2010–2019
Anontanio ireo Misiônera! Afaka Manampy Anao Izy Ireo!
Oktobra 2012


Anontanio ireo Misiônera! Afaka Manampy Anao Izy Ireo!

Ireo misiônera rehetra, na antitra na tanora, dia manompo miaraka amin’ ny fanantenana iray ihany, dia ny hanaovana izay hahatsara kokoa ny fiainan’ olon-kafa.

Ry rahalahiko sy anabaviko ary namako malala, manolotra ny fitiavanay sy ny fiarahabana anareo tsirairay izahay. Tena faly izahay tamin’ ny fanambarana nataon’ ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ ity maraina ity, izay manitsy ny taona farafahakeliny hanaovana asa fitoriana ho 18 taona ho an’ ny zatovolahy ary ho 19 taona ho an’ ny zatovovavy. Maro kokoa amin’ ireo tanorantsika no ho afaka hankafy ny fitahiana avy amin’ ny misiôna noho izany fanitsiana izany.

Nanambara ny Filoha Monson roa taona lasa izay ary nantitranterina indray tamin’ ity maraina ity “fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka dia tokony hiomana amin’ ny asa fitoriana ny filazantsara. Andraikitra ao amin’ ny fisoronana ny asa fitoriana ny filazantsara—andraikitra izay antenain’ ny Tompo fa ho ataontsika, isika izay efa nomena be tokoa.”1 Nazavainy indray fa safidy izay raisina an-tanan-droa ny misiôna, ho an’ ireo rahavavy tanora, fa tsy adidy. Ary mbola nanasa mpivady maro kokoa izy mba hanompo koa.

Zava-dehibe ny fiomanana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana filazantsara dia asa atao an-tsitrapo hanompoana an’ Andriamanitra sy ny zanak’ olombelona. Amin’ ny alalan’ ny vola natokan’ ireo misiônera manokana no hanohanan’ izy ireo an’ io tombontsoa manokana io. Afaka manampy ihany koa ireo ray aman-dreny, sy ireo fianakaviana, sy ireo namana ary ireo izay manolotra fanomezana ho ao amin’ ny Kitapom-bola Foibe ho an’ ny Asa Fitoriana. Ireo misiônera rehetra, na antitra na tanora, dia manompo miaraka amin’ ny fanantenana iray ihany, dia ny hanaovana izay hahatsara kokoa ny fiainan’ olon-kafa izany.

Ny fanapahan-kevitra hanao asa fitoriana dia hamaritra ny hoavy ara-panahin’ ilay misiônera, sy izay ho vadiny, ary ireo taranany maro hifandimby. Ny faniriana ny hanompo dia tonga ho azy noho ny fiovam-pon’ ny olona iray sy ny fahamendrehany ary ny fiomanany.

Ao anivon’ ireo olona marobe izay manatrika ity fihaonambe ity maneran-tany dia betsaka aminareo no tsy mpikamban’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ary tsy mahafantatra firy momba anay sy ireo misiôneranay. Tonga eto ianareo, na mijery, na mihaino, satria te-hahafantatra misimisy kokoa mikasika ireo Môrmôna sy izay ampianarin’ ireo misiôneranay. Rehefa mahafantatra misimisy kokoa momba anay ianareo dia hahita fa maro ireo soatoavina izay iraisantsika. Mamporisika anareo izahay mba hitazona izay tsara sy marina rehetra efa anananareo, ary avy eo hijery raha toa ka misy azonay anampiana. Mila fanampiana isika indraindray eto amin’ ity izao tontolo izao izay feno fanamby ity. Ampahany tena ilaina amin’ izany fanampiana izany ny fivavahana sy ny fahamarinana mandrakizay ary ireo misiôneranay.

Ireo misiôneranay mbola tanora dia nampiato kely ny fianarany, ny anton’ asany, ny fiarahany amin’ ny olon-tiany, ary izay rehetra fanaon’ ny tanora amin’ ny sokajin-taona misy azy ireo eo amin’ ny fiainana. Ampiandrasan’ izy ireo mandritra ny 18 na 24 volana aloha izany rehetra izany, noho ny fanirian’ izy ireo lalina ny hanompo ny Tompo.2 Ary ny sasany amin’ ireo misiôneranay dia manompo rehefa nahazoazo taona kokoa teo amin’ ny fiainana. Fantatro fa voatahy ny fianakavian’ izy ireny. Ao amin’ ny fianakavianay manokana dia valo amin’ izao fotoana izao no misiônera amin’ ny fotoana feno—zanakay vavy telo, miaraka amin’ ny vadin’ izy ireo, zafikely vavy iray ary zafikely lahy iray.

