2010–2019
Lasa Ray Aman-dreny Tsongoin’olom-bolo
Oktobra 2012


Lasa Ray Aman-dreny Tsongoin’olom-bolo

Maro ireo fomba ahafahan’ireo ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo mahazo ny fanampiana sy ny fanohanana ilainy mba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’ireo zanany.

Tojo fotoan-dehibe iray miavaka aho tamin’ity fahavaratra ity—Nankalaza ny faha-90 taonako aho. Rehefa tojo karazam-potoan-dehibe miavaka ianao eo amin’ny fiainanao dia manampy sy ahazoana torolalana ny mandinika an’ireo zava-niseho sy ny zavatra niainana taloha. Ianareo tanora izay mihaino na hamaky ity lahateny ity dia mety tsy dia taitra loatra mikasika izany hoe 90 taona niainana izany, saingy hatrizay nahaterahako izay dia azo raisina ho toy ny fahatontosan-javatra lehibe ny niainana ela toy izany. Feno fankasitrahana ny Ray any an-danitra aho noho ny nanaovany ahy ho lava andro iainana.

Betsaka ireo zavatra niova nandritra izay fotoana niainako izay. Hitako ny fivoaran’ny sehatry ny indostria sy ny fifandraisana. Ny fanamboarana fiara be dia be sy ny telefaonina ary ny fiaramanidina no zava-baovao lehibe noforonina tamin’ny fahatanorako. Saika miova isan’andro ankehitriny ny fomba ahitantsika sy ampitantsika ary ampiasantsika ny fifandraisana. Amin’izao taonako izao dia mitolagaga amin’ny fiovana haingana miseho eto amin’ilay izao tontolo izao izay iainantsika aho. Maro amin’ireo famoronana ankehitriny no manaitaitra ny saina noho ny fananan’izy ireo fahafahana manatsara kokoa ny fiainantsika.

Eo anatrehan’ireo fiovana haingana miseho eto amin’izao tontolo izao ireo dia mivavaka sy miasa mafy isika mba hanaovana izay hampaharitra ireo soatoavin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny sasany amin’izy ireo dia efa tandindonin-doza ho very. Any amin’ny faratampon’ny lisitr’ireo soatoavina ireo ny fahamasinan’ny fanambadiana sy ny tena maha-zava-dehibe ny fianakaviana, ary noho izany, dia io no zavatra voalohany kendren’ilay fahavalo. Miteraka tokantrano ahitana filaminana sy fiarovana izy ireo izay toerana ahafahan’ny zanaky ny Ray any an-danitra be fitiavana tsirairay mahazo fitarihana amin’ny tsara ary mandray ireo soatoavina mandrakizay.

Rehefa nanomana ny fankalazana ity 90 taona niainako ity ny fianakaviako dia nanomboka nanampy ahy hahatsiaro sy hankasitraka ireo zavatra niainako nandritra izay fiainako lava dia lava izay. Ny zanaky ny iray tampo amiko ohatra, dia nanangona sy nizara tamiko ireo taratasy maro izay nosoratako ho an’ny ray aman-dreniko 70 taona lasa latsaka kely izay tany amin’ny tobin’ny tafika an-dranomasina tany amin’ny nosy Saipan any Pasifika nandritra ny Ady Lehibe II.

Nanaitra ny saiko manokana ny iray tamin’ireo taratasy ireo. Taratasy iray izay nosoratako ho an’ny reniko mba hosokafany sy hovakiany tamin’ny Fetin’ny Reny ny taona 1945 izany. Te-hizara aminareo ny sombiny amin’izany aho ary manantena fa ho hitanareo ny antony hanehoako fankasitrahana mandrakizay an’ilay raiko sy reniko be fitiavana noho ireo lesona nianarako avy amin’ny fampianaran’izy ireo tao an-tokantrano. Ny ray aman-dreniko no ohatra tena tsara hitako amin’izany ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo izany, izay nametraka ny fanambadiany sy ny fitaizany araka ny tokony ho izy ny zanany ho laharam-pahamehany ambony indrindra.

