Ho Kristianina izay Mitovy Kokoa amin’i Kristy

Nataon’ny Loholona Robert D. Hales

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Izao no antson’i Kristy amin’ny Kristianina rehetra ankehitriny: “Fahano ny [zanak’]ondriko. … Fahano ny ondriko.”

Inona no hevitry ny hoe Kristianina?

Ny Kristianina dia manana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, fa Izy dia Zanak’Andriamanitra ara-bakiteny, izay nalefan’ny Rainy mba hijaly noho ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny fihetsika faratampon’ny fitiavana izay fantatsika amin’ny hoe ny Sorompanavotana.

Ny Kristianina dia mino fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany, Jesoa Kristy dia afaka mibebaka, sy mamela heloka ny hafa, sy mitandrina ireo didy, ary mandova ny fiainana mandrakizay isika.

Ny teny hoe Kristianina dia midika hoe ny fitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Kristy. Izany dia ataontsika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ireo izay mihazona ny fahefan’ny Fisoronany.

Fantatry ny Kristianina fa teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia nijoro ho vavolombelona mandrakariva momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminanin’Andriamanitra. Io Jesoa Kristy io ihany, niaraka tamin’ny Ray any an-danitra no niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny taona 1820, ary namerina ny filazantsara tamin’ny laoniny sy ny firafitr’ilay Fiangonany izay nisy tany am-piandohana.

Amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith, no ahafantarantsika fa Andriamanitra, izay Raintsika any An-danitra dia manana vatana nofo sy taolana izay be voninahitra sy tonga lafatra. I Jesoa Kristy no Zanany Lahitokana tao amin’ny nofo. Ny Fanahy Masina dia olona fanahy, ary ny asany dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ny Andriamanitra dia olona telo miavaka tsara, ary miray tanjona.

Raha ireo fotopampianarana ireo no fototry ny finoantsika, dia mbola hisy ahiahy sy ady hevitra ihany ve ny hoe isika, amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia Kristianina? Kanefa ho an’ny Kristianina rehetra dia misy fanontaniana tsotra iray mipetraka manao hoe: karazana kristianina toy inona moa isika? Na amin’ny teny hafa, manao ahoana ny fanarahantsika an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

Andao hiara-handinika amiko ny zavatra niainan’ny mpianatra Kristianina anankiroa:

“Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy.

“Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.

“Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.”1

Amin’ny maha Kristianina antsika amin’izao vaninandro izao, dia manana fahafahana isika hanaovana asa avy hatrany, tsy misy hatak’andro, ary feno fahatapahan-kevitra tahaka izay nataon’i Petera sy Andrea: “nandao ny haratony izy, ka nanaraka azy.”2 Isika ihany koa dia antsoina mba handao ny haratontsika, mba hanary ireo fahazaran-dratsin’izao tontolo izao, sy ireo fombafomban-drazana. Nantsoina ihany koa isika mba handao ireo fahotantsika. “Ary [Jesosy] niantso ny vahoakany hanatona Azy …, dia hoy izy taminy, Raha misy ta hanaraka ahy, dia aoka izy handa ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka ahy.”3 Ny fandavana ny tenantsika sy ireo fitondrantena tsy mendrika no fiandohan’ny fibebahana, izay mahatonga fiovam-po mahery vaika mandrapahatonga antsika “tsy [h]anana fironana hanao ratsy intsony.”4

Io fiovana io izay antsoina hoe fiovam-po, dia tsy tanteraka raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy irery ihany. Nampanantena i Jesoa hoe: “Raha manatona Ahy ny olona dia asehoko azy ny fahalemeny … Ary ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy, ary manam-pinoana Ahy, amin’izany ny zavatra malemy dia ataoko tonga matanjakaho azy.”5 Rehefa tonga vaovao ao amin’i Kristy isika, dia ny maha-izy antsika mihitsy no hiova, ary tsy te hanana fironana hiverina amin’ny fombantsika teo aloha intsony isika.

