2010–2019
Ny Herin’ ny Fanafahana
Aprily 2012


Ny Herin’ ny Fanafahana

Afaka ny ho afaka amin’ ny fomba ratsy sy ny faharatsiana isika amin’ ny alalan’ ny fitodihana any amin’ ny fampianaran’ ny soratra masina.

Manana namana iray tena akaiky ahy aho izay nandefa karavato vaovao ho ahy hanaovana mandritra ny fivoriana handraisako fitenenana, isaky ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Tena mahay mifidy izy e? Sa ahoana ny hevitrareo?

Manana olana sarotra vitsivitsy io tanora namako io. Mametra azy izany amin’ ny lafiny iray saingy amin’ ny lafiny iray dia tena mahatalanjona izy. Ohatra ny fahasahiany nandritra ny naha-misiônera azy dia azo oharina amin’ ny an’ ireo zanakalahin’ i Mosià. Ny fahatsoran’ ny finoany dia mahatonga izany ho mafy orina tsara. Mino aho fa ny tao an-tsain’ i Scott dia hoe tsy mampino izany hoe ny olon-drehetra dia tsy mpikamban’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ary ny olon-drehetra dia mbola tsy namaky ny Bokin’ i Môrmôna ary tsy manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ izany.

Mamela ahy ianareo hitantara zava-nitranga iray teo amin’ ny fiainan’ i Scott rehefa nandeha fiaramanidina irery voalohany izy mba hitsidika ny rahalahiny. Nisy namana iray teo akaikikaiky teo izay nandre ny resadresaka nifanaovan’ i Scott tamin’ ilay olona teo akaikiny:

“Manahoana! I Scott no anarako. Iza no anaranao?”

Nilaza ny anarany ilay nipetraka teo akaikiny.

“Inona no asanao?”

“Injeniera aho.”

“Tsara kosa izany. Aiza ianao no mipetraka?”

“Any Las Vegas.”

“Manana tempoly izahay any. Fantatrao ve hoe aiza ny tempolin’ ny Môrmôna any?”

“Eny! Tena tranobe mahafinaritra izany.”

“Môrmôna ve ianao?”

“Tsia.”

“Tokony ho izy mihitsy ianao. Tena fivavahana mahafinaritra izany. Efa namaky ny Bokin’ i Môrmôna ve ianao?”

“Tsia.”

“Tokony hamaky izany ianao. Boky tena tsara izany.”

Miombon-kevitra tanteraka amin’ i Scott aho—ny Bokin’ i Môrmôna dia boky tena tsara tokoa. Ny tenin’ ny Mpaminany Joseph Smith voasoratra ao amin’ ny pejy fampidirana ny Bokin’ i Môrmôna dia tena manan-danja lehibe ho ahy foana: “Nolazaiko ireo rahalahy fa ny Bokin’ i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ ny boky hafa.”

Amin’ ity taona ity mandritra ny kilasin’ ny Sekoly Alahady dia mandalina ny Bokin’ i Môrmôna isika. Rehefa miomana sy mandray anjara isika, dia enga anie isika mba harisika hanaraka ny ohatra feno fahasahiana nananan’ i Scott hizara ny fitiavantsika an’ ity soratra masina miavaka ity amin’ ireo olona hafa tsy mitovy finoana amintsika.

Ilay lohahevitra lehibe ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia ambara ao amin’ ny andininy farany ao amin’ ny toko voalohan’ ny 1 Nefia. Nanoratra i Nefia hoe: “Nefa indro, izaho Nefia dia haneho aminareo fa ny halehiben’ ny famindram-pon’ ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy na dia hatrany amin’ ny herin’ ny fanafahana aza” (1 Nefia 1:20).

Te-hiresaka mikasika ny fomba hanafahan’ ny Bokin’ i Môrmôna antsika aho, izay famindram-po malefaky ny Tompo natokany ho an’ izao andro farany izao, amin’ ny alalan’ ny fampianarana antsika ny fotopampianaran’ ny Tompo amin’ ny fomba madio sy “faran’ izay marina.”

