2010–2019
Ho Sahy amin’ ny Herim-po, sy ny Tanjaka ary ny Asa
Oktobra 2012


Ho Sahy amin’ ny Herim-po, sy ny Tanjaka ary ny Asa

Meteza ho mendrika tahaka ireo zatovo miaramila roa arivo izay nanana fahasahiana tamin-kerim-po amin’ ny maha-mpihazona fisoronana mendrika anao.

Anio hariva aho dia mahatsiaro ho manana tombontsoa manokana afaka miresaka, amin’ ny maha-eveka ahy, amin’ ireo zatovolahy, izay mpihazona ny Fisoronana Aharôna, ary tafavory manerana izao tontolo izao mba hihaino ity fivoriamben’ ny fisoronana ity. Zaraiko aminareo ny tantara avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna izay miresaka an’ i Helamàna sy ireo zatovo miaramilany roa arivo. Manome fanazavana antsika mikasika ny toetran’ ireo zatovolahy taloha ireo ity soratra masina ity—ary manome aingam-panahy ho anareo zatovolahy amin’ izao andro farany izao. Teneniko anareo ilay soratra masina tiako indrindra manao hoe: “Ary lehilahy tanora avokoa izy ireo, sy sahy fatratra tokoa raha ny herim-po ary koa ny tanjaka sy ny asa, nefa indro tsy izany ihany—Lehilahy marina tamin’ ny fotoan-drehetra izy ireo.”1 Herim-po, tanjaka, asa, ary fahamarinana—tena toetra mendri-piderana izany!

Tiako ny hifantoka amin’ ilay toetra voalohany izay mamaritra azy ireo ho: “sahy [amin’ ny] herim-po.” Amiko, izany dia mamaritra ny fahazotoan’ ireo zatovolahy ireo mba hanao ny marina amin-kerim-po, na tahaka ny famaritana izay nolazain’ i Almà hoe: “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra … sy amin’ ny toerana rehetra.”2Ireo zatovo miaramila 2.000 dia nanana fotoana betsaka nanehoana ny herim-pon’ izy ireo. Ianareo tsirairay ihany koa eo amin’ ny fiainanareo dia hanana fotoana manan-danja izay mitaky herim-po. Ny namako iray antsoina hoe John, dia nizara tamiko ny iray tamin’ ireo fotoana teo amin’ ny fiainany ireo.

Taona maro lasa izay dia voaray tao amin’ ny Oniversite malaza iray tao Japana izy. Tafiditra tamin’ ny fandaharan’ asa ho an’ ny mpianatra iraisam-pirenena izy miaraka amin’ ny mpianatra sangany maro hafa manerana izao tontolo izao. Ny sasany dia nisoratra anarana miaraka amin’ ny fanantenana mba handalina ny fahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny fiteny, ary ny hafa kosa dia mahita izany ho toy ny zavatra manampy azy ireo amin’ ny asa sy ny anton’ asa any aoriana any ao Japana, kanefa samy nandao ny tokantrano nisy azy avy izy rehetra mba hianatra any amin’ ny firenena izay vahiny aminy.

Fotoana fohy taorian’ ny nahatongavan’ i John dia niparitaka nanerana ireo mpianatra vahiny rehetra ny filazana mikasika ny fety izay hitranga ao amin’ ny terrasse tao amin’ ny fonenan’ olon-tsotra iray. Tamin’ io alina io i John sy ny namany anankiroa dia nandeha tany amin’ ilay toerana voalaza.