Na izany aza, ny Kristianina mahatoky dia hotahiana mandrakariva amin’ny fiatrehana ireo fahasarotana sy fahadisoam-panantenana. Rehefa mitranga ireo olana mpanadio ireo dia mety ho alaim-panahy isika hiverina amin’ireo fombantsika teo aloha. Taorian’ny nanomboana ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana, dia niseho tamin’ireo vehivavy Izy ary niangavy azy ireo hilaza tamin’ireo rahalahy mba hitady Azy any Galilia. Rehefa niverina tany Galilia i Petera izay Apôstôly ela indrindra, dia niverina tamin’ny zavatra fanaony—tamin’ny zavatra izay tsapany fa mahafinaritra azy ny manao azy. “Handeha hanarato aho,”6 hoy izy, ary nitondra mpianatra maromaro niaraka taminy izy.

Tena nanarato marina tokoa i Petera sy ireo namany hafa nandritry ny alina manontolo, saingy tsy nahazo na trondro iray aza. Ny ampitson’io dia niseho teo amoron’ny ranomasina i Jesoa ary niantso azy ireo avy ery ampita nanao hoe: “Alatsaho eo amin’ny sisiny ankavanana ny haratonareo.” Nanaraka ny baikon’ny Mpamonjy ireo mpianatra teo ambony sambo ary nahita vetivety foana fa feno mitafotafo tamin’ny fomba mahagaga ny haraton’izy ireo. Nahafantatra avy hatrany ny feon’ny Mpamonjy i Jaona, ary i Petera dia niroboka avy hatrany tao amin’ny ranomasina ka nilomano nankeny amin’ny morony.7

Ho an’ireo Kristianina izay niverina amin’ny fombany taloha sy tsy maneho finoana, dia diniho ny ohatra feno finoana nasehon’i Petera. Aza mangatak’andro. Henoy sy fantaro ny feon’ny Mpampianatra izay miantso. Ary avy eo dia miverena Aminy avy hatrany ka raiso indray ireo fitahiana mihoa-pampana avy any Aminy.

Rehefa niverina teny amoron-drano ireo rahalahy, dia nahita mofo sy hazandrano betsaka izy ireo. “Avia hisakafo,”8 hoy ny Mpamonjy nanasa azy ireo. Ary rehefa nanome sakafo azy ireo Izy dia nanontany in-telo an’i Petera nanao hoe, “Simona zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao?” Rehefa nanambara ny fitiavany i Petera dia nitalaho taminy ny Mpamonjy nanao hoe: “Fahano ny [zanak’]ondriko. … Fahano ny ondriko.”9

Izao no antson’i Kristy amin’ny Kristianina rehetra ankehitriny: “Fahano ny [zanak’]ondriko. … Fahano ny ondriko”—zarao na amin’ny tanora na amin’ny antitra ny filazantsarako, ary ampioreno izy ireo, omeo fitahiana, ankaherezo, ary hatsangano, indrindra ireo izay manana fomba fisainana sy finoana samy hafa amin’ny antsika. Mamahana ny Ondriny isika ao an-tokantrano amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara: dia ny fitandremana ireo didiny, ny fivavahana, ny fianarana ny soratra masina, sy ny fanarahana ny ohatra izay nasehony teo amin’ny fomba fanehoana fitiavana. Mamahana ny Ondriny isika ao am-piangonana rehefa manompo ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana sy ireo vondrona fanampiny. Ary mamahana ny ondriny manerana an’izao tontolo izao isika amin’ny fetezana ho mpiray vodirindrina Kristianina tsara, izay mampihatra fivavahana madio dia ny famangiana sy fanompoana ireo mananotena sy ny kamboty, ny mahantra, ary ireo rehetra izay mila fanampiana.

