2010–2019
Ny Hazakazaky ny Fiainana
Aprily 2012


Ny Hazakazaky ny Fiainana

Avy aiza isika? Maninona eto? Ary handeha ho aiza aorian’ ity fiainana ity? Tsy voatery tsy ahitam-baliny ireo fanontanian’ izao tontolo izao ireo.

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, anio maraina aho dia te-hiresaka aminareo mikasika ireo fahamarinana mandrakizay—ireo fahamarinana izay hampivoatra ny fiainantsika ary hafahantsika ho tafaverina soa aman-tsara any an-tranontsika.

Na aiza na aiza dia maika daholo ny olona. Mifamezivezy faingana ny fiaramanidina mitondra ireo olona sarobidy mpandehany hamakivaky ireo kaontinanta mivelatra sy ranomasimbe midadasika mba hahafahana manatrika ireo fivoriana fandraharahana, mamita adidy, mankafy fialan-tsasatra na mamangy fianakaviana. Ireo lalambe na aiza na aiza—ao anatin’ izany ireo lalambe mirazotra—dia lalovan’ ireo fiara an-tapitrisany, hifamezivezen’ ireo olona an-tapitrisany maro kokoa noho izany, ao anatin’ ny henjikenjika toa tsy misy fiafarana ary noho ny antony maro samihafa eo am-pamonjentsika ny asa aman-draharaha isan’ andro.

Ao anatin’ izany hazakazaka faingan’ ny fiainana izany dia moa mba maka fotoana ve isika hisaintsainana—an’ ireo fahamarinana mandrakizay?

Rehefa ampitahaina amin’ ireo fahamarinana mandrakizay ny ankamaron’ ireo fanontaniana sy ahiahy mahakasika ny fiainana andavanandro dia tena tsy misy lanjany mihitsy. Inona no ho atao laoka rahariva? Inona no loko tokony handokoana ny efitrano fandraisam-bahiny? Tokony ho ampidirina amin’ ny ekipa mpilalao baolina kitra ve i Johnny sa tsia? Ireo fanontaniana ireo sy ireo maro hafa tsy voatanisa koa dia tsy manan-danja rehefa mitranga ny fotoan-tsarotra, rehefa iharam-boina ireo olon-tiana, rehefa tonga tampoka ny aretina, rehefa mihombo tanteraka ny aretina ka mandondom-baravarana rafahafatesana. Mifantoka kokoa ny saintsika ary afaka mamaritra mora kokoa isika hoe inona no tena manan-danja ary inona no ambikambin-javatra.

Vao haingana aho no namangy vehivavy iray izay niatrika aretina mahafaty nandritra ny roa taona mahery izay. Nilaza izy fa talohan’ ny narariany dia feno foana ny fotoanany tamin’ ny fanaovany asa toy ny fanadiovany ny tranony arak’ izay lafatra indrindra ary fandravahany izany amin’ ireo entana tsara tarehy. Nankany amin’ ny mpanao volo indroa isan-kerinandro izy ary nandany vola sy fotoana isam-bolana mba hividianana akanjo vaovao fanampiny. Mahalana no namangy azy ny zafikeliny satria manahy hatrany izy sao ho vaky na ho simbain’ ireo tanana kely tsy miraharaha zavatra ireo fananany izay noheveriny hoe sarobidy.

Avy eo dia nandray ilay vaovao manafintohina izy izay nilaza fa notandindomin-doza ny ainy ary mety efa vitsivitsy sisa ny andro iainany eto an-tany. Nilaza izy fa tamin’ ny fotoana nandrenesany ny valim-panadihadian’ ny dokotera dia fantany avy hatrany fa handany ny fotoana sisa ananany iarahana amin’ ny fianakaviany sy ny namany izy ary hanao ny filazantsara ho ivon’ ny fiainany, satria ireo no sarobidy indrindra aminy.

