2010–2019
“Tongava Aty Amiko Ianareo Ry Mpianakavin’i Isiraely”
Oktobra 2012


“Tongava Aty Amiko Ianareo Ry Mpianakavin’i Isiraely”

Ho lasa fitaovana hanatanterahana ireo fampanantenana lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika rehefa manatona an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ary manadio ny fontsika.

Nilatsaka an-tsitrapo hanao fanompoam-pirenena tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia aho nandritra ny ady tany Vietnam. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavako tany Quantico, Virginie mba handraisana fanofanana fototra dia indro aho nanao jery atrika teo anoloan’ny fandriako tao anatin’ny lakazerina niaraka tamin’ireo miaramila 54 voaray ho ao amin’ny Tafika An-dranomasina. Ny fotoana voalohany nihaonako tamin’ilay mpanofana ahy, izay miaramila menavazana zatra ady, dia tamin’izy nandaka ny varavaran’ilay lakazerina mba hanokafana izany, ary niditra izy sady nivazavaza nampiasa teny ratsy vary raraka.

Taorian’izany fampahafantarana nampitahotra izany, dia natombony avy tany amin’ny faritra ilany amin’ilay lakazerina ny fifanatrehana tamin’ireo miaramila izay voaray, niaraka tamin’ny fametrahana fanontaniana maromaro. Tsy nisy an-kanavaka fa dia nahitan’ilay mpanofana soa aman-tsara zavatra hanalana baraka ny tsirairay tamin’ireo miaramila voaray niaraka tamin’ny vazavaza sy fiteny mirefarefa amin’ny tany. Nasainy namaly mafy tao anatin’ny filaharana tao araka ny nandidiany azy ny miaramila tantsambo tsirairay hoe: “Eny” na “Tsia, ry Sergent Mpampianatra.” Tsy hitako tsara izay zavatra nataony satria nodidiana izahay hanao jery atrika ka mijery mahitsy eny aloha ny masonay. Rehefa tonga ny anjarako dia azoko lazaina fa naka ny kitapoko izy ary navoakany tao aoriako teo ambonin’ny kidoroko ny zavatra rehetra tao anatiny. Nosavainy ny entako ary dia niverina nanatrika ahy. Niomana tamin’ny vava izay ho ataony aho. Teny an-tanany ny Bokin’i Môrmônako. Efa niandry aho hoe hivazavaza amiko izy saingy nanatona ahy akaiky izy ary nibitsibitsika hoe: “Môrmôna angaha ianao?”

Nihiakiaka araka ny baiko aho hoe: “Eny ry Sergent Mpampianatra!”

Dia efa niandry zava-doza indray aho. Saingy, nijanona kely izy ary nampiakatra ilay tanany nitazona ilay Bokin’i Môrmônako, dia nilaza tamin’ny feo tena tony hoe: “Moa ve mino ity boky ity ianao?”

Nihiaka mafy indray aho hoe: “Eny ry Sergent Mpampianatra!”

Natoky aho tamin’izay fotoana izay fa hitabataba hamoaka teny manorisory mikasika ny Môrmôna sy ny Bokin’i Môrmôna izy, kanefa dia nijoro tamim-pahanginana teo fotsiny izy. Fotoana kely taorian’izay dia niverina teo amin’ny fandriako izy ary napetrany tsara ilay Bokin’i Môrmônako. Avy eo izy dia nandalo teo amiko fa tsy nijanona ary nanohy nanala baraka sy nanome alahelo an’ireo miaramila voaray rehetra ambiny tamin’ny fampiasana fiteny mirefarefa amin’ny tany.

Matetika aho no nanontany tena hoe nahoana no notsimbinin’io sergent tao amin’ny Tafika An-dranomasina io aho tamin’io andro io. Saingy feno fankasitrahana aho fa afaka niteny tsy am-pihambahambana hoe, “Eny, mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho” ary “Eny, fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.” Fanomezana sarobidy nomena ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany niaraka tamin’ny fanampian’ny misiônera roa sy mpanoro hevitra iray tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona.

Fony aho 14 taona, dia nisy misiônera roa, i Lee Pearson sy i Boyd Camphuysen, nampianatra ny fianakaviako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary natao batisa aho. Roa taona taty aoriana dia nampanaovan’ilay mpanoro hevitra tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona nisy ahy fanamby aho mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Nekeko ilay fanamby ary namaky pejy 10 farafahakeliny isaky ny alina aho mandrapahavitako izany.

