Mazoto Mirotsaka

Nataon’ny Loholona M. Russell Ballard

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Tanteraka ireo zavatra lehibe ary mihamaivana ireo enta-mavesatra noho ireo ezaka ataon’ny olona maro “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara.”

Ry Loholona Perry, araka ny eritreritro dia ianao mihitsy no olona 90 taona tanora indrindra manerana ny Fiangonana iray manontolo. Hitanareo angamba ny nitsambikinany niala ny sezany teo.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, isak’izay mankafy voatabia masaka am-potony na mihinana paiso be ranony vao notangosana teo amin’ny hazo aho, dia miverina any amin’ny 60 taona lasa izay nananan’ny raiko saham-paiso kely tany Holladay, Utah ny eritreritro. Nanisy toho-tantely tao izy mba handraraka vovom-bony amin’ireo felam-paiso izay ho lasa paiso lehibe sady matsiro.

Tian’ny raiko ireo renitanteliny mahafinaritra ary nahavariana azy ny fomba niarahan’ny an’arivony tamin’izy ireo niasa ka namadika ny mamin’ny voninkazo voahangona avy amin’ireo felam-paisony ho lasa tantely mamy toa lokom-bolamena—izay iray amin’ireo sakafo ahazoana tombontsoa indrindra eo anivon’ny natiora. Raha ny marina dia milaza amintsika ireo manam-pahaizana manokana momba ny sakafo ara-pahasalamana fa ny tantely dia iray amin’ireo sakafo ahitana ny zava-drehetra—ny prôteina, ireo otrikaina, ireo mineraly, ary ny rano—izay ilaina mba hivelomana.

Niezaka hatrany ny raiko nampandray anjara ahy tamin’ny asa nataony tamin’ireo toho-tanteliny, saingy tena nahafaly ahy ny namela azy hikarakara ireo renitanteliny. Na izany aza anefa, nanomboka tamin’izany fotoana izany, dia nianatra bebe kokoa mikasika ireo toho-tantely izay voalamina tamin’ny fomba tena raitra ny tenako—izay misy andian-tantely any ho any amin’ny 60.000 any.

Mavitrika dia mavitrika tokoa ireo renintantely mandraraka vovom-bony, sy manangona ny mamin’ny voninkazo, ary mampody ny mamin’ny voninkazo ho ranon-tantely. Izany asa izany no anton-draharaha mahafinaritr’izy ireo izay nataon’Ilay Mpahary antsika ho raiki-tampisaka ao aminy. Voatombantombana fa mba hamokarana ranon-tantely 0,45 kg fotsiny, dia tsy maintsy miara-mitety voninkazo an-tapitrisany maro ny renintantely 20.000 ka hatramin’ny 60.000 ao amin’ny tohotra antonony iray, ary manao dia mitovy amin’ny fihodinana ny tany in-droa. Ao anatin’ny fotoana fohy hiainany izay mandritra ny herinandro vitsivitsy ka hatramin’ny efa-bolana, ny fandraisana anjaran’ny renintantely iray amin’ny famokarana tantely ao amin’ny tohotra misy azy dia tsy mihoatra ny 42 mililitatra.

Eny fa na dia toa tsy manan-danja aza izany raha ampitahaina amin’ny fitambaran’izy manontolo, dia tena ilaina amin’ny fiainana ao anatin’ny tohotra ny ranon-tantely 42 mililitatra vokarin’ny renintantely tsirairay avy. Miantehitra amin’izy samy izy ireo renintantely. Ny asa izay mety ho nandreraka raha ataon’ny renintantely vitsivitsy dia manjary maivana kokoa satria samy manao ny anjarany amim-pahatokiana avokoa ireo renintantely.

Tandindona manan-danja teo amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika mandrakariva ny toho-tantely. Mianatra isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa nitondra renintantely niaraka tamin’izy ireo ny Jaredita (jereo ny Etera 2:3) rehefa nandeha tao amin’ny faritr’i Amerika izy ireo an’arivon-taonany maro izay. Nisafidy ny toho-tantely i Brigham Young mba ho tandindona hankaherezana sy hitaomana ny fiaraha-miasa amim-pahavitrihana nilaina teo anivon’ireo mpamaky lay mba hanova ilay tany hay nangadihady sy tsy nisy nilana azy manodidina ny Farihy Masira Lehibe ho tonga ho ilay lemaka mahavokatra izay ananantsika ankehitriny. Isika no nahazo tombontsoa tamin’ny fiarahan’izy ireo nijery ny hoavy sy ny asa tamim-pahazotoana nataon’izy ireo.

