2010–2019
Ny Tanjona sy ny zavatra takiana amin’ ny Asa fanompoana amin’ ny Fisoronana
Aprily 2012


Ny Tanjon’ny Asa fanompoana ao amin’ ny Fisoronana

Ny fahatakarana ny tanjon’ ny filazantsara sy ny tanjon’ ny fisoronana dia hanampy antsika hahita ny tanjona masin’ izany rehetra izany.

Ankafiziko tokoa ity fiarahana mahafinaritra aminareo ity ry rahalahy ato amin’ ny fisoronana ary faly toa anareo koa aho amin’ ny hakanto sy hatsaran’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Midera anareo aho noho ny finoanareo, sy ny asa tsara vitanareo ary ny fandalanareo ny fahamarinana.

Misy rohim-pifandraisana izay mampifamatotra antsika satria samy nandray ny fanendrena amin’ ny fisoronan’ Andriamanitra avy tamin’ ireo izay nitokisana isika ka nomena ny fahefana sy herin’ ny fisoronana masina. Tsy fitahiana kely izany akory. Andraikitra masina izany.

Ny Herin’ ny Tanjona

Vao tsy ela aho no nisaintsaina mikasika ny antso manan-danja roa izay noraisiko tamin’ ny naha-mpihazona ny fisoronana ahy tato amin’ ny Fiangonana.

Ny voalohany tamin’ ireo dia azoko fony aho diakona. Nivavaka niaraka tamin’ ny fianakaviako tany amin’ ny sampan’ ny Fiangonana tany Francfort, Allemagne aho. Nanana mpikambana mahafinaritra maro tao izahay tao amin’ ilay sampana kely nisy anay. Iray amin’ izy ireo ny filohan’ ny sampanay, Rahalahy Landschulz. Tena nankafiziko izy, na dia toa hentitra lava sy manara-dalàna foana aza izy ary ny ankamaroan’ ny fotoana dia manao palitao matroka izay hatrany. Tsaroako izaho nisangisangy tamin’ ireo zatovolahy namako niteny hoe tena nilazaon’ ny toetrandro ny filohan’ ny sampantsika.

Mampihomehy ahy ny mieritreritra izany ankehitriny satria ireo tanoran’ ny Fiangonana amin’ izao andro izao koa dia mety tena mihevitra ahy ho toy izany koa.

Indray Alahady dia nangataka hiresaka tamiko ny Filoha Landschulz. Ny tonga tao an-tsaiko voalohany dia hoe: “Fa inona no hadisoana nataoko?” Niezaka nitadidy ireo zavatra maro mety ho nataoko aho izay nahatonga izao fitadiavan’ ilay filohan’ ny sampana hiresaka amin’ ny diakony izao.

Nanasa ahy hiditra ao amin’ ny efitrano fianarana kely iray ny Filoha Landschulz—satria tsy mba nanana birao ho an’ ny filohan’ ny sampana ny trano fiangonanay—ary tao no nandrosoany ahy antso mba ho filohan’ ny kôlejin’ ny diakona.

“Antso manan-danja izany,” hoy izy, ary avy eo dia naka fotoana izy ary namariparitra ny maha manan-danja izany. Nanazava ny zavatra handrasan’ izy sy ny Tompo amiko izy ary ny fomba ahafahako mahazo fanampiana.

Tsy tsaroako ny ankamaroan’ ny zavatra nolazainy kanefa tsaroako tsara kosa ny zavatra tsapako. Nanenika ny foko ilay Fanahy izay masina sy avy any an-danitra rehefa niresaka izy. Afaka nahatsapa aho fa Fiangonan’ ny Mpamonjy ity. Ary tsapako fa ilay antso izay naroso ho ahy dia nentanin’ ny Fanahy Masina. Tadidiko aho nahatsapa ho niakatra amin’ ny toerana somary avoavo kokoa noho ny teo aloha rehefa nivoaka izany efitrano kely izany.

Efa ho 60 taona izay no lasa fa mbola ankamamiako hatrany ireo fahatsapana fahatokiana sy fitiavana ireo.

