2010–2019
Mitandrema ny Momba Tenanareo
Oktobra 2012


Mitandrema ny Momba Tenanareo

[M]ijanòna eo amin’ ny lalan’ ny fivoarana ao amin’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fanamafisanareo orina ny fiovam-ponareo sy ny fampatanjahana ny fianakavianareo. … Ialao ireo zava-mandoza amin’ ny fampandriana sofina amin’ ireo famantarana ara-panahy milaza hoe “Tandremo” izay napetrak’ Andriamanitra sy ireo mpaminany eny amin’ ny lalantsika.

Fony aho zatovolahy dia manao dia amin’ ny fiarakodia mamakivaky ny Tendrombohitra Montagnes Rocheuses eto Amerika izahay mba hitsidika ny raibe sy renibenay. Manomboka amin’ ny lohasaha misy alan-drambiazina vahiny ny lalana, avy eo mihanika amin’ ny havoana somary misolampy rakotra hazo-kesika, ary farany mipoitra amin’ ny kirihitry ny hazo peuplier sy sahalava eny an-tampon-tendrombohitra izay azo hitazanana araka izay lavitra indrindra takatry ny maso.

Tsy azo antoka loatra anefa ity lalana mahafinaritra ity. Amin’ ny sisin’ ny ilan-tendrombohitra mikisilasila no namakiana ny ampahany betsaka amin’ ilay lalana. Mba hiarovana ireo mpandalo dia nasian’ ireo mpanorina lalana arofanina amin’ ny sisin-dalana sy takela-by famantarana izay mivaky hoe: “Tandremo: Misy Vato Milatsaka.” Maro ny antony hanasiana ireo fampitandremana ireo. Miparitaka eny amin’ ny sisin’ ny renirano ery ambany lavitra amin’ ny lalana ireo vato sy bolongam-bato. Tsindraindray dia afaka mahita fiara potika ery ambanin’ ny hantsana izahay, mampiseho ny loza nahazo ireo mpamily tsy nanaraka ny fampitandremana.

Fianianana sy Fanekempihavanan’ ny Fisoronana

Ry rahalahy, ianareo tsirairay avy dia efa niditra, na hiditra ato ho ato, amin’ ny fianianana sy fanekempihavanana izay an’ ny fisoronana Melkizedeka.1 Ahitana dia mitodika mankany an-danitra ao anatin’ izany fanekempihavanana izany izay miantomboka amin’ ny fandraisana ny fisoronana ambanimbany kokoa sy ny fisoronana ambonimbony kokoa, avy eo mandroso amin’ ny alalan’ ny filofosana amin’ ny antsontsika, ary mihanika hatrany mankany amin’ ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra mandrapahazoantsika “izay rehetra ananan’ ny Ra[y].”2

Nametraka takela-pamantarana maneho fampitandremana ho amin’ ny diantsika ilay mpahary feno fahendrena namorona izany lalana selestialy izany. Mitahiry ity fampitandremana mitaky fandinihan-tena ity ny fianianana sy fanekempihavanan’ ny fisoronana manao hoe: “Ary omeko anareo ankehitriny ny didy mba hitandremanareo ny momba ny tenananareo.”3

Nahoana no asain’ Andriamanitra mitandrina isika? Fantany fa tena misy4 i Satana izay mikatsaka ny hisintona antsika hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana.5 Fantatr’ Andriamanitra ihany koa fa miafina ao anatin’ ny mpihazona ny fisoronana ny maha-“olona araka ny nofo”6 azy izay “mora manalavitra”7 Azy. Noho izany no hanasan’ ireo mpaminany antsika “[hanary] ny toetra taloha”8 ary “hitafy an’ i Kristy”9 amin’ ny alalan’ ny finoana, ny fibebahana, ireo ôrdônansin’ ny famonjena ary ny fiainana isanandro ny filazantsara.

Fialana amin’ ireo Zava-mandoza

Eo am-pihanihana ilay lalan’ ny fisoronana dia mety voasakana ny fivoarana ara-panahin’ ny tovolahy na lehilahy iray raha toa ka tsy mahavita mitandrina. Moa ve efa nanaitra sy nahavaky fo anao ny fahalavoana tsy nampoizina nahazo ny zatovolahy iray tena niavaka, na ny misiônera iray vao tafaverina, na ny mpitarika iray manan-kaja ao amin’ ny fisoronana, na ny olona iray izay tianao ao amin’ ny fianakaviana?