Ny fotoana mampahiratra toy izany dia mitranga eo amintsika rehetra amin’ ny fotoana iray na amin’ ny fotoana hafa, na dia tsy voatery ho amin’ ny toe-java-mahory hatrany aza izany. Hitantsika amin’ izay hoe inona no tena manan-danja eo amin’ ny fiainantsika ary ahoana no fomba tokony iainantsika.

Hoy ny Mpamonjy:

“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra:

“Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra:

“Fa izay itoeran’ ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”1

Mandritra ny fotoana lalina hisaintsainantsika na ilantsika vahaolana goavana dia manakatra mankany an-danitra ny fanahin’ ny olona, mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra mikasika ireo fanontaniana lehibe eto amin’ ny fiainana: Avy aiza isika? Maninona eto? Ary handeha ho aiza aorian’ ity fiainana ity?

Ny valin’ ireo fanontaniana ireo dia tsy hita ao anatin’ ny boky fianarana any amin’ ny oniversite, na amin’ ny fikarohana amin’ ny alalan’ ny Internet. Ireo fanontaniana ireo dia mihoatra ny fahatakaran’ ny olombelona ny fiainana an-tany. Mahakasika ny mandrakizay izy ireo.

Avy aiza isika? Ity fanontaniana ity dia tsy maintsy efa mandalo ao an-tsain’ ny olombelona tsirairay, raha tsy mbola notononiny.

Nilaza tamin’ ireo Ateniana ny apôstôly Paoly teo amin’ ny Havoan’ i Mars fa “terak’ Andriamanitra isika.”2 Noho ny fahafantarantsika fa naterak’ ireo ray aman-dreny mety maty ny vatantsika dia tsy maintsy mikatsaka ny tena tian’ ny Paoly holazaina isika. Nanambara ny Tompo fa “ny fanahy sy vatana no atao hoe olona velona.”3 Noho izany dia ny fanahy no naterak’ Andriamanitra. Nantsoin’ ny mpanoratra an’ i Hebreo hoe “Rain’ ny fanahy”4 Izy. Ara-bakiteny izany dia “ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavav[iny]”5 ny fanahin’ ny olombelona rehetra.

Hitantsika fa nisy ireo mpahaitononkalo nentanim-panahy no nanoratra hafatra manainga fanahy sy nirakitra fomba fisainana mahatalanjona, mba handalinantsika izany lohahevitra izany. Noraketin’ i William Wordsworth an-tsoratra ny fahamarinana:

Ny fahaterahantsika dia toy ny torimaso hanadinoana ny taloha;

Ny Fanahy ao anatintsika dia toy iroa kintana iroa,

Izay efa nisy talohan’ ny fiainana an-tany,

Ary tonga avy any lavitra any:

Tsy nanadino ny zava-drehetra isika akory,

Ary mba efa niomana koa,

Satria misy sombin-danitra anatintsika tsy matory

Avy amin’ Andriamanitra, izay fonenana soa:

Tsy lavitra ny lanitra raha mbola zaza isika!6

Misaintsaina ireo andraikiny amin’ ny fampianarana, sy fanentanam-panahy ary fanomezana fitarihana sy fanehoana ohatra ho an’ ireo zanany ny ray aman-dreny. Ary raha mandinika ireo ray aman-dreny dia ireo ankizy kosa—indrindra ireo tanora—dia mametraka ity fanontaniana lalina ity: “Maninona eto isika?” Matetika izany ao anatin’ ny fanahy mangina ao ary manao hoe: “Maninona eto aho?”

Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika fa nisy Mpahary namorona tany ary nametraka antsika ety, niaraka tamin’ ny voalin’ ny tsy fahatsiarovana ny fiainana niainantsika taloha mba hahafahantsika mandalo fotoam-pisedrana, fotoana hanaporofoantsika ny tenantsika, ka hahafahantsika ho mendrika handray ny zava-drehetra izay nomanin’ Andriamanitra ho raisintsika.

