Lasa Mpianatra Marina

Nataon’ny Loholona Daniel L. Johnson

Avy ao amin’ny Fitopololahy


Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa isika rehefa mankato ny didiny sy manompo ny namantsika.

Isika izay efa niditra ny ranon’ny batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy masina dia nanao fanekempihavanana fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika, na amin’ny teny hafa dia hoe manambara ny tenantsika ho mpianatr’i Jesoa Kristy isika. Manavao izany fanekempihavanana izany isika isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo, ary asehontsika amin’ny fomba fiainantsika izany maha-mpianatra antsika izany. Naseho tamin’ny endriny mahafinaritra tokoa izany maha-mpianatra izany tao anatin’ny zava-nitranga vao haingana tany Mexique.

Lohataona tena tsara ho an’ireo tanàna mpamboly voankazo tany amin’ny faritra avaratr’i Mexique tamin’izay. Namony tanteraka ireo hazo mamoa ary tena lehibe ny fanantenana hioty vokatra be. Efa vita ny lamina entina handoavana ireo vola nindramina, hanoloana ireo fitaovana ilaina sy ireo sahan-kazo fihinam-boa efa miha antitra, ary hanatanterahana ireo tanjona ho an’ny tena manokana toy ny saram-pianarana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana. Nisy mihitsy aza ny fanaovana drafitra ny handehanan’ny fianakaviana hiala sasatra. Nisy ny fiheverana tamin’ny ankapobeny fa handeha tsara ny zava-drehetra. Avy eo, indray Alatsinainy tolakandro tany amin’ny faramparan’ny volana Marsa tany, dia niditra ny oram-baratry ny ririnina iray ary nanomboka nirotsaka ny ranomandry. Nirotsaka hatramin’ny telo maraina teo ny ranomandry. Avy eo dia nilatsaka haingana be ny mari-pana rehefa nisava ny rahona. Natao daholo izay azo natao rehetra ny alina hatramin’ny vao maraina be mba hamonjena farafaharatsiny ny ampahan’ny voankazo. Saingy very maina izany. Lasa nangatsiaka loatra fotsiny ny andro, ka dia nivaingana tanteraka ny vokatra. Tsy hisy voankazo hotazana sy hamidy amin’ity taona ity. Niposaka ny talata, niaraka tamin’ny faharavan’ireo drafitra nahafinaritra sy fanantenana ary nofinonify vao natao ny andro nialohan’izany, izay nankarary sy nahakivy.

Naharay email nikasika izany Talata maraina nahatsiravina izany avy tamin’i Sandra Hatch vadin’i John Hatch aho, izay mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny Tempolin’i Colonia Juárez Chihuahua tamin’izany. Vakiako ny ampahan’izany email izany: “Nifoha maraina tamin’ny—6:30—teo i John nihazakazaka nankany amin’ny tempoly mba hijery raha tokony ho foananay ny fivoriana androany maraina. Niverina izy mba hilaza fa tsy feno ranomandry ny fitobiam-piarakodia sy ny lalana, ka dia nanapa-kevitra ny handeha izahay. Nihevitra izahay fa angamba ireo mpiasa sasany izay tsy nanana sahan-kazo fihinam-boa no ho avy ary ho afaka hampivondrona ireo mpiasa rehetra ao anatin’ilay fivoriana izahay. —Tena nanentana ny fanahy ny nahita ireo lehilahy niditra tsirairay. Indreo fa tonga izy ireo rehefa tsy natory mihitsy ary nahafantatra fa simba ny vokany. —Nandinika azy ireo aho nandritra ny fotoana fiomananay fa dia sahirana izy ireo teo amin’ny fiezahana mba tsy hatory—Saingy raha tokony nieritreritra fa nanana antony tsara tsy tokony nahatongavana aza izy ireo, dia tonga ihany. Ary olona 38 no tao amin’ilay fivoriana (fivoriana feno olona)! Maraina nanentana ny fanahy izany ho anay ary nisaotra ny Ray any an-danitra izahay noho ireo olona tsara izay manao ny andraikiny na inona na inona mitranga. Nahatsapa fanahy niavaka aho tao tamin’izany maraina izany. Azoko antoka fa faly Izy noho ny fahafantarany fa tianay ny tranony ary tsapanay fa toerana tsara tokony handehanana izany tamin’izany maraina mafy dia mafy izany.”

