“Satria Velona Aho, dia ho Velona Koa Ianareo”

Nataon’ny Loholona Shayne M. Bowen

Avy ao amin’ny Fitopololahy


Noho Izy, ilay Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, dia ho atelin’ny fifaliana feno ireo fahatsapana alahelo sy fanirery ary hakiviana indray andro any.

Nahita fianakaviana ahitana olona fito izaho sy ny mpiara-mitory tamiko tao amin’ilay paroasy iray fony izahay misiônera tanora tany Chili. Niangona niaraka tamin’ireo zanany ilay renim-pianakaviana isan-kerinandro. Nihevitra izahay fa mpikamban’ny Fiangonana efa ela izy ireo. Herinandro maromaro taty aoriana dia fantatray fa mbola tsy vita batisa izy ireo.

Tonga dia niresaka tamin’ilay fianakaviana izahay ary nanontany raha toa ka afaka mandeha any an-tranon’izy ireo sy mampianatra azy ireo. Tsy liana tamin’ilay hoe hianatra momba ny filazantsara ilay raim-pianakaviana saingy tsy nanakana ny hampianarana ny fianakaviany izy.

Nivoatra haingana dia haingana rahavavy Ramirez tao anatin’ireo lesona. Tsy andriny izay hahafantarana ireo fotopampianarana rehetra nampianarinay. Indray hariva raha niresaka momba ny fanaovana batisa ny zaza izahay dia nampianatra fa tsy manan-tsiny ny ankizy kely ary tsy mila atao batisa. Nasainay izy mba hamaky ao amin’ny bokin’i Môrônia:

“Indro lazaiko aminareo fa izao no zavatra hampianarinareo—ny fibebahana sy ny batisa ho an’ireo izay ampamoahina sy mahavita manao fahotana; eny ampianaro ny ray aman-dreny fa tsy maintsy sy atao batisa ary manetry ny tenany toy ny ankizy madininy izy, ary dia hovonjena avokoa izy miaraka amin’ny ankizy madininy.

“Ary tsy mila fibebahana na batisa ny ankizy madininy. Indro, ny batisa dia ho an’ny fibebahana, ho fanatanterahana ny didy, ho famelana ny fahotana.

“Fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika, na dia hatry ny fanorenana izao tontolo izao aza; raha tsy izany dia Andriamanitra miangatra Andriamanitra, ary koa Andriamanitra miovaova sy mizaha tavan’olona; satria firifiry akory ny ankizy madinika efa nodimandry tsisy batisa!”1

Nanomboka nitomany Rahavavy Ramirez taorian’ny namakiany izany soratra masina izany. Nikorontan-tsaina izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko. Nanontany aho hoe: “Ry Rahavavy Ramirez, nisy zavatra nolazainay izay nanafintohina anao ve?”

Hoy izy hoe: “Tsia ry Elder, tsy nisy zavatra tsy nety nataonao akory. Nanan-janaka lahy kely aho enin-taona lasa izay. Maty talohan’ny nahafahanay nanao batisa azy izy. Nolazain’ilay momperanay fa hitoetra any amin’ny limby mandrakizay izy satria tsy vita batisa. Nahatsapa fanaintainana sy fahamelohana nandritra ny enin-taona aho. Rehefa avy namaky ity soratra masina ity aho dia nahafantatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa marina izany. Nahatsapa vesatra iray nesorina tamiko aho ary ranomasom-pifaliana izao miseho izao.”