Mazava be fa ny tanjona fototra iray ho an’ ny fisiantsika eto an-tany dia ny hahazo vatana nofo sy taolana. Nomena antsika ihany koa ny fanomezan’ ny fahafahana misafidy. Amin’ ny endriny maro, dia afaka misafidy ho an’ ny tenantsika isika. Eto no ianarantsika avy amin’ ireo traikefa manahirana eo amin’ ny fiainantsika. Afaka mamantatra ny tsara sy ny ratsy isika. Mahay manavaka ny mangidy sy ny mamy koa. Hitantsika fa misy vokany mifandray amin’ ny asa ataontsika.

Amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia afaka ny ho tafiditra ao amin’ ilay “trano” noresahin’ i Jesoa isika raha nilaza Izy hoe: “Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro. … handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho … ka izay itoerako no hitoeranareo koa.”7

Na dia tonga teto an-tany “tanatin’ ny rahona feno voninahitra” aza isika dia mandroso tsy azo ivalozana hatrany ny fiainana. Manaraka ny fahazazana ny fahatanorana ary avy eo ny fahamatorana na dia tsy tsikaritra loatra aza. Avy tamin’ ireo zavatra niainana no nianarantsika ny antony ilana ny fanampiana avy any an-danitra eo am-pandiavantsika ny fiainana.

Nasian’ Andriamanitra, Raintsika, sy i Jesoa Kristy, marika ny lalana mankany amin’ ny fahatanterahana. Miantso antsika mba hanaraka ireo fahamarinana mandrakizay izy ireo ary ho tanteraka tahaka Azy ireo.8

Noharin’ ny Apôstôly Paoly tamin’ ny hazakazaka manana tanjona voafaritra mazava tsara ny fiainana. Nampitandrina ireo Hebreo izy nanao hoe: “Aoka isika koa hanaisotra … ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.”9

Aoka tsy tsinontsinoavintsika, ao anatin’ ny zotom-pontsika ity torohevitra feno fahendrena avy amin’ ny Mpitoriteny ity: “Fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady.”10 Raha ny marina, dia ho an’ ireo izay maharitra hatramin’ ny farany tokoa ny valisoa.

Rehefa misaintsaina ny hazakazaky ny fiainana aho dia tsaroako ny karazan’ ny hazakazaka iray hafa, izay nataoko tamin’ ny andron’ ny fahazazako. Manao sambo kely vita amin’ ny rantsan-kazo malemin’ ny hazo malahelo izaho sy ny namako. Rehefa avy nasiana lamba landihazo manana endrika telolafy ireo sambokely voasokitra dia nalatsakay tanatin’ ny Renirano misamboaravoaran’ i Provo Utah mba hifaninana. Mihazakazaka manaraka ny sisin’ ny renirano izahay, mijery ireo sambokely indraindray toa milentika anatin’ ny fikorian’ ny rano ary amin’ ny fotoana hafa mikoriana amim-pahatoniana rehefa miha-lalina ny rano.

Nandritra ny fifaninanana manokana tahaka izany dia tsikaritray fa mitarika ireo sambo kely rehetra hahatratra ny tanjona farany ny sambo iray. Tampotampoka teo dia nosintonin’ ny fisamboaravoaran’ ny rano hanatona ranomody iray midadasika ireo sambo, ary dia nipitika tery amin’ ny lafiny tery. Nihananalavitra tsikelikely izany ary tsy afaka niverina teny amin’ ny fikorian’ ny rano tam-boalohany intsony. Nony farany dia namonjy morony teny amin’ ny sisiny ilay izy, tery anivon’ ireo sasany nanodidina azy efa rotidrotiky ny fitopatopazana, ary hazonin’ ireo vatokely anaty rano mafy ka tsy mihetsika intsony.