Mety manontany tena ny sasany aminareo mikasika ny anarana hoe Môrmôna. Anaram-bositra izany aminay. Tsy izany no tena anaranay, na dia Môrmôna aza no mazàna ahafantarana anay. Io teny io dia avy amin’ ny boky mirakitra soratra masina iray izay antsoina hoe Bokin’ i Môrmôna.

Ny tena anaran’ ny Fiangonana dia hoe Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Io ilay Fiangonan’ i Jesoa Kristy tany am-piandohana izay naverina naorina indray. Fony i Jesoa Kristy niaina tety an-tany dia nanorina ny Fiangonany Izy. Niantso Apôstôly Izy, sy Fitopololahy ary mpitarika hafa izay nomeny fahefana hiasa amin’ ny Anarany.3 Taorian’ ny nahafatesan’ i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny dia novain’ ny olona ireo ôrdônansy sy ny fotopampianarana. Very tamin’ izany ilay Fiangonana tany am-boalohany sy ny fisoronana. Taorian’ ny Vanim-potoan’ ny Haizina, dia namerina ny Fiangonany indray i Jesoa Kristy, teo ambanin’ ny fitarihan’ ny Ray any An-danitra. Ankehitriny dia velona indray izany, naverina tamin’ ny laoniny, ary miasa eo ambanin’ ny fitarihany masina.4

Manaraka an’ i Jesoa Kristy Tompo izahay ary mampianatra momba Azy. Fantatray fa taorian’ ny nandreseny ny fahafatesana tamim-boninahitra, dia imbetsaka no niseho tamin’ ireo mpianany ny Tompo efa nitsangana tamin’ ny maty. Niara-nisakafo tamin’ izy ireo Izy. Niara-nandeha tamin’ izy ireo Izy. Talohan’ ny Fiakarany farany dia naniraka azy ireo Izy hoe “mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”5 Nanaraka an’ io torolalana io ireo Apôstôly. Niantso olona hafa koa izy ireo mba hanampy azy ireo hanatanteraka ny baikon’ ny Tompo.

Ankehitriny dia io iraka io ihany no omena ireo misiôneran’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, eo ambanin’ ny fitarihan’ ireo apôstôly sy mpaminany amin’ izao andro izao. Manompo any amin’ ny firenena maherin’ ny 150 ireo misiônera ireo. Amin’ ny maha-solontenan’ i Jesoa Kristy Tompo azy ireo dia miezaka manatanteraka ilay baiko masina izy ireo—izay navaozin’ ny Tompo izy tenany mihitsy amin’ izao androntsika izao—dia ny hitondra ny fahafenoan’ ny filazantsara mankany ivelany ary ny hitahy ny fiainan’ ny olona na aiza na aiza misy azy.6

Ireo misiônera 20 taona latsaka na 20 taona mahery kely dia tsy manana traikefa arak’ izao tontolo izao. Saingy manana fanomezam-pahasoavana maro izy ireo—toy ny herin’ ny Fanahy Masina, ny fitiavan’ Andriamanitra ary fijoroana vavolombelona mikasika ny fahamarinana—izay mahatonga azy ireo ho masoivoho matanjaky ny Tompo. Mizara ny vaovao mahafalin’ ny filazantsara izy ireo, izay hitondra fifaliana marina sy fahasambarana maharitra mandrakizay ho an’ ireo rehetra izay mihaino ny hafatra entin’ izy ireo. Ary matetika dia manatanteraka izany any amin’ ny firenena vaovao sy amin’ ny alalan’ ny fiteny vaovao izy ireo.