Nahatsiaro ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith aho izay nampianatra izany fotopampianarana mankahery izany: “Maka olona maro ny Tompo, na dia ny zazakely aza, mba hahafahan’izy ireo manalavitra ny fitsiriritan’ny olombelona, ny fahoriana sy ny faharatsian’ity izao tontolo izao ankehitriny ity. Madio sy maha-te-ho tia loatra izy ireo raha hampiainina eto an-tany. Noho izany rehefa dinihina tsara, dia manana antony hifaliana isika satria navotana tamin’ny ratsy izy ireo ary ho azontsika indray izy ireo atsy ho atsy.”2

Rehefa niaina alahelo sy fanaintainana nila tsy ho zaka nandritra ny enin-taona izy dia nitondra fiadanana tena mamy ho an’ity vehivavy nikorontan-tsaina ity ilay fotopampianarana marina izay nambaran’ny Ray any an-danitra tamin’ny alalan’ny mpaminany velona iray. Tsy ilaina intsony ny milaza fa dia natao batisa Rahavavy Ramirez sy ireo zanany izay valo taona no ho miakatra.

Tsaroako ny nanoratako tamin’ny fianakaviako mikasika ny fankasitrahana izay tsapako tao am-poko noho ny fahalalana an’izany sy ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy tena maro mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tsy noeritreretiko velively hisy fiantraikany amiko izany fahamarinana tsara sy mahafinaritra izany taona maro taty aoriana ary niseho ho toy ny balsaman’i Gileadako izany.

Te-hiresaka amin’ireo izay namoy zanaka aho ary nametraka fanontaniana hoe: “Nahoana no izaho?” na mety niahiahy mikasika ny finoanao an’ilay Ray any an-danitra be fitiavana mihitsy aza ianao. Mivavaka aho mba ho afaka hitondra fanantenana sy fiadanana ary fahatakarana an-tsaina misimisy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Faniriako ny ho fitaovana mba hamerina amin’ny laoniny ny finoana an’ilay Ray any an-danitra be fitiavana izay mahafantatra ny zavatra rehetra sy manome lalana ny handalovantsika fitsapana mba hahafahantsika mahafantatra sy mitia Azy ary mahatakatra fa tsy manana na inona na inona isika raha tsy misy Azy.

Ny 4 Febroary 1990, dia teraka ilay zanakay lahy fahatelo ary zanakay fahenina. Nomenay anarana hoe Tyson izy. Zazalahy kely nahafatifaty izy ary noraisin’ny fianakaviana tamin’ny fo sy sandry feno fitiavana. Tena reharehan’ny rahalahiny sy ny anabaviny izy. Nihevitra izahay rehetra fa izy no zazalahy kely tena tonga lafatra teraka hatramin’izay.

Nitelina tsaoka kely izay hitany teo amin’ny karipetra i Tyson fony izy valo volana. Nihitsoka tao amin’ny tendan’i Tyson izany ary tsy afaka niaina izy. Nentin’ilay zokiny lahy niakatra tany amin’ny efitra ambony i Tyson ary nitroatroatra niantsoantso izy hoe: “Tsy miaina ilay zaza. Tsy miaina ilay zaza.” Nanomboka nampihatra ny fameloman’aina taminy izahay ary niantso ny laharan-tariby 911.

Tonga ireo mpanampy mpitsabo ary nitondra haingana an’i Tyson tany amin’ny hopitaly. Nanohy nivavaka mafy tamin’ny fo izahay tao amin’ny efitrano fiandrasana ka nitalaho tamin’Andriamanitra ny mba hisian’ny fahagagana. Fotoana izay toa tena ela dia ela taty aoriana dia tonga tao amin’ilay efitrano ny dokotera ary nilaza hoe: “Miala tsiny aminareo fa tsy misy zavatra hafa azonay atao intsony. Ataovy izay fantatrareo fa tokony hatao na dia mitaky fotoana maharitra aza izany.” Dia lasa izy.

Rehefa niditra ny efitrano nandrian’i Tyson izahay dia hitanay teo ilay loharanom-pifaliana kelinay. Toy ireny nisy hazavana selestialy namirapiratra ireny nanodidina ilay vatany kely. Tena namirapiratra sy nadio izy.

Toy ireny hoe nitsahatra ireny ny fiainanay tamin’izay fotoana izay. Ahoana no ahafahanay miverina any amin’ireo zanakay hafa ary manao izay hanazavana fa tsy hody intsony i Tyson?

