Eritrereto Ireo Fitahiana

Nataon’ny Filoha Thomas S. Monson


Mahafantatra ny zavatra ilaintsika ny Raintsika any an-danitra ary hanampy antsika izy rehefa mangataka fanampiana Aminy isika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ity fihaonambe ity dia manamarika ny faha-49 taona nitsingerenan’ny nanohana ahy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny 4 Ôktôbra 1963. Fotoana lava izany hoe sivy amby efapolo taona izany. Kanefa toa tena fohy ihany ny fotoana amin’ny lafiny maro hatramin’ilay nijoroako teto amin’ny polpitra ary nanaovako ny lahateniko voalohany indrindra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana.

Zavatra maro no niova hatramin’izay 4 Ôktôbra 1963 izay. Miaina ao anatin’ny fotoana miavaka eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao isika. Nahazo fitahiana tena maro isika. Kanefa sarotra indraindray ny mijery ireo olana sy fanomezana vahana ny fahotana manodidina antsika ka tsy ho lasa kivy. Nahita aho fa raha maka bahana kely isika sy mieritreritra an’ireo fitahiana eo amin’ny fiainantsika, ary ao anatin’izany ireo fitahiana izay toa kely sy matetika tsy tsikaritra dia hahita fifaliana bebe kokoa isika, toy izay tsy hanao afa-tsy ny hieritreritra ny lafy ratsin’ny fiainana.

Rehefa nanao tamberina an’izay 49 taona izay aho dia nahita zavatra vitsivitsy. Ny iray dia hoe, maro be ireo zavatra niainako izay tsy voatery hoe ho eritreretin’ny olona ho mahatalanjona. Matetika no toa tsy tsikaritra ary toy ny zavatra mahazatra mihitsy aza izy ireo raha ny marina rehefa nitranga. Kanefa rehefa averina jerena dia nampivelatra sy nitahy fiainan’olona izy ireo—ka tafiditra ao anatin’izany ny ahy. Manoro hevitra ny mba hanaovanareo izany koa aho—izany hoe, manao jery todika amin’ny antsipiriany ny fiainanao ianao ary mitady manokana an’ireo fitahiana, lehibe sy kely izay azonao.

Ny fanaovako jery todika manokana an’ireo taona maro ireo dia namerina nanamafy tsy tapaka ny fahalalako fa heno sy valiana ny vavaka ataontsika. Fantatsika tsara ilay fahamarinana hita ao amin’ny 2 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana.”1 Mijoro ho vavolombelona aho fa ny ankamaroan’izany fifaliana izany dia tonga rehefa miaiky isika fa afaka mifandray amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka ary ho heno sy ho valiana ireo vavaka ireo—angamba mety tsy hovaliana amin’ny fomba sy ny fotoana itiavantsika azy izany, saingy tsy maintsy ho valiana izany ary hovalian’ilay Ray any an-danitra izay mahafantatra sy tia antsika tanteraka ary maniry ny hahazoantsika fifaliana. Moa ve Izy tsy nampanantena antsika hoe: “Aoka ianao hanetry tena ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.”2

Mandritra ireo minitra vitsy manaraka nomena ahy mba handraisako fitenenana, dia te-hizara sombiny kely tamin’ireo zavatra niainako aho izay nahitana vavaka heno sy novaliana ary rehefa averina jerena dia nitondra fitahiana teo amin’ny fiainako ary teo amin’ny fiainan’ny hafa koa. Ilay diariko isan’andro izay nanoratako nandritra ireo taona maro ireo dia nanome ahy zavatra sasantsasany amin’ny antsipiriany, raha tsy izany dia tsy ho afaka ny hitantara izany mihitsy aho.

Tany am-piandohan’ny taona 1965 tany dia nasaina nanatrika fihaonamben’ny tsatòka vitsivitsy sy niandraikitra fivoriana hafa manerana ny faritra Atsimon’i Pasifika aho. Izay no fitsidihako voalohany tany amin’izany faritra teto amin’izao tontolo izao izany ary fotoana tsy hohadinoiko velively. Toe-javatra ara-panahy maro no niseho nandritra izany asa nampiandraiketana ahy izany rehefa nihaona tamin’ireo mpitarika sy mpikambana ary misiônera aho.

Ny Sabotsy sy Alahady, 20 sy 21 Febroary izay faran’ny herinandro, dia tany Brisbane, Australie izahay nanao ireo fivoriana nandritra ny fihaonamben’ny Tsatòkan’i Brisbane. Nandritra ireo fivoriana natao ny Sabotsy dia nampahafantarina ahy ny filohan’ny distrika avy amin’ny faritra iray nifanila eo ihany. Rehefa namihina ny tanany aho dia nahatsapa mafy fa mila miresaka aminy sy manome torohevitra azy, ka nanontany azy aho raha toa ka afaka miaraka amiko izy mandritra ny fivoriana Alahady maraina izay ny ampitson’izany mba hahafahana manatanteraka izany.

