Ry rahalahy, manana asa atao isika

Nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Amin’ny maha-lehilahy mpihazona ny fisoronana antsika dia manana anjara toerana manan-danja isika eo amin’ny fiaraha-monina, sy ao an-tokantrano ary ato am-piangonana.

Ry rahalahy isany, maro ireo zavatra voalaza sy nosoratana tao anatin’ny taona vitsivitsy izay mikasika ireo fanamby atrehin’ireo lehilahy sy tovolahy. Ohatra amin’ny lohatenin’ireo boky ireo, ny hoe: Why There Are No Good Men Left, The Demise of Guys, The End of Men, Why Boys Fail, ary ny Manning Up. (Nahoana no Tsy misy Lehilahy Tsara Toetra Intsony, Ny Fiafaran’ny Lehilahy, Nahoana no tsy Mahomby ny Tovolahy ary ny Mandray Andraikitra). Ny mahagaga dia nosoratan’ny vehivavy ny ankamaroan’izy ireny. Na izany aza, misy lohahevitra itoviana eo amin’ireo fanadihadiana ireo izay milaza fa mandray hevi-tsintona mampifamahofaho sy manala-baraka ireo lehilahy sy tovolahy any amin’ny toerana maro ankehitriny momba ny anjara andraikiny sy ny hasiny eo amin’ny fiaraha-monina.

Nofaritan’ilay mpanoratra ny boky hoe Manning Up (Mandray Andraikitra) araka ity fomba ity izany: “Toa lasa lalàn’ny sivilizasiôna maneran-tany ny filazana fa raha toa ka ny fanatrarana ny fahamatorana ara-batana fotsiny dia maha-lasa ny tovovavy ho tonga vehivavy lehibe, ny tovolahy kosa dia tsy maintsy mandalo fanadinana. Mila mampiseho herimpo izy ireo, sy tanjaka ara-batana, na fifehezana ireo fahaiza-manao ilaina. Ny tanjona dia ny hanaporofoany fa manana ny fahaiza-manao izy ireo hiarovana ny vehivavy sy ny ankizy, ary izany hatrany no andraikitra ara-tsôsialy voalohany hazoniny. Ankehitriny kosa anefa, vokatry ny fahazoan’ny vehivavy laka eo amin’ny fihariana ara-toe-karena, dia toa afaka misafidy ireo lehilahy na ho vady sy ray mpamelona na tsia, ary ireo toetra nilain’ny lehilahy mba hanatontosana ny anjara andraikiny,— toy ny herimpo, ny fiatrehana ny zava-misy tsy am-pitarainana, ny hafanampo, ny fahatokiana—dia efa lany andro ary somary mahamenatra kely mihitsy aza.”1

Ao anatin’izany ezaka fampandraisana anjara ny vehivavy izany, izay deraintsika tokoa, dia misy ireo izay manizakiza ny lehilahy sy ny anjara entiny. Toa raisin’izy ireo ho toy ny fifaninana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ny fiainana—ka hoe mila manjakazaka amin’ny iray ilay iray hafa, ary hoe ankehitriny dia anjaran’ny vehivavy indray izao. Misy ireo manolo-kevitra fa ny anton’asa no zava-dehibe indrindra ary ny hoe hanambady sy hanan-janaka sa tsia dia tokony ho safidy, koa raha izany, inona no ilana ny lehilahy?2 Amin’ireny sarimihetsika maro any Hollywood ireny, ireo fampisehoana amin’ny fahitalavitra sy cable, ary eny hatreny amin’ny dokam-barotra aza dia izakizanina ho tsy mahavita azy, na tsy matotra na variana amin’ny zava-mahaliana ny tenany manokana ireo lehilahy. Misy vokany manimba entin’izany kolontsaina manakana ny lehilahy tsy hitana ny andraikiny izany.