Hiresaka amin’ny alalan’ny fanehoako ny hevitro manokana aho raha hitantara ny ambin’ny zava-niseho. Niaraka niaina izany fitsapana izany izaho sy ilay vadiko izay toy ny anjely, saingy tsy ampy ny fahaizako maneho ny zavatra tsapan’ny reny iray ka tsy hanandrana hanao izany akory aza aho.

Tsy vita ny mamaritra ireo zavatra mifangaroharo tsapako tamin’izay fotoana izay teo amin’ny fiainako. Nahatsapa ho toy ireny hoe tao anatin’ny nofy ratsy ireny aho ny ankamaroan’ny fotoana, ka dia hifoha tsy ho ela ary hisava ilay nofy tena ratsy. Tsy natory aho nandritra ny alina maro. Matetika aho nivezivezy nitety ny efitrano mba haka antoka fa tsy maninona ireo zanakay hafa.

Nokorontanin’ny fahatsapana fahamelohana ny fanahiko. Nahatsapa ho tena meloka aho. Nahatsapa ho maloto aho. Izaho no rainy. Tokony nanao zavatra bebe kokoa aho mba hiarovana azy. Inay aho mba afaka nanao an’izao na izao. Indraindray na dia amin’izao fotoana izao aza, izay 22 taona aty aoriana dia manomboka miditra ao am-poko ireo fahatsapana ireo ary mila manaisotra haingana azy ireo aho satria mety tena hanimba izany.

Iray volana taorian’ny nahafatesan’i Tyson dia nanao tafa sy dinika tamin’ny Loholona Dean L. Larsen aho. Nanokana fotoana hihainoana ahy izy ary ho feno fankasitrahana foana noho ny toroheviny sy ny fitiavany aho. Hoy izy hoe: “Mihevitra aho fa tsy tian’ny Tompo ny hanasazianao ny tenanao noho ny fahafatesan’ilay zanakao lahy kely.” Nahatsapa ny fitiavan’ilay Raiko any an-danitra aho tamin’ny alalan’ny iray tamin’ireo mpanompony.

Kanefa nitohy niverimberina tao an-tsaiko ireo eritreritra mampikorontan-tsaina ka dia nanomboka nahatsapa hatezerana aho. “Tsy rariny izao! Ahoana no ahafahan’Andriamanitra manao izao amiko? Nahoana no izaho? Inona no nataoko ka nihatra tamiko izao?” Lasa nahatsapa hatezerana tamin’ireo olona izay niezaka ny nampahery ahy aza aho. Tsaroako ireo namako nilaza tamiko hoe: “Fantatro ny zavatra tsapanao.” Dia nieritreritra aho hoe: “Tsy azonareo an-tsaina mihitsy ny zavatra tsapako. Avelao aho.” Vetivety aho dia nahita fa mety tena manimba koa ny fangorahana ny tena. Menatra ny tenako aho noho ny fananako eritreritra ratsy mikasika an’ireo namana akaiky izay niezaka fotsiny mba hanampy ahy.

Rehefa tsapako fa mitady handrendrika ahy ny fahamelohana, ny hatezerana sy ny fangorahana ny tena dia nivavaka aho mba hiova ny foko. Nomen’ny Tompo fo vaovao aho tamin’ny alalan’ny zavatra niainana manokana izay masina, ary na dia mbola irery sy nanaintaina aza izany dia niova ny fomba fijeriko. Nampahafantarina aho fa tsy voaroba akory fa misy fitahiana lehibe miandry ahy raha toa ka maneho fahatokiana aho.

Nanomboka niova ny fiainako ary afaka nijery ny hoavy tamim-panantenana aho fa tsy nitodika nijery ny lasa tamim-pahakiviana. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy izao fiainana izao no farany. Tena misy ny tontolon’ny fanahy. Marina ireo fampianaran’ny mpaminany mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ity fiainana ity dia dingana andalovana ihany ao anatin’ilay diantsika miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra.