Ilay sambo kilalao fony fahazaza dia tsy nanana rafitra ifotorana ahafahana mitombina tsara, tsy nanana familian-tsambo ahazoana tari-dalana ary tsy nanana loharanon-kery. Mazava ho azy fa manaraka ny fikorian’ ny rano ny lalan-kalehany—ny lalan’ ny manara-drenirano.

Tsy mba toy ireo sambokely ireo kosa isika fa nomena toetra araky ny an’ Andriamanitra mba hitarika antsika amin’ ny diantsika. Rehefa tonga teto amin’ ny fiainana an-tany isika dia tsy mitopatopa manaraka ny onjan’ ny fiainana akory fa manana hery entina mieritreritra, hisainana ary hanatratrarana tanjona iray.

Tsy nalefan’ ny Ray any an-danitra eto amin’ ity dia mandrakizay ity ka tsy nomeny fitaovana izay ahafahantsika mandray fitarihana avy any ambony akory isika izay ahazoana antoka fa hahatafaverina antsika any soa aman-tsara. Ny vavaka no tiako horesahina. Ilay bitsika avy amin’ ny feo tony sy malefaka ihany koa no tiako horesahina. Ary tsy hadinoko ny soratra masina izay mitahiry ny tenin’ ny Tompo sy ny tenin’ ireo mpaminany—nomena antsika mba hahitana fahombiazana amin’ ny fandinganana ilay tanjona farany.

Misy fotoana eo amin’ ny sombin-dalan’ ny fiainantsika izay ahatsapana fisalasalana eo amin’ ny dingana atao, faharerahana eo amin’ ny fitsikiana, fanaintainana noho ny aretina—isan’ izany ny fiafaran’ ny fahatanorana, ny fahatongavan’ ny fahamatorana, ny fanatonana amin’ ny fahanterana ary ny fandalovana amin’ ny rafahafatesana.

Ny olon-drehetra izay manan-tsaina dia samy efa nametraka ity fanontaniana nolazain’ i Joba fahiny ity, manao hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”11 Na dia miezaka ny hanala izany fanontaniana izany ao an-tsaintsika aza isika dia toa miverina hatrany izany. Mihatra amin’ ny olombelona rehetra ny fahafatesana. Mifaoka ireo antitra eo am-pandehanany amim-pihozongozonana izany. Miantraika amin’ ireo mbola vantombantony eo amin’ ny fiainana koa ny antsony ary indraindray manapaka tampoka ny hehin’ ireo ankizy madinika koa.

Kanefa inona no zava-misy aorian’ ny fahafatesana? Moa ny fahafatesana va ny farany? Tao amin’ ny boky nosoratan’ i Robert Blatchford hoe God and My Neighbor dia nokianiny mafy ireo zavatra iaraha-manaiky izay inoan’ ny Kristiana toy ny Andriamanitra, i Kristy, ny vavaka ary indrindra ny tsy fahafatesana. Nilaza tamim-pahasahiana izy fa ny fahafatesana no fiafaran’ ny fisiantsika ary tsy misy olona afaka manaporofo ny mifanohitra amin’ izany. Kanjo nisy zavatra nahavariana nitranga. Rava tampoka teo ilay rindrin’ ny tsy finoany ny zavatra izay eken’ ny rehetra. Nihanjahanja teo ary tsy nanan-kavaly izy. Nanomboka niverina tsikelikely tamin’ ny finoana izay nalany baraka sy nialany izy. Inona no nahatonga izany fiovana teo amin’ ny fomba fijeriny izany? Maty ny vadiny. Tao anatin’ ny ratram-po no nidirany tao amin’ ilay efitrano izay nampandriana ny vata-mangatsiakan’ ny vadiny. Nanopy maso indray tamin’ ilay endrika tena ankafiziny izy. Rehefa nivoaka avy tao izy dia niteny tamin’ ny namany hoe: “Izy no ao nefa toa tsy izy. Niova ny zava-drehetra. Nisy zavatra izay tao aminy teo aloha izay tsy ao intsony. Tsy toy ilay teo aloha intsony izy. Inona no tsy eo raha tsy ny fanahy?”