Miezaka manaraka an’ i Jesoa Kristy ireo misiônera, na amin’ ny teny na amin’ ny asa. I Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany7 no torian’ izy ireo. Mampianatra momba ny Famerenana amin’ ny laoniny ara-bakiteny ilay Fiangonan’ i Kristy fahiny izy ireo, izay notanterahana tamin’ ny alalan’ ilay mpaminany voalohan’ ny Tompo amin’ izao andro farany izao, dia i Joseph Smith.

Mety efa avy nihaona tamin’ ireo misiôneranay ianao tany aloha tany, na koa aza tsy niraharaha azy ireny. Antenaiko fa tsy hatahotra azy ireny ianao fa hianatra avy amin’ izy ireny. Afaka ho tonga loharano nirahin’ ny lanitra ho anao izy ireny.

Izany no nitranga tamin’ i Jerry, lehilahy prôtestanta iray eo amin’ ny 65 taona eo ho eo, izay monina any Mesa, Arizona. Mpitandrina Batista ny rain’ i Jerry; ary mpitandrina Metôdista ny reniny. Indray andro dia nozarain’ i Pricilla tamin’ i Jerry, izay namany akaiky, ny fahoriana izay niainany noho ny nahafatesan’ ny zanany teo am-piterahana sy noho ny fisaraham-panambadiana izay nangidy tokoa taoriana kelin’ io. Nanan-janaka efatra i Pricilla, telo vavy sy iray lahy, ary nitolona mafy amin’ ny maha-reny tokan-tena azy. Raha namoaka izay tao am-pony tamin’ i Jerry izy, dia niaiky fa nieritreritra ny hamono tena. Niezaka i Jerry, tamin’ ny hery rehetra sy ny fitiavana rehetra nananany, ny hanampy azy hahatakatra fa nanan-danja ny fiainany. Nasain’ i Jerry ho any am-piangonany izy, saingy nanazava i Pricilla fa efa nadabony ny momba an’ Andriamanitra.

Tsy hitan’ i Jerry izay hatao. Taty aoriana, raha teo am-panondrahana ireo zavamaniry tao an-jaridainany izy dia nivavaka tamin’ Andriamanitra ity lehilahin’ ny finoana ity mba hahazo fitarihana. Raha nivavaka iny izy dia naheno feo tao an-tsainy nanao hoe: “Sakano ireo tovolahy mitaingina bisikileta ireo.” Somary sanganehana i Jerry ary nanontany tena hoe inona no dikan’ izany. Raha nandinika mikasika izany bitsika izany indrindra izy dia nitraka nijery tany amin’ ny arabe ary nahita tovolahy roa manao akanjo fotsy sy karavato mitaingina bisikileta toa mankany aminy. Taitra indrindra izy tamin’ izany “fifandrifian-javatra” izany, ary nitazana azy ireo nandalo teo anoloany. Kanjo noho ny tonga saina izy fa nila nanao zavatra teo anatrehan’ izao trangan-javatra izao, dia nihiaka mafy hoe: “E! ianareo ireny, mijanòna kely aloha! Mila miresaka aminareo aho!”

Nijanona ireo tovolahy, somary taitra nefa toa faly ny endriny. Raha nanatona izy ireo dia tazan’ i Jerry hoe nanao mari-pamantarana teny amin’ ny tratra, izay nahafantarany fa misiôneran’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany izy ireo. Nandinika azy ireo i Jerry ary niteny hoe “Mety ohatry ny hafahafa izao, fa teo am-pivavahana aho teo dia nisy niteny tamiko hoe ‘sakano ireo tovolahy mitaingina bisikileta.’ Nitraka aho nijery tany amin’ ny arabe dia indreto ianareo no tazako. Afaka manampy ahy ve ianareo?”

Nitsiky ireo misiônera ary nilaza ny iray tamin’ izy ireo hoe “Eny, tena afaka manampy tokoa.”

