Izay Miantra no Hiantrana

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany


Rehefa feno ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dia lasa “mifaneho hatsaram-panahy sy malemy fo ary mamela heloka” isika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, vao tsy ela akory izay no nandray taratasy avy tamin’ ny reny sahiran-tsaina iray aho izay niangavy ahy mba hanao lahateny mikasika ny lohahevitra iray izay hitondra tombontsoa manokana ho an’ ny zanany roa mandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Tena tsy nifankahazo am-po izy ireo ary dia nijanona tsy nifampiresaka intsony. Tena vaky fo ilay renim-pianakaviana. Nanome antoka ahy izy tao amin’ ilay taratasy fa ny hafatra mikasika izany lohahevitra izany mandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia hampiombona ny zanany, ary dia hihatsara ny zava-drehetra.

Ny fiangaviana tamin-kitsimpo nataon’ ity rahavavy ity dia iray tamin’ ireo bitsika maro izay voaraiko tao anatin’ izay volana vitsivitsy lasa izay fa tokony hiresaka kely mikasika ny lohahevitra iray izay lasa olana lehibe aho anio—tsy ho an’ ilay reny sahiran-tsaina fotsiny ihany fa ho an’ ireo olona maro ato am-piangonana, ary ho an’ izao tontolo izao mihitsy.

Talanjona amin’ ny finoan’ ity reny be fitiavana ity aho hoe afaka manampy hanasitrana ny fifandraisana misy eo amin’ ireo zanany ny lahateny iray ao amin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Mino aho fa tsy ny fahaizan’ ireo mpandahateny loatra no ananany fahatokisana fa ny “herin’ ny tenin’ Andriamanitra,” izay misy “fiantraikany mahery kokoa amin’ ny sain’ ny olona noho ny … zavatra hafa.”1 Ranabavy malala, mivavaka aho mba hokasihan’ ny Fanahy ny fon’ ireo zanakao.

Rehefa Miharatsy Tanteraka ny Fifandraisana

Efa nisy hatrany am-piandohan’ ny fisian’ ny olombelona ny fifandraisana sarotra dia sarotra sy rava. I Kaina fahiny no voalohany namela ny fahatsapana fankahalana sy faharatsian-toetra hanimba ny fony. Nataony izay namboleny tao anaty fanahiny ny fialonana sy fankahalana ary navelany hitombo ireo fahatsapana ireo mpandrapahavitany zavatra iray izay tsy takatry ny saina—dia ny famonoana ny rahalahiny ary rehefa izany dia lasa rain’ ny lainga avy amin’ i Satana teto an-tany izy.2

Hatramin’ ireo fiandohana fahiny ireo, ilay toe-tsaina feno fialonana sy fankahalana dia niteraka ny sasany amin’ ireo tantara mampivarahontsana indrindra niseho teto an-tany. Nahatonga an’ i Saoly hankahala an’ i Davida izany, nahatonga ireo zanakalahin’ i Jakoba tsy ho tia an’ i Josefa rahalahiny, nahatonga an’ i Lamana sy Lemoela hiady amin’ i Nefia ary nahatonga an’ i Amalikià hifanandrina amin’ i Môrônia.

Ataoko angamba fa ny olona tsirairay eto an-tany dia efa niharan-javatra tamin’ ny fomba samihafa avy tamin’ ilay toe-tsaina tia fifandirana, feno lolom-po ary mifono valifaty. Ary mety misy mihitsy aza fotoana ahatsapantsika ny fisian’ izany toetra izany ato anatintsika. Rehefa maratra ny fontsika, na tezitra isika na mialona isika dia mora ny mitsara ny olon-kafa, ary manendrikendrika isika matetika hoe mikononkonona zavatra ratsy izy ireo mba hanomezantsika rariny an’ ilay lolompo ao anatintsika.

Ny Fotopampianarana

Fantatsika mazava ho azy fa tsy mety izany. Mazava ny fotopampianarana. Samy miankin-doha amin’ ny Mpamonjy isika rehetra. Tsy misy ho voavonjy raha tsy amin’ ny Alalany. Tsy manam-petra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’ i Kristy. Misy fepetra anefa ny famelana ireo otan tsika. Tsy maintsy mibebaka isika ary tsy maintsy mamela ny hafa koa. Nampianatra i Jesoa hoe: “[Mi]famelà ianareo; fa izay tsy mamela ny fahadisoan[a] … dia meloka eo anoloan’ ny Tompo; fa mitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa”3 ary “Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.”4

Mazava ho azy fa toa tena mitombina tokoa ireo teny ireo—rehefa ampiharina amin’ ny olon-kafa. Afaka mahita mazava tsara sy mora tokoa an’ ilay voka-dratsy mitranga isika rehefa mitsara sy manana lolompo ny olon-kafa. Ary azo antoka fa tsy ho tiantsika ny hitsaran’ ny olona antsika.