Samy ahitana sarin’ny toho-tantely avokoa na ny ao anatiny na ny ivelan’ny maro amin’ireo tempolintsika. Ity lampihazo hijoroako eto ity dia vita tamin’ny hazo avy amin’ny hazo noix izay naniry tao amin’ny tokontany ambadiky ny tranon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ary voahaingo tamin’ny sarin’ny toho-tantely voasokitra teo aminy.

Ireo sary rehetra ireo dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra iray: Tanteraka ireo zavatra lehibe ary mihamaivana ireo enta-mavesatra noho ireo ezaka ataon’ny olona maro “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara” (F&F 58:27). Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety ho vitan’ireo Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisany eto amin’izao tontolo izao raha miasa toy ny toho-tantely isika amin’ireo fanoloran-tenantsika izay mifantoka sy miorina amin’ny fampianaran’ny Tompo Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny didy voalohany sady lehibe indrindra dia hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. …

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany” (Matio 22:37, 39–40).

Tsotra ny tenin’ny Mpamonjy, nefa mampientana ny fo sy tena manan-danja lalina ny hevitra ambaran’izy ireo. Tokony hitia an’Andriamanitra sy hitia ary hikarakara ireo namantsika tahaka ny tenantsika isika. Alaivo sary an-tsaina ny zavatra tsara azontsika atao eto amin’izao tontolo izao raha toa ka mivondrona, miray hina ho toy ny mpanara-dia an’i Kristy isika rehetra, mazoto sy misasatra manome izay ilain’ny hafa ary manompo ireo manodidina antsika—ireo fianakaviantsika, ireo namantsika, ireo mpifanolobodirindrina amintsika, ary ireo mpiara-belona amintsika.

Araka izay voalaza ao amin’ny Epistilin’i Jakoba hoe ny asa fanompoana no tena famaritana ny fivavahana madio sady tsy misy loto (jereo ny Jakoba 1:27).

Mamaky mikasika ny asa fanompoana atolotr’ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany isika indrindra fa ireo asa fanompoana hiarovana ny maha-olona izay atao amin’ny fotoan’ny andro sarotra—ny dorotanety, sy ny tondra-drano, sy ny rivo-mahery, ary ny rambon-danitra mahery vaika. Ny fandraisana andraikitra amin’ireo ankamehana ireo izay tena ilaina sy tena ankasitrahana dia tokony hotohizana ho toy ny fomba hifampitondrana ny enta-mavesatra. Ary manao ahoana kosa ny eo amin’ny fiainantsika andavanandro? Inona no mety ho vokatry ny fitambaran’ireo asa kely, feno fangorahana nataontsika isan’andro noho ny fitiavana Kristiana avy amin’ny fo omentsika ny hafa? Eny an-dalana eny dia hanana fiantraikany hanova ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny fanaparitahana ny fitiavany amin’izy ireo amin’ny alalantsika izany. Ity tontolontsika misavorovoro ity dia mila izany fitiavan’i Kristy izany amin’izao fotoana izao mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra, ary mbola hila izany bebe kokoa amin’ireo taona hoavy.

Mety ho toy ny hoe kely no fijerin’izy ireo ireo asa fanompoana tsotra fanaony isan’andro, saingy rehefa jerena miaraka izy rehetra dia lasa ho ilay ranon-tantely 42 mililitatra izay fandraisana anjaran’ny renintantely iray ao amin’ny tohotra. Misy hery ao amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ireo zanany, ary rehefa azo tsapain-tanana amin’ny alalan’ireo asa natao tamin’ny hamoram-po Kristianina izany fitiavana izany, dia hanome mamy sy hamelona izao tontolo izao amin’ilay mamin’ny voninkazon’ny finoana, sy ny fanantenana, ary ny fiantrana.