Nanomboka tamin’izao ilay taratasy ho an’ny Fetin’ny Reny tamin’ny taona 1945 izay nosoratako:

“Ry Neny Malala,

“Tsy mba nanam-bintana aho nandritra izay efa taona lasa izay fa dia nankalaza ny Fetin’ny Reny lavitra anao. Naniry ny hiaraka aminao aho isan-taona tao anatin’izay ary naniry ny hiteny fotsiny fa tiako ianao ary tena mieritreritra anao mafy aho, saingy tsy azo tanterahana indray izany ka dia tsy maintsy manao izay zavatra tena tsara manaraka aho ary mandefa izay ao an-tsaiko amin’ny alalan’ny taratasy.

“Tamin’ity taona ity dia tsapako bebe kokoa noho ny tamin’ireo taona hafa fotsiny ny nanampian’ny fananana reny mahafinaritra ahy. Voalohany dia malahelo ireo zavatra madinika mahazatra ataonao ho ahy aho. Tsy mba niahiahy velively ny tsy hahita lobaka sy ba kiraro madio izany aho isaky ny mifoha maraina avy eo am-pandriana. Manokatra ny vatasarihana no hany ataoko ary dia hitako ao izy ireo. Fantatro foana isaky ny fotoam-pisakafoanana fa hahita zavatra tiako izay namboarina tamin’ny fomba tena tsara azo eritreretina aho. Amin’ny alina dia fantatro foana fa afaka ny hahita lambam-pandriana madio eo amin’ny fandriako aho ary bodofotsy ampy tsara mba tena hahazoako aina. Tena nahafinaritra ny niaina tao an-trano.”

Rehefa namaky ireo andinin-tsoratra roa voalohany tao amin’ny taratasiko ireo aho dia taitra fa tena mampihetsi-po be izy ireo. Angamba ny fipetrahako tao anatin’ny lay sy ny fatoriana tao ambanin’ny lamba aro-moka teo amin’ny fandriana lamba azo ahorona no nahatonga ahy hiverina hieritreritra ilay fonenako tena miavaka.

Toy izao ny tohin’ilay taratasy nosoratako ho an’ny reniko:

“Saingy lalina dia lalina ny zavatra tsapako momba anao noho ny ohatra nasehonao tamiko. Nahafinaritra ny fiainantsika tao anatin’ny fianakaviantsika hany ka te-hanaraka ny ohatra nasehonao izahay ary hanohy hiaina ilay fifaliana izay tsapanay nandritra ny fahatanoranay. Nahita fotoana foana hitondrana anay tany amin’ny canyon ianao, ary afaka niantehitra taminao izahay mba hanao izay azo atao mba hihanihana tendrombohitra sy hiarahana milalao baolina miaraka aminay. Tsy mba nandeha nanao fialan-tsasatra irery mihitsy ianao sy i Dada. Niaraka taminareo foana ny fianakaviana. Ankehitriny noho izaho lavitra ny fonenako dia tiako foana ny miresaka ny fotoana niainako tao an-trano satria tena nahafinaritra izany. Tsy afaka ny hanao tsinontsinona ireo fampianaranao aho ankehitriny satria mety hahatonga ny hafa hieritreritra anao ho tsy nahay nitaiza ahy izay zavatra ataoko amin’izany. Fanamby lehibe ho ahy eo amin’ny fiainana ny ho mendrika ny antsoina hoe zanakalahin’i Nora Sonne Perry. Tena ireharehako izany anarana izany ary manantena aho fa ho mendrika an’izany foana.

“Manantena aho fa ho afaka hiaraka aminao amin’ny herintaona mba hampiseho anao ny zavatra mahafinaritra efa nalamiko fa ho aseho anao amin’ny Fetin’ny Reny nandritra izay efa-taona lasa izay.

“Enga anie ny Tompo hitahy anao noho ireo zavatra tsara rehetra nataonao ho an’ity izao tontolo izao mihotakotaka ity.

“Amim-pitiavana, Tom”1

Rehefa namerina namaky ilay taratasiko aho, dia nieritreritra koa momba ny kolontsain’ny fianakaviana, ny paroasy sy ny tsatòka ary ny fiaraha-monina izay nitaizana ahy.