Maro amin’ ireo tantaran’ ny Bokin’ i Môrmôna no tantara mikasika ny fanafahana. Ny niaingan’ i Lehia ho any an-tany foana niaraka tamin’ ny fianakaviany dia momba ny fanafahana tamin’ ny faharavan’ i Jerosalema. Ny tantaran’ ny Jaredita dia tantaram-panafahana, tahaka ny tantaran’ ny Miolekita. I Almà Zandriny dia nafahana tamin’ ny fahotana. Ireo zatovolahy miaramilan’ i Helamàna dia nafahana tamin’ ny ady. Nafahana tao an-tranomaizina i Nefia sy Lehia. Ny lohahevitry ny fanafahana dia tena miharihary ao anatin’ ny Bokin’ i Môrmôna iray manontolo.

Misy tantara roa tena mitovy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ary mampianatra lesona manan-danja iray. Ny voalohany dia avy amin’ ny bokin’ i Môsià, manomboka eo amin’ ny toko faha 19. Eto isika dia mianatra fa ny Mpanjaka Limia dia nonina tao amin’ ny tanin’ i Nefia. Niady tamin’ ny vahoakan’ i Limia ny Lamanita. Ny vokatry ny ady dia ny namelan’ ireo Lamanita ny Mpanjaka Limia mba hanapaka eo anivon’ ny vahoakany ihany, kanefa dia mbola ho eo ambanin’ ny ziogany izy ireo. Fiadanana tena tsy nampahazo aina izany. (Jereo ny Mosià 19–20.)

Rehefa tofoky ny fanararaotan’ ny Lamanita ny vahoakan’ i Limia, dia nandresy lahatra ny mpanjakany izy ireo mba hiady amin’ ny Lamanita indray. In-telo resy ny vahoakan’ i Limia. Enta-mavesatra tokoa no niantsorohan’ izy ireo. Farany dia nanetry tena izy ireo ary nitalaho mafy tamin’ ny Tompo mba hanafaka azy ireo. (Jereo ny Mosià 21:1–14.) Ny andininy 15 ao amin’ ny toko 21 dia milaza amintsika ny valintenin’ ny Tompo hoe: “Ary ankehitriny ny Tompo dia nitaredretra tamin’ ny fihainoana ny fitalahoany noho ny helony; na dia teo aza izany, dia nihaino ny fitalahoany ny Tompo, ary nanomboka nanalefaka ny fon’ ny Lamanita, hany ka dia nanomboka nohamaivaniny ny entany; saingy tsy hitan’ ny Tompo ny mahamety ny hanafahana azy hiala amin’ ny fanandevozana.”

Taoriana kelin’ ny nahatongavan’ i Amôna sy ireo vondron-dehilahy kely avy any Zarahemla, ary niaraka tamin’ i Gideona—iray amin’ ireo mpitarika ny vahoakan’ i Limia—dia nanamboatra drafitra izy ireo, izay nahomby, ary dia tafavoaka tamin’ ny fanararaotan’ ny Lamanita. Nitaredretra ny Tompo nihaino ny fitalahoany. Nahoana? Noho ny helok’ izy ireo.

Ny tantara faharoa dia misy itovizany amin’ ilay voalohany eo amin’ ny lafiny maro saingy samy hafa izy ireo. Ilay tantara dia voarakitra ao amin’ ny Mosià 24.

I Almà sy ny vahoakany dia nipetraka tao amin’ ny tanin’ i Helama, rehefa nanatona ny sisin-tanin’ izany tany izany ireo tafiky ny Lamanita. Nihaona izy ireo ary nitady vahaolana hisian’ ny fandriampahalemana. (Jereo ny Mosià 23:25–29.) Vetivety anefa ny mpitarika ireo Lamanita dia nanomboka nanery hanaovana ny sitrapony tamin’ ireo vahoakan’ i Almà ary nametraka enta-mavesatra teo amin’ izy ireo (jereo ny Mosià 24:8). Hitantsika ao amin’ ny andininy 13 hoe: “Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao amin’ ny fahoriany ny feon’ ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ ny famatorana.”