Inona no tokony hataontsika mba ho tonga tahaka ireo renintantely nanolo-tena ary hahatonga izany fanoloran-tena izany ho isan’ny toetrantsika? Maro amintsika no maneho fankatoavana amin’ny fanatrehana ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonantsika. Miasa mafy isika manao ny antsontsika, indrindra isan’ Alahady. Tena mendri-piderana izany. Saingy moa ve ny saintsika sy ny fontsika dia mazoto mirotsaka amin’ny fanaovana zavatra tsara mandritra ireo andro sisa rehetra ao anatin’ny herinandro? Moa ve isika manao fotsiny ny adidintsika tsy amin’ny fo, sa moa ve isika tena miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no hikolokoloantsika ilay voa kelin’ny finoana izay nampitomboantsika tao an-tsaina sy hambolentsika izany lalina ao amin’ny tany lonaky ny fanahintsika? Ahoana no ahatongavan’ilay fiovam-po mahery vaika ho ao amintsika izay lazain’i Almà fa ilaina mba hahafahantsika mahazo fahasambarana sy fiadanana mandrakizay? (jereo ny Almà 5:12–21).

Tsarovy, ny ranon-tantely dia ahitana ireo zava-drehetra ilaina mba hijanonana ho velona amin’izao fiainana eto an-tany izao. Ary ny fotopampianarana sy ny filazantsaran’i Kristy no hany lalana ahazoana ny fiainana mandrakizay. Rehefa mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika sy mangady lalina izay ao am-pontsika ihany ny fijoroantsika ho vavolombelona vao ho lasa toy ny an’ny Mpamonjy ny fahazotoantsika hitia sy hanompo. Amin’izay fotoana izay, ary amin’izay ihany isika vao ho tonga mpianatr’i Kristy niova fo lalina ary nahazo hery tamin’ny alalan’ny Fanahy mba hikasika ny fon’ireo mpiara-belona amintsika.

Rehefa tsy mipetraka amin’ny zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity intsony ny fontsika, dia tsy hiandrandra ny voninahitry ny olona intsony isika na hikatsaka fotsiny ihany ny hanandratra avo izay mampirehareha antsika (jereo ny F&F 121:35–37). Aleontsika manana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay nampianarin’i Jesoa:

  1. Tsara fanahy sy mora fanahy ary mahari-po isika (jereo ny F&F 121:41).
  2. Malemy fanahy tsy misy fihatsaram-belatsihy na fitaka isika (jereo ny F&F 121:42).
  3. Mahatsapa fiantrana ho an’ny olon-drehetra isika (jereo ny F&F 121:45).
  4. Feno hatsaram-panahy mandrakariva ny eritreritsika (jereo ny F&F 121:45).
  5. Tsy manana fironana hanao ratsy intsony isika (jereo ny Môsià 5:2).
  6. Miaraka amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina, ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahintsika toy ny ando avy any an-danitra (jereo ny F&F 121:45–46).

Ankehitriny ry rahalahy sy rahavavy, dia tsy mamporisika anareo hazoto be loatra na hafana fo be loatra amin’ny fivavahana aho. Tsy izany velively! Manome sosokevitra fotsiny aho ny mba hanaovantsika ilay dingana ilaina amin’ny fiovam-pontsika tanteraka ho an’ny filazantsaran’i Krity amin’ny alalan’ny fampidirantsika lalina ao am-pontsika sy ny fanahintsika ny fotopampianarany mba hanaovantsika asa sy hiainantsika hatrany—ary amin’ny fahamarinan-toetra—izay lazaintsika fa hinoantsika.

Manamora ny fiainantsika izany fahamarinan-toetra izany ary mampitombo ny fahatsapantsika ny Fanahy sy ireo zavatra ilain’ny hafa. Mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika sy fiadanana eo amin’ny fanahintsika izany—ilay karazam-pifaliana sy fiadanana izay tonga amintsika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika sy manaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny isika.