Ho an’ny ankamaroan’ny olona izany hoe antso mba ho Kristianina izany dia toa ohatry ny mitaky zavatra sarotra sy mavesatra mihitsy aza. Kanefa dia tsy mila matahotra na mahatsiaro ho tsy mahavita akory isika. Nampanantena ny Mpamonjy fa hataony ho mahavita ny Asany isika. “Andeha hanaraka Ahy,” Hoy Izy, “fa atao ko mpanarato olona ianareo.”10 Rehefa manaraka Azy isika, dia hanome antsika ny fanomezam-pahasoavana, sy ny talenta ary ny hery mba hanaovana ny sitrapony Izy, ary ireo zavatra ireo no ahafahantsika hitombo amin’ny fanaovana betsaka kokoa mihoatra noho izay maha afa-po antsika, sy hanao ireo zavatra izay tsy mbola neritreretintsika mihitsy hoe azo tanterahana. Izany dia mety mitaky ny fizaràntsika ny filazantsara amin’ireo namantsika, sy ny famonjena ireo izay very ara-panahy, ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ny fiasana any amin’ny tempoly, ny fitaizana zaza iray izay manana kilema ara-pihetseham-po, na ara-batana, na ara-tsaina, ny fitiavana ireo mania, ny fanompoana ny vady izay marary, ny faharetana amin’ny tsy fifankahazoana, na fizakana ny fijaliana. Midika ho fanomanana ny tenantsika hamaly ny Antsony izany amin’ny filazantsika hoe: “Handeha any amin’izay toerana tianao halehako aho; Hanambara izay tianao ho ambarako; Hanao izay tianao ho ataoko; Ho tonga toa izay tianao hahatongavako.”11

Manaraka an’i Jesoa Kristy isika mba hahafahana ho tonga toa izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavantsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa manohy miantso antsika hatrany Izy mba hanaraka Azy. Raha toa ianao ka izao vao nianatra fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia Kristianina feno fanoloran-tena na raha toa ianao ka tsy nandray anjara feno tato amin’ny Fiangonana ary maniry ny hanaraka ny Mpamonjy indray—dia aza matahotra! Ireo mpianatry ny Tompo voalohany dia mpikambana vaovao avokoa tamin’izany, ary vao niova fo ho amin’ny Filazantsarany. Fa nampianarin’i Jesoa tamim-paharetana izy tsirairay. Nampiany izy ireo mba hahatanteraka ny andraikitra napetraka tamin’izy ireo. Nantsoiny hoe namany izy ireo, ary namoy ny ainy Izy mba ho azy ireo. Ary toy izany ihany koa no efa nataony ho anao sy ho ahy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy misy fetra no ahafahantsika ho lasa Kristianina izay mitovy kokoa amin’i Kristy. Eritrereto ireto toetran’i Kristy manaraka ireto. Aiza ho aiza isika eo amin’ny fampivoarana azy ireo anatintsika?

Fitiavana Kristianina. Nanome lanja ny tsirairay ny Mpamonjy. Tsara fanahy sy manana fangorahana ho an’ny olon-drehetra Izy, ka namela ny sivy amby sivy olo mba hitadiavana ny anankiray,12 fa “na dia ny volondohan[tsika] aza dia … voaisa”13 avokoa ho Azy.

Finoana Kristianina. Na dia teo aza ny fakam-panahy, sy ny fitsapana ary ny fanenjehana dia nahatoky ny Raintsika any An-danitra ny Mpamonjy ary nisafidy ny ho mahatoky sy ho mpankato ny Didiny.

Fahafoizan-tena Kristianina. Nandritra ny androm-piainany ny Mpamonjy dia nahafoy fotoana sy hery, ary tamin’ny farany dia nahafoy ny Tenany manontolo tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana mba hahafahan’ny zanak’Andriamanitra rehetra hahazo ny fitsanganana amin’ny maty sy hanana fahafahana handova ny fiainana mandrakizay.