Ny kolontsaina dia ny fomba fiainan’ny olona. Tsy misy afa-tsy iray ihany ny kolontsain’ny filazantsara, izay vondron’ireo soatoavina sy ireo zavatra andrasana ary ireo fomba fanao anankiray izay iraisan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany kolontsain’ny filazantsara na fomba fiainana izany dia avy amin’ny drafitry ny famonjena sy ny didin’Andriamanitra ary ny fampianaran’ny mpaminany velona. Miseho eo amin’ny fomba fikolokoloantsika ny fianakaviantsika izany sy ny fomba entintsika miaina ny fiainantsika manokana.

Ny torolalana voalohany nomena an’i Adama mikasika ny andraikiny eto an-tany dia hita ao amin’ny Genesisy 2:24: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”

Ny firosoan’ny lehilahy sy vehivavy hivady ara-dalàna dia tsy hoe fiomanana amin’ny fananana taranaka ho avy handova ny tany fotsiny fa mitondra fifaliana sy fahafaham-po faran’izay lehibe hita eto amin’ity fiainana ity izany. Tena marina izany rehefa ambaran’ny herin’ny fisoronana fa haharitra eto an-tany sy mandrakizay ilay fanambadiana. Manana fiarovana izay tsy hita any amin’ny toerana hafa ny zanaka teraka ao anatin’ny fanambadiana toy izany.

Lasa miha manan-danja ireo lesona nampiaran’ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo any an-tokantrano ao anatin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity, izay tena ihanahan’ny fitarihan’ny fahavalo. Araka ny fantatsika dia mikasa ny hanimba sy handrava ilay tena fototra iorenan’ny fiaraha-monina izy—ny fianakaviana. Amin’ny alalan’ny fomba miafina izay feno hakingana sy fitandremana no hanafihany ny fanoloran-tena hifantoka amin’ny fiainam-pianakaviana manerana an’izao tontolo izao sy hanozongozonany ny kolontsaina sy ny fanekempihavanan’ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. Tsy maintsy manapa-kevitra ny ray aman-dreny fa ny fampianarana ao an-tokantrano no andraikitra faran’izay masina sy manan-danja indrindra. Na dia eo aza ireo rafitra hafa toy ny fiangonana sy ny sekoly mba hanampy ny ray aman-dreny “[hanazatra] ny ankizy amin’izay lalana tokony halehany” (Ohabolana 22:6), dia mitoetra eo amin’ny ray aman-dreny tanteraka izany andraikitra izany amin’ny farany. Ireo ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo no nampiandraiketana ny fikarakarana sy ny fampivelarana ny zanaky ny Ray any an-danitra araka ny drafitry ny fahasambarana.

Ao anatin’ilay andraikitsika lehibe amin’ny maha-ray aman-dreny dia maro ireo fomba ahafahan’ireo ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo mahazo ny fanampiana sy ny fanohanana ilainy mba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’ireo zanany. Mamelà ahy ianareo hanolotra zavatra dimy izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hamoronana kolotsaim-pianakaviana mafy orina kokoa:

Voalohany, afaka mivavaka mafy ny ray aman-dreny ary mangataka amin’ny Raintsika any an-danitra mba hanampy azy ireo hitia sy hahatakatra ary hitarika ny zanany izay nalefany teo amin’izy ireo.

Faharoa, afaka manao vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy izy ireo sy miaraka misafako matetika araka izay vita, ka mampiasa ny sakafo hariva ho fotoam-pifandraisana sy fampianarana an’ireo soatoavina.

Fahatelo, afaka mahazo tombontsoa tanteraka amin’ny tambajotram-panohanan’ny Fiangonana ny ray aman-dreny ka mifandray amin’ny mpampianatra an’ireo zanany ao amin’ny kilonga sy ireo mpitarika ny zatovo ary ireo fiadidiana ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy. Afaka manome fahatakarana manan-danja ny zavatra manokana sy miavaka ilain’ny ankizy iray ireo ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ireo izay voantso sy natokana mba hiaraka hiasa amin’ny zanany.

Fahefatra, ny ray aman-dreny dia afaka mizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny zanany sy mampanolo-tena azy ireo mba hitandrina ny didin’Andriamanitra ary mampanantena an’ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Ray any an-danitra an’ireo zanany mahatoky.