Rehefa niverina nieritreritra izany zavatra niainako izany aho dia niezaka nitadidy ny isan’ ny diakona tamin’ izany fotoana izany tao amin’ ilay sampanay aho. Raha tsara ny fitadidiako dia mety ho roa angamba. Nefa mety ho manita-javatra aho raha milaza izany.

Kanefa tsy nampaninona na hoe iray ny diakona na hoe roa ambin’ ny folo. Nahatsapa ho henin-kaja aho ary te-hanompo araka izay tsara indrindra vitako sy tsy te-handiso fanantenana ny filohan’ ny sampako na ny Tompo.

Tsapako ankehitriny fa afaka nanome izany antso izany tamin’ ny fomba tsotra ilay filohan’ ny sampana raha niantso ahy tamin’ izany toerana izany izy. Afaka nilaza tamiko teny an-dalantsara izy na nilaza izany avy hatrany nandritra ny fivorian’ ny fisoronana hoe izaho no filohan’ ny kôlejin’ ny diakona vaovao.

Kanefa dia naka fotoana hihaonana tamiko izy ary nanampy ahy hahatakatra tsy ny zavatra takiana fotsiny amin’ izany andraikitro sy adidiko vaovao izany, fa ny tena manan-danja indrindra dia ny tanjon’ izany.

Zavatra izay tsy ho hadinoiko velively izany.

Ny tiako hiaviana amin’ izany tantara izany dia tsy ny hamariparitra fotsiny ny fomba fandrosoana antso ato am-piangonana (na dia lesona tena tsara aza izany mikasika ny fomba mahomby hanaovana izany). Fa ohatra ho ahy mikasika ny hery mamporisika ananan’ ny mpitarika ao amin’ ny fisoronana izany izay manainga ny fanahy ary mitaona hanao asa.

Mila ampahatsiahivina tsy tapaka antsika ny antony mandrakizay ao ambadiky ny hanaovana ireo zavatra izay andidiana antsika. Ilaina ho tafiditra ho ampahan’ ny zavatra manorina ny fiainantsika ireo fitsipika fototry ny filazantsara, eny fa na dia midika aza izany fa mila mamerimberina mianatra azy ireo. Tsy midika akory izany hoe tokony ho lasa fahazarana fotsiny na zavatra hankaleo ilay dingana arahana. Fa rehefa mampianatra ireo fitsipika fototra ao an-tokantranontsika na ato am-piangonana isika dia avelao hitondra hazavana sy hafanana ary fifaliana ao am-pon’ ireo izay ampianarintsika ny lelafon’ ny fientanentanana ho an’ ny filazantsara sy ny afon’ ny fijoroana ho vavolombelona.

Manomboka hatramin’ ny diakona vao avy notendrena ka hatrany amin’ ny mpisorona avo zokiny indrindra no hilazako fa manana ny lisitr’ ireo zavatra izay azontsika atao ary tokony hataontsika isika eo anatrehan’ ireo andraikitra ao amin’ ny fisoronana. Zava-dehibe ireo zavatra atao ao anatin’ ny asantsika, ary mila manao azy ireo isika. Kanefa ao amin’ ireo tanjon’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana no ahitantsika ny fahavitrihana, ny fitiavana ary ny herin’ ny fisoronana.

Ny zavatra atao ao amin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana dia mampianatra antsika izay tokony hatao. Ny tanjony dia mitaona fanahy ny fanahintsika.

Ny zavatra atao dia mampahafantatra, fa ny tanjony kosa dia manova.

Ny Fahamaroan’ ny Zavatra “Tsara” Atao

Ny antso hafa ao amin’ ny fisoronana nosaintsainiko dia noraisiko taona maro taty aoriana rehefa nanana ny ankohonako manokana aho. Niverina nipetraka tany Francfort, Allemagne izahay ary vao nahazo fisondrontan-toerana tao am-piasana aho izay nitaky fotoana sy asa be avy amiko. Nandritra izany fotoana naha sahirana ahy teo amin’ ny fiainako izany no niantsoin’ ny Loholona Joseph B. Wirthlin ahy ho filohan’ ny tsatòka.

Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovako taminy dia zavatra maro no nandalo tato an-tsaiko, ary indrindra moa ny ahiahiko fa mety tsy hanana fotoana izay takian’ ity antso ity aho. Na dia nampanetry tena ahy azy izany antso izany ary voninahitra ho ahy dia nanontany tena vetivety aho hoe hanaiky izany ve aho sa tsia. Kanefa eritreritra kely nandalo fotsiny izany satria fantatro fa ny Loholona Wirthlin dia voatson’ Andriamanitra ary nanao ny asan’ ny Tompo izy. Ka tsy nisy azoko natao afa-tsy ny nanaiky?

Misy fotoana izay tsy maintsy hirotsahantsika ao anatin’ ny haizina amim-pinoana, ary manana fahatokiana fa hametraka tany mafy orina eo ambanin’ ny tongontsika Andriamanitra rehefa manao izany isika. Ka dia nanaiky tamim-pifaliana izany antso izany aho ary nahafantatra fa hanampy ahy Andriamanitra.

Tamin’ ny fotoana niantombohan’ izany antso izany dia nanana fahafahana manokana izahay tamin’ ny naha-tsatòka anay nandray fiofanana avy tamin’ ireo mpampianatra sy mpitarika lehibe sasantsasany ato am-piangonana—tonga tany amin’ ny faritra nisy anay ny lehilahy toa an-dry Loholona Russell M. Nelson sy ny Filoha Thomas S. Monson. Toy ny ando avy any an-danitra ny fampianaran’ izy ireo ary nanainga fanahy anay tokoa. Mbola ananako ao ireo fanamarihana noraisiko nandritra ireo fivoriam-piofanana ireo. Nanome anay ny fahatakarana ny dikan’ izany hoe manorina ny fanjakan’ Andriamanitra izany ireo Rahalahy ireo amin’ ny alalan’ ny fanorenana ny fijoroana ho vavolombelon’ ny tena manokana sy ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Nanampy anay izy ireo hahita ny fomba ampiharana ny fahamarinana sy ny fitsipiky ny filazantsara teo amin’ ireo toe-javatra niainanay manokana sy ho an’ ny fotoana iainanay manokana. Raha lazaina amin’ ny fomba hafa dia hoe nanampy anay hahita ny tanjon’ ny filazantsara ireo mpitarika nentanim-panahy, ary dia nila namoritra ny tanan’ akanjonay izahay ary nandeha nanao ny asa.

Tsy ela dia tsapanay fa maro ireo zavatra tsara azon’ ny fiadidian’ ny tsatòka atao—maro tokoa, raha ny marina, ka raha tsy nametraka laharam-pahamehana nentanim-panahy izahay dia mety tsy ho nahavita ireo izay nanan-danja. Nanomboka nifanitsaka ireo laharam-pahamehana ka namily ny fifantohanay hiala tamin’ ireo vina nozarain’ ireo Rahalahy taminay. Maro tokoa ny zavatra “tsara” tokony hatao, fa tsy samy tena manan-danja avokoa akory izy rehetra.

Nianatra lesona manan-danja izahay: ny fahatsaran’ ny zavatra iray dia tsy antony ampy handaniana ny fotoana sy ny loharano anananay hanaovana izany. Ny zavatra ataontsika sy ny zavatra santarintsika ary ny drafitra ataontsika dia tokony ho voaentana sy mifototra amin’ ny tanjon’ ny asa fanompoantsika ao amin’ ny fisoronana fa tsy amin’ ny zavatra ironan’ ny rehetra izay manaitra ny maso na zavatra mahaliana amin’ izao fotoana izao. Raha tsy izany dia lasa bantsembana ny ezaka ataontsika izy ireo na mampihena ny herintsika ary mamandrika ny tenantsika ao anatin’ ny fanaovana izay zavatra mahaliana antsika manokana, na ara-panahy na ara-batana, izay tsy tena ivon’ ny maha-mpanara-dia.