Nanana fahafahana niarahana niresaka izahay taorian’ny fivoriana Alahady. Niresaka mikasika ireo andraikiny maro amin’ny maha-filohan’ny distrika azy izahay. Rehefa nanao izany izahay dia nisy nanosika ahy hanome azy torohevitra manokana mikasika ny asa fitoriana sy ny fomba ahafahan’izy sy ny mpikambana ao aminy manampy ireo misiônera mandritra ny fotoana maharitra amin’ny asan’izy ireo eo amin’ny faritra misy azy. Nahafantatra aho taty aoriana fa efa nivavaka mba hahazo fitarihana momba izany zavatra izany io lehilahy io. Ho azy, ny fifampiresahanay dia vavolombelona manokana fa heno ny vavaka nataony ary voavaly. Fivoriana toa tsy dia niavaka loatra izany saingy miaiky aho fa fivoriana iray izay notarihan’ny Fanahy ary nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’izany filohan’ny distrika izany sy teo amin’ny fitantanan-draharahany ary teo amin’ny fiainan’ireo mpikambana tao aminy sy teo amin’ny fahombiazan’ireo misiônera tany.

Ry rahalahiko sy anabaviko, matetika ireo tanjon’ny Tompo dia tanteraka rehefa manaraka ny fitarihan’ny Fanahy isika. Mino aho fa rehefa mandray andraikitra bebe kokoa eo anatrehan’ny fanentanam-panahy sy ny fahatsapan-javatra tonga eo amintsika isika dia hanana fahatokiana bebe kokoa antsika ny Tompo mba hanatanteraka ny asany.

Nianatra aho, toy ny nolazaiko tany amin’ireo hafatro tany aloha, hoe aza atao velively ny manemotra ny fanarahana ny bitsika iray. Indray mandeha, taona maro lasa izay, nilomano tao amin’ny Trano Fanaovana Fanatanjahan-tena Deseret fahiny teto Salt Lake City aho ary nahatsapa fitaomana handeha ho any amin’ny Hopitalin’ny Oniversite mba hamangy namana akaiky iray izay tsy afaka nampiasa ny tongony ambany noho ny fivontosana iray sy ny fandidiana natao taorian’izany. Nivoaka teo no ho eo ihany tao amin’ilay dobo filomanosana aho, dia niakanjo ary vetivety dia teny an-dalana hijery izany lehilahy mahafinaritra izany.

Rehefa tonga tao amin’ny efitranony aho dia tsy nisy olona tao. Rehefa nanontany aho dia nahafantatra fa hahita azy any amin’ny faritry ny toerana filomanosana ao amin’ny hopitaly angamba, izay faritra nampiasaina ho an’ny fanaovana kinésitherapie. Tena izay tokoa no nitranga. Nentiny irery tany ny sezabeny misy kodiarana ary izy irery no nampiasa ilay efitrano. Teny amin’ny faritra ilan’ilay dobo filomanosana izy, teny akaikin’ny faritra faran’ny lalina. Nantsoiko izy ary nampanatoniny ny sezabeny misy kodiarana mba hiarahaba ahy. Nahafinaritra ny fifampiresahanay ary niaraka taminy niverina tany amin’ny efitranon’ny hopitaly aho, ka nomeko tsodrano izy tao.

Fantatro tamin’ny alalan’ny namako iray taty aoriana fa tena tratran’ny harerahan-tsaina amam-panahy mafy izy ka nieritreritra ny hamono tena. Nivavaka mba hahazo fahamaivanana izy saingy nanomboka nahatsapa fa tsy nisy valiny ireo vavaka nataony. Nandeha tany amin’ny dobo filomanosana izy niaraka tamin’ny eritreritra fa izay no fomba hanaperana ny fahoriany—amin’ny alalan’ny familiana ny sezabeny misy kodiarana any anatin’ny faritra tena lalin’ilay dobo filomanosana. Tonga tao anatin’ny fotoana iray saika nahitan-doza aho noho ny fandraisako andraikitra teo anatrehan’ilay zavatra fantatro fa fanentanam-panahy avy any ambony.

Afaka niaina nandritra ny taona maro fanampiny ilay namako—taona feno fifaliana sy fankasitrahana. Tena faly aho fa fitaovana teo am-pelatanan’ny Tompo tamin’izany andro iray saika nahitan-doza izany tao amin’ilay toeram-pilomanosana.