Nazavain’ i Jerry ny antony naha-sahiran-tsaina azy momba an’ i Pricilla. Tsy ela akory dia nihaona tamin’ i Pricilla sy ireo zanany ary i Jerry ireo misiônera. Noresahin’ izy ireo ny mikasika ny tanjon’ ny fiainana sy ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra ho azy ireo. Nitombo ny finoan’ i Jerry sy i Pricilla ary ireo zanak’ i Priscilla, tamin’ ny alalan’ ny vavaka amin-kitsimpo sy ny fandalinan’ izy ireo ny Bokin’ i Môrmôna ary ny fifaneraserana feno fitiavana tamin’ ireo mpikamban’ ny Fiangonana. Vao mainka nihamafy orina ny finoan’ i Jerry an’ i Jesoa Kristy izay efa natanjaka teo. Ireo ahiahin’ i Pricilla sy ny eritreritra ny hamono tena kosa dia nivadika ho fanantenana sy fahasambarana. Natao batisa izy ireo ary lasa mpikamban’ ny Fiangonan’ i Kristy naverina tamin’ ny laoniny.8

Eny, afaka manampy amin’ ny fomba maro ireo misiônera. Ohatra, mety te-hahafantatra misimisy kokoa momba ireo razambenareo ny sasany aminareo. Mety fantatrao ny anaran’ ny ray aman-dreninao sy ny an’ ny raibe sy renibenao izay miisa efatra, saingy ahoana ny amin’ ny ray aman-drenin’ ireo raibe sy renibenao izay miisa valo? Fantatrao ve ny anarany? Te-hahafantatra misimisy kokoa momba azy ireo ve ianao? Anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo!9 Mora amin’ izy ireo ny mijery ireo rakitsoratra maro dia maro mikasika ny tantaram-pianakaviana izay an’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.

Mpikambana ny sasany aminareo saingy tsy mandray anjara mavitrika amin’ izao fotoana izao. Tia ny Tompo ianareo ary matetika ianareo no mieritreritra ny hiverina ho mavitrika ao amin’ ny Fiangonany. Saingy tsy hainareo ny fomba hanombohana izany. Atoroko hevitra ianareo hoe anontanio ireo misiônera!10 Afaka manampy anareo izy ireny! Afaka manampy koa izy ireo amin’ ny alalan’ ny fampianarana ireo olona izay tianareo. Izahay sy ny misiônera dia tia anareo ary maniry ny hitondra fifaliana sy ny fahazavan’ ny filazantsara indray eo amin’ ny fiainanareo.

Ny sasany aminareo dia mety te-hahafantatra fomba ialana amin’ ny zavatra iray mampiankin-doha na fomba hahatonga anao ho lava andro sy ho salama kokoa. Anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo! Ireo fikarohana nataon’ ny olona tsy miankina dia nahitana fa ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany raha atambatra, dia vondron’ olona salama kokoa. Ny taham-pahafatesana eo amin’ izy ireo dia anisan’ ny ambany indrindra ary ny halavan’ ny androm-piainan’ izy ireo dia lava kokoa noho izay notaterina hatramin’ izao teo anivon’ izay mety ho vondrona hafa voafaritra tsara ka nanaovana fikarohana nandritra ny fe-potoana maharitra taty Etazonia.11

Ny sasany aminareo dia mety mahatsapa hoe feno zavatra mahasahirana ny fiainana ary hazakaza-dava, kanefa ao anatin’ ny fonao lalina ao ianao dia mahatsapa zavatra banga sy mampalahelo, ary tsy misy lalana ho arahana na tanjona ho tratrarina. Anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo! Afaka manampy anao izy hianatra misimisy kokoa mikasika ny tena tanjon’ ny fiainana—inona no antony nahatongavanao eto an-tany ary ho aiza ianao aorian’ ny fahafatesana. Azonao ianarana ny fomba ahafahan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy naverina tamin’ ny laoniny hitahy ny fiainanao amin’ ny fomba mihoatra noho izay azonao eritreretina amin’ izao fotoana izao.

Raha manana olana ianao mikasika ny fianakavianao, dia anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo! Ny fanamafisana orina ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia faran’ izay manan-danja indrindra ho an’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany. Afaka ny ho tafaraka mandrakizay ny fianakaviana. Angataho ny misiônera hampianatra anao ny fomba ahafahan’ izany ho tanteraka ho an’ ny fianakavianao.