Eto Etazonia, ohatra, dia voalaza fa: “Mahomby kokoa ny tovovavy mihoatra noho ireo tovolahy amin’izao fotoana izao amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fianarana, manomboka any amin’ny sekoly fanabeazana fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Ohatra, ao amin’ny taona fahavalo, dia 20 isan-jaton’ireo tovolahy ihany no mahafehy ny fanoratana ary 24 isan-jato ihany no mahafehy ny vakiteny. Ny naotin’ireo tovolahy tamin’ny bakalaorea ohatra, tamin’ny 2011, no naoty ratsy indrindra tato anatin’ny 40 taona. Araka ny voalazan’ny Foibe Nasiônaly misahana ny Antontan’isa Ara-pianarana, dia manatombo 30 isan-jato ny tahan’ny mety hijanonan’ny tovolahy tsy hianatra intsony raha oharina amin’ireo vehivavy, rehefa eny amin’ny ambaratonga famaranana sy eny amin’ny oniversite. … Voavinavina fa amin’ny 2016 dia vehivavy no hahazo ny 60 isan-jaton’ny licence, ny 63 isan-jaton’ny maîtrise ary ny 54 isan-jaton’ny doctorat. Tovolahy ny roa ampahatelon’ireo mpianatra ao amin’ny fandaharam-pianarana manokana ho an’ireo mila fampisondrotana fari-pahalalana.”3

Ataon’ireo lehilahy sy tanora zazalahy sasantsasany ho fialan-tsiny mba hialana amin’ny andraikitra sy tsy ho tena matotra na oviana na oviana ireo hevi-tsintona ratsy avy amin’ny fiaraha-monina. Tao amin’ny fanamarihana iray izay matetika loatra toa famaritana mitombina dia nilaza toy izao ny mpampianatra iray ao amin’ny oniversite: “Tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny kasikety mivadika fanaovana baseball ny lehilahy ary ireo fialan-tsiny [marivo tototra] manao hoe: ‘Nirarahan’ny rano ny enti-modiko.’ Ireo vehivavy kosa, etsy andaniny dia mitandrina tsara ny fandaharam-potoany isan’andro ary mikatsaka ireo fanalalanan’olona mba ho tafiditra amin’ny sekoly fianarana lalàna.”4 Naneho ny heviny izay somary maneso ihany ny vehivavy iray mpamakafaka sarimihetsika fa “ny azontsika hianteherana amin’ny lehilahy, raha tsara vintana isika ary raha misafidy ny hanana namana hiara-dia isika, dia izay ihany—namana hiara-dia. Olona iray izay mijanona eo amin’ny zorony misy azy tahaka ny hanajany ny zorony misy ny tenanao.”5

Ry rahalahy, tsy tokony ho izany no lazaina momba antsika. Amin’ny maha-lehilahy mpihazona ny fisoronana antsika dia manana anjara toerana manan-danja isika eo amin’ny fiaraha-monina, sy ao an-tokantrano ary ato am-piangonana. Kanefa mila tonga lehilahy azon’ireo vehivavy hatokisana isika, azon’ireo zanaka hatokisana ary azon’Andriamanitra hatokisana. Tsy afaka isika ny hamela ny hisian’ireo zatovolahy sy lehilahy tsy mandray andraikitra ato amin’ny Fiangonana sy fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Tsy afaka isika ny hamela ny hisian’ ireo zatovolahy izay tsy manana fifehezan-tena ary miaina araka izay mahafinaritra ny sainy fotsiny. Tsy afaka isika ny hamela ny hisian’ireo tanora lehilahy izay tsy mba manana tanjona eo amin’ny fiainana, izay tsy mandray am-pahamatorana ny fanorenana fianakaviana sy ny fandraisan’anjara feno eto amin’ity izao tontolo izao ity. Tsy afaka isika ny hamela ny hisian’ireo vady sy raim-pia-nakaviana tsy mahavita manolotra fitarihana ara-panahy ao an-tokantranony. Tsy afaka isika ny hamela ny hisian’ ireo mpampiasa ny Fisoronana Masina, araka ny Lamin’ ny Zanak’ Andriamanitra, izay mandanindany foana ny heriny amin’ny pôrnôgrafia na mandany ny androm-piainany eo amin’ny Internet (amin’ny fiteny maneso dia hoe manao ny fanaon ’izao tontolo izao fa tsy ao amin ’izao tontolo izao).

