Tsapanareo Ve Izany Ankehitriny?

Nataon’ny Loholona Quentin L. Cook

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Mieritreritra ny sasany ato am-piangonana fa tsy afaka mamaly eny tsy am-pisalasalana an’ilay fanontanian’i Almà izy ireo. Tsy mahatsapa “fifaliana sy fanavotana [izy ireo] ankehitriny.”

Ry Filoha Monson, tia, sy manaja, ary manohana anao izahay! Manentana fanahy izany fanambarana manan-tantara sy manana ny lanjany momba ny asa fitoriana izany. Tsaroako ny fientanentanana nisy tamin’ny taona 1960 rehefa nahena ho 19 taona fa tsy 20 taona ny taonan’ireo zatovolahy manompo. Tonga tany amin’ny Misiôna Britanika aho teo amin’ny faha-20 taonako. Ny misiônera voalohany 19 taona teo amin’ny misiônanay dia ny Loholona Jeffrey R. Holland, izay fanampiana mahatalanjona tokoa. Efa hadiva hananika ny 20 taona izy. Avy eo dia maromaro ireo 19 taona tonga nandritra ny taona. Misiônera nankatò sy nahatoky izy ireo ary dia nandroso ny asa. Matoky aho fa hitombo kokoa ny vokatra voajinja ankehitriny rehefa manatanteraka ny didin’ny Mpamonjy hitory ny filazantsara ireo misiônera marin-toetra sy manolo-tena.

Araka ny hevitro dia voaomana tsara kokoa noho ireo taranaka teo aloha ianareo izay ao amin’ny taranaka vao misondrotra. Mahatalanjona ny fahalalanareo ny soratra masina. Na izany aza, ny fanamby atrehin’ny olona mitovy taona aminareo eo am-piomanana hanompo dia mitovy amin’ireo izay atrehin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Hitantsika rehetra fa tsy mitarika loatra amin’ny fiainana am-pahamarinana na zavatra ara-panahy ny kolontsaina iainana any amin’ny ankamaroan’izao tontolo izao. Nampitandrina ny olona sy nampianatra ny fibebahana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hatrany am-piandohan’ny tantara. Sahiran-tsaina mikasika ny tsy fahamarinana sy ny tsy fisian’ny fanoloran-tena i Almà Zanany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka dia niala tsy ho lohan’ny mpitsara izy, izay mpitarika ny vahoakan’i Nefia, ary nanangona ny herim-pony rehetra ho amin’ny antsony amin’ny maha-mpaminany azy.1

Milaza i Almà ao amin’ny iray amin’ireo andininy mifono hevitra lalina indrindra ao amin’ny soratra masina manao hoe: “Raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”2

Nanao tatitra ireo mpitondra manerana izao tontolo izao fa raha jerena amin’ny ankapobeny, dia tsy mbola natanjaka toy ny amin’izao fotoana izao ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo tanorantsika. Saingy ny ankabeazan’izy ireo dia miresaka olana roa foana: voalohany, dia ny fanamby avy amin’ny fitomboan’ny tsy fahamarinana eto amin’izao tontolo izao, ary faharoa, dia ny tsy firaharahiana sy ny tsy fisian’ny fanoloran-tenan’ny mpikambana sasany. Mikatsaka torohevitra mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikambana hanaraka ny Mpamonjy sy hahatratra fiovam-po lalina sy maharitra izy ireo.

Mbola manan-danja hatrany na dia aorian’ireo taonjato nifandimby aza ity fanontaniana ity izay manao hoe: “Tsapanareo ve izany ankehitriny?” Raha jerena ireo zavatra noraisintsika tao anatin’ity fotoampitantanana ity—ao anatin’izany ny Famerenana amin’ny Laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny firotsahan’ireo fanomezana ara-panahy, ary ireo fitahian’ny lanitra izay tsy azo hiadian-kevitra—dia tsy mbola nisy goavana toy izany ny fanamby natrehan’i Almà.