Tsy nifarana hatreo akory ilay tantara fa raha ny marina dia nitohy izany.

Nanana tany azo nampiasaina nanaovana voly avotra nandritra ilay tonontaona ny ankamaroan’ireo izay namoy ny voankazony, toy ny sakay na tsaramaso. Afaka nampidi-bola ampy fahafaharatsiny mba hivelomana mandrapahatonga ny vokatry ny voankazo amin’ny herintaona ireo vokatra ireo. Kanefa nisy rahalahy tsara iray izay nanana fianakaviana vao haingana tsy mba nanana tany fanampiny ary teo am-piatrehana taona iray tsy hisy fidiram-bola mihitsy. Rehefa nahita izany toe-javatra nampalahelo nianjady tamin’ity rahalahy ity izany ireo olon-kafa tao amin’ilay tanàna sy rehefa nampiasa ny herin’ny tenan’izy ireo manokana, dia nanome ampahan-tany ary nampiasa ny fitaovan’izy ireo manokana mba hanomanana ny tany ary nanome zana-tsakay mba hovoleny.

Fantatro ireo lehilahy vao noresahiko teo ireo. Tsy nanaitra ahy loatra ny zavatra nataony noho ny fahafantarako azy ireo. Saingy mety tena hametraka fanontaniana roa ireo izay tsy mahafantatra azy ireo, izay samy manomboka amin’ny teny hoe nahoana. Nahoana izy ireo no tonga tany amin’ny tempoly mba hanatanteraka ny andraikiny sy hanompo rehefa tsy natory nandritra ny alina iray manontolo, nefa avy eo dia nahita fa very ny ampahany lehibe tamin’ny vola miditra amin’izy ireo mandritra ny taona iray manontolo? Nahoana no nampiasa ilay loharano efa zara raha misy sy tena sarobidy izy ireo mba hanampiana olona iray hafa izay sahirana mafy nefa izy ireo aza tamin’izay tao anatin’ny olana mafy ara-bola?

Raha takatrao ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy, dia ho fantatrao ny valin’ireo fanontaniana roa ireo.

Fiantombohan’ny dingana iray arahana mandritra ny fiainana ny fanaovana fanekempihavanana ho mpianatr’i Kristy ary tsy mora foana ny lalana. Tsy azo ihodivirana fa hitovy bebe kokoa Aminy isika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika sy miezaka manao izay tiany hataontsika ary manompo ny namantsika toy ny hanompoany azy ireo. Ny hitovy Aminy ary ho ao Aminy no tanjona faratampony—ary izay indrindra no tena famaritana ny hoe mpianatra marina.

Hoy ny Mpamonjy raha nanontany ny mpianany rehefa namangy ny kaontinanta Amerikana hoe: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” Ary rehefa novaliany ihany ilay fanontaniany dia hoy izy hoe: “Lazaiko marina aminareo tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27).

Tsy asa mora ny hoe ho lasa tahaka ny Mpamonjy, indrindra ao anatin’ity izao tontolo izao izay iainantsika ity. Miatrika sakana sy olana ao an-tsaina isan’andro eo amin’ny fiainantsika isika. Misy antony iray mahatonga izany, ary iray amin’ireo tanjona voalohan’ny fiainana eto an-tany izany. Hitantsika ao amin’ny Abrahama 3:25, ny hoe: “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra izay handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”

Misy fahasamihafana eo amin’ny endriny sy ny halehibeny ireo fisedrana sy fitsapana. Saingy tsy hisy na iza na iza hiala eto amin’ity fiainana an-tany ity ka tsy handalo amin’izy ireo. Amin’ny ankabeazany, dia alaintsika sary an-tsaina ho toy ny fahaverezan’ny vokatra na asa, na fahafatesan’olon-tiana iray, na aretina, na olana ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetsehampo, na fahantrana, na famoizana namana ny fitsapana. Kanefa na dia ny fahatratrarana tanjona izay azo atao hoe mendri-piderana aza dia mety hitondra miaraka aminy ireo loza mitatao avy amin’ny fieboeboana izay tsy manampy, izay hiandrandrantsika bebe kokoa ny voninahitry ny olona noho ny fankasitrahan’ny lanitra. Mety tafiditra ao anatin’izany ny fananana laza araka izao tontolo izao, ny fankasitrahana avy amin’ny besinimaro, ny fananana fahaiza-manao lehibe ara-batana, ny fananana talenta ara-kolotsaina na ara-panatanjahantena, ny fahombiazana, ary ny harena. Mety misy manana fahatsapana mitovy amin’ny zavatra nambaran’i Tevye ao amin’ny Fiddler on the Roof: ny sasany amintsika mikasika ireo fitsapana ireo: “Raha ozona ny harena dia aoka hikapoka ahy amin’ny alalan’izany [Andriamanitra]. Ary aoka aho tsy ho sitrana intsony.”1

