2010–2019
Tanterahina amin’ny Finoana ny Zava-drehetra
Oktobra 2012


Tanterahina amin’ny Finoana ny Zava-drehetra

Ny finoana dia hanampy antsika hihanika soa aman-tsara ilay lalan’ny filazantsara sy handresy ireo olana rehetra eto amin’ny fiainana an-tany ary hanampy antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra feno voninahitra.

Vao tsy ela akory izay no nihanihan’ny ankamaroanay tao amin’ny fianakaviana Nash teny an-tampon’i Huayna Picchu, izay tampon-tendrombohitra lehibe eo akaikin’ny zavatra sisa tavela tamin’ny lasan’ireo Incan fahiny any Machu Picchu any amin’ireo tendrombohitr’i Pérou. Tena nideza ny lalana nihanihana sady nahatazanan-javatra nampitolagaga ary nisy lalana nitsotsorika tampoka koa. Ny nampalahelo dia nisy mpihanika sasantsasany namoy ny ainy noho ny fianjerana teny amin’izany lalana ety sy mideza izany. Mba hisorohana ny zava-doza toy izany dia nasiana randrantady vy naraikitra amin’ilay vatolampy mafy ka manaraka ny lafiny ilan’ny tendrombohitr’i Huayna Picchu. Nihazona izany randrantady vy izany izahay rehefa nihanika ary nanome fahafahana anay ho tonga teny amin’ny tampony ka nahatalanjona ny zavatra tazana avy teny!

Mideza sy sarotra ihanihana toy ny lalana nankeny Huayna Picchu ny diantsika eto an-tany, izay mitaky ny fanampian’ny Raintsika any an-danitra mba hamitana azy. Noho izany antony izany dia nametraka fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara Izy mba hitondra antsika any amin’ny Mpamonjy sy hahazoantsika ilay heriny mitondra famonjena.1 Ny voalohany amin’ireo fitsipika ireo, ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo,2 dia toy ireo randrantady vy teny amin’i Huayna Picchu: Raha toa ka mafy orina sy mifatotra tsara amin’ny “vatolampin’ilay Mpanavotra” antsika3 ny finoana, dia hanampy antsika hihanika soa aman-tsara ilay lalan’ny filazantsara izany sy handresy ireo olana rehetra eto amin’ny fiainana an-tany4 ary hanampy antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra feno voninahitra. Tanterahina amin’ny Finoana ny Zava-drehetra.5

Fitsipika sady mifono asa no mifono hery ny finoana.6 “Tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra [izany]; noho izany, raha manam-pinoana [isika], dia manatanteraka ny zavatra izay tsy hitan[tsika] kanefa marina.”7 Fahatokiana8 azo avy amin’ny fandalinantsika izay mitondra antsika hanao asa9 mba hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izany ary hitandrina ombam-bavaka ny didiny na dia mandritra ny fotoana mitaky fahafoizan-tena sy fotoam-pisedrana aza.10 Mitondra ny herin’ny Tompo eo amintsika ny finoana izay—raha ankoatra ny zavatra hafa rehetra—dia miseho amin’ny alalan’ny fanantenana ny fahatongavan’ireo zavatra tsara11 amin’ny alalan’ireo fahagagana izay manamafy ny finoantsika12 ary amin’ny alalan’ny fiarovan’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo.13