Nanoratra izy taty aoriana hoe: “Tsy araky ny eritreretin’ ny olona sasany ny fahafatesana. Tahaka ny fidirana amin’ ny efitrano iray hafa fotsiny izany. Ao anatin’ izany efitrano izany no ahitana … ireo lehilahy sy vehivavy malalantsika ary zanaka mamintsika izay tiantsika ary efa nandao antsika.”12

Ry rahalahy sy ranabaviko, fantatsika fa tsy ny fahafatesana no farany. Izany fahamarinana izany dia efa nampianarin’ ireo mpaminany velona nandritra ireo vanimpotoana rehetra. Hitantsika ao amin’ ny soratra masina koa izany. Ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia mamaky teny manokana mitondra fampiononana isika:

“Ankehitriny, raha ny momba ny toetry ny fanahy eo anelanelan’ ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ ny maty—Indro, izany dia efa nampahalalain’ ny anjely iray ahy, satria ny fanahin’ ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ity vatana mety maty ity, eny, ny fanahin’ ny olon-drehetra, na tsara izy na ratsy, dia entina mody any amin’ Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.

“Ary amin’ izany ny zavatra hitranga, ny fanahin’ ireo izay marina dia raisina ao amin’ ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.”13

Taorian’ ny nanomboana ny Mpamonjy sy nametrahana ny vatan’ i Jesoa tao am-pasana nandritra ny telo andro dia niditra tao amin’ ny vatany indray ny fanahiny. Nikodia ny vato ary nivoaka nandeha ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ ny maty, nitafy ny vatana nofo sy taolana tsy mety maty.

Fantatra ny valin’ ny fanontanian’ i Joba nanao hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” rehefa nanatona ny fasana i Maria sy ireo hafa ary nahita lehilahy roa mitafy akanjo lava midorehitra izay nilaza hoe: “Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.”14

Vokatry ny fandresen’ i Kristy ny fasana dia hitsangana amin’ ny maty isika rehetra. Izany no fanavotana ny fanahy. Nanoratra i Paoly hoe: “Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny ety an-tany.”15

Ilay fanjakana selestialy no katsahintsika rehetra. Ny hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra no iriantsika. Te-hiaraka eo anivon’ ny fianakaviana mandrakizay isika. Ireo fitahiana ireo dia azo avy amin’ ny alalan’ ny fiainana feno ezaka, sy fikatsahana, ary farany fahombiazana.

Avy aiza isika? Maninona eto? Ary handeha ho aiza aorian’ ity fiainana ity? Tsy voatery tsy ahitam-baliny ireo fanontanian’ izao tontolo izao ireo. Amin’ ny foko manontolo sy amim-panetren-tena no ilazako fa marina ireo zavatra noresahiko teo ireo.

Mifaly amin’ ireo izay mitandrina ny didiny ny Raintsika any an-danitra. Sahiran-tsaina ny amin’ ilay zanany very koa Izy, ny amin’ ilay zatovo tsy miraika hanaraka ny lalana, ny amin’ ilay tanora nania, ary ny amin’ ireo ray aman-dreny tsy tompon’ andraikitra. Miresaka am-pitiavana amin’ ireo ny Mpampianatra ary ho antsika rehetra koa, manao hoe: “Miverena. Miakara. Mandrosoa. Modia. Mankanesa atỳ amiko.”

Hankalaza ny Paska isika afaka herinandro. Hitodika any amin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy, sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ ny maty ny eritreritsika. Amin’ ny maha-vavolombelony manokana ahy dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona Izy ary miandry ny fiverenantsika amim-boninahitra. Ny mba ho tahaka izany ny fiverenantsika, izany no vavaka ataoko amim-panetrentena amin’ ny anarany masina—dia i Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.