2010–2019
Ny Fahitan’ ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana : Finoana, Fianakaviana, Fanampiana
Aprily 2012


Ny Fahitan’ ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana: Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Finoana, fianakaviana, ary fanampiana—ireo teny tsotra telo ireo dia lasa maneho ny fahitan’ ireo mpaminany mikasika an’ ireo rahavavy ao amin’ ny Fiangonana.

Tao anatin’ izay taona vitsivitsy lasa izay dia natosiky ny Fanahy hiresaka matetika momba ny Fikambanana Ifanampiana aho—ireo tanjony, ireo toetra mampiavaka azy1, ny lanjan’ ny tantarany,2 ny asany, ny fiarahany miasa amin’ ireo eveka sy ireo kôlejin’ ny Fisoronana Melkizedeka.3 Toa zava-dehibe ankehitriny ny hifantohana kely amin’ ny fahitan’ ireo mpaminany ny Fikambanana Ifanampiana.4

Toy ny nampianaran’ ireo mpaminanin’ ny Tompo an’ ireo loholona sy ireo mpisorona avo mikasika ny tanjony sy ny adidy dia nizara ny fahitan’ izy ireo mikasika ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo. Raha jerena ny torohevitra nomen’ izy ireo dia mazava fa ny tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan-toetran’ ny tena manokana, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary hitady sy hanampy an’ ireo izay mila fanampiana. Finoana, fianakaviana, ary fanampiana—ireo teny tsotra telo ireo dia lasa maneho ny fahitan’ ireo mpaminany mikasika an’ ireo rahavavy ao amin’ ny Fiangonana.

Nanomboka tamin’ ny Famerenana tamin’ ny laoniny, dia nozarain’ ireo mpaminany ny fahitan’ izy ireo vehivavy matanjaka sy mahatoky ary manana tanjona, izay mahatakatra ny lanjany sy ny tanjony mandrakizay. Rehefa nanorina ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith, dia nomeny torolalana ny filohan’ izany voalohany mba “hiahy ilay fikambanana amin’ ny alalan’ ny fikarakarana ny mahantra—hikarakara izay ilainy, ary hisahana ireo raharaha isan-karazany ao anatin’ ilay fikambanana.”5 Ilay fikambanana dia nalainy sary an-tsaina ho toy ny “fikambanana miavaka izay manalavitra ny faharatsiana rehetran’ izao tontolo izao.”6

I Brigham Young, izay Filohan’ ny Fiangonana faharoa dia nanome torolalana ny mpanolotsainy sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo mba hitarika ireo eveka “hamela [ireo rahavavy] hanorina Fikambanana Ifanampiana ho an’ ny Vehivavy any amin’ ny paroasy maro.” Nanampy izy hoe: “Mety hisy hieritrerira hoe zavatra tsy manan-danja izany saingy tsy izany velively.”7

Taty aoriana dia nilaza ny Filoha Joseph F. Smith fa ny Fikambanana Ifanampiana izay “avy amin’ Andriamanitra sy nahazo alalana avy amin’ Andriamanitra ary naorin’ Andriamanitra sy tendrin’ Andriamantira”8 dia mifanohitra amin’ ny fikambanan’ izao tontolo izao izay “naorin’ ny lehilahy na naorin’ ny vehivavy.” Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nilaza tamin’ ireo rahavavy fa izy ireo dia “nomena hery sy fahefana hanao zavatra lehibe maro.”9 Hoy izy hoe: “Ianareo dia mpikambana ao amin’ ny fikambanam-behivavy lehibe indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Izany fikambanana izany dia ampahan-javatra tena lehibe ao anatin’ ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ary naorina sy nampiasaina amin’ ny fomba iray mba hanampiana ireo mpikambana mahatoky hahazo ny fiainana mandrakizay any amin’ ny fanjakan’ ny Raintsika.”10

Hery Mitarika izay Mivelatra

Isan-taona dia rahavavy sy zatovovavy an’ arivony no lasa tafiditra ao anatin’ izany “fiaraha-monin’ ny vehivavy” izay tsy mitsahatra mitombo izany.11 Aorian’ izany dia na aiza na aiza ipetrahan’ ny rahavavy iray ary na aiza na aiza toerana hanompoany dia mitoetra ho mpikambana sy mandray anjara foana ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana izy.12 Noho ny tanjona manan-danjan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia naneho ny faniriany mba hanombohan’ ireo zatovovavy ny fiomanany hiditra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana mialoha lavitra ny hahafeno azy ireo 18 taona ny Fiadidiana Voalohany.13

Ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy fandaharan’ asa iray. Ampahany ôfisialy iray ao anatin’ ny Fiangonan’ ny Tompo izany, izay “notendren’ Andriamanitra” mba hampianatra sy hanentana ny fanahin’ ireo rahavavy hanatanteraka ny tanjony mikasika ny finoana sy ny fianakaviana ary ny fanampiana. Ny Fikambanana Ifanampiana dia fomba fiainana ho an’ ny vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany ary ny hery mitarika ao anatiny dia mihoatra lavitra ny fotoam-pianarana Alahady na ny fiaraha-mientana. Izany dia manaraka ny lamin’ ireo mpianatra vehivavy izay nanompo an’ i Jesoa Kristy Tompo sy ny Apôstôliny tao anatin’ ny Fiangonany Fahiny.14 Nampianarina isika fa “adidin’ ny vehivavy iray ny mampiditra ao anatin’ ny fiainany ireo soatoavina izay voizina ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana toy ny maha adidy ho an’ ny lehilahy ny mampiditra ao anatin’ ny fiainany ireo karazan-toetra izay voizina ao anatin’ ny fisoronana.”15

Rehefa nanorina ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra an’ ireo rahavavy izy fa izy ireo dia natao “hanampy ny mahantra” sy “hamonjy fanahy.”16 Ao anatin’ ilay andraikitr’ izy ireo “hamonjy fanahy,” dia nomena alalana ireo rahavavy mba hanorina vondrona iray lehibe misy hery mitarika ary handray anjara ao anatin’ izany. Ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana voalohany dia natokana mba hamelabelatra ny soratra masina ary ny Fikambanana Ifanampiana dia mbola mitazona andraikitra manan-danja eo amin’ ny fampianarana ao amin’ ny Fiangonan’ ny Tompo. Rehefa nolazain’ i Joseph Smith ireo rahavavy fa ny Fikambanana Ifanampiana dia hanomana azy ireo hahazo “ireo tombontsoa sy fitahiana ary fanomezana avy amin’ ny fisoronana,”17 dia nisokatra ho azy ireo ny asa famonjen’ ny Tompo. Ny famonjena fanahy dia ahitana ny fizarana ny filazantsara sy ny fandraisana anjara amin’ ny asa fitoriana. Izany dia ahitana ny firotsahana amin’ ny asa atao any amin’ ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaran’ ny fianakaviana. Izany dia ahitana ny fanaovana izay zavatra rehetra azo atao mba hizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo.

Ny Loholona John A. Widtsoe dia nanambara fa ny Fikambanana Ifanampiana dia “manamaivana ny fahantrana, manamaivana ny aretina, manamaivana ny ahiahy ary manamaivana ny tsy fahalalana—manamaivana an’ ireo zavatra rehetra izay manakantsakana ny fifalian’ ny vehivavy sy ny fivoarany. Tena asa mahafinaritra izany!”18

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampitaha ny Fikambanana Ifanampiana amin’ ny “rindrina miaro iray.”19 Ilay andraikitra mba hiaro ireo rahavavy sy ny fianakaviany dia mampitombo ny lanjan’ ny fikarakarana sy ny fanompoana ao anatin’ ny famangiana isan-tokantrano ary izany dia fampisehoana ny fahavononantsika hahatsiaro ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ ny Tompo. Amin’ ny maha-“mpikarakara ny sahirana sy ny marofy” antsika dia miara-miasa tsara amin’ ny eveka isika mba hikarakarana ireo zavatra ara-nofo sy ara-panahy ilain’ ireo Olomasina.20

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Maro ireo rahavavy no misaringo-borodamba— misaringo-borodamba ara-panahy. Tokony hanana akanjo lava tsara tarehy izy ireo, akanjo lava ara-panahy. … Tombontsoa ho antsika ny mandeha any amin’ ireo tokantrano, dia manolo an’ ireo vorodamba amin’ ny akanjo lava.”21 Nizara ity fomba fahitan-javatra ity ny Filoha Harold B. Lee. Hoy izy hoe: “Tsy hitanareo ve ny antony nanomezan’ ny Tompo andraikitra ny Fikambanana Ifanampiana mba hamangy an’ ireo tokantrano ireo? Satria ankoatry ny Mpamonjy dia tsy misy afa-tsy izy ireo ato amin’ ny Fiangonana izay manana hatsaram-panahy mahasarika bebe kokoa sy manana fahatakarana an-tsaina an’ izay miseho ao am-po sy izay miseho eo amin’ ny fiainan’ ireo olona tsirairay ireo.”22

