amin’ ny alalan’ ny fiainana fitsipika sy soatoavina marina. Ry rahalahy sy rahavavy, ny anton-javatra tena manan-danja indrindra eo amin’ ny fiainantsika manontolo dia ny fianakaviantsika. Raha toa isika ka manolo-tena hanatanteraka izany tanjona izany dia hivoatra ny lafiny rehetra eo amin’ ny fiainantsika ary ho lasa ohatra sy hazavana mpitarika ho an’ ny olona rehetra eto an-tany isika amin’ ny maha-olona sy amin’ ny maha-fiangonana antsika.

Saingy tsy mora izany ao anatin’ ilay izao tontolo izao, izay mitodika any amin’ ny lalana samifaha ny fo, ary ilay planeta iray manontolo dia toa mandeha sy miova tsy tapaka ao anatin’ ny hafainganam-pandeha izay tsy azon’ ny saina noeritreretina mihitsy taloha. Tsy misy intsony izany zavatra tsy miova mandritra ny fotoana ela izany. Miova ny fombafomba, ny fironana eo amin’ ny lafin’ ny haingo sy ny fahazarana, ny fahamarinana ara-pôlitika ary na dia ny fiheverana ny tsara sy ny ratsy aza. Ny mpaminany Isaia dia nilaza mialoha fa ny ratsy dia holazaina ho tsara ary ny tsara holazaina ho ratsy (jereo ny Isaia 5:20).

Ilay fisarahana ara-panahy eo amin’ ny tsara sy ny ratsy dia mihalehibe mihitsy satria ny ratsy dia lasa mametsifetsy sy mamely tampoka bebe kokoa noho ny hatramin’ izay ary misintona ny olona ho any toy ny andriamby maizina—na dia misarika ireo madio am-po sy mendri-kaja eto an-tany izay mitady ny atao hoe madio ara-toe-tsaina amam-panahy sy ny atao hoe tsara aza ny filazantsaran’ ny fahamarinana sy ny fahazavana.

Mety kely ny isantsika raha oharina amin’ ny hafa, saingy amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonana antsika dia afaka miampita an’ ireo lavaka lehibe ireo isika. Fantatsika ny herin’ ny fanompoana mifototra ao amin’ i Kristy izay mampivondrona ny zanak’ Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany ara-panahy na ara-bola. Herintaona lasa izay dia nanasa antsika ny Fiadidiana Voalohany mba handray anjara amin’ ilay andro iray hankalazana ny faha-75 taona niorenan’ ny fandaharan’ asa izay mikasika ny fifanampiana amin’ ny alalan’ ny fanampiana olona ho lasa mahaleo tena bebe kokoa. Ora an-tapitrisany maro no nolanian’ ireo mpikambana ato amintsika manerana an’ izao tontolo izao nanaovana izany.

Ny Fiangonana dia tadintsambo ao anatin’ ilay ranomasina mitroatroatra ary vatofantsika ao anatin’ ny rano ahotakotaky ny fiovana sy ny fisaratsarahana ary hazavana mitarika ho an’ ireo izay manome hasina sy mitady ny fahamarinana. Ny Tompo dia mampiasa ity Fiangonana ity mba hisintonana ny zanany manerana an’ izao tontolo izao hankany amin’ ny toeram-piarovana avy amin’ ny filazantsarany.

Ny fanahin’ i Elia izay tsy voafetra dia hery lehibe koa ao anatin’ ny tanjon’ ny Tompo mikasika ny fianakaviana ary ao anatin’ ny hoavin’ ireo zanany mandrakizay. Araka ny tenin’ i Malakia, ny Fanahin’ ny Fanahy Masina dia hampody “ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy” (Malakia 4:6).

