2010–2019
Fanomezana Iray Tsy hay Lazaina avy amin’ Andriamanitra
Oktobra 2012


Fanomezana Iray Tsy hay Lazaina avy amin’ Andriamanitra

Miara-miasa am-piraisankina tanteraka amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, ka manatanteraka anjara asa manan-danja maro ary andraikitra maro miavaka tsara.

Tamin’ ny taona 1994, dia nasain’ ny Filoha Howard W. Hunter ny mpikambana rehetra tato amin’ ny Fiangonana mba “hametraka ny tempoly … ho toy ny tandindona lehibe maneho ny maha-mpikambana [antsika].”1 Taty aoriana kely tamin’ io taona io ihany, dia vita tanteraka ny fananganana ny Tempolin’ i Bountiful, Utah. Toy ny ankamaroan’ ny olona, dia mba tsindrin-daona ihany koa izahay ny hitondra ny fianakaviana kelinay hanatrika ny varavarana misokatra mialohan’ ny fanokanana. Niasa mafy izahay mba hanomana ireo zanakay hiditra ao amin’ ny tempoly, ary nivavaka mafy mba hananan’ izy ireo traikefa ara-panahy ka mba hahatonga ny tempoly hanana toerana manan-danja eo amin’ ny fiainan’ izy ireo.

Rehefa namakivaky ilay tempoly tamim-panajana izahay, dia talanjona ny tenako nankafy ny rafitra mahafinaritra, ny hakanton’ ny fanamboarana vita, ny hazavana mitaratra avy eo amin’ ireo varavarankely mitomandavana, ary ireo sary hosodoko maro mitaona fanahy. Tena lafatra marina ny lafiny rehetra tamin’ ity trano masina ity.

Rehefa niroso tao amin’ ny efitra selestialy izahay dia tonga saina tampoka aho fa namikitra ny tongotro i Ben, zanakay faralahy izay enin-taona. Toa ohatran’ ny vahobahotra izy—ary angamba mety sahiran-tsaina kely mihitsy aza.

“Fa inona no mahazo anao anaka?” Hoy aho nibitsibitsika.

“Dada a!” hoy izy namaly, “fa inona no mitranga ato? Tsy mbola nahatsapa zavatra toy izao mihitsy aho hatrizay.”

Noho ny fahafantarako fa izany angamba no fotoana voalohany nahatsapan’ io zanakay lahy kely io ny fitarihan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fomba mahery vaika toy izany, dia nandohalika tamin’ ny tany teo anilany aho. Raha nivezivezy nanodidina anay ireo mpitsidika hafa, izahay sy Ben kosa dia nandany minitra maro niarahana nianatra mikasika ny Fanahy Masina. Talanjona aho tamin’ ny nahafahanay nifampiresaka tamin’ ny fomba tsotra mikasika ny fahatsapana masina nananany. Rehefa nifampiresaka izahay, dia lasa nazava fa ny tena nitondra fitaomam-panahy ho an’ i Ben dia tsy ny zavatra izay hitany fa ny zavatra izay tsapany—tsy ny hatsarana azo tsapain-tanana nanodidina anay fa ilay feo tony sy malefakin’ ny Fanahin’ Andriamanitra izay tsapany tao am-pony. Nozaraiko taminy ny zavatra nianarako avy tamin’ ny zavatra niainako manokana, toy izany ohatra ny namohazan’ ny fitalanjonany amin’ ny maha-zaza azy indray ilay fahatsapana fankasitrahana lalina tao amiko noho io fanomezana tsy hay lazaina avy amin’ Andriamanitra io—dia ny fanomezan’ ny Fanahy Masina.2

Iza moa ny Fanahy Masina?

Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo mandrafitra ny hoe Andriamanitra, ary araka izany, toa an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, dia mahafantatra ny eritreritsika sy ny fanirian’ ny fontsika Izy.3 Tia antsika ny Fanahy Masina ary tiany ho faly isika. Koa satria fantany ireo fanamby izay ho atrehantsika, dia afaka mitari-dalana sy mampianatra antsika izay zavatra rehetra tsy maintsy ataontsika mba hiverenana hiara-hiaina indray amin’ ny Ray any An-danitra Izy.4

Ny Fanahy Masina dia tsy mitovy amin’ ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manana vatana nofo sy taolana feno voninahitra, fa olona fanahy izay mifandray amin’ ny fanahintsika amin’ ny alalan’ ny fahatsapana sy ny fitaomana.5 Amin’ ny maha-fanahy Azy dia manana ilay andraikitra miavaka dia ny ho fitaovana izay ahafahana mandray fanambarana ho an’ ny tena manokana Izy. Ao amin’ ny soratra masina dia matetika Izy no antsoina hoe Fanahy Masina, na ny Fanahin’ ny Tompo, na ny Fanahy Masin’ ny Fampanantenana na koa hoe ny Fanahy fotsiny.6

Inona no Asa Nanirahana ny Fanahy Masina?

Miara-miasa amim-piraisan-kina tanteraka amin’ ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, izay manatanteraka anjara asa manan-danja sy andraikitra maro miavaka tsara. Ny tanjona voalohan’ ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona mikasika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany,7 sy ny mampianatra antsika ny fahamarinan’ ny zava-drehetra.8 Ny tenivavolombelona azo antoka avy amin’ ny Fanahy Masina dia mitondra fahazoana antoka mihoatra lavitra noho ny tenivavolombelona iray avy amin’ izay mety ho loharano hafa. Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa “ny Fanahin’ Andriamanitra miresaka amin’ ny fanahin’ olombelona dia manana hery ampitana fahamarinana izay hitondra vokatra sy fahatakarana lehibe kokoa noho ny fahamarinana izay mety ho ampitain’ ny fifampiresahana mivantana eny fa na dia amin’ ny olon’ ny lanitra aza.”9

Ny Fanahy Masina koa dia antsoina hoe ny Mpampionona.10 Mandritra ny fotoan’ ny fahasahiranan-tsaina, na ny hakiviana, na koa hoe mila mahafantatra fotsiny isika hoe eo akaiky eo Andriamanitra, dia afaka mankahery ny fanahintsika, sy manome fanantenana antsika ary mampianatra antsika “ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana,”11 ny Fanahy Masina ka manampy antsika hahatsapa “ny fiadanan’ Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.”12

Taona maro lasa izay raha tafavory hanao fiaraha-misakafo ny fianakaviambe nisy anay tamin’ ny fotoam-pialantsasatra, dia nanomboka niara-nilalao tamin’ ireo zafikeliny maromaro ny raiko. Tampoka teo sady tsy nisy fambara, dia nitambotsotra izy ary dia vetivety teo dia nodimandry. Mety ho nampivarahontsana izany trangan-javatra tsy nampoizina izany, indrindra ho an’ ireo zafikeliny, izay mety ho nametraka fanontaniana maro saro-baliana. Kanefa rehefa nangoninay nanodidina anay ireo zanakay, ary rehefa nivavaka sy namaky ny tenin’ ireo mpaminany ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna izay mikasika ny tanjon’ ny fiainana izahay, dia nampionona anay tsirairay avy ny Fanahy Masina. Tonga nazava tsara tao am-ponay ireo valim-panontaniana izay notadiavinay, tamin’ ny fomba maro izay sarotra faritana amin’ ny alalan’ ny teny. Nahatsapa fiadanana izay tena mihoatra noho ny fahalala nay izahay tamin’ io andro io, ary azo antoka, sy tsy azo lavina, ary marina ny tenivavolombelon’ ny Fanahy Masina tamin’ izay.

Mpampianatra sy mpanambara ny Fanahy Masina.13 Rehefa mandalina sy mandinika ary mivavaka mikasika ireo fahamarinan’ ny filazantsara isika, dia manazava ny saintsika sy mampahiratra ny fahatakarantsika ny Fanahy Masina.14 Noho Izy dia voasoratra tsy azo fafana ao amin’ ny fanahintsika ny fahamarinana ary afaka manao izay hitrangan’ ny fiovana mahery vaika ao am-pontsika Izy. Rehefa mizara ireo fahamarinana ireo amin’ ny fianakaviantsika sy amin’ ny mpikamban’ ny Fiangonana ary amin’ ireo namana sy ireo mpiray vodirindrina eo amin’ ny fiaraha-monina misy antsika isika, dia lasa mpampianatra azy ireo koa ny Fanahy Masina, satria mitondra ny hafatry ny filazantsara “hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona” Izy.15

