2010–2019
Manam-piniavana sy Mendrika ny Hanompo
Aprily 2012


Manam-piniavana sy Mendrika ny Hanompo

Mitranga na aiza na aiza ny fahagagana rehefa takatra tsara ny fisoronana, hajaina sy ampiasaina araky ny tokony ho izy ny heriny, ary ampiasaina ny finoana.

Ry rahalahiko malala, tsara ery izany mihaona aminareo indray izany. Isaky ny manatrika fivoriamben’ ny fisoronana maneran-tany aho dia misaintsaina ireo fampianarana avy tamin’ ny sasany amin’ ireo mpitarik’ Andriamanitra manan-kaja izay efa nandaha-teny nandritra ny fivoriamben’ ny fisoronana maneran-tany an’ ny Fiangonana. Maro no efa lasa namonjy ny valisoany mandrakizay, kanefa avy tamin’ ireo fisainany mamiratra, avy tany amin’ ny ati-panahiny manontolo ary avy tamin’ ny fitiavana ao am-pony no nanoloran’ izy ireo antsika torolalana nentanim-panahy. Hozaraiko aminareo anio hariva ny sasantsasany amin’ ireo fampianarany mahakasika ny fisoronana.

Avy amin’ ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny fisoronana dia fitsipika mandrakizay ary efa nisy niaraka tamin’ Andriamanitra hatrizay hatrizay, ary hisy mandrakizay, tsy misy fiandohan’ andro na fiafaran-taona.”1

Avy amin’ ny tenin’ ny Filoha Wilford Woodruff no ianarantsika ny hoe: “Ny Fisoronana Masina no lalam-pifandraisana izay hifandraisan’ Andriamanitra sy hifampiraharahany amin’ ny olombelona eto an-tany; ary ireo iraky ny lanitra izay nitsidika ny tany mba hampita hafatra amin’ ny olona dia lehilahy izay nihazona sy nanaja ny fisoronana fony niaina tety an-tany; ary ny zava-drehetra izay nomanin’ Andriamanitra mba ho tanterahana ho an’ ny famonjena ny olombelona, hatramin’ ny nahatongavan’ ny olombelona teto an-tany hatramin’ ny fanavotana an’ izao tontolo izao, dia notanterahina sy ho tanterahana amin’ ny herin’ ny fisoronana mandrakizay.”2

Nanazava bebe kokoa ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Ny fisoronana dia … ny herin’ Andriamanitra ampandraiketiny ny olombelona izay ahafahan’ ny olombelona manao asa eto an-tany ho an’ ny fanavotana ny fianakavian’ ny zanak’ olombelona, amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary hiasa ara-dalana; tsy mihevitra ho manana ho azy izany fahefana izany, na koa hoe mindrana izany avy tamin’ ireo taranaka izay efa maty sy lasan-ko razana, fa kosa fahefana izay nomena amin’ izao andro izay hiainantsika izao tamin’ ny alalan’ ny fampianaran’ ireo anjely sy fanahy avy any ambony, mivantana avy any anatrehan’ Andriamanitra Tsitoha.”3

Ary farany avy amin’ ny Filoha John Taylor: “Inona no atao hoe fisoronana? … Izany no fomba fitantanan’ Andriamanitra, na eto an-tany izany na any an-danitra, satria avy amin’ izany fahefana, na fahafahana misafidy, na fitsipika izany no hitantanana ny zava-drehetra eto an-tany sy any an-danitra, ary amin’ ny alalan’ io fahefana io no hihazonana sy hanohanana ny zava-drehetra. Io no mitantana ny zava-drehetra—io no mitarika ny zava-drehetra—io no manohana ny zava-drehetra—ary misy ifandraisany amin’ ny zava-drehetra izay misy idiran’ Andriamanitra sy ny fahamarinana.”4

Endrey izany fitahiana raisintsika amin’ izao andro farany izao, izay hisian’ ny fisoronan’ Andriamanitra eto an-tany. Endrey ny tombontsoa manokana ananantsika noho ny fihazonana io fisoronana io. Tsy dia tena fanomezana loatra ny fisoronana fa andraikitra nomena mba hanompo, tombontsoa ahafahana hampitraka, ary fahafahana hitahy ny fiainan’ ny hafa.

Miara-dalana amin’ izany fahafaha-manao zavatra maro izany ny andraikitra sy adidy. Tiako sy ankafiziko ilay teny manan-kaja hoe adidy sy ny zava-drehetra mifandraika amin’ izany.