Fa raha ny tenantsika kosa no mitsaratsara an-tendrony sy feno lolom-po dia haintsika ery matetika ny manamarina ny hatezerantsika ho toy ny zavatra ara-drariny ary ny fitsaratsarantsika ho toy ny mari-pototra sy mety. Na dia tsy mahita ny ao am-pon’ ny olon-kafa aza isika dia sahy mitso-tena fa mahafantatra ny fisian’ ny fihetsika ratsy na olon-dratsy iray mihitsy aza raha vao mahita olona na fihetsika ratsy. Tsy toy izany kosa anefa no ataontsika rehefa isika no mahatsapa fankahalana satria isika dia mahatsapa, raha mikasika antsika manokana fa manana ny fampahalalana rehetra ilaina mba hanebatebahana olon-kafa.

Tao amin’ ny taratasy nosoratany ho an’ ireo Romana dia nilaza ny Apôstôly Paoly fa ireo izay mitsara ny hafa dia “tsy manan-kalahatra.” Nanazava izy fa raha vao mitsara olon-kafa isika dia manameloka ny tenantsika koa isika, satria samy manota ny rehetra.5 Ny tsy famelana heloka dia fahotana lehibe—iray amin’ ireo fampitandremana nataon’ ny Mpamonjy izany. Ny mpianatr’ i Jesoa dia “nitady hirika hifampiampangana ka tsy nifamela tao am-pony; ary noho izany faharatsiana izany, dia nijaly izy ireo ary nofaizina mafy tokoa.”6

Niresaka mazava tsara momba izany lohahevitra izany ny Mpamonjy ka tsy misy fomba ahafahana mandika vilana izany. “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka,” saingy hoy Izy avy eo hoe: “… fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-d rehetra.”7

Afaka manampy fanazavana fanampiny kely ve aho? Rehefa mitaky ny hamelantsika ny olon-drehetra ny Tompo, dia tafiditra ao anatin’ izany koa ny famelana ny tenantsika. Indraindray, ao anatin’ ireo olona rehetra eto amin’ izao tontolo izao, ilay olona iray izay tena sarotra ny mamela azy, ary angamba koa ilay olona iray izay tena mila indrindra ny famelantsika azy—dia ny tenantsika.

Ny Fitsipika Fototra

Azo ampianarina amin’ ny alalan’ ny toriteny ahitana teny roa monja ny lohahevitra mikasika ny fitsaratsarana ny hafa. Raha mikasika ny fankahalana, fifosafosana, tsy firaharahiana, fanalana baraka, fananana lolom-po na faniriana handratra fo no resahina—dia ampiharo izao manaraka izao:

Ajanony izany!

Tena tsotra be ilay izy. Mila manajanona ny fitsaratsarantsika ny hafa fotsiny isika ary manolo izany eritreritra sy fahatsapana te-hitsaratsara izany amin’ ny fo feno fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny zanany rehetra. Raintsika Andriamanitra. Zanany isika. Mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra. Tsy haiko loatra ny fomba tena hilazako ny hoe aza mitsaratsara ny hafa amin’ ny fomba tena mazava sy amim-pirehetampo ary amim-pandresen-dahatra mba hahatsiarovanareo izany foana. Afaka mitanisa soratra masina aho, afaka miezaka ny mamelabelatra fotopampianarana ary hilaza soratra mampita hafatra hitako vao haingana teo amin’ ny taratasy mandraikitena tao aorian’ ny fiara iray mihitsy aza aho. Nipetaka tao aorian’ ny fiara iray izany ary nimotomototra be ihany ilay mpamily azy, kanefa ireo teny hita teo amin’ ilay taratasy mandraikitena dia nampianatra lesona manan-danja. Hoy izany hoe: “Aza mitsara ahy ianao satria manota tahaka anao aho fa amin’ ny fomba hafa fotsiny.”