Nanoro hevitra ny Filoha George Albert Smith3 taoriana kelin’ny niantsoana an’i Ezra Taft Benson ho Apôstôly tamin’ny taona 1943, manao hoe: “Ny andraikitrao [… dia ny] … hampitandrina ny olona … amin’ny hatsaram-panahy araka izay azo atao fa ny fibebahana ihany no fanafody hanasitranana ireo aretina rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity.”4 Tao anatin’ny adin’ny Ady Lehibe II isika, tamin’ny fotoana nanaovana io fanambarana io.

Mihamitombo kokoa ny fahasimban’ny fitsipi-pitondrantena ankehitriny. Hoy ny mpanoratra fanta-daza iray, vao tsy ela akory izay, hoe: “Mahafantatra avokoa ny rehetra fa manimba ny kolontsaina, ary tsy misy na iza na iza manantena ny hiovan’izany.”5 Tsy roa aman-tany ny fanehoana an-tsary tsy an-kiato ny herisetra sy ny fahalotoam-pitondrantena ao anatin’ny hira, sy ny fialamboly, ary ny haino aman-jery hafa eo amin’ny kolontsaina iainantsika isan’andro. Nofaritan’ny teôlojiana Batista iray izay hajaina fatratra tamin’ny fomba mampivarahontsana izany, rehefa nilaza izy fa, “Tsy mahatohitra intsony ny faharatsiana ny hery fiarovana ara-panahin’ny sivilizasiôna iray manontolo.”6

Tsy mahagaga raha mieritreritra ny sasany ato am-piangonana fa tsy afaka mamaly eny tsy am-pisalasalana an’ilay fanontanian’i Almà izy ireo. Tsy mahatsapa “fifaliana sy fanavotana [izy ireo] ankehitriny.” Mahatsapa izy ireo fa ao anatin’ny fihenan’ny hery ara-panahy. Tezitra, sy maratra am-po, na diso fanantenana ny sasany. Raha mihatra aminao ireo famaritana ireo,7 dia zava-dehibe ny mandrefy hoe nahoana ianao no tsy afaka mahatsapa “fifaliana sy fanavotana ankehitriny.”

Tsy voatery ho nanao fahotana na fandikan-dalàna goavana ireo olona maro izay ao anatin’ny fihenan’ny hery ara-panahy sy ny tsy fananana fanoloran-tena, saingy tsy malina kosa izy ireo teo amin’ny safidy nataony. Tsy mitandrina ireo fanekempihavanana masina araka ny tokony ho izy ny sasany. Manao ho lohalaharana ireo zavatra tsy manan-danja ny sasany. Mamela ny fomba fijery ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ampahalemy ny fankatoavan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny sasany. Miroboka lalina an-tsitrapo amin’ireo fahalalana hita ao amin’ny Internet izay manao filaza tafahoatra, manitatra, ary amin’ny ankamaroany, dia mitahiry endrikendrika mikasika ireo mpitondra fahiny ato amin’ny Fiangonana ny sasany. Ary avy eo dia misintona hevi-diso avy amin’izany izay afaka manimba ny fijoroana ho vavolombelona izy ireo. Na iza na iza no nanao ireo safidy ireo, dia afaka mibebaka ary havaozina ara-panahy izy.

Ny firobohana lalina ao amin’ny soratra masina dia ilaina amin’ny fivokisana ara-panahy.8 Mitaona ny fanoloran-tena sy toy ny balsama manasitrana ny ratram-po, ny hatezerana, na ny fahadisoam-panantenana ny tenin’Andriamanitra.9 Rehefa mihena ny fanoloran-tenantsika na inona na inona no antony, dia tafiditra ao anatin’ny vahaolana amin’izany ny fibebahana.10 Mifandray ny fanoloran-tena sy ny fibebahana.