Tao anatin’ny fotoana iray hafa, raha nitondra fiara handeha hody iny izaho sy Rahavavy Monson rehefa avy namangy namana, dia nisy zavatra nanosika ahy mba handeha any an-tanan-dehibe—izay lalana an-kilaometatra maro—mba hamangy vehivavy mananotena efa lehibe iray izay efa nipetraka tao amin’ny faritry ny paroasinay. I Zella Thomas no anarany. Nipetraka tao amin’ny foibe fikarakarana ny olona antitra na olona marary izy tamin’izany fotoana izany. Hitanay ho tena marefo izy tamin’izany fiandohan’ny tolakandro izany, saingy nandry tamim-piadanana teo amin’ny fandriany.

Efa jamba nandritra ny fotoana ela i Zella, saingy tonga dia fantany ny feonay. Nanontaniany aho raha afaka manome tsodrano azy ary nampiany hoe efa vonona ny ho faty izy raha toa ka tian’ny Tompo hiverina hody any Aminy. Nisy fahatsapana fahatoniana sy fiadanana tao anatin’ilay efitrano ary fantatray rehetra fa ho fohy ny fotoana sisa hiainany eto an-tany. Noraisin’i Zella ny tanako ary nilaza izy fa nivavaka mafy mba hahatongavako hijery azy sy hanome tsodrano azy. Nolazaiko taminy fa tonga izahay noho ny fanentanam-panahy mivantana avy amin’ny Ray any an-danitra. Norohako teo amin’ny handrina izy noho ny fahafantarako fa mety tsy ho hitako intsony eto amin’ity fiainana ity izy. Izany tokoa no zava-nitranga satria maty ny ampitson’iny izy. Ny fahafahana nanome fampaherezana sy fiadanana ho an’i Zella namanay maha-te ho tia dia fitahiana ho ahy sy ho azy.

Tonga amin’ny fomba tsy ampoizina ny fahafahana ho fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona iray hafa. Indray Sabotsy alina tena namirifiry nandritra ny ririnin’ny taona 1983–84, dia nitondra fiara an-kilaometatra maro tany amin’ny lohasahan’ny tendrombohitra tany Midway, Utah izaho sy Rahavavy Monson, izay toerana nisy tranonay anankiray. Miiba 24 maripana Fahrenheit (–31°C) ny maripana tamin’izany alina izany, ary tianay ny haka antoka fa milamina ny zava-drehetra tao amin’io tranonay tany io. Nanao fizahana izahay ary hitanay fa tsy nisy ny olana ka dia lasa nandeha niverina tany Salt Lake City izahay. Vao nandeha kilaometra vitsivitsy teo amin’ny lalambe izahay dia nikatso ny fiaranay. Tsy afa-nihetsika tanteraka izahay. Nahalana angamba, raha nisy, ny nahatsapako nangatsiaka be toy ny tamin’izany alina izany.

Nanomboka nandeha an-tongotra tsy fidiny nankany amin’ilay tanàna faran’izay akaiky indrindra izahay ary nandeha mafy ireo fiara nandalo anay. Nisy fiara iray nijanona ihany tamin’ny farany ary nisy tovolahy nanampy anay. Hitanay ihany tamin’ny farany fa nivaingana noho ny hatsiaka ny gazoala tao anatin’ny fitoerany ka niteraka ny tsy nahafahanay namily ilay fiara izany. Nitondra anay niverina tany amin’ilay tranonay tany Midway io tovolahy tsara fanahy io. Nanao izay hanomezana vola azy noho ny zavatra nataony aho, saingy nanda tamin-katsaram-panahy izy. Nolazainy fa Tovolahy Skoto izy ary te-hanao asa fanompoana. Nampahafantariko azy ny tenako ary naneho fankasitrahana izy noho ny fahafahany nanampy. Noho ny fiheverako fa eo amin’ny taona tokony hanaovany asa fitoriana izy dia nanontany azy aho raha nanana drafitra ny handeha hanao asa fitoriana izy. Nolazainy fa tsy tena fantany loatra ny zavatra tiany hatao.

Ny Alatsinainy maraina taorian’izany dia nanoratra taratasy ho an’io tovolahy io aho ary nisaotra azy noho ny hatsaram-panahiny. Namporisika azy mba handeha hanao asa fitoriana mandritra ny fotoana maharitra aho tao anatin’ilay taratasy. Nampiarahako tamin’izany ny iray tamin’ireo bokiko ary nasiako marika ireo toko mikasika ny asa fitoriana.

