2010–2019
Ireo Fitahiana avy amin’ny Fanasan’ny Tompo
Oktobra 2012


Ireo Fitahiana avy amin’ny Fanasan’ny Tompo

Hotahiana isika raha mahatsapa fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, raha manavao ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa, raha mahatsapa famelan-keloka, ary mandray fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina.

Tao Rexburg, Idaho, no nahalehibe ahy, toerana izay nandraisako fitarihana sy fampianarana avy amin’ny fianakaviana iray mahafinaritra, sy ireo namana, mpampianatra ary mpitarika. Misy traikefa miavaka eo amin’ny fiainantsika rehetra izay miantraika amin’ny fanahintsika amin’ny fomba mampihetsi-po ary manova mandrakizay ny fiainantsika. Nitranga teo amin’ny androm-pahatanorako ny toy izany. Nanova ny fiainako izany zava-nitranga izany.

Nazoto tato am-piangonana foana aho hatrizay ary nandalo ireo dingana ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Fony aho mbola zatovo dia nangataka ahy ny Rahalahy Jacob, izay mpampianatra ahy, hanoratra eo amin’ny baoritra kely ny eritreritra niserana tao an-tsaiko nandritra ny fanasan’ny Tompo. Noraisiko ny baoritra keliko ary nanomboka nanoratra aho. Nosoratako voalohany tao amin’ny lisitra ilay lalao baolina basket izay azonay ny hariva talohan’io, ary avy eo ny fiarahana tamin’ny tovovavy iray taorian’ny lalao ary dia nisy zavatra hafa maromaro mitovy amin’izany voatanisa tao. Tany amin’ny farany indrindra ary tsy mba niavaka akory ny anaran’i Jesoa Kristy.

Nameno lisitra tamin’ny baoritra kely toy izany izahay isaky ny Alahady. Ho an’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna toa ahy dia nanana lanjany vaovao, manan-danja ary ara-panahy ny fanasan’ny Tompo sy ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsy andriko foana ny ahatongavan’ny andro Alahady sy ny fahafahako mandray ny fanasan’ny Tompo, satria nanova ahy ny fahatakarana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Isaky ny Alahady mandrak’androany, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia afaka mijery ilay baoritra ary manatsara ny lisitra izay voatanisa ao. Hita hatrany ao anatin’ny lisitro ankehitriny, ary voalohany amin’ny zava-drehetra izay voatanisa ao, ilay Mpamonjy ny Zanak’olombelona.

Vakiantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fotoana izay niarahan’ny Mpamonjy sy ny Apôstôliny tao amin’ny rihana ambony iray mba hiara-hihinana amin’ny Andro firavoravoana amin’ny Paska.

“Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.

“Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.1

Nampiorina ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo koa i Jesoa nandritra ny fitsidihany an’ireo Nefita.2 Lasa nahafantatra ny lanjan’ireo tranga anankiroa ireo aho.

Nilaza ny Filoha David O. McKay hoe: “Mahatsapa aho fa tokony hanantitrantitra ny zavatra izay nofaritan’ny Tompo ho fivoriana manan-danja indrindra ato am-piangonana ary tsy inona izany fa ny fivoriana fanasan’ny Tompo.”3 Raha toa ka miomana araky ny tokony ho izy ho amin’izany fivoriana izany isika dia afaka manova ny fiainantsika isika. Tiako ny handroso fitsipika dimy ho sosokevitra izay afaka hitahy ny fiainantsika eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehena.

I. Manàna Fahatsapana Fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ny fitsipika voalohany dia ny fananana fahatsapana fankasitrahana ny Ray any An-danitra mandritra ny fanasan’ny Tompo noho ny Sorompanavotan’ilay Zanany. Ity tantara manaraka ity dia nozaraina mikasika ny fizarana ny fanasan’ny Tompo:

“Tsy dia nanan-danja loatra tamiko hatramin’izay ny fanasan’ny Tompo raha tsy taorian’ ny Alahady izay nanendrena ahy ho diakona. Sambany aho no nizara ny fanasan’ny Tompo tamin’io tolakandro io. Talohan’ilay fivoriana dia efa nampitandrina ahy ny diakona iray hoe: ‘Aoka ho malina tsara rehefa anjaran’ny Rahalahy Schmidt a! Mety ho voatery hamoha azy ianao!’ Tonga ihany ilay fotoana handraisako anjara amin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Voazarako tsara tsy nisy olana ny laharan-tseza enina voalohany. Nandray ny mofo tsy nisy fitarainana na olana ireo ankizy sy olon-dehibe. Tonga teo amin’ny laharan-tseza fahafito aho, laharana izay eo foana no misy an’ny Rahalahy Schmidt. Saingy gaga aho, satria tsy natory izy fa nihiratra tsara. Nandray ny mofo tamim-pisaintsainana sy fanajana lalina izy fa tsy mba toy ireo hafa izay efa nizarako teo aloha.

“Minitra vitsy taty aoriana dia indro indray aho nanatona ny laharan-tseza fahafito niaraka tamin’ny rano. Marina ilay nolazain’ny namako tamin’ity indray mitoraka ity. Niondrika ny lohan’ny Rahalahy Schmidt ary nikatona ny masoben’ity teratany Alemana ity. Toa natory be mihitsy izy. Inona no azoko ho atao na lazaina? Nobanjiniko tao anatin’ny fotoana fohy ny handriny, izay efa mikentrona sy mikainkona noho ny asa mafy sy fahasahiranana an-taonany maro. Tonga mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fahatanorany izy ary nandalo fanenjehana goavana tao amin’ilay tanana kely nisy azy tany Alemana. Reko im-betsaka nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona izany tantara izany. Tapaka ny hevitro tamin’ny farany fa hodomiko kely ny sorony mba hanairana azy. Raha nandroso ny tanako hanao izany iny aho dia nitraka tsimoramora ny lohany. Nirotsaka teo amin’ny takolany ny ranomaso ary fitiavana sy fifaliana no hitako taratra teo amin’ny masony. Narosony tamim-pitandremana ny tanany ary nandray ny rano izy. Na dia mbola roa ambin’ny folo taona aza aho tamin’izany dia mbola tsaroako tsara ilay fahatsapana nananako teo am-pijerena ity lehilahy antitra kaokan’ny taona ity nandray ny fanasan’ny Tompo. Fantatro tsy tamim-pisalasalana fa mahatsapa zavatra miavaka mikasika ny fanasan’ny Tompo izay tsy mbola tsapako izy. Tapa-kevitra aho tamin’izay fa te-hahatsapa toy izany koa.”4

Nifandray tamin’ny lanitra Rahalahy Schmidt ary ny lanitra koa nifandray taminy.

II. Tsarovy fa Manavao ny Fanekempihavanana tamin’ny Batisa isika

Ny fitsipika faharoa dia ny fahatsiarovana fa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa isika eo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ahitana izao voarakitra ao amin’ny soratra masina manaraka izao ireo fampanantenana ataontsika:

“[Tonga] ao amin’ ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany, … hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … hiara-malahelo amin’ izay malahelo … , ary hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra.”5

“Manatona amin’ ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, … vonona ny hitondra ny anaran’ i Jesoa Kristy, manana ny finiavana hanompo Azy hatramin’ ny farany,”6ary hitandrina ny didiny sy hahatsiaro Azy mandrakariva.7

Mampahatsiahy ireo fampanantenana ireo ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo. Manavao ny fanoloran-tenantsika mba hiaina hifanaraka amin’ireo fanekempihavanana ireo isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Mino aho fa tsara raha atao tsianjery ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo. Hanampy antsika hifantoka amin’ny fanavaozana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa izany. Manantena aho fa tsy ho adinontsika ilay andro sy ireo fanekempihavanana nataontsika, na 8 taona isika na 80 taona tamin’ny natao batisa.