Ohatra iray mampalahelo maneho ny fandanindaniam-poana ny herin’ ny fisoronana ny tantaran’ i Davida ao amin’ ny Testamenta Taloha. Na dia naharesy an’ i Goliata aza izy tamin’ ny fahatanorany ary niaina tamim-pahamarinana nandritra ny taona am-polony maro10 dia mbola nalemy ara-panahy ihany ity mpaminany sady mpanjaka ity. Tamin’ ilay fotoana manahirana indrindra raha teny an-tampon’ ny lapa izy ka nahatazana an’ i Batseba tsara tarehy nandro, dia tsy nisy mpiambina ny eritreritra ara-pitondrantena teo akaiky teo nampitandrina hoe: “Tandremo ry Davida, tsy mety izao ataonao izao!” Ny tsy fanarahany ny fitandremana ny momba ny tenany11 ary ny tsy nanarahany ny bitsiky ny Fanahy12 no nitarika tamin’ ny fahaverezan’ ny fianakaviany mandrakizay.13

Ry rahalahy, raha i Davida matanjaka iny aza tafahodina hiala teo amin’ ny lalana mankany amin’ ny fisandratana, dia ahoana no fomba ataontsika mba tsy hiafara toy izany?

Manampy antsika hitoetra amin’ ny lalana mankany an-danitra ny fitsipika roa izay toa arofanina roa sosona dia ny fiovam-po lalina an’ ny tena manokana sy ny fifandraisana mafy orina eo amin’ ny fianakaviana.

Noho ny fahafantaran’ i Satana ireo zavatra ireo dia mametraka sakana izy eo amin’ ny lalan’ ny fivoarantsika ao amin’ ny fisoronana izay mandrava ny fiovam-po sy mamotika ny fianakaviantsika. Soa ihany fa nametraka famantarana hoe “Tandremo” eny amin’ ny lalana i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny. Mampitandrina antsika hatrany izy ireo amin’ ny ambo-po izay mandrava ny fiovam-po14 sy ireo fahotana toy ny fahatezerana, sy ny tsy fahononam-po ary ny filana ara-nofo izay mamotika fianakaviana.

Tany aloha efa elabe tany dia nanoro hevitra i Mosesy hoe: “Mitandrema fandrao hadinonao Jehovah.”15 Eto amin’ izao tontolo izao izay mihazakaza-dava sy tototry ny fialam-boly tafahoatra dia mbola mailaka ny olona “hanadino ny Tompo, … hanao heloka sy ny hotarihin’ ilay ratsy.”16

Fanamafisana Orina ny Fiovam-po sy ny Fianakaviana

Mba hijanonantsika amin’ ny lalan’ ny fivoarantsika ao amin’ ny fisoronana eo anivon’ ireo vato milatsaka mampidi-doza toy ny fakam-panahy, dia ampahatsiahiviko antsika ny fitsipika fototra enina izay manamafy orina ny fiovam-po sy ny fianakaviana.

Voalohany, manokatra ny varavarana ahafahana mahazo fanampiana avy any an-danitra “[handresena] an’ i Satana”17 hatrany ny vavaka. Nandray ny vavaka ho toy ny fihetsika atao hanoherana ny fakam-panahy hatrany i Jesoa isaky ny mampitandrina ireo mpihazona ny fisoronana mba “hitandrina, fa i Satana dia maniry ny hikorokoro [anareo].”18 Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Raha misy amintsika no tsy dia taitra loatra tamin’ ny fanarahana ilay torohevitra hoe mivavaka lalandava, tsy misy fotoana tsara kokoa azo hanombohana izany mihoatra noho izao ankehitriny izao. … Tsy misy velively lehilahy mitsangana amin’ny toerana avo kokoa mihoatra noho ny lehilahy iray mandohalika.”19

Faharoa, mampifandray antsika amin’ Andriamanitra ny fandalinana ireo soratra masina fahiny sy maoderina. Nampitandrina ireo mpikamban’ ny Fiangonana ny Tompo mba “[hitandrina] ny fomba hiheverany [ireo mpaminany] … fandrao hoheveriny ho zava-maivana izany ka hoentina amin’ izany ho eo ambany fanamelohana izy, ary ho solafaka sy hianjera.”20 Mba hisorohana ity fanamelohana ampahibemaso ity dia tokony hiezaka amim-pahazotoana isika hamaky ny soratra masina, ary koa ireo gazetibokin’ ny Fiangonana sy ny tranonkala izay hanampy antsika “handray torohevitra amin’ ny fomba mitokana sy ho an’ ny tena manokana avy amin’ ireo mpaminany nofinidin’ [ny Tompo].”21

Fahatelo, manomana antsika handray “ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana [antsika]”22 ny fandraisana anjara amim-pahamendrehana amin’ ireo ôrdônansy. Rehefa nampitandrina ny Mpamonjy hoe: “mitandrema fandrao voafitaka ianareo,” dia nampanantena Izy fa tsy ho voafitaka isika raha toa ka “[mikatsaka] … fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra” an’ ny Fanahy.23 Mahatonga ireo mpikambana ho mendrika ny “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy”24 ny fandraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ ny Tompo isan-kerinandro. Afaka mahazo “ny fahafenoan’ ny Fanahy Masina”25 isika amin’ ny alalan’ ny fitsaohana any amin’ ny tempoly.