Nitoetra ho ampahany tena manan-danja ao amin’ny fianakavianay i Tyson. Nandritra ny taona maro dia nahafinaritra ny nahita ny famindram-po sy ny hatsaram-panahin’ny Ray any an-danitra be fitiavana izay nanome fahafahana ny fianakavianay hahatsapa amin’ny fomba tena azo tsapain-tanana ny fitarihan’i Tyson. Mijoro ho vavolombelona aho fa manify ilay voaly. Tsy mifarana ilay fahatsapana fahatokiana sy fitiavana ary firaisan-kinan’ny fianakaviana rehefa mifindra any amin’ilay faritra ilany ireo olon-tiantsika. Vao mainka mitombo aza ireo fahatsapana ireo.

Indraindray hanontany ny olona hoe: “Hafiriana vao hadinonao tanteraka izany?” Raha ny marina dia tsy ho hadinonao tanteraka velively izany raha tsy rehefa tafaraka indray amin’ireo olon-tianao izay efa lasa ianao. Tsy hahazo fifaliana feno aho raha tsy rehefa tafaraka indray izahay any amin’ny marainan’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany.

“Fa ny olona dia fanahy. Ireo singa dia mandrakizay, ka ny fanahy sy ny singa mifamatotra tsy azo sarahina dia mandray ny fahafenoan’ny fifaliana;

“Fa rehefa misaraka kosa izany, dia tsy afaka ny handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny olona.”3

Eo am-piandrasana an’izany dia nampianatra ny Mpamonjy fa tokony hanohy amim-pahatokiana isika.4

Nianatra aho fa ny fanaintainana izay mangidy sy mila tsy ho zaka dia afaka ho lasa zavatra tsara rehefa mitodika any amin’ny Ray any an-danitra ianao ary mitalaho mba hahazo ny fankaherezany izay tonga avy amin’ny drafiny, ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy sy ilay Mpampionona, dia ny Fanahy Masina.

Tena fitahiana lehibe teo amin’ny fiainanay izany. Tsy ho zava-doza ve raha toa tsy nahatsapa alahelo lehibe izahay rehefa namoy zanaka iray? Feno fankasitrahana ny Raiko any an-danitra aho noho ny famelany anay hitia lalina sy hitia mandrakizay. Feno fankasitrahana aho noho ny fianakaviana mandrakizay. Feno fankasitrahana aho noho ny nanambarany indray tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona ilay drafitra lehiben’ny fanavotana.

Tsarovy ilay fahatsapana ao am-ponao rehefa manatrika ny fandevenana ny olon-tianao iray ianao ka mandao ilay fasana sy mitodika mijery ilay vatam-paty irery—manontany tena raha ho vaky ny fonao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa noho Izy, ilay Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, dia ho atelin’ny fifaliana feno ireo fahatsapana alahelo sy fanirery ary hakiviana indray andro any. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka miantehitra Aminy isika ary nilaza Izy hoe:

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo aho.

“Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa hianareo no hahita ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo.”5

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny voalaza ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, aho hoe: “rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hahazaka ny fitsapana sy ny aretina ary ny fanaintainana mianjady amintsika Izy. Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana isika. Izay zavatra tsy ara-drariny rehetra eo amin’ny fiainana dia azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”6

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ilay maraina lehibe sy mazavan’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany, dia hivoaka ny fasana araka ny nampanantenain’ny Tompo tenany mihitsy ireo olon-tianao sy ny ahy ary hahazo fifaliana feno isika. Satria Izy velona dia ho velona koa isika sy izy ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1.  Môrônia 8:10–12.

  2.  

    2.  Enseignement des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 176.

  3.  

    3.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34.

  4.  

    4. Jereo ny Jaona 16:33.

  5.  

    5.  Jaona 14:18–19.

  6.  

    6.  Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 52.