Ny fiainan’i Ann Rowley, izay vehivavy iray mpisava lalana tany am-piandohan’ny Fiangonana dia mampiseho ny ahafahan’ny finoana hisy fiantraikany mandrakizay eo amin’ny fiainantsika. Nampihatra ny finoany ka namaly ilay antson’ny mpaminany mba hivondrona any Ziona Rahavavy Rowley izay vehivavy mananotena avy any Angletera. Anisan’ny olona tao anatin’ny vondron-tsaretin-dry Willie izay nifanehatra tamin’ireo vongan-dranomandry lehibe nangonin’ny rivotra teny an-dalana teny tamin’ny fotoam-pararanon’ny taona 1856 izy. Tonga teo amin’ny fotoana iray izy ireo tao anatin’ilay dia izay nahamatin’ny hanoanana tanteraka ny zanany fito. Nanoratra izy hoe: “Nankarary ny foko ny nahita ny zanako noana. … Nanakaiky ny alina ary tsy nisy sakafo hariva nohanina. Nangataka ny fanampian’Andriamanitra aho toy ny fanaoko mahazatra. Nandohalika nivavaka aho ary nahatsiaro ilay mofomamy roa mafy be tany an-dranomasina izay … sisa tsy lany nandritra ny dia teny an-dranomasina. Tsy lehibe izy ireo ary mafy be ka tsy azo notapahina intsony. Azo antoka fa tsy ho ampy hamahanana olona 8 izany, saingy tsy ampy namahanana olona 5.000 koa ireo mofo 5 sy trondro 2, nefa vitan’i Jesoa izany tamin’ny alalan’ny fahagagana. Noho izany dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahana izany miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra. Hitako ireo mofomamy ary nataoko tao anaty vilany mihiboka dia nasiako rano nandifotra azy ireo ary nangataka ny fitahian’Andriamanitra aho. Dia nosaronako ilay vilany ary napetrako teo ambonin’ny arin-tany. Rehefa nesoriko ilay sarom-bilany fotoana fohy taty aoriana dia hitako fa feno sakafo ilay vilany. Nandohalika niaraka tamin’ny fianakaviako aho ary nisaotra an’Andriamanitra noho ny hatsaram-panahiny. Nanana sakafo ampy azy tsara ny fianakaviako tamin’izay alina izay.”14

Niaina ny filazantsara tao anatin’ny fahafoizan-tena lehibe manokana i Ann Rowley. Nila fanampiana izy ka dia nangataka izany tao anatin’ny vavaka. Feno fanantenana izy noho ny finoany ary nahazo sakafo tamin’ny fomba mahagaga ho an’ireo zanany. Nomen’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga fahafahana araka an’Andriamanitra mba “haharitra am-pinoana koa izy.”15 Na dia teo aza ilay hoavy tsy fantatra dia tsy nanontany ny hahafantatra ny fomba hamahanany ny zanany ny ampitson’izany izy fa kosa “niandry tamim-paharetana an’i Jehovah”16 ary nandroso tamim-panantenana—toy ny ambaran’ilay hira mahafinaritra ao amin’ny fihirana hoe:

Tariho aho ry hazavana tsara fanahy ao anatin’izao haizina manodidina ahy izao; Tariho aho handroso!

Maizina ny alina ary lavitra ny fonenako aho ka tariho aho handroso!

Tariho ny tongotro fa tsy mangataka ny hahita ny hoavy aho

Ampy ho ahy ny mahita ny dingana manaraka horaisina.17

Afaka mampihatra finoana ny Tompo toy izany koa isika, ka mino sy matoky fa ilay Andriamanintsika tsara fanahy sy tsy miova18 dia hanome antsika ilay heriny mahagaga izay mifanaraka amin’ny toe-javatra iainantsika ary hanome izany amin’ny fotoana fantany fa mahamety azy. Rehefa manao izany isika dia hahita ny tanan’Andriamanitra manampy antsika ao anatin’ireo olantsika rehetra.

Nandidy antsika ny Tompo mba handray “ny ampingan’ny finoana, izay hahazoa[ntsika] mamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.”19 I Satana dia hampiasa zavatra toy ny ahiahy, na tahotra, na fahotana mba hakana fanahy antsika hanaisotra ilay finoana ary tsy hanana ny fiarovana omeny. Ndeha isika handinika fohifohy ireo fanambin’ny finoana tsirairay ireo mba hahafahantsika mamantatra ilay fakan’ny fahavalo fanahy ary tsy hihaino izany.20

Voalohany, hahatonga antsika hanohitra ny Fanahin’Andriamanitra ny tsy finoana ny Tompo sy ny filazantsarany.21 Ny vahaolan’ny Tompo mikasika ny ahiahy dia tsotra. Nanambara ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Minoa an’Andriamanitra; minoa fa misy Izy, ary Izy no nahary ny zava-drehetra, na any an-danitra na etỳ an-tany; minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra, na any an-danitra na ety an-tany; minoa fa ny olona dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra izay azon’ny Tompo takarina.”22