Novakiako tao amin’ny pejin-dohateny fa “nosoratana ho an’ny Lamanita sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ary koa ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa” izany. Voalaza ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’i Jesoa Kristy” fa ny Lamanita no anisan’ “ireo razambe niavian’ny Indianina any Amerika.” Rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho dia toa mikasika ireo razambeko Indianina any Amerika izany no fahatsapako azy. Mitantara ny tantaran’ny vahoaka iray, izay taty aoriana nantsoina hoe Lamanita ny ampahany tamin’izany, izay niala avy tao Jerosalema ary nifindra ho any amin’ny “tany nampanantenaina” (1 Nefia 2:20) manodidina ny taona 600 talohan’i J.K. Tantaran’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny mponina fahiny nipetraka tany amin’ny faritra iray tany amin’ny kaontinanta Amerikana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny tantaran’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’izy ireo taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Misy andinin-tsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ahafahana milaza fa rehefa nandeha ny fotoana dia niparitaka nanerana ny kaontinanta Amerikana izy ireo ary tany amin’ireo nosy teo amin’ireo ranomasina nanakaiky teo (jereo ny Almà 63:9–10). Nilaza mialoha ny mpaminanin’izy ireo fa Jentilisa maro dia maro no ho avy eo amin’ilay tany nampanantenaina amin’ny farany ary hirotsaka amin’ny Lamanita ny hatezeran’Andriamanitra ka haparitaka sy hofaizina ary hanakaiky ny ho fongana izy ireo (jereo ny 1 Nefia 13:10–14).

Teraka tany amin’ny manodidina ny taona 1850 tany amin’ny toerana izay antsoina hoe Nebraska ankehitriny i Echo Hawk, rain’ny dadabeko izay Indianina Pawnee. Rehefa feno 19 taona izy dia noterena ny vahoaka Pawnee mba hamoy ny tanindrazany izay mirefy 9 tapitrisa hekitara mahery mba hipetrahan’ireo mpanjanaka. Nalefa nandeha an-jatony kilaometatra nankany atsimo hatrany amin’ny toerana kely iray voatokana tany amin’ny Faritanin’ny Indianina Oklahoma ny vahoaka Pawnee tamin’ny 1874. Raha 12.000 no isan’ny vahoaka Pawnee tany am-piaingana, dia nihena ho lasa latsaky ny 700 izy ireo rehefa tonga tany Oklahoma. Naparitaka sy nofaizina ary nanakaiky ny fandringanana ny Pawnee, toy ireo foko hafa.

Manana hafatra manokana ho an’ny taranaky ny Lamanita izay sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Bokin’i Môrmôna. Nambaran’i Nefia izany hafatra izany tamin’izy nandika ny fahitana azon’ny rainy mikasika izao andro farany izao: “Ary amin’izay andro izay ny sisa tavela amin’ny taranatsika dia hahalala fa anisan’ny mpianakavin’i Isiraely izy, ary izy dia vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo; ary amin’izay dia ho fantany sady ho tonga amin’ny fahalalana ny razany izy ary koa amin’ny fahalalana ny filazantsaran’ny Mpanavotra azy, izay nampianariny ny razany; koa ho tonga amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy izy sy amin’ny fahalalana ny antsipiriany marina amin’ny fotopampianarany ka hahafantarany ny fomba hanatonana Azy mba ho voavonjy.” (1 Nefia 15:14).

Rakitsoratra tena masina ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizay izany. Nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (Enseignement des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 64). Raha izany dia manana hafatra ho an’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao izany izy ity.

Nifantoka tamin’ny fampanantenan’i Môrônia ity aho fony tovolahy 17 taona izay vao sambany namaky ny Bokin’i Môrmôna: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.” (Môrônia 10:4).

Rehefa nandohalika aho hivavaka, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy mahery vaika fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Nanampy ahy nandamina ny fiainako izany fijoroana ho vavolombelona izany.

Manentana ny olona rehetra aho mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’i Jesoa Kristy.

Mangataka manokana an’ireo sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely aho, ireo taranaky ny olona avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na aiza na aiza misy anareo, mba hamaky sy hamerina hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Fantaro ireo fampanantenana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Araho ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Manaova fanekempihavanana amin’ny Tompo ary tandremo izany. Katsaho sy araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Hofaranako amin’ny alalan’ny teny nolazain’i Amalekia ny teniko, izay mpaminany iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Ary ankehitriny, ry rahalahy malalako, dia mba tiako ny hanatonanareo an’i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely ary handraisanareo amin’ny anjara famonjeny sy ny herin’ny fanavotany. Eny, manatòna Azy ary atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo, ary tohizo ny fifadianareo hanina sy ny fivavahanareo, ary mahareta hatramin’ny farany; ary raha velona koa ny Tompo dia hovonjena ianareo.” (Ômnia 1:26)

Ho lasa fitaovana hanatanterahana ireo fampanantenana lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika rehefa manatona an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ary manadio ny fontsika. Momba izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.