Ry rahalahy, manana asa atao isika.

Ry zatovolahy, mila mianatra tsara ianareo any am-pianarana ary manohy ny fianarana aorian’ny ambaratonga famaranana. Mety te-hanohy ny fianarana any amin’ny oniversite ny sasany aminareo ary hiasa amin’ny sehatra fandraharahana, fambolena sy fiompiana, fitantanana ny raharaham-panjakana na asa matihanina hafa. Hamiratra amin’ny zava-kanto, ny mozika na ny fampianarana ny sasany. Ny hafa dia hisafidy ny ho miaramila na hianatra asa ara-barotra. Nandritra ny taona maro dia maromaro ireo mpiasa nampanaoviko asa fanitarana sy asa fanamboarana tao an-tranoko ary nahavariana ahy ny zotom-po sy fahaiza-manao nasehon’ireo lehilahy ireo. Na inona na inona zavatra safidianareo dia zava-dehibe ny hahazoanareo fahaizana mba hahafahanareo mamelona fianakaviana sy mandray anjara hanasoa ny fiaraha-monina sy ny firenena misy anareo.

Vao tsy ela aho no nahita horonantsary iray maneho ny tontolo andron’ny zatovolahy 14 taona iray any Inde, antsoina hoe Amar. Mifoha maraina be izy ary manao asa roa, aloha sy aorian’ny fianarany, enina andro sy tapany ao anatin’ny herinandro. Mitana ampahany manan-danja eo amin’ny fidiram-bolan’ny fianakaviany ny karamany. Mamonjy ny tokantranony haingana izy amin’ilay bisikiletany efa tonta aorian’ny asany faharoa ary mbola mahita fotoana hanaovana enti-mody alohan’ny hisitrihana ao am-pandriany manao ladin’an-tany misisika eo anelanelan’ireo mpiray tampo aminy efa matory, eo amin’ny iraika ambin’ny folo ora alina eo ho eo. Na dia tsy mbola nihaona taminy aza aho dia deraiko ny fikirizany sy ny herimpony. Manao izay tsara indrindra vitany izy amin’ireo loharanom-pitaovana sy fahafahana voafetra izay ananany, ary fitahiana ho an’ny fianakaviany tokoa ny fananana azy.

Ianareo ry lehilahy lehibe—ray, tanora mpitovo, mpitarika, mpampianatra isan-tokantrano—aoka ho maodely mendrika ianareo ary ampio ireo tovolahy taranaka vao misondrotra ho tonga lehilahy lehibe. Ampianaro azy ireo ny fahaiza-miara-monina sy fahaiza-manao hafa: ahoana no fomba fifampiresahana, ahoana no fomba hifankafantarana na hifandraisana amin’ny hafa, ahoana no fomba firesahana sy fahatakarana an-tsaina ireo vehivavy sy tovovavy, ahoana no fomba hanompoana, ahoana no hahafahana manao zavatra tsy tapaka ary mifaly amin’ny fialam-boly, ahoana no fomba hialana voly kanefa tsy hiankin-doha amin’izany, ary ahoana no fomba hanitsiana ireo hadisoana ary hanaovana safidy tsara kokoa.

Koa ho anareo rehetra izay mihaino, na aiza no toerana mety handrenesanareo ity hafatra ity, dia ambarako ny zavatra izay nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa, hoe: “Mahereza sy mahatanjaha” (Josoa 1:6). Manehoa herimpo ary miomana tsara araka izay tratranareo, na inona na inona toe-javatra iainanareo. Mivonòna ho vady sy ray tsara. Mivonòna mba ho olom-pirenena vanona sy mamokatra. Mivonòna hanompo ny Tompo, izay tompon’ny fisoronana hazoninareo. Na aiza na aiza misy anareo dia miahy anareo ny Rainareo any An-danitra. Tsy irery ianareo. Manana ny fisoronana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ianareo.