Fahefatra, fitsipika iorenan’ ny fiovam-pon’ny tena manokana sy ny fifandraisan’ ny mpianakavy ny fanehoana fitiavana amin-kitsimpo. Nanome torolalana i Benjamina Mpanjaka hoe: “Mitandrema fandrao hitranga eo anivonareo ny fifandirana.”26 Aza adino velivey fa i Satana no “rain’ ny fifandirana”27 ary mikatsaka izay ahatonga ny mpianakavy “hiady [sy] hifanjihitra.”28 Ry rahalahy, raha toa isika maneho fanararaotana ara-pihetseham-po, na amin’ ny fiteny, na ara-batana, na amin’ iza na amin’ iza ao amin’ ny fianakaviantsika, na mampiasa hery amin’ ny olona iray dia hamery ny herin’ ny fisoronana ao amintsika isika.29 Misafidiana ny hifehy ny fahatezerana. Tokony handre fitahiana avy amin’ ny vavantsika ireo olona ao amin’ ny fianakaviana fa tsy ozona. Tsy tokony hitaona ny hafa isika raha tsy amin’ ny alalan’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po, ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, ny halemem-panahy ary ny fiantrana.30

Fahadimy, ampahany manan-danja ao amin’ ny finoana sy ny firaisan-kinan’ ny fianakaviana ny fanajana ny lalàn’ ny fahafolonkarena. Nanoro hevitra i Jesoa hoe: “Mitandrema, … mba tsy ho azon’ ny fieremana.”31 satria ampiasain’ i Satana hanakanana ireo fianakaviana amin’ ny lalana selestialy ny tsy fahononam-po sy ny fikatsahana harena. Voafehy ny fieremana rehefa manao lamina amin’ ny fidiram-bolantsika isika, mandoa fahafolonkarena marina sy fanatitra amin’ ny fifadian-kanina amim-palalahan-tanana, manao teti-bola amin’ ireo zavatra ilaina andaniana vola, miala amin’ ny fitrosana tsy ilaina, manao tahiry hiatrehana ireo zavatra ilaina amin’ ny hoavy ary manana fizakan-tena ara-batana. Ny fampanantenan’ Andriamanitra ho antsika dia hoe: “Katsaho aloha ny fanjakan’ [Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”32

Fahenina, manome fahatokian-tena ahafahana mijoro “eo anatrehan’ Andriamanitra” miaraka amin’ ny Fanahy Masina ho “namana lalandava”33 ny fiainana feno ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena. Manandrana mandrava ny fahadiovana sy ny fanambadiana i Satana amin’ ny alalan’ ireo fahavetavetana marobe. Rehefa nampitandrina ireo mpijangajanga mba “hitandrina ary hibebaka faingana tokoa” ny Tompo dia sady nahafaoka ilay fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ ny fanambadiana sy ireo eritreritra maloto izay mitarika amin’ izany ny famaritana nomeny.34 Niresaka matetika sy tamin’ ny fomba mazava momba ny fihanaky ny pôrnôgrafia ireo mpaminany sy apôstôly amin’ izao andro izao. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “[Ny pôrnôgrafia] dia toy ny rivo-doza mahatsiravina, mandrava ny olona sy ny fianakaviana, mandrava tanteraka izay madio sy tsara fahiny. … Tonga ny fotoana ho an’ ny tsirairay amintsika izay tafalatsaka tanteraka, hivoahana mba hanalavirana ny fahotana.”35 Raha toa ianao ka alaim-panahy handika ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondratena na amin’ ny endriny ahoana na amin’ ny endriny ahoana, dia araho ny ohatra nasehon’ i Josefa tany Egypta, izay “nandositra … ka nivoaka teny ala-trano.”36

Manampy ireo mpihazona ny fisoronana ireto fitsipika fototra miisa enina ireto mba hizorana soa aman-tsara amin’ ny lalana mankany an-danitra eo anelanelan’ ireo arofanina ara-panahy dia ny fiovam-pon’ ny tena manokana sy ny fifandraisan’ ny mpianakavy. Ry zatovolahy, hanomana anareo ho amin’ ny fanekempihavanan’ ny tempoly, sy ny asa fitoriana amin’ ny fotoana maharitra, ary ny fanambadiana mandrakizay ny fankatoavana ireo fitsipika ireo. Ry vady sy ray, hahafahanareo hiahy ny tokantranoreo amim-pahamarinana, sy ho mpiatrika ara-panahy ny fianakavianareo, miaraka amin’ ny vadinareo ho mpiara-dia mira lenta37 ny fiainana ireo fitsipika ireo. Dia iray heniky ny fifaliana ny lalan’ ny fivoarana ao amin’ ny fisoronana.