Ny Fiangonana dia mijoro ho ohatra maneho ny fampodiana ny fo sy ho toy ny mpanova zavatra ho amin’ ny tsara ao anatin’ izao tontolo izao. Raha eo anivon’ ireo mpikamban’ ny Fiangonana izay nivady tany amin’ ny tempoly sy manatrika tsy tapaka ny fivoriana Alahady dia tena ambanimbany kokoa ny tahan’ ny fisaraham-panambadiana noho ny an’ izao tontolo izao ary ny fianakaviana dia mitoetra ho mifanakaiky kokoa sy mifandray matetika kokoa. Tsara kokoa ny fahasalaman’ ny fianakaviantsika ary miaina taona maro lavitra kokoa isika raha oharina amin’ ny salan-taona hahafatesan’ ny mponina. Mitondra anjara biriky bebe kokoa isika eo amin’ ny lafiny ara-bola ary fanampiana lehibe kokoa ho an’ ireo izay sahirana. Ary isika dia tena mikatsaka bebe kokoa ny hanovo fianarana ambony. Tsy hoe mba hieboeboana akory no antony nilazako an’ ireo zavatra ireo fa mba hijoroana ho vavolombelona fa tsara kokoa ny fiainana (ary ahitana fifaliana kokoa) rehefa mitodika any amin’ ny fianakaviana ny fo ary rehefa miaina ao anatin’ ny hazavan’ ny filazantsaran’ i Kristy ny fianakaviana.

Noho izany dia inona no azontsika atao mba tsy hahavery antsika? Voalohany, dia toroako hevitra ianareo hoe sokajio izay laharam-pahamehana. Avelao izay zavatra rehetra ataonareo any ivelan’ ny tokantrano mba ho fanampiny sy hanohanana ny zavatra miseho ao anatin’ ny tokantranonareo. Tadidio ny torohevitry ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny asa manan-danja indrindra … izay ho ataonareo hatramin’ izay dia ny asa izay ho ataonareo ao an-tokantranonareo manokana” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 134) ary ilay torohevitry ny Filoha David O. McKay izay manan-kery mandrakizay manao hoe: “Tsy misy fahombiazana hafa afaka manonitra ny tsy fahombiazana ao an-tokantrano” (nampiasaina tao amin’ ny J. E. McCulloch, Home: The Savior of Civilization [1924], 42; ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1935, 116).

Arindrao ny fiainanareo manokana mba hananana fotoana hanaovana vavaka sy hamakiana ny soratra masina ary hanaovana ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy. Omeo andraikitra ao an-tokantrano izay hampianatra azy ireo ny fomba fanaovana asa ny zanakareo. Ampianaro izy ireo fa ny fiainana ny filazantsara dia hampanalavitra azy ireo amin’ ny fahalotoana sy ny tsy fahadiovam-pitondrantena ary ny herisetra hita amin’ ny Internet sy ny haino aman-jery ary ny jeux vidéos. Tsy ho very izy ireo ary ho vonona ny handray andraikitra rehefa omena azy ireo izany.

Faharoa, isika dia tokony hanao ireo zavatra araka ny tena filaharany! Fanambadiana aloha dia avy eo fianakaviana. Maro loatra eto amin’ izao tontolo izao no nanadino izany filaharan-javatra ara-boajanahary izany ary mieritreritra fa afaka manova na mamadika izany mihitsy aza izy ireo. Esory amin’ ny alalan’ ny finoana ny tahotrao. Matokia an’ ilay herin’ Andriamanitra izay hitarika anao.

Ho anao izay tsy mbola manambady ataovy mifantoha amin’ ny fitadiavana an’ ilay ho namanao mandrakizay. Ry tovolahy isany, tsarovy ilay zavatra iray hafa nolazain’ ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Ny fitovoana … dia [mitondra] ao anatin’ ilay saina marivo salosana ilay hevitra hoe tena tsara [izany] satria lasa mihakely ny andraikitra sahanina. … Any amin’ ny tovolahy no mianjera ilay tena fahadisoana. Ny tsy fisian’ ny famerana an’ ilay taona maha-mpitovo azy dia mitondra azy ireo hiala ao amin’ ny lalan’ ny fandraisana adidy sy andraikitra. … Ireo anabaviny ao amin’ ny filazantsara no ianjadian’ ny tsy rariny … [ary] hanambady izy ireo raha afaka manao izany ary hanaiky amim-pifaliana ireo andraikitra sahanina ao anatin’ ny fiainam-pianakaviana.” (Gospel Doctrine, 5th ed. [1939], 281).