Amin’ireo toerana maro izay ilana anareo dia iray amin’ireo izay tena manan-danja indrindra ny ao amin’ny kôlejin’ny fisorona misy anareo. Ilaintsika ny kôlejy izay manome famokiana ara-panahy ny Alahady ary koa manompo. Mila mpitarika ao amin’ny kôlejy izay mifantoka amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo isika, ary amin’ny fanohanana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy sy ny fianakavian’izy ireo.

Ndeha hojerentsika ny momba ny asa fitoriana. Ry zatovolahy, aza matoritory. Tsy afaka ny hiandry anareo ho 17 na 18 taona ianareo vao ho matotra amin’ny fanomanana. Afaka manampy ireo olona ao aminy ireo kôlejy ao amin’ny Fisoronana Aharôna mba hahatakatra ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana ary hiomana ho tendrena ho loholona. Afaka manampy azy ireo hahatakatra sy hiomana ho amin’ny ôrdônansin’ny tempoly ireo kôlejy ireo; ary afaka manampy azy ireo ho vonona hanao asa fitoriana amim-pahombiazana. Afaka manampy ireo ray aman-dreny ireo kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanomana misiônera izay mahafantatra ny Bokin’i Môrmôna ary hanompo eny amin’ny saha amim-panoloran-tena feno. Ary ireo kôlejy ireo ihany, ao amin’ny sampana sy paroasy tsirairay, dia afaka mandrindra fiaraha-miasa mahomby amin’ireo mpitory amin’ny fotoana maharitra izay manompo eo amin’ny toerana misy azy ireo.

Misy asa iray mifandray amin’izany izay ny fisoronana no tena miantsoroka azy dia ny antson’ny Mpamonjy, izay naverin’ny Filoha Thomas S. Monson, ny mba hamonjena ireo izay niala tamin’ny filazantsara na manana lolompo noho ny antony maro samihafa. Efa nahita fahombiazana mahatalanjona tamin’izany ezaka izany isika, ary isan’izany ny asa tena tsara izay nataon’ny zatovolahy. Kôlejy iray tao amin’ny Fisoronana Aharôna tao amin’ny Paroasin’i Rio Grande (miteny Espaniôla), any Albuquerque, Nouveau Mexique, no niara-nanao filankevitra mikasika izay olona azon’izy ireo entina miverina ato am-piangonana ary avy eo niara-nandeha namangy azy ireny tsirairay. Hoy ny iray: “Rehefa tonga teo anoloam-baravarako izy ireo dia nahatsapa ho manan-danja aho,” ary ny iray nilaza hoe: “Faly aho fa misy olona maniry marina ny handehanako any am-piangonana. Mampitsiry ny faniriako handeha any am-piangonana izany amin’izao.” Rehefa nanasa zatovolahy iray hiverina ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy dia nangataka azy koa ireo mba hiaraka amin’izy ireo amin’ny fitsidihana manaraka, ary dia tonga izy. Tsy vitan’ny hoe nanasa azy hanatrika any am-piangonana amin’ny herinandro manaraka fotsiny izy ireo fa avy hatrany dia nampandray anjara azy ao amin’ny kôlejy.

Ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia asa iray hafa hiantsorohan’ny fisoronana izay miendrika fanamby kanefa mahaliana. Ho tonga ato ho ato ny taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izay manolotra antso nohavaozina sy fomba fijery ambonimbony kokoa momba ity ampahany manan-danja amin’ny asa izay ataontsika ity.

Vondron’ny mpirahalahy mifanohana ihany koa ny kôlejintsika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha hoe: “Ho andro mahatalanjona ry rahalahy—ho andro hahatontosa ny tanjon’ny Tompo—ny andro izay hahatongavan’ireo kôlejin’ny fisoronantsika ho fomba iray hampahatanjahana ny lehilahy tsirairay ao aminy, ka ny lehilahy tsirairay ho afaka hiteny hoe: ‘Mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana iray ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Vonona aho ny hanampy ireo rahalahiko amin’ny zava-drehetra ilainy, tahaka ny fahafantarako fa izy ireo koa dia vonona hanampy ahy amin’ny zavatra ilaiko. … Raha miara-miasa izahay dia afaka ny ho vonona, tsy amin-kenatra sy tsy amin-tahotra, hanohitra izay rehetra rivotry ny fizahan-toetra mety hifofofofo, na ara-toe-karena izany, na ara-piaraha-monina na ara-panahy.’”6