Fijanonana amin’ ilay lalan’ ny fivoarana ao amin’ ny Fisoronana

Raha hiverenako ireo zava-nitranga fony aho zatovolahy dia tsaroako ny fotoana iray nandehananay namakivaky ny Tendrombohitra Montagnes Rocheuses. Taorian’ ny nandalovanay ny takela-pamantarana hoe “Tandremo: Misy Vato Milatsaka,” dia nahatsikaritra vato kilonjy sy vato kely maro nilatsaka teo amin’ ny lalana nanoloana anay ny raiko. Nalefany moramora avy hatrany ny fiara ka efa saika tafajanona mihitsy; tamin’ izay indrindra no nianjera tsy lavitra anay ny bolongam-bato toy ny haben’ ny baolina basket. Niandry ny fijanonan’ ny filatsahan’ ireo vato ny raiko vao nanohy ny dia. Ny fifantohan’ ny raiko tsy tapaka sy ny fandraisany fanapahan-kevitra avy hatrany no nanome antoka ny hahatratraran’ ny fianakavianay soa aman-tsara ny toerana tianay haleha.

Ry rahalahy, mikatsaka ny “hamongorana ny fanahin’ ny olona”38 i Satana. Raha toa ka mikorisa manakaiky ny sisin’ ny loza mitatao ara-panahy ny fanahinao dia mijanona avy hatrany mba tsy hianjerana any, ary avilio hihazo ny lalana indray ny famindranao.39 Raha toa ianao mahatsapa fa nianjera sy potika eny amin’ ny farany ambanin’ ilay hantsana ny fanahinareo fa tsy mitoetra eny ambony eny amin’ ny lalan’ ny fivoarana ao amin’ ny fisoronana noho ianareo nanao tsinontsinona ireo famantarana hoe “Tandremo” ary nanota, dia mijoro ho vavolombelona aho fa azo sintonina ianareo ary averina indray amin’ ilay lalana mankany an-danitra nomanin’ Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny fibebahana amin-kitsimpo sy ny herin’ ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.40

Nampianatra i Jesoa hoe: “Mitandrema hianareo … [amin’ ]ny fihatsarambelatsihy.”41 Raha toa ianao ka tsy mendrika ny hampiasa ny fisoronana dia meteza hihaona amin’ ny evekanao, izay afaka hanampy anao hibebaka. Mahereza fa na dia nilaza aza ny Mpamonjy hoe: “Mitandrema, … ary fadio ny fahotana,”42 dia nampanantena ihany koa Izy hoe: “Izaho Tompo dia tsy hitana fahotana aminareo. … Zory ny lalanareo ary aza manota intsony.”43

Manasa ny zatovolahy sy ny lehilahy tsirairay aho mba hijanona eo amin’ ny lalan’ ny fivoarana ao amin’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fanamafisanareo orina ny fiovamponareo sy ny fampahatanjahana ny fianakavianareo. Manamafy orina ny fiovam-po ny vavaka, sy ny soratra masina ary ireo ôrdônansy. Mampahatanjaka ny fianakaviana ny fitiavana, ny fandoavana fahafolonkarena ary ny fahadiovam-pitondrantena. Ialao ireo zava-mandoza amin’ ny fampandriana sofina amin’ ireo famantarana ara-panahy milaza hoe: “Tandremo” izay napetrak’ Andriamanitra sy ireo mpaminany eny amin’ ny lalantsika. Miezaha hanaraka ny ohatra tonga lafatr’ i Jesoa Kristy, izay “nalaim-panahy […] saingy tsy nilefitra tamin’ ireny.”44

Mampanantena aho fa raha mitandrina ny fanekempihavanan’ ny fisoronana ny lehilahy amin’ ny alalan’ ny “[fitandremany] ny momba ny tenan[’ izy ireo],”45 dia hanana antoka isika sy ny fianakaviantsika fa hahatratra soa amantsara sy amim-pifaliana ny tanjontsika amin’ ny fisandratana any amin’ ny fanjakana selestialy. Mijoro ho vavolombelona momba izany aho amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.