Nafahana teo an-tanan’ ny Lamanita ny vahoakan’ i Almà, ary afaka niverina soa aman-tsara niara-niaina tamin’ ny vahoakan’ i Zarahemla.

Inona no maha samy hafa ny vahoakan’ i Almà sy ny vahoakan’ ny Mpanjaka Limia? Mazava ho azy, fa betsaka ny fahasamihafana: ny vahoakan’ i Almà dia tia fandriampahalemana sy marin-toetra kokoa. Efa natao batisa izy ireo ary nanao fanekempihavanana tamin’ ny Tompo. Nanetry tena teo anoloan’ ny Tompo izy ireo na dia talohan’ ny fanombohan’ ny fahoriany aza. Ireo fahasamihafana rehetra ireo dia tena nahamety na naha ara-drariny ny hanafahan’ ny Tompo azy ireo haingana amin’ ny fomba feno fahagagana. Ireo soratra masina ireo dia mampianatra antsika ny herim-panafahan’ ny Tompo.

Ireo faminaniana izay efa voalaza mialoha momba ny fiainan’ i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina azy dia mampanantena antsika an’ ilay fanafahana izay homeny. Ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ ny maty dia manome antsika rehetra ny fahafahana amin’ ny fahafatesana ara-nofo, ary raha mibebaka isika, dia ho afaka amin’ ny fahafatesana ara-panahy, izay mitondra miaraka aminy ireo fitahian’ ny fiainana mandrakizay. Ny fampanantenan’ ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ ny maty, ny fampanantenan’ ny fanafahana avy amin’ ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy, dia efa nambaran’ Andriamanitra tamin’ i Mosesy rehefa niteny izy hoe: “Fa indro ny asako sy ny voninahitro—ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona” (Mosesy 1:39).

Mifanohitra amin’ ireo finoana izay narafitra tsara ho antsika ao amin’ ny soratra masina, dia hitantsika izao ireo herim-panoheran’ ny tsy finoana izay manohitra ireo finoana mitoetra hatrizay ao anatin’ ny soratra masina —soratra izay nanome antsika fitarihana tao anatin’ izay taonjato marobe izay ka mamaritra ireo soatoavina sy fitsipika mandrakizay tokony harahantsika eto amin’ ity fiainana ity. Milaza izy ireo fa ny fampianaran’ ny Baiboly dia diso ary efa lany andro ny fampianaran’ ilay Mpampianatra. Izy ireo dia manamafy fa ny olona tsirairay dia malalaka amin’ ny fametrahana izay fitsipika ho arahany. Miezaka ny manova ny zon’ ireo mpino izy ireo, izay mifanohitra amin’ ny ampianarina ao amin’ ny soratra masina sy ny tenin’ ny mpaminany.

Tena fitahiana lehibe ny manana ny tantara mikasika ny asa nanirahana ny Tompontsika sy ny Mpamonjy antsika izay ambara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna mba hanampiana vavolombelona faharoa mikasika ny fotopampianarana voalaza ao amin’ ny Baiboly. Nahoana no zava-dehibe ho an’ izao tontolo izao ny sady manana ny Baiboly no manana ny Bokin’ i Môrmôna? Mino aho fa ny valin’ izany dia hita ao amin’ ny toko faha-13 ao amin’ ny 1 Nefia. Nanoratra i Nefia hoe: “Ary niteny tamiko ilay anjely nanao hoe: Ireto rakitsoratra farany ireto, izay efa tazanao teo anivon’ ny Jentilisa [Bokin’ i Môrmôna], no hampitoetra ny fahamarinan’ iretsy voalohany iretsy [ny Baiboly] izay an’ ny apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanakondry ary hampahafantatra ny zavatra tsotra sy sarobidy izay efa nesorina tanatiny; ary hampahafantatra amin’ ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra fa ny Zanakondrin’ Andriamanitra no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao; ary ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy.” (andininy 40).