Saingy mety mampitahotra kokoa sy sarotra resena kokoa noho ny tamin’ny taloha aza ireo karazana fitsapana aty aoriana ireo. Tsy amin’ny alalan’ireo karazana fitsapana izay atrehantsika no hampivoarana sy hitsapana ny maha-mpianatra antsika fa amin’ny alalan’ny fomba haharetantsika ao anatin’izy ireo. Mitovy amin’izany ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring antsika manao hoe: “Noho izany ny fisedrana lehibe eo amin’ny fiainana dia ny fijerena raha toa isika ka mihaino sy mankato ny didin’Andriamanitra eo anivon’ny oram-baratry ny fiainana. Tsy hoe maharitra ny oram-baratra ilay izy fa misafidy ny tsara rehefa mamely mafy izany. Ary ny tena zava-doza eo amin’ny fiainana dia ny tsy fahombiazana amin’izany fisedrana izany ka noho izany dia tsy afaka ny hiverina amim-boninahitra any amin’ny fonenantsika any an-danitra ihany koa.” (“Spiritual Preparedness: Start Early and Be Steady,” Liahona, Nôv. 2005, 38).

Raibe mirehareha amin’ny zafikely miisa 23 aho. Tsy mitsahatra velively mampitolagaga ahy izy ireo eo amin’ny fahatakarany ireo fahamarinana mandrakizay na dia ao anatin’ny fahazazany aza. Rehefa nanomana ity lahateny ity aho dia nangataka azy tsirairay mba handefa any amiko ny famaritana fohy ny dikan’ny hoe mpianatra na mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ho azy ireo. Nahazo valiny mahafinaritra avy amin’izy rehetra aho. Saingy te hizara aminareo ity valinteny avy tamin’i Benjamin izay valo taona ity aho: “Ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia hoe mijoro ho ohatra. Midika izany hoe misiônera ary miomana ny ho misiônera. Midika izany hoe manompo ny hafa. Midika izany hoe mamaky ny soratra masina ianao ary mivavaka. Midika izany hoe mitandrina ny andro Sabata ho masina ianao. Midika izany hoe mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina ianao. Midika izany hoe mandeha miangona sy mandeha any amin’ny tempoly.”

Mitovy hevitra amin’i Benjamin aho. Mikasika ny zavatra ataontsika sy ny hoe lasa toy ny ahoana isika ny hoe maha-mpianatra. Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa isika rehefa mankato ny didiny sy manompo ny namantsika. Ny fankatoavana sy ny fanekena ny sitrapony dia mitondra ny fananana ny Fanahy Masina ho namana, miaraka amin’ireo fitahiana toy ny fiadanana, sy ny fifaliana ary ny fiarovana izay miaraka foana amin’io mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra io. Ary tsy afaka ny ho tonga amin’ny fomba hafa izy ireo. Farany, ny fanekena tanteraka ny sitrapony no manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy. Averina indray fa ny hitovy Aminy ary ho ao Aminy no tanjona faratampony—ary izay indrindra no tena famaritana ny hoe mpianatra marina.

Ny maha-mpianatra no zavatra hitako nampiharina tao amin’ny Tempolin’i Colonia Juárez ary tany amin’ireo saha nanakaiky azy rehefa nanamafy ny fanoloran-tenany tamin’Andriamanitra sy teo amin’ny izy samy izy ireo rahalahy sy rahavavy ao amin’ny finoana na dia teo aza ny fahoriana faran’izay nahakivy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena lasa mpianany marina isika rehefa mankato ny didiny, manompo ny hafa ary mampandefitra ny sitrapontsika mba hanekena ny sitrapony. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1. Jereo ny Joseph Stein, Jerry Bock, Sheldon Harnick, Fiddler on the Roof (1964), 61.