Nanoratra mikasika izany olana izany tamin’ny fomba hentitra i C. S. Lewis, ilay mpanoratra Kristianina feno fiezahana, sy tia mampihatra. Nanambara izy fa milaza amin’ny olona ny mba hibebahany sy mampanantena famelan-keloka ho azy ireo ny Maha-Kristianina; saingy tsy midika na inona na inona amin’izy ireo ny Maha-Kristianina mandrapahafantarany sy hahatsapany fa mila famelan-keloka izy ireo. Hoy izy hoe: “Hihaino ny mpitsabo ianao rehefa fantatrao fa marary ny tenanao.”11

Nanamafy i Joseph Mpaminany fa afaka mijanona ho tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa eo anelanelan’ny tsara sy ny ratsy ianao alohan’ny batisanao. Saingy “rehefa niditra tato amin’ny Fiangonana ianao dia nanaiky ny hanompo an’Andriamanitra. Rehefa nanao izany ianao, dia niala teo amin’ilay faritra tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa, ary tsy afaka [mandeha] miverin-dalana intsony.” Ny toroheviny dia ny tsy hahafoizantsika mihitsy ilay Mpampianatra.12

Namafisin’i Almà fa “ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra” amin’izay mibebaka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.13 Tamin’izay dia nametraka fanontaniana mazava tsara sy manan-danja izy toy ny hoe: Vonona ny hihaona amin’Andriamanitra ve isika? Mitandrina ny tenantsika tsy hanan-tsiny ve isika? Mila mandinika ireo fanontaniana ireo isika. Mahery vaika sy mandresy lahatra ny traikefa manokan’i Almà tamin’ny tsy fanarahany ilay rainy mahatoky ary avy eo dia tonga tamin’ny fahatakarana mampivarahontsana mikasika ny nilany mafy dia mafy ny famelan-keloka izy sy ny dikan’ny hoe mikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra.

Raha toa ka goavana sy mitaky ny fiheverana an-tsaina ny zavatra izay mampihena ny fanoloran-tena na inona izany na inona, dia fanamby roa lehibe no mateti-pitranga sy mibahan-toerana. Ny haratsiam-panahy, sy ny herisetra, ary ny fanararaotana samihafa ao an-tokantrano no voalohany. Ary ny faharoa dia ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ny fisainan-dratsy. Ireo matetika no mandeha mialoha sy fototr’ireo safidy ny tsy hanolo-tena tanteraka.

Tena zava-dehibe mihitsy ny fomba hitondrantsika ireo olona akaiky indrindra antsika. Ny herisetra, ny fanararaotana, sy ny tsy fahalalam-pomba, ary ny tsy fanajana ao an-tokantrano dia tsy azo ekena—tsy azo ekena eo amin’ny olon-dehibe, ary tsy azo ekena eo amin’ny taranaka vao misondrotra. Tsy nazoto tao am-piangonana ny raiko fa nalaza ho ohatra tsara kosa, indrindra teo amin’ny fomba fitondrany ny reniko. Matetika izy no niteny hoe: “Hotanan’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny ranomason’ireo vadiny izay nampilatsahan’izy ireo ny lehilahy.” Hamafisin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” izany hevitra izany, izay mivaky toy izao hoe: “[Ireo] izay mamono ny vadiny sy ny taranany … dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra indray andro any.”14 Tsy mahazo manararaotra olona hafa ara-batana, na ara-pihetseham-po, na amin’ny alalan’ny teny isika, na toy ny inona na taiza ny tontolo nanabeazana antsika, na nanararaotra antsika na tsia ireo ray aman-drenintsika.15