Manainga antsika hanolo-tanana ny hafa amin’ ny alalan’ ny asa fanompoana ny Fanahy Masina. Ho ahy ny ohatra mendrika hotsaroana indrindra mikasika ny fihainoana ny bitsiky ny Fanahy Masina eo amin’ ny fanompoana ny hafa dia avy amin’ ny fiainan’ ny Filoha Thomas S. Monson sy ny asa fanompoany, izay niteny hoe: “Eo amin’ ny fanatanterahantsika ny andraikitsika dia nianatra aho fa rehefa mihaino fitaomam-panahy mangina iray isika ary manao asa mifanaraka amin’ izany tsy misy hatak’ andro, dia hitantana antsika amin’ ny zavatra ataontsika ny Ray any An-danitra ary hotahiana ny fianantsika sy ny fiainan’ ny hafa. Tsy mahafantatra zavatra iainana mamy kokoa na fahatsapana sarobidy kokoa aho noho ny hoe manaraka fitaomam-panahy iray ary avy eo mahita fa tamin’ ny alalanao no namalian’ ny Tompo ny vavaka nataon’ ny olona iray hafa.”16Zavatra niseho

iray mampihetsi-po fotsiny no ho zaraiko. Fony eveka ny Filoha Monson, dia nahare izy fa niditra hôpitaly ny mpikambana iray tao amin’ ny paroasiny, dia i Mary Watson. Raha nandeha namangy azy izy dia nahita fa niaraka tamin’ ny marary maro hafa tao anaty efitrano lehibe iray io rahavavy io. Raha nanatona ny Rahavavy Watson izy dia nahatsikaritra fa nanarona faingana ny lohany ilay marary teo amin’ ny fandriana nifanila tamin’ ny an-dRahavavy Watson.

Rehefa avy namangy an-dRahavavy Watson ny Filoha Monson sy nanome azy tsodranon’ ny fisoronana, dia nandray tanana sy nanao veloma azy izy ary niomana ny handeha. Avy eo dia nisy zavatra tsotra nefa nahatalanjona nitranga. Izao dia ireo teny izay nitantaran’ ny Filoha Monson an’ io zavatra niainany io no indramiko:

“Tsy afaka niala teo anilany aho. Toy ireny hoe nisy tanana tsy hita maso ireny [n]ipetraka teo an-tsoroko, ary dia tsapako tato anatin’ ny fanahiko tato fa nandre ireto teny ireto aho: ‘Mandehana eo amin’ ilay fandriana manaraka izay nisy ramatoa kely nanarona ny lohany tamin’ ny ianao niditra iny.’ Dia nataoko izany. …

“Nanatona ny sisim-pandrian’ ilay marary hafa aho, nokapokapohako tsimoramora ny sorony ary nampidiniko tamim-pitandremana tsara ilay lambam-pandriana izay nanarona ny tavany. Oay! Mpikambana ao amin’ ny paroasiko koa kay izy io. Tsy nahalala aho hoe hay narary tao amin’ io hôpitaly io koa izy. I Kathleen McKee no anarany. Rehefa nifanojo ny masonay, dia nihoraka izy tao anatin’ ny ranomaso, nanao hoe, ‘Eveka a! Tamin’ ianao niditra io varavarana io dia nahatsapa aho hoe hijery ahy sy hanome tsodrano ho ahy no nahatongavanao, ho valin’ ny vavaka nataoko. Faly aho tato anatiko hoe fantatrao fa aty aho, kanjo nony nijanona teo amin’ ilay fandriana iray hafa ianao dia difotry ny alahelo ny foko ary fantatro fa tsy ny hijery ahy no nahatongavanao.’

“Hoy aho tamin-[dRahavavy] McKee hoe: ‘Tsy mampaninona ny tsy nahafantarako hoe taty ianao. Zava-dehibe kosa nefa ny hoe fantatry ny Raintsika any An-danitra izany ary fantany koa hoe nivavaka mangina ianao mba hahazo tsodranon’ ny fisoronana. Izy no nanainga ahy hanatona anao na dia niafina aza ianao.”17

Ahoana no Fomba Hiresahan’ ny Fanahy Masina Amintsika?