Na tamin’ ny anjara fanompoana iray na tamin’ ny iray hafa, na tamin’ ny toe-java-niseho iray na tamin’ ny iray hafa dia nanatrika fivorian’ ny fisoronana aho nandritra ireo 72 taona lasa—hatramin’ ny nanendrena ahy ho diakona tamin’ ny faha-12 taonako. Tena mandeha tokoa ny fotoana. Manaraka ny fikorian’ izany taona izany koa ny fiavosan’ ireo adidy. Tsy mihamora na mihena ny adidy. Be ireo fifandirana nitranga sy nifarana, fa ilay ady atao ho an’ ny fanahin’ ny olombelona dia mitohy tsy misy fiafarana. Toy ny antso mifono fahendrena no ahatongavan’ ny tenin’ ny Tompo any aminao, aty amiko ary any amin’ ireo mpihazona ny fisoronana na aiza na aiza, manao hoe: “Ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny, ary hiasa amin’ ny zotom-po rehetra ao amin’ ny anjara fanompoana izay anendrena azy.”5

Ilay antso hanoa adidy dia tonga tamin’ i Adama, tamin’ i Noà, tamin’ i Abrahama, tamin’ i Mosesy, tamin’ i Samoela, tamin’ i Davida. Tonga tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo tsirairay izay nandimby azy koa izany. Tonga tamin’ ilay zazalahy hoe Nefia koa ny antso mba hanoa adidy rehefa nomen’ ny Tompo torolalana izy, tamin’ ny alalan’ i Lehia rainy, mba hiverina an’ i Jerosalema hiaraka amin’ ireo rahalahiny haka ireo takela-barahina teo an-tanan’ i Labana. Nimonomonona ireo rahalahin’ i Nefia, ary nilaza fa zavatra sarotra no angathina amin’ izy ireo. Inona kosa no navalin’ i Nefia? Hoy izy: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’ olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”6

Rehefa ho tonga amiko sy aminao izany antso izany dia ahoana no handraisantsika izany? Himonomonona ve isika, tahaka ny nataon’ i Lamana sy i Lemoela, ary hiteny hoe: “sarotra ny zavatra izay takia[na] amin[na]y”?7 Sa ve isika hanao tahaka an’ i Nefia ary afaka hiteny tsirairay hoe: “Handeha aho ary hanao”? Moa ve isika hanam-piniavana hanompo sy hankatò?

Indraindray ny fahendren’ Andriamanitra dia toa miendrika ho hadalana na sarotra loatra fotsiny, kanefa dia iray amin’ ireo lesona manan-danja sy lehibe indrindra azontsika ianarana eto amin’ ity fiainana ity ny hoe rehefa miteny Andriamanitra ka mankatò ny olona iray, dia hanana ny marina hatrany izany olona izany.

Rehefa misaintsaina ilay teny hoe adidy aho sy ny fomba ahafahan’ ny fanatanterahana ny adidintsika hampivoatra ny fiainantsika sy ny fiainan’ ireo olon-kafa dia tsaroako ireo teny nosoratan’ ny mpahaitononkalo sy mpanoratra malaza iray izay:

Natory aho ka nanofy

Hoe fifaliana ny fiainana

Nifoha aho ka nahita

Hoe toa adidy no iainana.

Dia nanao aho kanjo indro—

Hay fifaliana ny adidy.8

Nolazain’ i Robert Louis Stevenson tamin’ ny fomba hafa koa izany. Hoy izy: “Fantatro ny atao hoe fahafinaretana, satria efa nanao asa tsara aho.”9

Rehefa manao ny adidintsika isika sy mampiasa ny fisoronantsika dia hahita fifaliana marina. Hahatsapa ilay fahafaham-po avy amin’ ny fahatontosana ny asantsika isika.

Efa nampianarina antsika ireo adidin’ ny fisoronana manokana izay hazonintsika, na izany Fisoronana Aharôna na Fisoronana Melkizedeka. Mamporisika anareo aho hisaintsaina ireo adidy ireo ary avy eo hanao izay rehetra vitanareo hanatanterahana azy ireo. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mendrika ny tsirairay. Aoka isika hanana tanana vonona, sy tanana madio ary hanam-piniavana mba hahafahantsika mandray anjara amin’ ny fanomezana ny zavatra izay tian’ ny Ray any an-danitra ho raisin’ ny hafa avy Aminy. Raha tsy mendrika isika dia mety tsy hanana ny herin’ ny fisoronana; ary rehefa tsy manana izany isika dia tsy hanana koa ny zavatra ilaintsika ho amin’ ny fisandratana. Aoka isika ho mendrika ny hanompo.