Izao no fotoana tena ilàna be indrindra ny fahalalam-pomba eo anivon’ny fiaraha-monina. Manomboka ao an-tokantranontsika ny fanorenana ny hatsaram-panahy sy ny fahalalam-pomba. Tsy mahagaga raha mihalatsa-danja ireo fombafomba tsara fanaon’ny olona vokatry ny faharavan’ny fianakaviana. Ny fianakaviana no fototra hiorenan’ny fitiavana sy fanolokoloana ny fiainana ara-panahy. Mampivelatra tontolo iray izay afaka mampiroborobo ny fitandremana ireo fitsipika ara-pinoana ny fianakaviana. Tena “tokantrano soa [tokoa] raha ao ny fitia.”16

Manimbazimba ireo fenitra napetraky ny Mpamonjy mba ho arahana ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ny fisainan-dratsy.17 Nampitandremana isika tany am-piandohan’ity fotoam-pitantanana ity fa ny fahalotoana ara-pitondrantena angamba no ho fanamby lehibe indrindra.18 Izany fitondrantena izany, raha tsy misy fibebahana, dia hiteraka fihenan’ny hery ara-panahy sy tsy fanoloran-tena. Matetika ny vata fahitalavitra sy ny Internet no mampita hafatra sy sary manimba. Vao tsy ela akory izay ny Filoha Dieter F. Uchtdorf sy ny tenako no nandeha tany amin’ny tanàna tany amin’ny kirihitr’alan’i Amazônia, ary nahita antennes paraboliques eny fa na dia tamin’ireo trano bongo kely tsotra indrindra aza. Nahafaly anay ny fisian’ny fampahalalana mahafinaritra tao amin’io toerana lavitra io. Niaiky ihany koa izahay fa tsy misy toerana eto an-tany azo eritreretina fa tsy afaka ho voakasik’ireo sary mitarika filan-dratsy, sy mamoafady, ary mampifoha ny filàna ara-nofo. Izany dia antony iray mahatonga ny pôrnôgrafia ho olana goavana amin’izao androntsika izao.

Vao haingana dia nifampiresaka tamin’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna 15 taona iray aho, izay nandraisako hevi-baobao. Nanampy ahy hahatakatra izy hoe tena mora tokoa ho an’ny tanora amin’izao fotoan’ny Internet izao ny hahita tsy nahy ireo sary maloto ary indrindra mamoafady. Nanamafy izy fa misy ihany farafahakeliny fahatsapana eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny fa ny fanaovana tsinontsinona ireo fitsipika ireo dia mety hisy vokany manimba be ny fahasalamana sy ny zava-mahasoa ny tena. Notanisainy ny fifohana sigara, sy ny fampiasana zava-maha-domelina, ary ny fisotroana toaka ataon’ny tanora. Saingy nomarihiny fa tsy misy fanoherana lehibe mifanaraka amin’izany na fampitandremana lehibe akory aza avy amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny mikasika ny pôrnôgrafia na ny fahalotoana ara-pitondrantena.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, marina ny fandinihana nataon’ity tovolahy ity. Inona no valiny? Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fitsipika ara-pivavahana ao an-trano ireo mpaminany sy apôstôly nandritra ny taona maro.19

Ry ray aman-dreny, tsy ampy intsony ankehitriny ny fandraisanareo anjara mavitrika amin’ireo fivoriana sy fandaharana ato am-piangonana, na dia ilaina aza izany, hanatanterahanareo ny andraikitra masina hampianatra ny zanakareo hiaina fiainana madio sy marina ary handeha amim-pahamarinana eo anatrehan’ny Tompo. Noho ilay fanambaran’ny Filoha Monson tamin’ity maraina ity dia tena ilaina tokoa ny manatanteraka izany amim-pahatokiana ao an-tokantrano izay toerana fialofana hanjakan’ny hatsaram-panahy, ny famelan-keloka, ny marina, ary ny fahamarinan-toetra. Tsy maintsy manana risi-po hanivana na hanara-maso ny fampiasana Internet, ny vata fahitalavitra, sy ny sary mihetsika, ary ny hira ireo ray aman-dreny. Tsy maintsy manana risi-po hiteny hoe tsia, ireo ray aman-dreny mba hiarovana ny marina, ary mizara fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Mila mahafantatra ireo zanakareo fa mino ny Mpamonjy ianareo, tia ny Rainareo izay any an-danitra, ary manohana ireo mpitondra ato amin’ny Fiangonana. Tsy maintsy miroborobo ao an-tokantranontsika ny fahamatorana ara-panahy. Manantena aho fa tsy hisy olona hiala eto amin’ity fihaonambe ity ka tsy hahatakatra fa eo anivon’ny fianakaviana no tsy maintsy hamahàna ireo olana ara-pitondrantena. Ny eveka, ireo mpitondra ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ny vondrona fanampiny dia mila manohana ny fianakaviana sy maka antoka fa tena ampianarina ireo fitsipika ara-panahy. Afaka manampy, indrindra fa ireo ankizy taizan’ny ray na reny monja ireo mpampianatra sy mpamangy isan-tokantrano.