Fahadimy, afaka mandrindra ny fianakaviantsika isika amin’ny alalan’ny fifotorana amin’ny lalàna sy zavatra andrasana mazava sy tsotra, sy amin’ny fomba fanaon’ny fianakaviana izay mahasoa ary amin’ny “lafiny ara-bolan’ny fianakaviana” izay ahitana ny fanaovan’ny ankizy raharaha ao an-trano ary afaka mahazo vola kely izy ireo mba hahafahan’izy ireo mianatra mandrindra sy mitahiry vola ary mandoa fahafolonkarena amin’izay vola azony.

Miara-miasa amin’ny kolontsain’ny Fiangonana ireo torohevitra entina hamoronana kolontsaim-pianakaviana mafy orina kokoa ireo. Ilay kolontsaim-pianakaviantsika natao mafy orina no ho fiarovana ho an’ny zanatsika amin’ny “zana-tsipika mirehitry ny fahavalo” (1 Nefia 15:24) izay miraikitra amin’ny kolontsain’ny namany mitovy taona aminy, ny kolontsain’ny fialamboly sy fitadiavana laza, ny kolontsain’ny findramam-bola sy ny zo hahazo zavatra izay tadiavina ary ny kolontsain’ny internet sy fampitam-baovao izay eo anatrehan’izy ireo tsy tapaka. Hanampy ny zanatsika mba “hiaina ao anatin’izao tontolo izao” fa tsy ho lasa “naman’izao tontolo izao” (Jaona 15:19) ny kolontsaim-pianakaviana mafy orina.

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Adidin’ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany an’ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitondra famonjena ireo mba hahafantaran’izy ireo ny antony tokony hanaovana batisa azy ireo ary mba hananan’izy ireo faniriana ao am-pony hanohy hitandrina ny didin’Andriamanitra aorian’ny batisany, mba hahafahan’izy ireo miverina eo anatrehany. Moa ve ianareo ry rahalahiko sy anabaviko mahafinaritra te hofehezina amin’ny fianakavianareo eo anatrehanareo? Ary ho an’ny zanakareo, moa ve tianareo ny hofehezina amin’ny rainareo sy ny reniny eo anatrehanareo … ? Raha izany dia tsy maintsy manomboka mampianatra dieny any am-piandohana ianareo. Tsy maintsy mampianatra amin’ny alalan’ny ohatra ary koa amin’ny alalan’ny fitsipika ianareo.”2

Milaza ny ao anatin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana hoe:

“Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany. “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro” (Salamo 127:3). Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona na aiza na aiza hitoerany. …

“… Araka ny drafitr’Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim- pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara- miasa mitovy lenta azy ireo.”3

Mino aho fa ilay anjara asan’ny reny izay mifantoka amin’ny fikolokoloana sy fampianarana ny taranaka manaraka dia efa drafitr’Andriamanitra. Saingy mahafinaritra ny mahita ny mpivady izay tena niara-niasa tokoa ka nampitambatra ny hery mitarika ananan’izy ireo sy nifampiresaka tsara mikasika ny zanany sy tamin’ny zanany.

Miseho amin’ny fomba tampoka sy feno fahasahiana kokoa noho ny hatramin’izay ny fanafihana mafy ataon’ny ratsy an’ireo zanatsika. Manampy sosona fiarovana iray hafa ny zanatsika ny fanorenana kolotsaim-pianakaviana mafy orina, ka miaro azy ireo amin’ireo fitarihan’izao tontolo izao.

Andriamanitra anie hitahy anareo ry ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo ao Ziona. Nampiandraiketiny anareo ny fikarakarana an’ireo zanany mandrakizay. Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia miara-miasa isika ary miaraka amin’Andriamanitra mihitsy aza mba hanatanteraka ny asany sy ny voninahiny eo anivon’ny zanany. Andraikitsika masina ny manao izay tsara indrindra vitantsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Taratasy ho an’ny Fetin’ny Reny avy amin’i L. Tom Perry ho an’ny reniny, nalefa avy tany Saipan , tamin’ny 3 Mey 1945.

  2. Joseph Fielding Smith, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1948, 153.

  3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.