Samy manana traikefa miaraka amin’ ny Fanahy Masina avy isika rehetra, na dia mety tsy fantatsika foana aza izy ireny. Rehefa misy eritreritra notaomin’ ny Fanahy tonga ao an-tsaintsika dia fantatsika fa marina izy ireny amin’ ny alalan’ ny fahatsapana ara-panahy izay miditra ao am-pontsika. Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampianatra hoe: “Ny Fanahy Masina dia miteny amin’ ny feo izay tsapa[nao] mihoatra noho ny hoe re[nao]. … Raha miresaka mikasika ny hoe ‘fihainoana’ ny bitsiky ny Fanahy isika, dia mazàna ny fitaomana ara-panahy dia faritana amin’ ny fitenenana hoe ‘Nahazo fahatsapana aho …’ .”18 Amin’ ny alalan’ ireny fahatsapana masina avy amin’ ny Fanahy Masina ireny no ahalalantsika izay tian’ Andriamanitra ho ataontsika, fa izany, araka ny voalaza ao amin’ ny soratra masina, “no fanahin’ ny fanambarana.”19

Inona no dikan’ ny hoe Mandray ny Fanomezana ny Fanahy Masina?

Raha nampianatra an’ i Ben zanakay lahy enintaona aho dia nieritreritra fa manan-danja ny manazava aminy ny mampiavaka ny zavatra izay tsapany, izay ny fitaoman’ ny Fanahy Masina, sy ny Fanomezana ny Fanahy Masina, izay horaisiny aorian’ ny batisa. Alohan’ ny batisa, izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana amin-kitsimpo dia afaka mahatsapa ny fitaoman’ ny Fanahy Masina ombieny ombieny. Saingy ny fahafahana mahazo ny fiarahan’ ny Fanahy Masina aminao mandrakariva sy ny fahafenoan’ ireo fitahiana rehetra miaraka amin’ izany dia tsy azon’ ny olona afa-tsy ireo mpikambana mendrika vita batisa izay mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ataon’ ireo izay mihazona ny fahefan’ ny fisoronan’ Andriamanitra.

Amin’ ny alalan’ ny Fanomezana ny Fanahy Masina no ahazoantsika fahafaha-manao sy fanomezam-pahasoavan’ ny Fanahy fanampiny, fanambarana sy fiarovana bebe kokoa, fitarihana sy tari-dalana azo antoka ary ireo fitahian’ ny fanamasinana sy ny fisandratana ao amin’ ny fanjakana selestialy izay efa nampanantenaina. Ireo fitahiana rehetra ireo dia omena noho ny faniriantsika manokana handray azy ireo ary tonga rehefa ataontsika mifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra ny fiainantsika sy rehefa mikatsaka ny Fitarihany lalandava isika.

Rehefa mamerina mieritreritra ny zavatra niarahako niaina tamin’ i Ben tao amin’ ny Tempolin’ i Bountiful, Utah aho, dia manana fahatsapana maro mahafinaritra. Ny zavatra iray tadidiko mazava tsara dia hoe nisy zazakely iray teo akaikiko izay namantatra ny fahatsapana mahery vaika tao am-pony raha mbola teo am-pifantohana tamin’ ny halehiben’ny zavatra izay hitako aho. Tamin’ ny alalan’ ny fampahatsiahivana kely no nanasana ahy tsy hoe hiato kely sy handohalika fotsiny, fa hihaino ihany koa ny antson’ ny Mpamonjy mba ho tonga toy ny zazakely—manetry tena sy malemy paika ary vonona hihaino ilay feon’ ny Fanahy izay tony sy malefaka.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ ny maha tena misy ny Fanahy Masina sy ny iraka masina nanirahana Azy ary amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina no ahafantarantsika ny fahamarinan’ ny zavatra rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanomezana ny Fanahy Masina no fanomezana sarobidy sy tsy hay lazaina avy amin’ ny Ray any an-danitra ho an’ ireo rehetra izay manatona ny Zanany lahy, sy atao batisa amin’ ny Anarany, ary mandray ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fandraisana azy ho mpikambana ao amin’ ny Fiangonany. Momba ireo fahamarinana masina ireo no ijoroako ho vavolombelona manokana amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.