Herinandro taty aoriana teo ho eo dia niantso tamin’ny telefaonina ny renin’io tovolahy io ary nilaza tamiko fa tovolahy manana ny maha-izy azy ny zanany lahy, saingy noho ireo zavatra sasantsasany misaritsarika azy eo amin’ny fiainana dia nihena ilay faniriana hatry ny ela hanao asa fitoriana. Nolazainy fa nifady hanina sy nivavaka izy sy ny vadiny mba hiovan’ny fony. Nosoratan’izy ireo tao amin’ny taratasy hanoratana anaran’olona entina am-bavaka tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah ny anarany. Nanantena izy ireo fa na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia ho lasa tsara kokoa ny fony ary hiverina any amin’ilay faniriany hanao asa fitoriana sy hanompo ny Tompo amim-pahatokiana izy. Tian’ilay reny ho fantatro fa noraisiny ho toy ny valin’ireo vavaka natao ho azy ilay zava-niseho nandritra izany alina nangatsiaka izany. Niteny aho hoe: “Miombon-kevitra aminao aho.”

Taorian’ny volana maromaro sy fifandraisana imbetsaka tamin’izany tovolahy izany, dia diboky ny hafaliana izaho sy Rahavavy Monson rehefa nanatrika ny fanaovam-beloman’ny misiônera izay natao ho azy talohan’ny nandehanany tany amin’ny Misionan’i Canada Vancouver.

Moa ve fifanojoan-javatra ny nihaonanay tamin’ilay alina irain’ny volana Desambra izay nangatsiaka iny? Tsy mino izany aho na dia iray minitra aza. Fa mino kosa aho fa valin’ny vavaka tamin-kitsimpo nataon’ny ray sy reny iray ho an’ilay zanany tiany ilay fihaonanay.

Averina indray ry rahalahiko sy anabaviko fa mahafantatra ny zavatra ilaintsika ny Raintsika any an-danitra ary hanampy antsika izy rehefa mangataka fanampiana Aminy isika. Mino aho fa tsy misy izany hoe kely loatra na tsy manan-danja ny olana ananantsika. Ao anatin’ny antsipiriany rehetra eo amin’ny fiainantsika ny Tompo.

Te-hamarana amin’ny alalan’ny fitantarako zavatra niseho iray vao haingana izay nisy fiantraikany tamin’ny olona an-jatony maro aho. Niseho nandritra ny fampisehoana ara-kolontsaina ho an’ny Tempolin’i Kansas City izany, vao dimy volana lasa izay. Toy ireo zavatra maro dia maro miseho eo amin’ny fiainantsika, dia toy ny zavatra iray hafa niseho tsotra fotsiny izy ity ary nilamina ho azy ny zava-drehetra. Kanefa raha ny fahafantarako ireo toe-javatra niseho nifandray tamin’izany fampisehoana ara-kolontsaina izany izay natao ny hariva talohan’ny fitokanana ny tempoly, dia tsapako fa tsy toy ny mahazatra ny fampisehoana tamin’izany alina izany. Niavaka mihitsy aza izany.

Toy ny miseho amin’ireo fampisehoana ara-kolontsaina mifandray amin’ny fitokanana tempoly, dia nanao famerenana ny fampisehoana tao anatin’ny vondrona misaratsaraka tany amin’ny faritra nisy azy ireo manokana ireo zatovo tany amin’ny Distrikan’i Tempolin’i Kansas City Missouri. Ny lamina natao dia hoe hihaona daholo ao amin’ilay tranom-panjakana lehibe izay nofaina izy ireo ny Sabotsy marainan’ilay fampisehoana mba hahafahan’izy ireo mahafantatra hoe rahoviana sy aiza no tokony hiditra, aiza no tokony hijoroan’izy ireo, firy ny haben’ny elanelan’izy ireo amin’izay olona eo akaikin’izy ireo, ary ahoana no fomba ivoahana ny sehatra sy ny sisa—antsipirian-javatra izay tsy maintsy azon’izy ireo izany mandritra ny fanambaran’ireo tompon’andraikitra ireo seho samihafa mba hirindra sy ho matihanina ilay fampisehoana farany.

Saingy nisy olana iray lehibe tamin’izany andro izany. Niankina tamin’ireo fizarana izay efa noraisina sary sy feo mialoha ny fampisehoana iray manontolo ary ho aseho eo amin’ny fikandrantsary lehibe izay antsoina hoe Jumbotron. Ireo fizarana izay noraisina sary sy feo ireo dia tena zava-dehibe ho an’ilay fampisehoana iray manontolo. Tsy hoe mifandray daholo fotsiny izy ireo fa ny fizarana iray aseho amin’ny fahitalavitra dia mampahafantatra ny seho manaraka. Ilay horonantsary ahitana fizarana maro dia tena ilaina mba hahatonga ilay fampisehoana iray manontolo ho toy ny fampisehoana anankiray. Saingy tsy nandeha ilay Jumbotron.