Rehefa nihazo ny ascenseur mitondra miakatra mankany amin’ ny rihana ambony indrindra amin’ ilay trano i John sy ny namany, dia nizotra nihazo ilay tohatra tokana sy tery izay mitondra mankany amin’ io terrasse io, ary nanomboka nifampiresaka tamin’ ireo hafa. Nanomboka niova ny rivotra niainana rehefa nandroso ho alina. Tsy nampahazo aina an’ i John intsony ny fitomboan’ ny tabataba, sy ny hamafin’ ny hira, ny fiakaran’ ny alikaola tao. Tampoka teo dia nisy olona nanomboka nandamina ireo mpianatra mba hanao faribolana lehibe, ary io olona io dia eo andala-pizaràna rongony ho fohana. Nikentrona be i John ary nampilaza faingana ireo namany anankiroa fa tokony handeha amin’ izay izy ireo. Toy ny efa maneso mihitsy ny iray tamin’ ireo namany namaly hoe: “John a! Mora be ny ialana amin’ ity—hijoro eo amin’ ny faribolana fotsiny isika, ary rehefa tonga ny anjarantsika, dia omentsika avy hatrany ilay manaraka izany fa tsy hofohantsika akory. Fa raha mandeha isika dia mahatonga henatra ho antsika eo imason’ ny olon-drehetra izany.” Toa mora amin’ i John izany, kanefa toa tsy marina. Nahafantatra i John fa tokony hanambara izay tiany hatao izy ary hanao izany avy hatrany. Fotoana vitsy monja no nanangonany ny herim-pony ary nitenenany tamin’ ireo namany fa afaka manao araka izay tiany izy ireo fa izy kosa handeha. Ny iray tamin’ ny namany dia nanapa-kevitra ny hijanona ary niditra tanatin’ ny faribolana, ary ilay iray hafa dia nanaraka tsy fidiny an’ i John hidina ny tohatra mba hiditra ao amin’ ny ascenseur. Akory ny hagagan’ i John fa vantany vao nisokatra ny varavaran’ ny ascenseur, dia indreo nisy pôlisy manam-boninahitra nivoaka avy tao, ary nihazakazaka nihazo ny tohatra mankany amin’ ny terrasse. Niditra tao anatin’ ny ascenseur i John sy ilay namany ary dia lasa.

Rehefa tonga tao amin’ ny faratampon’ ny tohatra ireo pôlisy, dia samy nanipy haingana ilay zava-mahadomelina tsy ara-dalàna ho any ivelany ireo mpianatra mba tsy ho tratra. Rehefa avy nandrindrina ny lalana mankany amin’ ny tohatra anefa ireo manam-boninahitra dia nampilahatra izay rehetra teo amin’ ilay terrasse ary niangavy ireo mpianatra tsirairay mba hanatsotra ny tànan’ izy ireo anankiroa. Nandeha nanaraka ny filaharana ireo manam-boninahitra ary nofofonin’ izy ireo tsara ny ankihibe sy ny fanondron’ ireo mpianatra. Ireo rehetra izay avy nikasika tamin’ ilay rongony, na nifoka izy ireo na tsia, dia voampanga, ary nisy fiantraikany goavana izany. Saika ny mpianatra rehetra tsy nisy ankanavaka izay tafajanona tao amin’ ny terrasse no voaroaka tao amin’ ny oniversiten’ izy ireo avy, ary ireo izay voampanga fa nahavita heloka be vava dia noroahina hiala an’ i Japana. Nanjavona tao anatin’ ny fotoana fohy ireo nofinofy teo amin’ ny fandratoana fianarana, ireo taona maro niomanana, ary ny fahafahana hiasa any Japana amin’ ny ho avy.

Ankehitriny dia mamelà ahy hiresaka aminareo ny zava-nitranga tamin’ ireo mpinamana telo ireo. Ilay namana izay nijanona tao amin’ ilay terrasse dia voaroaka tao amin’ ny Oniversite tany Japana, kanefa izy dia niady mafy mba ho voaray tao, ary notakiana taminy ny hodiany. Ilay namana izay niala tamin’ ilay fety ny alin’ iny niaraka tamin’ i John dia nahavita ny fianarany tao Japana, ary nanohy fianarana ka nahazo diplaoma tany amin’ ny oniversite roa tsara indrindra tany Etazonia. Ny asany dia nahatonga azy hiverina tany Azia, ary tany izy no nahita fifaliana tamin’ ny fahombiazana sesehena teo amin’ ny asany. Mbola velom-pankasitrahana izy hatramin’ izao noho ny ohatra feno herim-po nasehon’ i John. Raha ny amin’i John, dia tsy tambo isaina ny vokatr’ izany teo amin’ ny fiainany. Ny fotoana niainany tany Japana tamin’ iny taona iny no nitondra azy tamin’ ny tokantrano sambatra, narahan-jazalahy roa. Tena tonga mpandraharaha nahomby tokoa izy, ary taty aoriana dia lasa mpampianatra tao amin’ ny Oniversite iray tany Japana. Eritrereto hoe nanao ahoana ny fahasamihafana teo amin’ ny fiainany raha toa izy ka tsy nanana herim-po handao ilay fety tamin’ iny alina manan-danja tany Japana iny.3