Ilay zatovolahy voalazako teo dia nanontany tsy tamim-pisalasalana raha toa ka fantatr’ireo Apôstôly hoe rahoviana no tokony atomboka eo amin’ny fiainana ny fampianarana sy ny fiarovana amin’ny pôrnôgrafia sy ny fisainan-dratsy. Namafisiny fa tsy aloha loatra ny fanaovana izany any amin’ny toerana sasany eny fa na dia mialohan’ny hialan’ireo tanora ao amin’ny Kilonga aza.

Ireo tanora izay efa nijery sary mamoafady tany amin’ny fahazazany dia mihorohoro sao dia mety tsy ho afaka hanao ny asa fitoriana sy ireo fanekempihavanana masina intsony. Vokatr’izany, dia mety hihena be mihitsy ny finoan’izy ireo. Manome toky anareo aho ry tanora, fa araka izay nampianarin’i Almà, dia afaka ny ho mendrika ireo fitahian’ny lanitra rehetra ianareo amin’ny alalan’ny fibebahana.20 Izany no antony nanaovan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotany. Miresaha amin’ny ray aman-dreninareo na mpanoro hevitra iray atokisana ary resaho amin’ny evekanareo ilay olana.

Rehefa ny fahadiovam-pitondrantena no resahina, dia mino ireo olon-dehibe sasany fa ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny tetikasa lehibe iray miahy ny maha-olona na ny fanarahana fitsipika dia manafoana ny filana ny fanarahana ny fampianaran’ny Mpamonjy. Mihevitra izy ireo fa ny fahalotoana ara-pitondrantena dia “fahotana kely … [raha toa aho ka] … olona tsara fanahy sy tia miantra.”21 Hitondra fahadisoam-panantenana lehibe ho an’ny tenanao ny fisainana toy izany. Nampahafantatra ahy ny tanora sasany fa “efa lany manja” eo amin’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao ny miezaka amim-pahazotoana amin’ny zavatra maro, tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana hentitra mba hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipika tsara.22 Aza manaiky hianjera ao anatin’izany vela-pandrika izany.

Tamin’ny batisa dia nampanantena isika fa hitondra eo amintsika “ny anaran’i [Jesoa] Kristy, rehefa nananan[tsika ny] faharesen-dahatra hanompo Azy hatramin’ny farany.”23 Mitaky ezaka feno risi-po, sy fanoloran-tena, ary fahamarinan-toetra ny fanekempihavanana toy izany raha tiantsika ny hanohy hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ary mijanona ho miova fo tanteraka.

Hita taratra tamin’ny mpilalao Britanika iray teo amin’ny sehatra Ôlympika izay nanao fifaninanana nandritra ny lalao ôlympika tany Parisy, Frantsa ny taona 1924 ny ohatra ara-tantara izay mety ho ankafizin’ny rehetra mikasika ny fijanonana ho matanjaka sy tsy azo hozongozonina.