Tsy voatery ho mety araka izay nanomanantsika azy daholo ny zava-drehetra, na dia miezaka tahaka ny inona aza isika, ary “rivotry ny fizahan-toetra” iray izay mety hitranga eo amin’ny fiainan’ny lehilahy iray ny tsy fananan’asa. Voalaza ao amin’ny bokikely iray fahiny momba ny fifanampiana ato am-piangonana ny hoe: “Fotoana fiahiana manokana ho an’ny Fiangonana tokoa ny fotoana tsy hananan’ny lehilahy iray asa satria, amin’ny tsy fananany fahafahana hiasa, dia handalo fitsapana izy—amin’ny fiainany am-pahamarinana—toa izay nolalovan’i Joba. Rehefa mihalava ny faharetan’ny fizahan-toetra ka mitombo ny andro ary lasa herinandro maromaro sy volana maromaro ary mety ho taona maromaro mihitsy aza, dia hihalalina ny fijaliana. … Tsy afaka ny hanantena hamonjy lehilahy iray amin’ny andro Alahady ny Fiangonana raha toa ka tsy manao na inona na inona mandritra ny herinandro eo am-pitazanany izany fitsapana mafy mianjady amin’io lehilahy io izany.”7

Tamin’ny Aprily 2009, dia nozarain’i Richard C. Edgley izay mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Episkôpà Mpiahy ny tantaran’ny kôlejy iray fakan-tahaka izay nanao hetsika mba hanampiana ny mpikambana iray tao aminy izay very asa:

“Ny orin’asa mpikarakara fiarakodia Phil ao Centerville, Utah, dia vavolombelon’ny zava-bitan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy kôlejy iray. Mpikambana tao amin’ny kôlejin’ny loholona i Phil ary niasa tao amin’ny toerana fanamboarana fiara iray teo an-toerana. Nampalahelo fa nisedra olana ara-toe-bola ilay fiasan’i Phil ka tsy maintsy nanajanona azy tamin’ny asany. Vala-ketraka tamin’izany fisehoan-javatra izany izy.

“Rehefa nandre ny fahaverezan’ny asan’i Phil ny evekany, Leon Olson, sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia nandinika izay fomba azo hanampiana azy hiatrika ny fiainany. Izy rahateo moa rahalahy namana ao amin’ny kôlejy ary mila fanampiana. Nisintona hevitra izy ireo fa manana ny fahaiza-manao hitantanana ny orin’asany manokana i Phil. Nanolotra trano efa tranainy iray ny mpikambana iray tao amin’ny kôlejy izay azo amboarina ho lasa toerana fanamboarana fiara. Ny mpikambana sasany tao amin’ny kôlejy dia afaka nanangona fitaovana sy izay ilaina ao amin’ilay toeram-piasana vaovao. Ny ankamaroan’ny mpikambana tsirairay tao amin’ny kôlejy dia afaka nanampy nanadio ilay trano efa tranainy.

“Nozarain’izy ireo tamin’i Phil ny hevitr’izy ireo ary avy eo dia nentina teo anoloan’ny mpikambana tao amin’ny kôlejy. Voadio ilay trano ary nohatsaraina. Voangona ny fitaovana ary voalamina sy voarindra amin’ny toerany. Ilay orin’asa mpikarakara fiarakodia Phil dia tena fahombiazana ary taty aoriana dia nifindra tamin’ny toerana tsaratsara kokoa sy naharitra—ny antony dia satria nanampy azy tao anatin’ny fotoan-tsarotra ireo rahalahiny tao amin’ny kôlejy.”8