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampitandrina an’ ireo rahavavy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo mpitarika azy ireo rehefa nilaza fa izy dia tsy te “hahita mihitsy fotoana hoe ireo ao anatin’ ny Fikambanana Ifanampiantsika dia hanara-drenirano na hifangaroharo amin’ ny hafa na tsy hanana ny maha izy azy amin’ ny alalan’ ny fifangarongaroana amin’ ireo … fikambanana naorim-behivavy.” Izy dia nanantena an’ ireo rahavavy “mba hitarika an’ izao tontolo izao ary … indrindra indrindra ireo vehivavin’ izao tontolo izao any amin’ izay zavatra rehetra izay mendrim-piderana, izay zavatra rehetra mifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, izay zavatra rehetra manome hery sy manadio ny zanak’ olombelona.”23 Ny toroheviny dia manamafy ilay adidy miompana amin’ ny fanesorana ao anatin’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo fomban-drazana, lohahevitra sy fanarahana ny fankafizana zava-baovaon’ izao tontolo izao sy ny zavatra ironan’ ny fiaraha-monina ary mampiditra ireo fomba fanao izay mifanaraka amin’ ny tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana.

Ireo mpitarika izay mikatsaka fanambarana dia manome antoka fa ny fivoriana rehetra, ny lesona rehetra, ny fampianarana rehetra, ny fiaraha-mientana rehetra ary ny ezaka rehetra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana dia manatanteraka ireo tanjona nanorenana an’ izany. Ilay fifaneraserana sy finamanana ary firaisan-kina iriantsika dia ho vokatra tsara avy amin’ ny fiarahantsika manompo amin’ ny Tompo ao anatin’ ny asany.

Manatontosa ny Fahitan’ ireo Mpaminany

Ny Filoha Thomas S. Monson sy ireo mpanolotsainy, vao haingana, dia nijoro ho vavolombelona “fa ny Tompo dia namerina tamin’ ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsara tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith ary ny Fikambanana Ifanampiana dia ampahan-javatra manan-danja ao anatin’ izany famerenana amin’ ny laoniny izany.” Ho porofon’ ny fanirian’ izy ireo mba hiarovana ilay “lova lehiben’ ny” Fikambanana Ifanampiana dia vao haingana ny Fiadidiana Voalohany no namoaka sy nampiely nanerana an’ izao tontolo izao ny boky Filles dans mon Royaume: L’ histoire et l’ oeuvre de la Société de Secours. Ao anatin’ ireo pejin’ ireo boky ireo isika dia afaka mahita ireo lamina sy ohatra mikasika ny fiaraha-miasan’ ny rahavavy sy rahalahy ao anatin’ ny fianakaviana sy ny Fiangonana, ary afaka mianatra ireo fitsipika momba ny hoe iza moa isika, inona no inoantsika ary inona no tokony harovantsika. Namporisihan’ ny Fiadidiana Voalohany isika mba handalina izany boky manan-danja izany ary “hamela an’ ireo fahamarinana tsy manam-petra sy ohatra manentana ny fanahy ao anatiny mba hitarika ny fiainan[tsika].”24

Rehefa mifanaraka kokoa amin’ ireo tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana ny toetran’ ireo rahavavy, dia ho tanteraka ny fahitan’ ireo mpaminany. Hoy ny Filoha Kimball hoe: “Misy hery ao anatin’ ity rafitry ny [Fikambanana Ifanampiana] ity izay tsy mbola nampiasaina tanteraka mba hanamafisan’ orina ny tokantranon’ i Ziona sy hanorenana ny Fanjakan’ Andriamanitra—ary tsy ho ampiasaina tanteraka izany raha tsy efa samy mahatakatra ny hery ananan’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy sy ny fisoronana.”25 Naminany izy fa “ny ankamaroan’ ny firoboroboana lehibe izay hitranga ao amin’ ny Fiangonana amin’ ny andro farany dia hitranga satria ho maro dia maro amin’ ireo vehivavy tsara eto amin’ izao tontolo izao (izay ahitana toetra tsara ara-panahy foana any anatiny) no ho voasarika ho mpikamban’ ny Fiangonana. Izany dia hitranga ary ho tonga hatrany amin’ ny hoe ireo vehivavin’ ny Fiangonana … dia hita fa miavaka sy samy hafa—amin’ ny vehivavin’ izao tontolo izao—amin’ ny fomba mahafaly.”26