Fikarakarana Kristianina. Tahaka ilay Samaritana tsara fanahy, dia nanohy naninjitra ny tanany hatrany ny Mpamonjy mba hanavotra sy hitia ary hikarakara ny olona manodidina Azy, na inona na inona kolontsainy sy ny finoany na ny toe-javatra niainany.

Asa fanompoana Kristianina. Nandany ny androm-piainany tamin’ny fanompoana ny hafa ny Mpamonjy, na izany tamin’ny fanovozana rano avy tao am-patsakana, na tamin’ny fahandroana sakafo sy trondro na tamin’ny fanasana ny tongotra maloto—nanampy ny reraka sy nampatanjaka ny osa.

Faharetana Kristianina. Tao anatin’ny alahelony sy ny fahoriany dia niandry fanampiana tamim-paharetana avy tamin’ny Rainy ny Mpamonjy. Miaritra ihany koa izy ho antsika, ary miandry antsika amim-paharetana mba hahafantarantsika ny tena marina sy ny hiverenantsika hody any Aminy.

Fiadanana Kristianina. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia naneho fahatakarana sy nitondra fiadanana Izy. Nampianatra Izy, indrindra teo amin’ireo mpianany, fa ny Kristianina dia tsy tokony hifanditra amin’ny Kristianina hafa, na dia eo aza ny fahasamihafana.

Famelan-keloka Kristianina. Nampianatra antsika Izy mba hivavaka ho an’izay manenjika antsika. Nasehony tamintsika ny fomba hanaovana izany tamin’ny alalan’ny fivavahana mba ho voavela heloka ireo izay nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana.

Fiovam-po Kristianina. Toa an’i Petera sy Andrea dia betsaka ny olona mahafantatra ny fahamarinan’ny filazantsara raha vantany vao mandre izany. Miova fo avy hatrany izy ireo. Ho an’ny hafa kosa dia mety ho fotoana lavalava izany. Tao amin’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith, dia nampianatra an’izao ny Mpamonjy, “Izay avy amin’Andriamanitra dia hazavana, ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’Andriamanitra, dia handray hazavana misimisy kokoa, ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro,”14 mitataovovonan’ny andron’ny fiovam-pontsika. I Jesoa Kristy no “fahazavana sy Mpanavotra izao tontolo izao; ny Fanahin’ny fahamarinana.”15

Faharetan’ny Kristianina hatramin’ny farany. Nandritra ny fiainany iray manontolo ny Mpamonjy dia tsy mba niala an-daharana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy fa nanohy naneho fahitsiana sy hatsaran-toetra, famindram-po, ary fahamarinana mandrapahatapitry ny Fiainany teto an-tany.

Ireo no sasantsasany amin’ireo toetran’ireo izay maheno sy manaraka ny feon’ny Mpamonjy. Amin’ny maha vavolombelony iray manokana ahy eto an-tany no hanomezako ny fijoroana ho vavolombelona kristianina fa miantso anao Izy anio hoe, “Andao hanaraka Ahy.”16 Andao handeha amin’ilay làlana izay mitondra mankany amin’ny fahasambarana sy fifaliana mandrakizay, sy mankany amin’ny fiainana tsy manam-petra ao amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1.  Matio 4:18–20.

  2.  

    2.  Marka 1:18.

  3.  

    3.  Marka 8:34.

  4.  

    4.  Môsià 5:2.

  5.  

    5.  Etera 12:27; nampiana fanamafisana.

  6.  

    6.  Jaona 21:3.

  7.  

    7. Jereo ny Jaona 21:3–8.

  8.  

    8.  Jaona 21:12.

  9.  

    9. Jereo ny Jaona 21:15–17.

  10.  

    10.  Matio 4:19; nampiana fanamafisana.

  11.  

    11. Jereo ny “J’irai où tu veux,” Cantiques, no. 174.

  12.  

    12. Jereo ny Matio 18:12–14.

  13.  

    13.  Lioka 12:7.

  14.  

    14.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.

  15.  

    15.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:9.

  16.  

    16.  Lioka 18:22.