Miova Fo ho an’ny Tompo

Nataon’ny Loholona David A. Bednar

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahafantarana fa marina ny filazantsara. Ny fiovam-po dia ny mijanona ho mahatoky hatrany amin’ny filazantsara.

Ny hafatra ampitaiko anio dia mifantoka amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy sy ny ahatongavana hiova fo ho Azy sy ho an’ny filazantsarany. Araka ny mahazatra, dia sarahantsika sy ataontsika tsy mifampiankina ny firesahantsika ny foto-kevitra hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny hoe fiovam-po. Na izany aza, dia afaka mahazo fomba fijery sarobidy sy faharesen-dahatra bebe kokoa ara-panahy isika rehefa dinihintsika miaraka ireo foto-kevitra manan-danja roa ireo.

Mivavaka aho mba hampianatra sy hanazava antsika tsirairay avy ara-panahy ny Fanahy Masina.

Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?

Afaka mianatra zavatra betsaka mikasika ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po isika avy amin’ny asa fanompoana nataon’ny Apôstôly Petera.

Rehefa nandeha tany amin’ny faritanin’ i Kaisaria-filipo i Jesoa, dia nametraka ity fanontaniana mampieritreritra ity tamin’ireo mpianany nanao hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?”

Namaly avy hatrany i Petera hoe:

“Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.

“Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 16:15–17).

Ny fijoroana ho vavolombelona dia fahalalana ho an’ny tena manokana momba ny fahamarinana ara-panahy azo avy amin’ny fanambarana, araka ny ohatra nasehon’ny valintenin’ i Petera sy ny fampianaran’ny Mpamonjy. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fijoroana ho vavolombelona ary natao ho an’ireo zanany rehetra. Na iza na iza mpikatsaka marina ny fahamarinana dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fampiharana “sombiny amin’ny finoana”an’ i Jesoa Kristy izay ilaina mba “ho fanandramana” (Almà 32:27) sy “hanandra[mana] ny herin’ny teny” (Almà 31:5), mba hanaiky “ny fitaoman’ny Fanahy Masina” (Môsià 3:19), ary mba hifoha ho an’ Andriamanitra (jereo ny Almà 5:7). Mampitombo ny fandraisana andraikitry ny tena manokana ny fijoroana ho vavolombelona ary loharanon’ny tanjona, sy ny fahatokian-tena, ary ny hafaliana.

Ny fikatsahana sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana ara-panahy dia mitaky fangatahana sy fikatsahana, ary fandondonana (jereo ny Matio 7:7; 3 Nefia 14:7) amin-kitsimpo, amin’ny tena finiavana, ary amin’ny finoana ny Mpamonjy (jereo ny Môrônia 10:4). Ireo zavatra fototra mandrafitra ny fijoroana vavolombelona dia ny fahafantarana fa velona ary tia antsika ny Ray any an-danitra, fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika, ary naverina amin’ny laoniny eto ambonin’ny tany amin’izao andro farany izao ny fahafenoan’ny filazantsara.

Rehefa Miova Fo Ianao

Rehefa nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy nandritra ilay Sakafo Hariva Farany, dia hoy izy tamin’ i Petera:

“Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokorokorohiny toy ny vary:

“Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao” (Lioka 22:31–32).

Mahaliana tokoa, fa ity Apôstôly mahery ity dia niresaka sy niaraka tamin’ny Mpampianatra, sy vavolombelona tamin’ny fahagagana maro, ary nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka mikasika ny maha Andriamanitra ny Mpamonjy. Kanefa na i Petera aza dia nila torolalana fanampiny avy amin’ i Jesoa mikasika ny hery manova fo sy manamasina ananan’ny Fanahy Masina ary ny andraikiny hanompo amim-pahatokiana.

Ny toetra fototry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia mitaky fiovana fototra sy maharitra amin’ny toetrantsika ifotony, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fiovam-po tena marina dia mitondra fiovana eo amin’ny finoanao, sy ny fonao, ary ny fiainanao mba hanekenao sy hankatoavanao ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:19; 3 Nefia 9:20) ary mitaky fanoloran-tena avy amin’ny fo mba ho tonga mpanara-dia an’ i Kristy.

Fampitomboana, sy fandalinana, ary fanitarana ny rafitra fototry ny fijoroana ho vavolombelona ny fiovam-po. Izany dia vokatry ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fibebahana, sy ny fankatoavana, ary ny fahazotoan’ny tsirairay. Afaka ny hiova fo amin’ny alalan’ny fiainana ny fiovam-po mahery vaika ary aterak’ Andriamanitra ara-panahy ireo rehetra mpikatsaka marina ny fahamarinana (jereo ny Almà 5:12–14). Rehefa manaja ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny famonjena sy ny fisandratana isika (jereo ny F&F 20:25), ka “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’ i Kristy” (2 Nefia 31:20), ary maharitra hatramin’ny farany amin’ny finoana (jereo ny F&F 14:7), dia lasa olom-baovao ao amin’ i Kristy (jereo ny 2 Korintiana 5:17). Fanaovana fanatitra ny tenantsika, ny fitiavantsika, ary ny fahatokiantsika ho an’ Andriamanitra ny fiovam-po ho fankasitrahana noho ny fanomezan’ny fijoroana ho vavolombelona.