Ny Filoha Harold B. Lee, iray amin’ ireo mpampianatra lehibe teto am-piangonana dia niteny hoe: “Rehefa lasa mpihazona ny fisoronana ny olona iray dia lasa solontenan’ ny Tompo nahazo lalana. Ny antsony dia tokony ho raisiny toy ny hoe eo am-panaovana ny raharahan’ ny Tompo izy.”10

Nandritra ny Ady Lehibe faha-II, tamin’ ny tapany voalohan’ ny taona 1944, dia nisy traikefa nampiasana ny fisoronana nitranga nandritra ny fanafihana sy fambaboan’ ireo vondro-miaramila tantsambo Amerikana tany amin’ ny nosikely Kwajalein, izay ampahan’ ireo Nosy Marshall any amin’ ny Ranomasimbe Pasifika eo anelanelan’ i Australie sy Hawaii. Ny zavatra nitranga teto dia notantarain’ ny mpanao fanadihadiana an-gazety iray—izay tsy mpikamban’ ny Fiangonana—izay niasa tao amin’ ny orinasa fanaovan-gazety iray tao Hawaii. Tao amin’ ny lahatsoratra an-gazety iray tamin’ ny 1944 dia nanoratra izao izy taorian’ ny nitrangan’ ilay traikefa. Nanazava izy fa tao amin’ ny vondrona faharoa tao aorian’ ireo vondro-miaramila tantsambo izay tany amin’ ny nosy Kwajalein izy sy ireo mpanao fanadihadiana hafa. Teo am-pirosoana dia tsikaritr’ izy ireo nisy miaramila tantsambo iray nitsingevana miankohoka tao anaty rano, izay hita fa naratra mafy tokoa. Ny fanambanin’ ny rano manodidina azy dia mena noho ny ra. Avy eo dia nahita miaramila tantsambo iray hafa izy ireo izay milomano manatona ilay namany naratra. Naratra ihany koa io miaramila tantsambo faharoa io, ary ny sandriny havia dia mikirazorazo tsy afa-nihetsika manaraka ny ilan’ ny vatany. Natrakany ny lohan’ ilay iray izay nitsingevana tanaty rano mba tsy hahasempotra azy. Niantsoantso vonjy tao anatin’ ny fahamehana izy. Notazanin’ ireo mpanao fanadihadiana indray ilay zazalahy navotany ary nihiaka izy ireo hoe: “Anaka, tsy misy azontsika ho atao ho an’ io zazalahy io intsony.”

“Avy eo,” hoy ilay mpanao fanadihadiana nanoratra, “dia nahita zavatra izay mbola tsy fahitako hatramin’ izay niainako aho. Ity zazalahy ity, izay naratra mafy ihany koa, dia niezaka namonjy ny morony niaraka tamin’ ity vatana izay toa tsy miaina intsony izay an’ ny tantsambo namany ity. Napetrany teo ambonin’ ny lohaliny ny lohan’ ilay namany. Tena nahavariana izany zava-nitranga izany—nahita azy roalahy izay naratra mafy efa mila ho faty—samy … zatovolahy izay miendrika ho madio ara-pitondrantena, na dia anatin’ ny toe-javatra mampahory aza. Avy eo dia nanondrika ny lohany teo amin’ ilay iray hafa ilay tovolahy iray sady niteny hoe: ‘Mandidy anao aho, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy sy amin’ ny alalan’ ny herin’ ny fisoronana, mba tsy ho faty mandrapahafahako mahita fanampiana ara-pitsaboana.’” Tahak’ izao no namaran’ ilay mpanao fanadihadiana ny zavatra nosoratany: “Izahay telo, [izaho sy ireo miaramila tantsambo roa], dia indro niaraka ato amin’ ny hôpitaly. Tsy fantatr’ ireo dokotera … [izay tsy nahafatesan’ izy ireo], fa izaho kosa mahafantatra.”11

Mitranga na aiza na aiza ny fahagagana rehefa takatra tsara ny fisoronana, hajaina sy ampiasaina araky ny tokony ho izy ny heriny, ary ampiasaina ny finoana. Rehefa manolo ny fisalasalana ny finoana, rehefa manolo ireo ezaka mifono fitiavan-tena ny asa fanompoana tsy hilana tambiny dia mahatanteraka ny tanjony ny herin’ Andriamanitra.