Niasa mafy ireo teknisiana mba hamahana ilay olana ary niandry ireo tanora an-jatony, sady nihalany ny fotoana sarobidy tokony hanaovana famerenana. Nanomboka ho toy ny tsy nisy intsony ny azo natao mikasika ilay toe-javatra.

Nanazava taty aoriana i Susan Cooper, mpanoratra sy talen’ny fampisehoana hoe: “Rehefa niroso nampiasa ny drafitra A nankany amin’ny B ka hatrany amin’ny Z izahay dia nahafantatra fa tsy nisy nety izany. … Rehefa nijery ny fandaharam-potoana izahay dia fantatray fa tsy ho afaka ny hanao izany intsony, saingy fantatray fa nanana ny iray amin’ireo hery lehibe indrindra izahay tao amin’ilay toerana tao ambany—zatovo 3.000. Nila nidina tany izahay ary nilaza tamin’[izy ireo] ny zava-nitranga sy nampiasa ny finoany.”3

Adiny iray monja talohan’ny nanombohan’ny mpijery hiditra ilay tranobe dia nandohalika sy niara-nivavaka ireo zatovo 3.000. Nivavaka izy ireo mba ho entanin’ny fanahy hahafantatra ny fomba hampandehanana ilay Jumbotron ireo olona izay manamboatra izany. Nangataka ny Rainy any an-danitra izy ireo mba hamita izay zavatra tsy vitan’ny tenan’izy ireo noho ny hafohin’ny fotoana.

Hoy ny olona anankiray nanoratra mikasika an’izany taty aoriana hoe: “Vavaka tsy ho hadinoin’ny zatovo velively izany, tsy hoe noho ny hamafin’ny gorodona fa noho ny fahatsapana mahery vaika ny Fanahy.”4

Fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny iray tamin’ireo teknisiana nilaza tamin’izy ireo fa hita ilay olana ary efa namboarina. Nolazainy fa tsara vintana izy ireo fa hita ilay vahaolana, saingy nahafantatra zavatra bebe kokoa noho izany ireo zatovo.

Rehefa niditra ilay tranom-panjakana izahay tamin’izany hariva izany dia tsy nahafantatra velively mikasika ireo olana nitranga nandritra ilay andro. Efa taty aoriana izahay vao nahafantatra mikasika izany. Ny zavatra hitanay anefa dia fampisehoana nahafinaritra sy nirindra—iray amin’ireo tsara indrindra hitako. Hita taratra teny amin’ireo zatovo ilay fanahy lehibe sy mahery vaika izay tsapan’ireo rehetra nanatrika tao. Toa fantatr’izy ireo hoe aiza no miditra, aiza no mijoro ary ahoana no fomba fifandraisana amin’ireo mpandray anjara nanodidina azy ireo. Rehefa nahafantatra aho fa nafohezina ny famerenan’izy ireo ary maro tamin’ireo seho no tsy naverin’ilay vondrona iray manontolo dia variana aho. Tsy nisy olona afaka nahafantatra izany. Tena nameno ny banga tokoa ny Tompo.

Tsy mitsahatra velively ny mitolagaga amin’ny fomba ahafahan’ny Tompo mampivelatra sy mitantana ny lafiny rehetra ao amin’ny fanjakany aho, kanefa mbola manana fotoana ihany hanomezana fitaomam-panahy mikasika ny olona iray—na mikasika ny fampisehoana ara-kolontsaina iray na ny Jumbotron iray Izy. Fijoroana ho vavolombelona ho ahy ny fahitana fa afaka manao izany Izy ary manao izany Izy.

Ry rahalahiko sy anabaviko, ao anatin’ny fiainantsika ny Tompo. Tia antsika Izy. Te-hitahy antsika Izy. Tiany ny hikatsahantsika ny fanampiany. Rehefa mitarika sy mitantana antsika Izy sy rehefa mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika dia tena hahita ilay fifaliana izay iriany ho antsika isika. Enga anie isika ka hahafantatra an’ireo fitahiana nomeny teo amin’ny fiainantsika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  2 Nefia 2:25.

  2.  

    2.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10.

  3.  

    3. Susan Cooper, in Maurine Proctor, “Nothing’s Too Hard for the Lord: The Kansas City Cultural Celebration,” Meridian Magazine, 9 Mey 2012, ldsmag.com.

  4.  

    4. Proctor, Meridian Magazine, May 9, 2012.