Tokony hanaiky isika fa tsy lavorary isika rehetra—mpangataka avokoa isika eo anatrehan’ Andriamanitra. Moa ve isika rehetra, tsy efa nisy fotoana, mba nangataka tamim-panetren-tena ny famindrampony sy niangavy ny fahasoavany? Moa ve isika rehetra tsy efa naniry tamin’ ny herin’ ny fanahintsika manontolo hahazo famindrampo—mba ho voavela amin’ ireo hadisoana izay nataontsika sy ireo fahotana vitantsika?

Satria miankina amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra isika rehetra dia ahoana no ahafahantsika mandà ny tsy hanome ny hafa ilay ampahan’ ny famindrampo izay katsahintsika mafy ho an’ ny tenantsika? Ry Rahalahy sy rahavavy malalako, moa tsy tokony hamela ve isika raha te-ho voavela?

Ny Fitiavan’ Andriamanitra

Moa sarotra atao ve izany?

Eny, mazava ho azy.

Tsy mora ny mamela ny tenantsika sy ny olon-kafa. Raha ny marina, ho an’ ny ankamaroantsika dia mitaky fiovana mahery vaika eo amin’ ny toetrantsika sy ny fomba fisainana izany—eny mitaky fiovam-po mihitsy aza. Kanefa ity misy vaovao tsara. Natao mba hitondra izany “fiovana mahery vaika”8 ao am-po izany mihitsy ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy eo amin’ ny fiainantsika.

Ahoana no anaovana izany? Amin’ ny alalan’ ny fitiavan’ Andriamanitra.

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dia hisy zavatra tsara sy madio hitranga amintsika. “[Mitandrina] ny didiny [isika], sady tsy mampijaly ny didiny. “Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao.”9

Rehefa avelantsika bebe kokoa hifehy ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra—dia avelantsika bebe kokoa hitombo ao am-pontsika ny fitiavan’ ny Raintsika any an-danitra—dia ho moramora kokoa ny hitiavana ny hafa amin’ ny fitiavana madion’ i Kristy. Rehefa manokatra ny fontsika mba hidiran’ ilay fitiavan’ Andriamanitra izay miposaka vao maraina iny isika dia hanjavona ilay haizina sy hatsiakan’ ny fankahalana sy fialonana.

Araky ny mahazatra dia i Kristy no ohatra tonga lafatra tokony ho arahintsika. Natorony antsika tao anatin’ ny fampianarany sy teo amin’ ny fiainany ny lalana. Izy dia namela ny ratsy fanahy, ny olona manana fisainana mirefarefa amin’ ny tany ary ireo izay nikatsaka ny handratra sy hamono Azy.

Nilaza i Jesoa fa mora ny mitia ireo izay tia antsika, ka na dia ny ratsy fanahy aza dia afaka manao izany koa. Kanefa nampianatra lalàna ambonimbony kokoa i Jesoa Kristy. Nanakoako nandritra ny taonjato maro ary mbola manan-kery hatramin’ izao andro izao ny teniny. Natao ho an’ ireo rehetra izay maniry ny ho tonga mpianany izany. Natao ho anao sy ho ahy izany: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo.”10

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dia ho “samy halemy fanahy amin’ ny namany avy [isika], ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helo[tsika]—ao amin’ i Kristy.”11

Afaka manaisotra ireo elakelaky ny lolom-po sy ny fahatezerana hiala eo amin’ ny masontsika ny fitiavana madion’ i Kristy, mba hahafahantsika mahita ny hafa amin’ ny fomba fahitan’ ny Raintsika any an-danitra azy: fa isika rehetra dia olona mety maty manam-pahalemena sy tsy lavorary izay manana hery anaty sy manana ny maha izy azy izay mihoatra lavitra an’ izay azon’ ny saintsika eritreretina. Mila mifankatia sy mifamela koa isika satria tia antsika loatra Andriamanitra.

Ny Lalan’ ny Maha-Mpianatra

Ry rahalahy sy rahavavy malalako, raiso ho toy ny famakafakana ny momba ny tenanareo ireto fanontaniana manaraka ireto:

Moa manana lolom-po amin’ ny hafa ve ianao?

Moa ve ianao mifosafosa, na dia mety ho marina aza ny teneninao?

Moa ve ianao manilika na manalavitra na manafay ny hafa noho ny zavatra nataon’ izy ireo?