Ahoana no fomba ahatongavan’izany fiovana izany eo amintsika? Ahoana no ambolentsika izany fitiavan’i Kristy izany ao am-pontsika? Misy fampiharana tsotra iray fanao isan’andro izay afaka manova zavatra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, tafiditra ao anatin’izany ianareo ry kilonga lahy sy vavy, ry zatovolahy sy zatovovavy, ry tanora tokan-tena, ary ianareo ray sy reny.

Izany fampiharana tsotra izany dia: ny hangatahanao amin’ny Ray any an-danitra amin’ny vavaka ataonao isa-maraina isan’andro ny hitarika anao hamantatra fotoana iray hahafahanao hanompo ny iray amin’ireo zanany sarobidy. Ary avy eo dia mandehana amin’ny fonao feno finoana sy fitiavana mandritra ny andro hitady olona azo ampiana. Mifantoha mandrakariva, tahaka ireo renintantely mifantoka amin’ireo voninkazo izay hanangonana vovom-bony sy mamim-boninkazo. Raha manao izany ianao, dia hitombo ny fahatsapanao ara-panahy, ary hahita fotoana hahafahana manompo izay noheverinao fa tsy vitanareo mihitsy teo aloha ianao.

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mamaly ny vavaky ny olona iray hafa amin’ny alalantsika Andriamanitra—amin’ny alalantsika sy ianao—amin’ny alalan’ny teny sy ny zavatra feno hatsaram-panahy ataontsika—, amin’ny alalan’ny asa fanompoana tsotra sy ny fitiavantsika.

Ary niteny ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Mahita antsika Andriamanitra, ary mikarakara antsika izy. Saingy matetika avy amin’ny alalan’ny olona iray hafa no hanomezany izay ilaintsika. Noho izany dia tena ilaina ny hifanompoantsika” (Enseignements des Présidents de L’Église: Spencer W. Kimball [2006], 82)

Fantatro fa raha manao izany ianareo—any an-trano, any am-pianarana, any am-piasana, ary any am-piangonana—dia hitarika anareo ny Fanahy, ary ho afaka ny hamantatra ireo izay mila asa fanompoana iray manokana ianareo izay tsy azon’iza n’iza atao afa-tsy ianareo. Hotaomin’ny fanahy sy hazoto fatratra hanampy amin’ny fandresen-dahatra izao tontolo izao amin’ny fitiavana madion’i Kristy sy ny filazantsarany ianareo.

Ary tadidio, fa raha ampitombointsika avy an’aliny eny na an-tapitrisany ny ezaka ataontsika amin’ny ezaka ombam-bavaka ny hizara ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ireo zanany amin’ny alalan’ny asa fanompoana Kristiana, tahaka ilay ranon-tantely 42 mililitatra novatsian’ireo renintantely kely ho an’ny tohotra, dia hisy vokany tsara hitombo haingana izay hitondra ny hazavan’i Kristy eo amin’ity tontolo izay mihamaizina ity. Rehefa miray hina isika, dia hitondra fitiavana sy fangorahana eo anivon’ny fianakaviantsika ary amin’ireo izay manirery, ireo mahantra, ireo maratra ara-panahy sy ara-pihetseham-po, ary ireo zanaky ny Ray any an-danitra izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny fiadanana.

Izany no vavaka ataoko amim-panetren-tena, ry rahalahy sy anabavy, dia ny mba hangatahantsika amin’ny vavaka ataontsika isan’andro ny hahazo fanentanam-panahy hitady olona iray izay afaka hanaovantsika asa fanompoana manan-danja, ao anatin’izay ny fanompoana mba hizara ireo fahamarinan’ny filazantsara sy ireo fijoroantsika ho vavolombelona. Rehefa mifarana ny tontolo andro, dia enga anie isika ka ho afaka ny hilaza hoe “eny” amin’ny fanontaniana manao hoe: “Have I done any good in the world today, have I helped anyone in need?” (“Nanao soa teto amin’izao tontolo izao ve aho androany, moa nanampy olona nila fanampiana ve aho?”) (Hymns, no. 223).

Asan’Andriamanitra ity. Enga anie isika mba ho mahatoky amin’izany tahaka ireo renintantely kely izay nanolo-tena tamin’ny azy ireo, mivavaka amim-panetren-tena aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.