Zanaky ny misiônera Ekôsey iray izay nanompo tany Chine i Eric Liddell, sady lehilahy tena tia fivavahana. Niteraka fahatezerana teo amin’ireo mpitarika Britanika tao amin’ny lalao ôlympika izy tamin’ny fandavany hanao hazakazaka fanomanana mirefy 100 metatra amin’ny andro Alahady, eny fa na dia noterena mafy aza. Tamin’ny farany anefa dia nandresy izy tamin’ny fifaninanana hazakazaka 400 metatra. Tena mitaona fanahy tokoa ny ohatra nasehon’i Liddell tamin’ny nandavany tsy hihazakazaka amin’ny andro Alahady.

Ny sary sy tsangam-bato hanehoam-boninahitra azy dia maneho ny teny manentana fanahy avy ao amin’ny Isaia manao hoe: “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy nefa tsy ho reraka.”24

Ny ohatra mendri-piderana nasehon’i Liddell dia nanana hery fandresen-dahatra lehibe tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny zanakay faralahy tsy hanao fanatanjahan-tena amin’ny andro Alahady, ary manan-danja kokoa noho izany, dia ny hialany amin’ireo fitondran-tena tsy mendrika sy an’izao tontolo izao. Ilay tenin’i Isaia no nosoratany tao amin’ny boky firaketana ireo zavatra natao nandritra ny taona tao amin’ny sekoliny. Namela ohatra mahery tamin’ny finiavana sy fanoloran-tena amin’ny fitsipika i Eric Liddell.

Rehefa manaraka ny torohevitry ny Filoha Monson ireo tanorantsika amin’ny alalan’ny fiomanana hanompo hanao misiôna sy rehefa miaina ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy sy miomana hihaona amin’Andriamanitra isika rehetra,25 dia mandresy amin’ny hazakazaka manan-danja hafa.26 Hanana ny Fanahy Masina hitarika antsika amin’ny torohevitra ara-panahy isika. Ho an’ireo izay mbola manana olana eo amin’ny fiainany, dia tadidio fa tsy ho tara loatra na oviana na oviana ny hametrahany ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho fototra iorenan’ny finoantsika sy ny fiainantsika.27

Hoy ny tenin’i Isaia hoe: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.”28

Mivavaka amin’ny foko aho mba hanaovan’ny tsirairay avy amintsika ny asa ilaina mba hahatsapana ny Fanahy izao ankehitriny izao mba hahafahan tsika mikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra amin’ny fontsika manontolo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1. Jereo ny Almà 4:15–18.

  2.  

    2.  Almà 5:26.

  3.  

    3. Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i George Albert Smith tamin’izany, ary tsy Filohan’ny Fiangonana raha tsy tamin’ny 21 Mey, 1945. (Jereo ny Deseret News 2012 Church Almanac [2012], 98.)

  4.  

    4. George Albert Smith, ao amin’ny Sheri L. Dew, Ezra Taft Benson: A Biography (1987), 184.

  5.  

    5. Peggy Noonan, “The Dark Night Rises,” Wall Street Journal, 28–29, Jolay 2012, A17.

  6.  

    6. Dr. R. Albert Mohler Jr., filoha, Seminera Fianarana momba ny Fivavahana Batista ao amin’ny Faritra Atsimo, famelabelaran-kevitra natao tamin’ireo mpitondra ara-pivavahana, New York City, 5 Sept 2012.

  7.  

    7. Jereo ny 2 Nefia 2:27.

  8.  

    8. Jereo ny Jaona 5:39; Amôsa 8:11; jereo ihany koa ny James E. Faust, “A Personal Relationship with the Savior,” Ensign, Nôv. 1976, 58–59.

  9.  

    9. Jereo ny Almà 31:5.

  10.  

    10. Jereo ny Almà 36:23–26.

  11.  