Mazava ho azy, araka ny naverimberin’ireo mpaminany nandritra ny taona maro hoe: “Ny asan’ny Tompo manan-danja indrindra izay mety ho ataonao dia izay ho ataonao ao anatin’ny rindrin’ny tokantranonao.”9 Manana asa atao be tokoa isika mba hanamafisana ny fanambadiana eo amin’ny fiaraha-monina iainantsika izay tsy mitsahatra manamaina ny lanjan’izany sy ny tanjon’izany. Manana asa atao be tokoa isika amin’ny fampianarana ny zanatsika “hivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ ny Tompo” (F&F 68:28). Ny andraikitsika dia tsy mifankaiza loatra amin’ny fanampiana ny zanatsika hiaina ny fiovam-po mahery vaika na fiovam-po ao amin’ny Tompo izay voalaza mazava tsara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Môsià 5:1–12; Almà 26). Azon’ireo kôlejy ao amin’ny fisoronana, miaraka amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ampiana ireo ray aman-dreny sy ny fanambadiana ary ireo kôlejy hanolotra ireo fitahian’ny fisoronana ho an’ireo fianakaviana tarihin’ny reny tokan-tena.

Eny ry rahalahy, manana asa ho atao isika. Misaotra noho ireo fahafoizan-tena sy zava-tsoa izay ataonareo. Tohizo hatrany izany ary ny Tompo hanampy anareo. Mety hisy fotoana tsy dia hainareo loatra izay ho atao na ho lazaina—fa tohizo fotsiny izany. Atombohy ny asa ary ny Tompo no hampisy “varavarana mahomby … hovohana ho [anareo]” (F&F 118:3). Atombohy ny firesahana dia mampanantena Izy fa “tsy hangaihay eo anoloan’ ny olona ianareo; Fa homena anareo amin’ izany ora izany indrindra, eny, amin’ izany fotoana izany indrindra izay holazainareo” (F&F 100:5–6). Amin’ny endrika maro dia mitombina ny hoe olon-tsotra sy tsy tanteraka isika, kanefa manana ilay Mpampianatra tonga lafatra isika izay nanao ny Sorompanavotana lavorary, ary efa niandrandra ny Fahasoavany sy ny Fisoronany isika. Raha mibebaka sy manadio ny fanahintsika isika dia nampanantenaina fa ho ampianarina sy omena hery avy any an-danitra (jereo ny F&F 43:16).

Mikatsaka ireo lehilahy, lehilahy izay mampivoatra ny fahaiza-manaony sy ny talentany, lehilahy izay vonona ny hiasa sy hanolotra fahafoizan-tena, hanampy ny hafa hahazo fahasambarana sy famonjena ny Fiangonana sy izao tontolo izao ary ny vehivavy. Miantso izy ireo hoe: “Rise up, O men of God!”10 (Mitsangana ry Lehilahin’Andriamanitra) Manampy antsika hanao izany Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1. Kay S. Hymowitz, Manning Up: How the Rise of Women Has Turned Men into Boys (2011), 16.

  2.  