Moa ve ianao mialona any anaty olona iray hafa?

Moa ve ianao manana faniriana hanao ratsy amin’ ny olona iray?

Raha toa ka nataonao eny ny valin’ ireo fanontaniana ireo dia mety tokony hampihatra ilay toriteny ahitana teny roa voalaza teny aloha ianao hoe: Ajanony izany!

Mora tokoa ny manangom-bato sy mitora-bato eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fifanendrikendrehana sy hasomparana. Kanefa alohan’ ny hanaovantsika izany dia aoka isika hahatsiaro ireo teny avy amin’ ilay Iray izay Tompontsika sy ohatra arahintsika: “Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.”12

Rahalahy sy rahavavy,

Aoka isika ho tsara fanahy.

Aoka isika hamela heloka.

Aoka isika hifampiresaka amim-pitiavana.

Aoka hameno ny fontsika ny fitiavan’ Andriamanitra.

“Aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra.”13

Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra, … Fa izay fatra [ampiasainareo] no hamarana ho anareo kosa.”14

Moa ve izany fampanantenana izany tsy ampy ho antsika mba hifantohana amin’ ny ezaka ataontsika hanehoana fihetsika feno hatsaram-panahy, sy famelana heloka ary fiantrana, toy izay fihetsika ratsy?

Andeha isika ho mpanara-dia an’ i Jesoa Kristy, haneho hatsaram-panahy manoloana ireo ratsy fanahy amintsika.15 Andeha isika tsy hamaly faty na hamela ny hatezerana hanenika ny fontsika.

“Fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.

“Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny. …

“Aza mety ho resin’ ny ratsy hianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.”16

Tsarovy: amin’ ny farany dia ny miantra [ihany]; … no hiantrana.17

Amin’ ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany antsika, na aiza na aiza misy antsika dia aoka isika ho fantatra amin’ ny maha olona “mifankatia”18 antsika.

Mifankatiava

Ry Rahalahy sy rahavavy, efa be loatra ireo alahelo sy fahoriana eto amin’ ity fiainana ity raha mbola ho ampiantsika di-doha, sy fankahalana ary lolompo avy amintsika indray.

Tsy lavorary isika.

Tsy lavorary toa izany koa ireo manodidina antsika.19 Manao zavatra izay mahasorena sy mahadiso fanantenana ary mahatezitra ny olona. Ho toy izany foana no hitranga eto amin’ ity fiainana an-tany ity.

Na izany aza anefa dia tokony ho esorintsika izay lolompo ao anatintsika. Anisan’ ny ao anatin’ ny tanjon’ ny fiainana eto an-tany ny hanesorana ny zavatra toy izany. Izany no fomban’ ny Tompo.

Tsarovy fa ny lanitra dia feno olona tahak’ izao: Voavela izy ireo. Ary namela heloka koa.

Apetraho eo amin’ ny Mpamonjy ny enta-mavesatrao. Aza mitsara. Avelao hanova sy hanasitrana ny fonao ny Sorompanavotan’ i Kristy. Mifankatiava. Mifamelà heloka.

Ireo miantra no hiantrana.

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ ilay Iray izay tena tia tokoa ka nanolotra ny ainy ho antsika, Izay namany—amin’ ny anarana masin’ i Jesoa ilay Kristy; amena.

Mostra riferimenti

  1.  

    1.  Almà 31:5.

  2.  

    2. Jereo ny Mosesy 5:16–32.

  3.  

    3.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9.

  4.  

    4.  Matio 5:7.

  5.  

    5. Jereo ny Romana 2:1.

  6.  

    6.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8.

  7.  

    7.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10; nampiana fanamafisana.

  8.  

    8.  Môsià 5:2.

  9.  

    9.  1 Jaona 5:3–4.

  10.  

    10.  Matio 5:44; jereo koa ny andininy 45–47.

  11.  

    11.  Efesiana 4:32.

  12.  

    12.  Jaona 8:7.

  13.  

    13.  Galatiana 6:10.

  14.  

    14.  Lioka 6:38.

  15.  

    15. Jereo ny Matio 5:39–41.

  16.  

    16.  Romana 12:19–21.

  17.  

    17. Jereo ny Matio 5:7.

  18.  

    18.  Jaona 13:35.

  19.  

    19. Jereo ny Romana 3:23.