    11. C. S. Lewis, Mere Christianity (1952), 31–32. Lehilahy nianatra Literatiora Anglisy tao amin’ny Oniversite an’i Oxford i Lewis, ary taorian’izay dia lasa mpitari-draharaha tamin’ny fianarana Teny Anglisy mikasika ny Moyen Age tao amin’ny Oniversite an’i Cambridge.

  12.  

    12. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 324; jereo ihany koa ny Apôkalypsy 3:15–16.

  13.  

    13.  Almà 5:33.

  14.  

    14. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  15.  

    15. Jereo ny Richard G. Scott, “Removing Barriers to Happiness,” Ensign, Mey 1998, 85–87. Ireo fombafomba ara-kolontsaina sasany tsy maintsy arahana dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ary afaka mampivily lalana antsika. Fony aho tany Pasifika Atsimo, dia nahafantatra lehilahy iray izay naman’ny fiangonana nandritra ny taona maro. Nilaza izy fa tohina lalina ny fony rehefa nampianatra nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana ny mpiatrika iray ao amin’ny Fiangonana nanao hoe: “Ireo tanana nampiasainao nikapohana ny zanakao teo aloha dia tokony ampiasaina hitahiana ny zanakao.” Nianatra tamin’ny misiônera izy, sy natao batisa, ary lasa mpitarika tsara.

  16.  

    16. “Fitia ao An-tokantrano,” Fihirana, lah. 88.

  17.  

    17. Jereo ny Almà 39.

  18.  

    18. Jereo ny Ezra Taft Benson, “Cleansing the Inner Vessel, Ensign, Mey 1986, 4.

  19.  

    19. Nampahafantatra ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” ny Filoha Gordon B. Hinckley nandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana ny Septambra 1995. Ny Filoha Thomas S. Monson no niahy ny fanovana ny fizarana voalohany ao amin’ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), “La famille et l’Église dans le plan de Dieu.”

  20.  

    20. Jereo ny Almà 13:27–30; 41:11–15.

  21.  

    21. Ross Douthat, Bad Religion: How We Became a Nation of Heretics (2012), 238; Jereo ihany koa ny Almà 39:5.

  22.  

    22. Aza avela hanelingelina ny finoanao ny kolontsaina izay feno herisetra sy fahalotoam-pitondrantena ary mitondra loza amin’ireo izay miaina ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy. Araka izay nosoratan’ny pôeta Wordsworth tamin’ny fomba voakaly hoe: “Fahano amin’ny eritreritra mendri-kaja [ny sainao], mba tsy ahafahan’ny lela mpiteny ratsy, sy ny fitsaratsarana tsy am-piheverana, ary ny fianjonanjonan’ny olona tia tena … hanjakazaka na oviana na oviana… na hanelingelina ny finoa [nao] sariaka” (“Lines Composed a Few Miles above Tintern Abbey,” ao amin’ny The Oxford Book of English Verse, ed. Christopher Ricks [1999], 346).

  23.  

    23.  Môrônia 6:3; nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny Môsià 18:13.

  24.  

    24.  Isaia 40:31; jereo ny Robert L. Backman, “Day of Delight,” New Era, Jiona 1993, 48–49.

  25.  

    25. Jereo ny Almà 34:32.

  26.  

    26. Jereo ny 1 Korintiana 9:24–27.

  27.  

    27. Jereo ny Helamàna 5:12. Hoy i Wendell Holmes hoe: “Hitako fa tsy dia izay zavatra hiainantsika amin’izao fotoana izao loatra no zava-dehibe eto amin’ity tontolo ity, raha mitaha amin’ny hoe handeha ho aiza isika. Mba hahatongavana any amin’ny seranan’ny lanitra, dia tsy maintsy mandeha miaraka amin’ny rivotra ary indraindray miady aminy isika,—saingy tsy maintsy mandeha isika, ary tsy manaiky ho entin’ny rivotra, na mijanona sy mametraka ny vatofantsika” (The Autocrat of the Breakfast-Table [1858], 105).

  28.  

    28.  Isaia 1:18.