Raha toa ka hitanao fa mihozongozona ny finoanao noho ny tsy finoana na ahiahy, dia tsarovy fa na ireo Apôstôly fahiny aza nitalaho tamin’ny Tompo hoe mba “ampitomboy ny finoanay.”23 Diniho ity fanahafana manaraka ity miaraka amin’ny fahatsiarovana fa tena ilaina ny iarahan’ny finoana sy ny saina: toy ny elatra roan’ny fiaramanidina iray ny finoana sy ny saina. Samy ilaina izy ireo mba handrindrana ny sidina. Raha hitanao fa toa mifanohitra amin’ny finoana ny saina dia mijanonà kely aloha ary tsarovy fa ny fomba fijerintsika dia tena voafetra raha oharina amin’ny an’ny Tompo.24 Tsy tokony hailika ny finoana toy ny tsy tokony hanesorana ihany koa ny elatra iray eo amin’ny fiaramanidina mandritra ny sidina iray. Fa kolokoloy kosa ny ampahany kely iray avy amin’ny finoana ary avelao ilay fanantenana izay aterak’izany mba ho toy ny vatofantsiky ny fanahinao—sy ny sainao.25 Izany no antony handidiana antsika mba “hikatsaka ny fianarana … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”26 Tsarovy fa ny finoana dia mandeha mialohan’ny fahagagana ary miteraka fahagagana, izay tsy azontsika hazavaina amin’ny alalan’ny fahalalana izay azontsika amin’ny zavatra iainantsika, toy ny fanomezana vilany mihiboka feno sakafo avy amin’ireo mofomamy roa na faharetana fotsiny ao anatin’ny finoana na inona na inona mitranga.27

Faharoa, ny tahotra dia manembantsembana ny finoana ny Mpamonjy ary mamparefo izany. Ny Apôstôly Petera dia niantehitra tamin’ny Tompo ary nandeha tao anaty rano—saingy rehefa nanova ny fijeriny izy ary “nahita ny rivotra dia natahotra” ary nilentika tao anatin’ilay ranomasina mitrahotraho.28 Afaka nanohy nandeha izy raha tsy natahotra! Manasa antsika ny Tompo hoe: “banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra,”29toy izay hifantoka amin’ilay rivotra mifofofofo sy ireo onja eo amin’ny fiainantsika ary hatahotra azy ireo.

Fahatelo, ny fahotana dia mampihena ny fanatrehan’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika ary tsy hanana hery ara-panahy hifikirina sy hampiharana ny finoana isika rehefa tsy misy Fanahy Masina. Tena tsara ny fampiharana ny finoantsika mba tsy “[hikasika] ny fanomezana ny ratsy na ny zavatra tsy madio”30 ary mba “[hazoto hitandrina] ny didy rehetra, fandrao … ho levona ny finoanareo ary handresy anareo ny fahavalo.”31 Raha toa ka nanimba ny fiainanao ny fahotana ary nanaisotra teo aminao ny Fanahy, dia mitalaho aminao aho mba hampihatra “finoana ho amin’ny fibebahana,”32 ary hanadio sy hanasitrana ny fiainanao ny Mpamonjy.

Ry rahalahy sy rahavavy, hanatanteraka ny fampanantenany arakaraka ny finoantsika ny Tompo ary hiaraka hiasa amintsika mba handresy ny olana rehetra atrehintsika.33 Nanao izany ho an’i Ann Rowley izy ary nanao izany ho an’ireo olony manerana ny fireneny rehetra sy nandritra ny vanimpotoana rehetra ary tao anatin’ireo taranaka nifandimby. Noho izy “Andriamanitry ny fahagagana” ary “tsy miova,” dia hanome antsika tsirairay fanantenana sy fiarovana toy izany koa Izy arakaraka ny finoantsika Azy.34 Ilay finoana mafy orina ao amin’i Jesoa Kristy Tompo—toy ireo randrantady vy teny amin’ny lalan’i Huayna Picchu—dia hanohana anao sy ireo olon-tianao eo amin’ny vatolampin’ilay Mpanavotra antsika ary hanome ilay heriny manavotra izay tsy manam-paharoa.35

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Mamirapiratra mitovy amin’ny finoanareo ny hoavinareo.”36 Mijoro ho vavolombelona mikasika izany fahamarinana lehibe izany aho ary manasa antsika tsirairay mba handroso amim-pahavitrihana miaraka amin’ny finoana ny Tompo, “tsy miroa saina.”37 Fantatro fa velona ny Mpamonjy ary Izy no “tompony sy mpanefa ny finoan[tsika]”38 ary “mpamaly soa an’izay mazoto mitady azy.”39 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.