Ry zatovolahy, tahaka an’ i John dia hisy ny fotoana izay tsy maintsy hanehoanareo ny herim-po marina anananareo, eo imason’ ireo namanareo, mety ho mahamenatra sy mahasorena ny ho fiantraikan’ izany. Ankoatra izany, amin’ izao tontolo misy anareo izay hanjakan’ ny teknôlôjia izao dia hisy koa ny ady hifanaovana amin’ ilay fahavalo eo amin’ ny sahan’ ady mangina sy manirery eo anoloan’ ny efijery. Ny teknôlôjia ankoatra ny tombontsoa entiny dia mitondra ihany koa olana izay tsy mbola niainan’ ireo taranaka talohanareo. Ny fanadihadiana iray natao vao haingana teto amin’ ny firenena no nahitana fa tsy any an-tsekoly fotsiny ihany no mampivarahontsana ny fakam-panahy mahazo ny zatovo ankehitriny fa any amin’ ny toerana fanaovana internet ihany koa. Izany koa no nahitana fa ireo tanora izay nijery sary maneho fisotroana toaka sy fampiasana zava-mahadomelina tao amin’ ireny tambazotra sôsialy eo amin’ ny internet ireny dia avo telo na efatra heny ny mety hahatonga azy ireny hirona amin’ ny toaka sy ny zava-mahadomelina ihany koa. Raha nanao fanamarihana mikasika io fanadihadihana io ny mpitantsoratra iray tao amin’ ny kabinetra tao amin’ ny governemanta Amerikana teo aloha dia nilaza hoe: “Io fanadihadihana tamin’ ity taona ity io dia nampiseho karazana fanerena mahery vaika amin’ ny fomba vaovao avy amin’ ny fiaraha-monina—dia ny fanerena ataon’ ny manodidina amin’ ny alalan’ ny teknôlôjia. Ny fanerena ataon’ ny manodidina amin’ ny alalan’ ny teknôlôjia dia mihoatra lavitra noho ireo naman’ ny ankizy iray sy ireo ankizy izay mifanerasera aminy. Manafika hatrany an-tokantrano sy ny efitrano fandrian’ ilay zaza izany amin’ ny alalan’ ny Internet.”4Ny fanehoana herim-po amim-pahamarinana dia matetika ho saro-takarina toy ny hoe hanao click sa tsia. Ampianarina ireo misiônera ao amin’ ny Torio ny Filazantsarako ny hoe: “Fomba lehibe handrefesana ny hatsaran-toetranao ny zavatra safidianao ho eritreretina sy ho atao rehefa irery ianao ary mieritreritra fa tsy misy mahita.”5Mahereza! Mahatanjaha! “Mitsangàna amin’ ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina.”6

Ry zatovolahy, mampanantena aho fa hanome hery anao ny Tompo. “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery.”7Hamaly soa anao Izy amin’ ny herim-po sy ny fitondran-tena tsara ataonao—amin’ ny alalan’ ny fahasambarana sy fifaliana. Ny herim-po lehibe toy izany no ateraky ny finoanao an’ i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ny vavaka nataonao, ary ny fankatoavanao ireo didy.