III. Afaka Mahatsapa ho Voavela Heloka isika mandritra ny Fanasan’ny Tompo

Fahatelo, afaka mahatsapa ho voavela heloka isika mandritra ny fanasan’ny Tompo. Raha toa ka nanokana fotoana nibebahana tamin’ireo otantsika isika talohan’ny fanasan’ny Tompo dia afaka mahatsapa ho madio sy mendrika rehefa mivoaka izany fivoriana fanasan’ny Tompo izany. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Manavao ny dingan’ny famelan-keloka ny fanasan’ny Tompo. … Isaky ny aroso ny fanasan’ny Tompo isaky ny Alahady dia toy ny fankalazana ny fanavaozana ny dingan’ny fibebahana izany. Manadio ny tenanao ianao isaky ny Alahady, ka rehefa tonga ny fotoana, raha ho faty ianao dia ho madio ny fanahinao.”8 Afaka manampy antsika ho toy ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina koa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, izay, “feno fifaliana […] rehefa nandray ny famelana ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina. 9

IV. Afaka Mandray Fitaomam-panahy isika amin’ireo Vahaolana amin’ny Olantsika

Ny fitsipika fahefatra dia hoe afaka mandray fitaomam-panahy isika mikasika ireo vahaolana amin’ny olantsika, mandritra ny fanasan’ny Tompo. Nanana tombontsoa nanatrika fotoam-piofanana ho an’ny filohan’ny misiôna niaraka tamin’ny Filoha Henry B. Eyring izaho sy i Mary Anne vadiko fony aho filohan’ny misiôna tany Bolivie. Nampianatra izy tamin’izany fotoana izany fa misy fomba telo manan-danja hiomanana mba hahazoana tombontsoa avy amin’ny fivoriana iray. Tonga miaraka amin’ireo olantsika isika, manetry tena toy ny ankizy izay vonona ny hianatra, ary manam-paniriana hanampy ny zanak’Andriamanitra.

Raha manana ny fanahin’ny fanetren-tena isika mandritra ny fanasan’ny Tompo dia afaka ny handray fitahiana amin’ny fandraisana vahaolana amin’ireo olana iainantsika andavanandro. Tokony ho vonona isika rehefa tonga eo, hihaino an-tsitrapo ary tsy ho varimbariana. Hoy ny soratra masina hoe: “Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ ny tratra nao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany.10 Afaka mahafantatra ny tokony ho ataontsika isika mba hamahana ireo olantsika.

V. Hanampy Antsika Hanana ny Fanahy Masina ny Fandraisana Am-pahamendrehana ny Fanasan’ny Tompo

Ny fitsipika fahadimy, izay hoe fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana dia hanampy antsika hanana ny Fanahy Masina. Nilaza i Jesoa, teo am-panorenana ny fanasan’ny Tompo nandritra ny fitsidihany ireo Nefita hoe: “Izay mihinana ity mofo ity dia mihinana amin’ ny vatako ho an’ ny fanahiny; ary izay misotro amin’ ity divay ity dia misotro amin’ ny rako ho an’ ny fanahiny; ary tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny, fa hovokisana kosa.”11 Nandray fampanantenana izy ireo fa raha toa ka mikatsaka sy mangetaheta hiaina amim-pahamarinana dia hanana ny Fanahy Masina hiaraka amin’izy ireo. Mampanantena koa ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo fa raha miaina ny fanekempihavanana nataontsika isika dia hanana lalandava ny Fanahiny miaraka amintsika.12

Nilaza ny Loholona Melvin J. Ballard hoe: “Izaho dia vavolombelona fa misy fanahy manatrika ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo, izay manafana ny fanahy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Ho tsapanao fa sitrana ny ratran’ny fanahy, ary nesorina ny enta-mavesatra. Ho tsapan’ny fanahy izay mendrika sy tena maniry marina handray izany sakafo ara-panahy izany ny fankaherezana sy ny fahasambarana.”13

Hotahiana isika raha mahatsapa fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, raha manavao ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa, raha mahatsapa famelan-keloka, ary mandray fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Ho fotoan’ny fanasan’ny Tompo mampientanentana hatrany izany raha toa ka ataontsika ho ivon’ny fitsaohantsika ny fanasan’ny Tompo. Maneho ny fankasitrahako aho noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Fantatro fa velona Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.