Ry rahalahy, samy mahafantatra isika rehetra fa mitaky fifehezan-tena ny fifantohana hatrany amin’ ireo zavatra izay manana ny hery tena lehibe hampitomboana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika, hampatanjahana ny fanambadiana, hanamafisana orina ireo fianakaviana ary hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Tahaka ny hazo fihinam-boa iray izay misy sampana maro sy rakotra ravinkazo maro ny fiainantsika, ka ilaina rantsanana matetitetika mba hahafahantsika mampiasa ny herintsika sy ny fotoanantsika hanatontosana ilay tena tanjontsika—“hamokatra voa tsara”!1

Tsy Irery Ianao

Ka ahoana ary no ahafantarantsika hoe inona no tokony ho safidiana? Samy manana andraikitra isika tsirairay hamariparitra izany ho an’ ny tenantsika. Kanefa, nodidiana isika mba handalina amim-pahazotoana ny soratra masina, hihaino ny tenin’ ireo mpaminany ary hanao izany ao anatin’ ny vavaka feno finoana, sy fahamatorana ary fanoloran-tena arahim-bavaka.

Ry rahalahy, mahatoky Andriamanitra. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no hiresahany ao amin’ ny saintsika sy ny fontsika mikasika izay lalana tokony harahintsika isaky ny dingana tsirairay eo amin’ ny fiainantsika.

Raha madio ny fontsika—raha tsy mikatsaka ny voninahitra ho an’ ny tenantsika isika fa ny voninahitr’ Andriamanitra Tsitoha, ary raha mikatsaka hanao ny Sitrapony isika, raha maniry ny hitahy ny fiainan’ ny fianakaviantsika isika sy ny an’ ireo mpiara-belona—dia tsy handeha irery velively. Nampahatsiahy matetika antsika ny Filoha Monson hoe: “Rehefa manompo ny Tompo isika dia mendrika ny hahazo ny fanampiany.”2

“Handeha eo alohanareo [ny Rainareo any an-danitra.] Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo [Izy], ary ho ao am-ponareo ny Fanahi[ny], ary hanodidina anareo ny anjeli[ny] mba hanohana anareo.”3

Ny Herin’ ny Fanaovana Asa

Ry rahalahiko malala, ireo fitahiana masina avy amin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana dia tonga amin’ ny alalan’ ny ezaka am-pahavitrihana ataontsika, ny finiavantsika hahafoy tena, ary ny faniriantsika hanao izay tsara. Andeha isika mba ho anisan’ ireo izay mihetsika fa tsy ireo izay hetsehina. Tsara ny mitory kanefa raha toriteny tsy mitondra amin’ ny asa dia toy ny afo tsy manan-kafanana na rano tsy mahafaka hetaheta.

Amin’ ny alalan’ ny fampiharana ny fotopampianarana no hampitombo ny fahavitrihantsika hiaina ny filazantsara ary hameloman’ ny herin’ ny fisoronana ny fanahintsika.

I Thomas Edison, ilay lehilahy namorona ny takamoa teto amin’ izao tontolo izao dia nilaza fa “ny lanjan’ ny hevitra iray dia mifototra amin’ ny fampiasana izany.”4 Toy izany koa, lasa sarobidy kokoa ny fotopampianaran’ ny filazantsara rehefa ampiharina.

Tsy tokony havelantsika hatory fotsiny ao am-pontsika sy tsy ho ampiharina eo amin’ ny fiainantsika ireo fotopampianaran’ ny fisoronana. Raha misy fanambadiana na fianakaviana mila fanavotana—mety hoe ny antsika aza izany—dia tsy tokony hiraviravy tanana isika. Fa andeha kosa isika hisaotra an’ Andriamanitra noho ny drafitry ny fahasambarana izay ahitana ny finoana ny fibebahana, ny famelan-keloka ary fiantombohana vaovao. Ny fampiharana ny fotopampianaran’ ny fisoronana dia hahatonga antsika ho mendrika ny ho vady, sy ray ary zanakalahy izay mahatakatra ny tanjon’ ny fisoronana sy ny heriny mba hananana indray sy hiarovana ny hatsarana sy ny fahamasinan’ ny fianakaviana maharitra mandrakizay.

Ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia fotoana tsara hatrany sady hihainoana no hanaovana asa. Koa andeha isika “ho mpankato ny teny, fa [tsy ho] mpihaino fotsiny ihany.”5 Ry rahalahy, manasa anareo aho hisaintsaina tsara ireo tenin’ ny mpanompon’ Andriamanitra mandritra ity faran’ ny herinandro ity. Avy eo dia mandoaliha. Angataho ny Raintsika any An-danitra mba hanazava ny sainareo sy hikasika ny fonareo. Mangataha fitarihana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ ny fiainanareo andavanandro, eo amin’ ny andraikitrareo ato am-piangonana, ary eo anatrehan’ ireo fanambin’ ny fiainanareo amin’ izao fotoana izao. Araho ny bitsiky ny Fanahy—aza mangataka andro. Raha manao ireo rehetra ireo ianareo dia mampanantena aho fa tsy hamela anareo handeha irery ny Tompo.

Mananà Faharetana Hatrany

Fantatray fa na dia eo aza ny faniriana tsara ao aminareo dia tsy voatery hizotra araky ny lamina ny zava-drehetra. Manao hadisoana isika eo amin’ ny fiainana sy eo amin’ ny asa fanompoana ataontsika ao amin’ ny fisoronana. Matetika no lavo sy maneho fahalemena isika.

Rehefa nanoro hevitra antsika mba “[h]itozo ao amin’ ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka”6 ny Tompo dia fantany fa mitaky fotoana sy faharetana izany. Ny fahatakarana ny tanjon’ ny filazantsara sy ny tanjon’ ny fisoronana dia hanampy antsika hahita ny tanjona masin’ izany rehetra izany. Hanome famporisihana sy hery antsika hanaovana ny zavatra tsara izany, eny fa na dia sarotra aza. Ny fifantohana hatrany ao amin’ ny fitsipika fototry ny fiainana ny filazantsara dia hanome antsika fahazavana, fahendrena ary fitarihana.

“Tsy hitozo ao amin’ ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?”7 Eny, ry rahalahy, hitozo!

Hianatra avy amin’ ireo hadisoantsika isika rehefa eo ambany fitarihan’ ny Fanahy Masina. Raha lavo isika dia hitsangana indray. Raha manao hadisoana dia hanohy hiroso foana. Tsy hitoditodika mihitsy isika ary tsy hilavo lefona velively.

Amin’ ny maha-mpirahalahy matanjaka antsika ao amin’ ity fisoronana mandrakizain’ Andriamanitra ity dia hiara-hijoro isika, ho soroka miara-milanja, hifantoka amim-panoloran-tena sy amim-pitiavana amin’ ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny ary hanompo ny Andriamanintsika sy ireo mpiara-belona.

Velona Andriamanitra!

Ry rahalahiko malala, mijoro ho vavolombelona aho androany fa velona Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, i Jesoa Kristy. Tena misy Izy ireo! Eo ry zareo!

Tsy irery ianao. Miahy ny momba anao ny Rainao any an-danitra ary maniry ny hitahy sy hanohana anao ao anatin’ ny fahamarinana.

Aoka ianao hanana antoka fa miresaka amin’ ny zanak’ olombelona Andriamanitra amin’ izao fotoana iainantsika izao. Hiresaka aminao Izy!

Nahita ny zavatra nolazainy fa hitany ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia naverina eto an-tany tamin’ ny alalan’ ny hery sy fahefan’ ilay Andriamanitra Tsitoha.

Ny vavaka ataoko dia ny mba hijanonantsika mpihazona ny fisoronany hirindra hatrany amin’ ny tanjon’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana ary hampiasa ireo fitsipika fototry ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny mba hanovana ny fiainantsika sy ny fiainan’ ireo izay tompointsika.

Rehefa manao izany isika, dia hanadio ny fanahintsika sy ireo toetra ananantsika ny hery tsy manam-petran’ ny Sorompanavotana mandrapahatonga antsika ho ilay lehilahy manana ireo toetra izay andrasana amintsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.