Ilay antso hanoa adidy dia tonga amim-pahanginana rehefa manaiky ny handray ireo andraikitra isika izay mihazona ny fisoronana. Ny Filoha George Albert Smith, ilay mpitarika tsotra nefa nahomby, dia nilaza hoe: “Andraikitrao aloha ny mianatra ny zavatra tian’ ny Tompo ary avy eo, amin’ ny alalan’ ny hery sy ny tanjaky ny Fisoronany Masina, ny milofo amin’ ny antsonao eo anatrehan’ ireo namana amin’ ny fomba izay … hahatonga ny olona ho faly hanaraka ny ohatra ataonao.”12

Ny antso hanoa adidy toa izany—na dia antso somary bitika ihany aza kanefa nahafahana nanampy nanavotra fanahy iray—dia tonga tamiko tamin’ ny 1950 fony aho vao nantsoina ho eveka. Maro sy amin’ ny endriny maro samihafa ireo andraikitro tamin’ ny naha-eveka ahy ary niezaka araka izay vitako aho hanao izay zava-drehetra notakiana tamiko. Tafiditra tamin’ ny ady iray hafa i Etazonia tamin’ izany. Koa satria maro tamin’ ireo mpikambana tato amintsika no nanompo ho miaramila tao amin’ ny tafika, dia nomen’ ny birao foiben’ ny Fiangonana andraikitra ireo eveka rehetra mba hanome ireo miaramila tsirairay ireo famandrihana tamin’ ny Church News sy ny Improvement Era, ireo gazetibokin’ ny Fiangonana tamin’ izany andro izany. Ho fanampin’ izany, dia nangatahina ny eveka tsirairay mba hanoratra taratasy manokana isam-bolana ho an’ ny miaramila tsirairay izay avy ao amin’ ny paroasiny. Nanana lehilahy 23 nanompo ho miaramila ny paroasinay. Ny kôlejin’ ny fisoronana dia nanao ezaka tamin’ ny fanampiana ny vola hanaovana ny famandrihana ireo gazetiboky ireo. Noraisiko ilay asa, eny ilay adidy, hanoratra taratasy miisa 23 isam-bolana. Tao aorian’ izay taona maro izay dia mbola manana ny tahadikan’ ny maro tamin’ ireo taratasy nosoratako ireo aho sy ny valiny izay voaraiko. Mirotsaka ny ranomasoko rehefa mamerina mamaky ireo taratasy ireo aho. Fifaliana tokoa ny mamerina mijery indray ny fanoloran-tenan’ ny miaramila iray hiaina ny filazantsara, na ny fanapahan-kevitry ny tantsambo iray hihazona ny finoany miaraka amin’ ireo fianakaviany.

Indray hariva dia natolotro ny rahavavy iray tao amin’ ny paroasy ireo amboaran-taratasy miisa 23 ho an’ io volana io. Ny andraikiny dia ny mandefa ireo taratasy ireo ary mihazona ny lisitr’ ireo adiresy izay niovaova foana. Nanopy maso tamin’ ny valopy iray izy ary tamim-pitsikiana no nanontaniany ahy hoe: “Eveka a! tsy mety kivy mihitsy ve ianao? Misy taratasy ho an’ ny Rahalahy Bryson indray ity. Ity no taratasy faha-17 nalefanao ho azy kanefa izy mbola tsy nandraisana valiny mihitsy.”

Namaly aho hoe: “Angamba mety hamaly izy amin’ ity volana ity.” Tena izay tokoa no nitranga tamin’ io volana io. Vao sambany tamin’ izay no namaliany ny taratasiko. Tena fahatsiarovana mamy, zava-tsarobidy ny valin-taratasy avy taminy. Nanompo tany amin’ ny toerana lavitra izy, nitoka-monina, manina te-hody ary nanirery. Nanoratra izy hoe: “Ry eveka malala, tsy dia tia manoratra taratasy aho.” (Afaka nilaza izany taminy koa aho raha volana maromaro tany aloha.) Toy izao no tohin’ ny taratasiny: “Misaotra noho ireo Church News sy ireo gazetiboky, fa ambonin’ izany dia misaotra anao aho noho ireo taratasy nosoratanao ho ahy manokana. Nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ ny fiainako aho. Notendrena ho mpisorona ao amin’ ny Fisoronana Aharôna aho. Tretrika ny foko ary faly tokoa aho.”