    2. “Rehefa manontany ny tanora ianao ankehitriny amin’ny zavatra hahatonga azy ireo ho olon-dehibe dia saika tsy misy milaza momba ny fanambadiana izy ireo. Betsaka lavitra izy ireo no zavatra misy ifandraisany amin’ny asa ny tonga ao an-tsainy—fahavitana fianarana, fahaleovan-tena ara-bola, asa amin’ny fotoana feno—ho marika fa nahita fahombiazana izy ireo. Asa, lalankasa fivelomana, fizakan-tena: ireo no zavatra voalohany maha-olona ankehitriny” (Hymowitz, Manning Up, 45). Mihamahery vaika ny fanerana ireo vehivavy hanaiky izany foto-pisainana manohitra ny fanambadiana izany. Nanoratra ny mpanao famakafakana ao amin’ny Times of London hoe: “Tsy nisy olona, na tao amin’ny fianakaviako na ny mpampianatro, izay nilaza hoe: ‘Eny e! Mety ho te-ho tonga vady na reny koa ianareo etsy ankilan’izany.’ Tapa-kevitra tokoa izy ny amin’ny tokony hanarahantsika fomba iray vaovao, mira lenta, sy maoderina hany ka ilay tanjona manan-tantaran’ireo vehivavy nandritra ny taranaka maro nifandimby—ny hanambady sy hananjakana—dia niniana nesorina tsy ho eo amin’ny vinavinan’ny hoavinay” (Eleanor Mills, “Learning to Be Left on the Shelf,” Sunday Times, Apr. 18, 2010, www.thetimes.co.uk; in Hymowitz, Manning Up, 72). Nisy mpanoratra iray eo amin’ny faha-40 taonany namaky ireo valinteny sasantsasany ho an’ny lahatsoratra iray nosoratany izay mikasika ny fanenenany noho ny tsy nanambadiany: “Tena manafintohina ahy ny fianteheranao amin’ny filana ny lehilahy,” “Mba manana hambo!” “Hampidininao amin’ny toerana tsy dia manan-danja ny fifandraisana samy mifampiankindoha,” ary hoe “Raha tonga toa anao ny zanako vavy ka mila lehilahy tahaka ny filanao izany dia ho fantatro fa tsy nahay nitaiza azy aho” (Lori Gottlieb, Marry Him: The Case for Settling for Mr. Good Enough [2010], 55).Ny vaovao tsara dia maro ireo olona, isan’izany ireo tanora manambady sy tsy mbola manambady manam-pahalalana, no tsy mino ny hafatra manohitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana. “Araka ny fandalinana nataon’ny mpahay toe-karena iray ao amin’ny Oniversite an’i Pennsylvanie, eto Etazonia tamin’ny 2008, dia 86 isan-jaton’ireo vehivavy fotsy fihodirana nandia fianarana ambaratonga ambony no manambady rehefa feno 40 taona, raha toa ka 88 isan-jato ho an’ireo manana mari-pahaizana ambany kokoa noho izay. Mitovitovy amin’izany koa ny isan-jaton’ireo lehilahy fotsy fihodirana nandia fianarana ambony: 84 isan-jato amin’izy ireo dia manambady eo amin’ny faha-40 taonany tamin’ny 2008. Ny foto-kevitra iaraha-manaiky, izay tsy avy amin’ny fanadihadiana, etsy ankilany dia maneho fa tsy mahatsara ny vehivavy ny fanambadiana. Kanefa toa tsy mino loatra izany ireo vehivavy fotsy fihodirana nandia fianarana ambony. Mitovy amin’ireo vondrona hafa izy ireo izay mino fa ‘faly kokoa mihoatra ireo olona tsy manambady ny olona manambady.’ … Ny ampahany maro an’isa—70 isan-jato—an’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany eny amin’ny oniversite dia mieritreritra fa ‘zava-dehibe’ na ‘tena manan-danja’ ho an’ny hoavin’izy ireo ny fananganana fianakaviana” (Hymowitz, Manning Up, 173–74).

  3.  

    3. Philip G. Zimbardo and Nikita Duncan, The Demise of Guys: Why Boys Are Struggling and What We Can Do about It (2012), e-book; jereo ny toko “Behind the Headlines.”

  4.  

    4. Barbara Dafoe Whitehead, Why There Are No Good Men Left: The Romantic Plight of the New Single Woman (2003), 67.

  5.  

    5. Amanda Dickson, “‘Hunger Games’ Main Character a Heroine for Our Day,” Deseret News, 2 Apr. 2012, www.deseretnews.com.

  6.  

    6. Gordon B. Hinckley, “Welfare Responsibilities of the Priesthood Quorums,” Ensign, Nôv. 1977, 86.

  7.  

    7.  Helping Others to Help Themselves: The Story of the Mormon Church Welfare Program (1945), 4.

  8.  

    8. Richard C. Edgley, “Antso ho Anao Ity,” Liahona, Mey 2009, 54.

  9.  

    9.  Enseignement des Présidents de l’Église: Harold B. Lee (2000), 134.

  10.  

    10. “Rise Up, O Men of God,” Hymns, no. 323.