Na ny Baiboly na ny Bokin’ i Môrmôna irery dia tsy ampy. Ilaintsika Izy roa mba hampianatra antsika sy hianarantsika momba ny fotopampianarana fenon’ i Kristy. Ny filana ny iray dia tsy manamaivan-danja mihitsy ilay iray hafa. Ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna dia samy ilaina ho an’ ny famonjena sy ny fisandratantsika. Nampianatra tamin’ ny fomba mahery vaika ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Rehefa ampiasaina miaraka, ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna dia mandresy tanteraka ny fotopampianarana diso izany” (“A New Witness for Christ,” Ensign, Nôv. 1984, 8).

Hofaranako amin’ ny filazako tantara roa ny teniko—ny iray avy amin’ ny Testamenta Taloha, ary ny iray ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna—mba hanehoana fa miara-miasa tsara ireo boky ireo.

Ny tantaran’ i Abrahama dia manomboka amin’ ny fanafahana azy tamin’ ireo Kaldeana mpanompo sampy (jereo ny Genesisy 11:27–31; Abrahama 2:1–4). Izy sy ny vadiny Saraha, taty aoriana dia nafahana tamin’ ny alahelon’ izy ireo ary nahazo fampanantenana fa amin’ ny alalan’ ny taranak’ izy ireo dia ho voatahy ny firenen-drehetra eto an-tany (jereo ny Genesisy 18:18).

Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ny tantaran’ i Abrahama nitondra an’ i Lota, zana-drahalahiny niaraka taminy niala tany Egypta. Rehefa nomena ny fahafahana misafidy an’ izay tany tiany haleha i Lota dia nisafidy ny lemak’ i Jordana, nametraka ny lainy nanatrika an’ i Sodoma, izay tanànan’ ny faharatsiana lehibe (Jereo ny Genesisy 13:1–12.) Ny ankamaroan’ ny olana natrehan’ i Lota teo amin’ ny fiainany taty aoriana, ary maro izy ireo, dia nitranga vokatry ny fanapahan-keviny hametraka ny varavaran’ ny lainy hitodika any Sodoma.

I Abrahama, rain’ ny mahatoky, dia niaina fiainana hafa. Mazava ho azy fa betsaka ireo fanamby, kanefa dia fiainana feno fitahiana izany. Tsy fantatsika hoe nitodika taiza ny varavaran’ ny lain’ i Abrahama, saingy misy fanoroana lehibe ao amin’ ny andininy farany ao amin’ ny toko faha 13 ao amin’ ny Genesisy. Izay milaza hoe: “Ary Abrama [na Abrahama] nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.” (Genesisy 13:18).

Na dia tsy fantatro aza, dia mino manokana aho fa ny varavaran’ ny lain’ i Abrahama dia nanatrika ny alitara izay natsangany ho an’ ny Tompo. Ahoana no ahafahako milaza izany? Satria fantatro ny tantara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna momba ny torolalan’ ny Mpanjaka Benjamina ho an’ ny vahoakany rehefa nivory mba hihaino ny lahateny farany nataony izy ireo. Nampianatra azy ireo ny Mpanjaka Benjamina mba hampanatrika ny varavaran’ ny lain’ izy ireo any amin’ ny tempoly (jereo ny Mosià 2:1–6).

Afaka ny ho afaka amin’ ny fomba ratsy sy ny faharatsiana isika amin’ ny alalan’ ny fitodihana any amin’ ny fampianaran’ ny soratra masina. Ny Mpamonjy no Mpanafaka Lehibe, satria manafaka antsika amin’ ny fahafatesana sy ny fahotana Izy (jereo ny Romana 11:26; 2 Nefia 9:12).

Manambara aho fa i Jesoa no Kristy ary afaka ny hanakaiky Azy isika amin’ ny alalan’ ny famakiana ny Bokin’ i Môrmôna. Ny Bokin’ i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy. Ny testamenta voalohan’ ny Mpamonjy antsika dia ny Testamenta Taloha sy Vaovao—na ny Baiboly.

Averiko indray, aoka isika hahatsiaro ilay namaritan’ ny namako Scott ny Bokin’ i Môrmôna hoe: “Boky tena tsara izany.” Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny hatsaran’ ny Bokin’ i Môrmôna amin’ ny ankapobeny dia avy amin’ ny firindran’ izany amin’ ny Baiboly Masina, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.