Tsy faly mihoatra noho izay tsapan’ ny evekany rahalahy Bryson. Nianarako tamin’ izay ny fampiharana ilay fomba fiteny izay manao hoe: “Ataovy ny anjara[nao], izay no tsara indrindra. Ankino amin’ ny Tompo ny ambiny.”13

Taona maro taty aoriana, raha nanatrika ny Tsatòkan’ i Cottonwood Salt Lake aho, izay nanompoan’ i James E. Faust ho filoha, dia nizara izany tantara izany aho mba ho entina hamporisihana ny olona tsy hanadino ireo miaramilantsika izay manompo. Taorian’ io fivoriana io dia nisy lehilahy ranjanana iray nanatona ahy. Noraisiny ho ao an-tanany ny tanako sady niteny izy hoe: “Eveka Monson, tadidinao ve aho?”

Tadidiko tampoka hoe iza izy. “Rahalahy Bryson!” hoy aho nihiaka. “Manao ahoana ianao? Inona no ataonao ato am-piangonana?”

Tamin’ ny valin-teny feno fifaliana no nilazany hoe: “Salama aho. Manompo ao amin’ ny fiadidian’ ny kôlejin’ ny loholona aho. Mamerina ny fisaorako anao hatrany aho noho ny fiahianao ahy sy tamin’ ireo taratasy nosoratanao ho ahy izay sarobidy tamiko tokoa.”

Ry rahalahy, mila ny fanampianareo izao tontolo izao. Moa ve isika manao izay rehetra tokony ho ataontsika? Tsaroantsika ve ny tenin’ ny Filoha John Taylor: “Raha tsy milofo amin’ ny antsonareo ianareo dia ho raisin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ianareo mahakasika ireo olona izay mety ho voavonjinareo raha nanao ny andraikitrareo ianareo.”14 Maro ireo tongotra tokony hatanjahina, tanana ho sintonina, saina ho hamafisina, fo ho entanina ary fanahy tokony ho vonjena. Miandry anareo ireo fitahian’ ny mandrakizay. Anareo ny andraikitra tsy ho mpitazana ka ho mpandray anjara eny amin’ ny sehatra ho an’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana. Aoka isika hanongilan-tsofina amin’ ny fampahatsiahivana ao amin’ ny Epistilin’ i Jakoba: “Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.”15

Aoka isika hianatra sy hisaintsaina ny adidintsika. Aoka isika hanam-piniavana sy ho mendrika ny hanompo. Aoka isika hanaraka ny dian-tongotry ny Tompo eo am-panatanterahantsika ny adidintsika. Rehefa mandia ny lalana nolalovan’ i Jesoa izaho sy ianao dia hahita fa mihoatra an’ ilay naha-zaza azy tao Betlehema izy, mihoatra noho ny maha-ilay zanaky ny mpandrafitra azy izy, ary mihoatra lavitra noho izaympampianatra efa niaina tety an-tany. Hanatona sy hahafantatra Azy amin’ ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy isika, amin’ ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy. Rehefa nomena Azy ny antso hanoa ny adidy dia hoy ny navaliny: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”16 Enga anie hanao toy izany isika tsirairay, izany no vavaka ataoko amin’ ny anarany masina, dia ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 104.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2004), 38.

  3. Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, edisiona faha-5 (1939), 139–40; nampiana fanamafisana.

  4. Teachings of Presidents of the Church: John Taylor (2001), 119.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99; nampiana fanamafisana.

  6. 1 Nefia 3:7; jereo ihany koa ny andininy 1–5.

  7. Jereo ny 1 Nefia 3:5.

  8. Rabindranath Tagore, in William Jay Jacobs, Mother Teresa: Helping the Poor (1991), 42.

  9. Robert Louis Stevenson, in Elbert Hubbard II, comp., The Note Book of Elbert Hubbard: Mottoes, Epigrams, Short Essays, Passages, Orphic Sayings and Preachments (1927), 55.

  10. Stand Ye in Holy Places: Selected Sermons and Writings of President Harold B. Lee (1976), 255.

  11. Ao amin’ ny Ernest Eberhard Jr., “Giving Our Young Men the Proper Priesthood Perspective,” 19 Jolay 1971; 4–5, Church History Library.

  12. George Albert Smith, in Conference Report, Apr. 1942, 14.

  13. Henry Wadsworth Longfellow, “The Legend Beautiful,” in The Complete Poetical Works of Longfellow (1893), 258.

  14. Teachings: John Taylor, 164.

  15. Jakoba 1:22.

  16. Mosesy 4:2.