Ary ho anareo tovovavy dia te-hanampy aho hoe tokony tsy hanadino izany andraikitra izany ianareo. Tsy misy asa izay afaka mitondra fahafaham-po lehibe noho ny fikarakarana fianakaviana. Ary rehefa tonga amin’ ny taonako ianareo dia ho tsapanareo bebe kokoa izany.

Fahatelo, ry mpivady! Tokony ho mpiara-miasa mitovy lenta ianareo ao amin’ ny fanambadianareo. Vakio ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana ary ataovy izay ahatakarana izany sy hanarahana izany. Ialao ny fampiharana fitondrana tsy marina amin’ ny endriny rehetra. Tsy misy na iza na iza tompon’ ny vady na zanatsika. Andriamanitra no Raintsika rehetra ary nanome antsika tombontsoa hahazoana ilay fianakaviantsika manokana Izy izay Azy irery ihany teo aloha mba hanampiana antsika hitovy bebe kokoa Aminy. Amin’ ny maha-zanany antsika dia tokony hianatra ny hitia an’ Andriamanitra isika ao an-tokantrano ary tokony hahafantatra fa afaka mangataka Aminy izay fanampiana ilaintsika isika. Ny olona rehetra na manambady na mpitovo dia afaka ny ho faly sy haneho fanohanana ao anatin’ izay fianakaviana misy azy.

Ary farany dia ampiasao ireo loharano ho an’ ny fianakaviana ao amin’ ny Fiangonana. Rehefa mitaiza ny zanaka dia afaka mitady fanampiana avy amin’ ny paroasy ny fianakaviana. Miaraha manohana sy miasa amin’ ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny ary araraoty tanteraka ireo tombontsoa azo avy amin’ ny fandaharan’ asa ho an’ ny tanora sy ny fianakaviana ao amin’ ny Fiangonana. Tsarovy ity teny iray hafa tena manaitra ny saina izay avy amin’ ny Filoha Lee ity hoe—ny Fiangonana no fototra izay anorenantsika ny fianakaviantsika. (jereo ny Teachings: Harold B. Lee [2000], 148).

Ankehitriny raha toa ianao manokana ka very na very ianareo amin’ ny maha-fianakaviana iray anareo noho ny antony iray, dia ilay fampianaran’ ny Mpamonjy avy ao amin’ ny Lioka toko faha-15 no hany ilainareo ampiharina. Ny Mpamonjy ao anatin’ izany dia miresaka momba ny ezaka nataon’ ny mpiandry ondry iray izay nitady ilay ondry very sy momba ny vehivavy iray izay nitady ilay farantsakely very ary momba ilay fitsenana an’ ilay zanaka adala izay niverina nody. Nahoana i Jesoa no nampianatra ireo fanoharana ireo? Tiany isika hahafantatra fa na iza na iza amintsika tena ho very dia hahita foana ny lalantsika isika amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotany sy ny Fampianarany.

Rehefa mikatsaka ny hiaina ny filazantsara sy ny fotopampianaran’ i Kristy ianao dia hitarika anao sy ny fianakaviana ny Fanahy Masina. Hanana GPS ara-panahy ianao izay hilaza aminao foana ny toerana misy anao sy ny lalana alehanao. Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika rehetra ilay Mpamonjin’ ny olombelona nitsangana tamin’ ny maty ary raha manaraka Azy isika dia hitondra antsika soa aman-tsara hiverina eo anatrehan’ ny Raintsika any an-danitra Izy, ary izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.