Hoy ny Filoha N. Eldon Tanner hoe: “Ny zatovolahy iray any amin’ ny sehatry ny sekoly dia afaka mitondra fiantraikany mahery vaika ho amin’ ny tsara. Ny zatovolahy iray izay ao amin’ ny ekipa mpanao baolina kitra, na any amin’ ny oniversite, na eo anivon’ ny mpiara-miasa aminy dia afaka manao soa sesehana amin’ ny alalan’ ny fiainany ny filazantsara, sy ny fanajany ny fisoronany, ary ny fijoroany hiaro ny marina. Matetika ianao no hahita fitsikerana betsaka sy fandrabirabiana eny na dia avy amin’ ireo izay mino ny zavatra inoanao aza, na dia mety hanaja anao aza izy ireo noho ny fanaovanao ny tsara. Kanefa tsarovy fa na ny Mpamonjy aza dia nampijaliana, noharatsiana, nalaim-baraka ary nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana nony farany satria tsy nety nohozongozonina tamin’ ny finoany. Efa mba nieritreritra izay mety ho nitranga ve ianao raha toa ka nihanalemy izy ka niteny hoe: ‘ O! Inona moa no ilàna izao e?’ ary tsy nanohy ny asany? Moa ve isika te-ho mpiala an-daharana, sa te-ho mpanompo feno fahasahiana na dia misy aza ny fanoherana maro sy ny faharatsiana eo amin’ izao tontolo izao? Handeha isika hanana herim-po hanao zavatra sy mba ho voaisa ho toy ny mpanara-dia marina sy feno fanoloran-tena an’ i Kristy.”8

Manasa anao aho, meteza ho mendrika tahaka ireo zatovo miaramila roa arivo izay nanana fahasahiana tamin-kerim-po amin’ ny maha-mpihazona fisoronana mendrika anao. Tsarovy fa ny zavatra izay ataonao, ny toerana izay halehanao, ary ny zavatra izay jerenao no hamaritra ny maha-ianao anao. Te-ho tonga olona ohatry ny ahoana ianao? Meteza ho diakona mendrika, ho mpampianatra mendrika, ary ho mpisorona mendrika. Mametraha tanjona mba ho mendrika ny hiditra ao amin’ ny tempoly amin’ izao fotoana izao, ary mba ho mendrika ny handray ny ôrdônansy manaraka amin’ ny taona mahamety izany, ary ny handray ny Fisoronana Melkizedeka any amin’ ny farany. Izany no lalan’ ny fahamarinana izay manasa ny fanampian’ Andriamanitra. Hoy ny Tompo hoe: “Koa miharihary ao amin’ ny ôrdônansiny ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra.”9

Hitarika anao eny an-dalana eny ireo ray aman-dreny, sy ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana ary ireo laharam-pahamehana araka ny faminaniana hita ao amin’ ny bokikely Devoir Envers Dieu (Ny Adidinao amin’ Andriamanitra) sy Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza).

Vao tsy ela akory izay ny Filoha Thomas S. Monson no nanoro hevitra hoe:

“Mba handraisana [fanapahan-kevitra] amim-pahendrena, dia ilaina ny herim-po—ny herim-po hiteny hoe tsia, ny herim-po hiteny hoe eny. …

“Manao antso avo aminareo aho mba handray fanapahan-kevitra … izao [ankehitriny] izao mba tsy hihataka amin’ ny làlana izay mitarika mankany amin’ ny tanjontsika: dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ ny Raintsika any An-danitra.”10

Tahaka ny naneken’ ireo zatovo miaramila roa arivo ny antson’ i Helamàna izay mpitarika azy ireo mba hiady sy ny nandrindran’ izy ireo ny herim-po feno fasahiana nananan’ izy ireo, no ahafahanao manao toy izany amin’ ny fanarahana ny mpaminany mpitarika anao, dia ny Filoha Thomas S. Monson.

Ry zatovolahiko mpihazona ny Fisoronana Aharôna, eto am-pamaranana dia manolotra anareo ny fijoroako ho vavolombelona aho ny amin’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy, ary ny tenin’ i Joseph Smith manao hoe: “Ry rahalahy! Tsy hitozo ao amin’ ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy, dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ ny fandresena!”11Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.