Feno fankasitrahana noho ny fahitan’ ireo mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana aho. Izaho toa ny Filoha Gordon B. Hinckley, “dia resy lahatra fa tsy misy fikambanana hafa na aiza na aiza izay mitovy amin’ ity Fikambanana Ifanampian’ ny Fiangonana ity.”27 Andraikitsika ankehitriny ny mampifanaraka ny toetrantsika amin’ ny fahitan’ ireo mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mikatsaka ny hampitombo ny finoana sy hanamafy orina ny fianakaviana ary hanome fanampiana isika.

Faranako amin’ ny tenin’ ny Filoha Lorenzo Snow izany izay manao hoe: “Feno fampanantenana ny hoavin’ ny Fikambanana [Ifanampiana]. Rehefa mitombo ny Fiangonana dia hivelatra torak’ izany koa ny filana azy ary hitondra soa bebe kokoa aza izany noho ny teo aloha.”28 Hoy izy tamin’ ireo rahavavy izay manampy amin’ ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra hoe: “Satria nandray anjara tamin’ ity asa ity ianareo dia azo antoka fa hahazo anjara amin’ ny fahombiazan’ ity asa ity ianareo sy hahazo anjara amin’ ny fisandratana sy ny voninahitra izay homen’ ny Tompo an’ ireo zanany mahatoky.”29 Izany fahitana izany koa no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Julie B. Beck, “Fulfilling the Purpose of Relief Society,” Liahona, Nôv. 2008, 108–11.

  2. Jereo ny Julie B. Beck, BYU Women’s Conference address (Apr. 29, 2011), http://ce.byu.edu/cw/womensconference/archive/2011/pdf/JulieB_openingS.pdf; Julie B. Beck, “What I Hope My Granddaughters (and Grandsons) Will Understand about Relief Society,” Liahona, Nôv. 2011, 109–13; Julie B. Beck, “Relief Society: A Sacred Work,” Liahona, Nov. 2009, 110–14.

  3. Jereo ny Julie B. Beck, “Why We Are Organized into Quorums and Relief Societies” (lahateny natao nandritra ny fivoriam-bavaka tao amin’ ny Brigham Young University, 17 Jan 2012), speeches.byu.edu.

  4. Ity hafatra dia tsy fizarana amin’ ny antsipiriany ireo fanambarana nataon’ ny mpaminany momba ny Fikambanana Ifanampiana. Sombiny fotsiny amin’ ireo fahitany sy ny torolalany izany. Ny Filles dans mon Royaume: L’ histoire et l’ oeuvre de la Société de Secours, ireo tatitra mikasika ny fihaonambe, ary ireo boky hafan’ ny Fiangonana dia ahitana fampianarana maro mikasika io lohahevitra io.

  5. Joseph Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume: L’ histoire et l’ oeuvre de la Société de Secours (2011), 13.

  6. Joseph Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 15.

  7. Brigham Young, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 41.

  8. Joseph F. Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 65–66.

  9. Joseph Fielding Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume,142.

  10. Joseph Fielding Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 97.

  11. Boyd K. Packer, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 85.

  12. Jereo ny Boyd K. Packer, “The Circle of Sisters,” Ensign, Nôv. 1980, 110.

  13. Jereo ny First Presidency letters, 19 Mar. 2003, sy 23 Feb. 2007.

  14. Jereo ny Filles dans mon Royaume, 3–6.

  15. Boyd K. Packer, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 16.

  16. Joseph Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 17.

  17. Joseph Smith, ao amin’ ny History of the Church, 4:602.

  18. John A. Widtsoe, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 25.

  19. Boyd K. Packer, “The Circle of Sisters,” Ensign, Nôv. 1980, 110.

  20. Joseph Fielding Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 142.

  21. Spencer W. Kimball, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 117.

  22. Harold B. Lee, “The Place of Relief Society in the Welfare Plan,” Relief Society Magazine, Des. 1946, 842.

  23. Joseph F. Smith, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 66.

  24. The First Presidency, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, ix.

  25. Spencer W. Kimball, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 142.

  26. Spencer W. Kimball, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 95.

  27. Gordon B. Hinckley, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 160.

  28. Lorenzo Snow, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 19.

  29. Lorenzo Snow, ao amin’ ny Filles dans mon Royaume, 7.