Afaka manampy anao koa ireo misiônera mikasika ny fanirianao hanana fahalalana bebe kokoa. Ny fanahin’ ny olombelona dia mangetaheta fahalalana mafy. Na fahamarinana izay hita avy amin’ ny toeram-pikarohana ara-tsiansa izany na avy amin’ ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, dia tadiavintsika! Ny faharanitan-tsaina tokoa no voninahitr’ Andriamanitra.12

Ny fitomboana amin’ ny fahalalana dia ahitana ny fahalalana ara-panahy sy ny ara-nofo ihany koa. Antitranterinay ny lanjan’ ny fahatakarana ny soratra masina. Nisy fanadihadiana nataon’ ny tsy miankina vao haingana izay nahitana fa ireo Olomasin’ ny Andro Farany no manam-pahalalana indrindra mikasika ny finoana Kristianina sy ny Baiboly.13 Raha te-hahatakatra bebe kokoa ny Baiboly ianao, sy te-hahatakatra bebe kokoa ny Bokin’ i Môrmôna ary te-hahazo fahatakarana mivelatra kokoa ny amin’ ny maha-mpirahalahy ny zanak’ olombelona sy ny amin’ ny maha-ray an’ Andriamanitra, dia anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo!

Maro aminareo no manana faniriana lalina ny hanampy ny olona sahirana. Satria manaraka an’ i Jesoa Kristy izahay dia teren’ izany faniriana tsy hay tohaina izany ihany koa ireo Olomasin’ ny Andro Farany.14 Na iza na iza dia afaka mitambatra aminay hanampy ireo sahirana sy hanolotra fanamaivanana ho an’ ireo tra-boina noho ireo loza na aiza na aiza maneran-tany. Raha te-handray anjara ianao, dia anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo!

Ary raha toa ianao ka te-hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny fiainana aorian’ ny fahafatesana, mikasika ny lanitra, mikasika ny drafitr’ Andriamanitra ho anao; raha toa ianao ka te-hahafantatra misimisy kokoa mikasika an’ i Jesoa Kristy Tompo, sy ny Sorompanavotana nataony, ary ny Famerenana ny Fiangonany amin’ ny laoniny araka izay nanorenany azy tany am-boalohany, dia anontanio ireo misiônera! Afaka manampy anao izy ireo!

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ ny laoniny ny Fiangonany. Mivavaka amin-kery aho mba hitahian’ Andriamanitra anareo tsirairay sy ireo misiôneranay tsirairay avy. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Tafahaona Indray Isika Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 5–6.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3.

  3. Jereo ny Matio 10:1; Lioka 6:13; 10:1; Efesiana 4:11–12.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.

  5. Matio 28:19.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:8; 84:62; 112:28.

  7. Jereo ny 1 Korintiana 2:2; 2 Nefia 25–26.

  8. Taratasy manokana avy amin’ i W. Tracy Watson, filoha teo aloha an’ ny Misionan’ i Mesa Arizona.

  9. Isaky ny nanambara ilay fanasana aho hoe: “anontanio ireo misiônera,” dia azonao atao koa ny manontany namana iray izay mpikambana ato amin’ ny Fiangonana raha mila fanampiana.

  10. Ho faly hanampy koa ireo havana sy namana mavitrika ary ireo mpitarika ato amin’ ny Fiangonana.

  11. Jereo ny James E. Enstrom sy Lester Breslow, “Lifestyle and Reduced Mortality among Active California Mormons, 1980–2004,” Preventative Medicine, vol. 46 (2008), 135.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36.

  13. Jereo ny U.S. Religious Knowledge Survey (Sehatra Ifandraisana mikasika ny Fiainana Ara-pivavahana sy Ara-piaraha-monina), 28 Sept. 2010), 7.

  14. Jereo ny Ram Cnaan, Van Evans, ary Daniel W. Curtis, Called to Serve: The Prosocial Behavior of Active Latter-day Saints, (Sekolin’ ny Pôlitika sy Fomba fiasa ara-Tsôsialy ao amin’ ny Oniversiten’ i Pennsylvanie, 2012); “Mormon Volunteerism Highlighted in New Study” (16 Mar. 2012), http://www.mormonnewsroom.org/article/mormon-volunteerism-report; Mormons in America; Certain in Their Beliefs but Uncertain of Their Place in Society (Sehatra Ifandraisana mikasika ny Fiainana Ara-pivavahana sy Ara-piaraha-monina, 12 Jan. 2012), 43; Robert D. Putnam sy David E. Campbell, American Grace: How Religion Divides and Unites Us (2010), 444–54.