Ohatra mikasika ny Fiovam-po ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna

Feno tantara manainga fanahy mikasika ny fiovam-po ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna. Nilaza i Amalekia, izay taranak’ i Jakôba, hoe: “mba tiako ny hanatonanareo an’ i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely ary handraisanareo anjara amin’ny famonjeny sy ny herin’ny fanavotany. Eny, manatòna Azy ary atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo manontolo” (Ômnia 1:26).

Manan-danja ary ilaina ny fahafantarana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy. Saingy mitaky mihoatra noho ny fahafantarana fotsiny ny fanatonana Azy marina tokoa sy ny fanolorana ho toy ny fanatitra ny fanahintsika manontolo. Mitaky ny fontsika, sy ny herintsika, ary ny saintsika sy ny tanjatsika rehetra ny fiovam-po (jereo ny F&F 4:2).

Namaly ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ireo olony tamin’ny fiarahana nihiaka hoe, “Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminay izahay; ary fantatray koa fa azo antoka sy marina ireny, noho ny amin’ny Fanahin’ ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môsià 5:2). Nitondra fiovam-po mahery vaika sy fanapahan-kevitra matotra hivoatra sy ho tonga tsaratsara kokoa ny fanekena ny teny nolazaina, sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany, ary ny fampiharana ny finoana an’ i Kristy.

Ireo Lamanita niova fo ao amin’ny bokin’ i Helamàna dia nofaritana ho toy ny “mby eo amin’ny lalan’ny adidiny, ary mandeha amim-pahamalinana tokoa eo anoloan’ Andriamanitra, sy miezaka ny hitandrina ny didiny sy ny satany ary ny fitsarany. …

“… Ary milofo izy miaraka amin’ny fahazotoana tsy mety sasatra mba hahazoany mitondra ny sisa tavela amin’ny rahalahiny ho amin’ny fahalalana ny marina” (Helamàna 15:5–6).

Araka izay namafisin’ireo ohatra ireo, dia ny fiainana fiovam-po mahery vaika ao am-pontsika, ny fahavononana hanao ny tsara mandrakariva, ny fanatanterahana ny adidy, ny fandehanana amim-pitandremana eo anatrehan’ Andriamanitra, sy ny fitandremana ny didy, ary ny fanompoana amim-pahazotoana tsy hitandroana hasasarana no toetoetra fototra mifandray amin’ny fiovam-po. Hita tokoa fa nanjary nanolo-tena lalina ho an’ny Tompo sy tamin’ny fampianarany ireo fanahy mahatoky ireo.

Lasa Niova Fo

Ho an’ny maro amintsika, ny fiovam-po dia dingana mitohy fa tsy zava-miseho amin’ny fotoana iray izay vokatry ny zavatra niainana mahery vaika na mampivarahontsana. Didy anampy didy ary fitsipika anampy fitsipika, mandeha tsikelikely ary mety tsy tsapa akory, ny fiovan’ny hery manosika antsika hanao zavatra, sy ny eritreritsika, sy ny tenintsika, ary ireo zavatra ataontsika ho lasa mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Mitaky fikirizana sy faharetana ny fiovam-po ho an’ny Tompo.

Nahita zavatra fototra dimy amin’ny fiovam-po ho an’ny Tompo i Samoela ilay Lamanita: (1) finoana ireo fampianarana sy faminanian’ireo mpaminany masina araka izay voasoratra ao amin’ny soratra masina, (2) fampiharana ny finoana an’ i Jesoa Kristy Tompo, (3) fibebahana, (4) fahatsapana fiovam-po mahery vaika, ary (5) lasa “miorina sy mifototra ao amin’ny finoana” (jereo ny Helamàna 15:7–8). Izany no maodely arahina izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po.

Fijoroana ho Vavolombelona sy Fiovam-po

Ny fijoroana ho vavolombelona dia fiantombohana sy zavatra tena ilaina amin’ny fiovam-po maharitra. Toerana iray iaingana ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy tanjona farany hahatongavana. Fototra hiorenan’ny fiovam-po ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka.

Tsy ampy ary tsy ho ampy hiaro antsika amin’ny rivo-maherin’ny haizina sy ny faharatsiana amin’izao andro farany hiainantsika izao raha ny fijoroana ho vavolombelona fotsiny ihany. Zava-dehibe ary ilaina ny fijoroana ho vavolombelona saingy tsy ampy hahazoana ny hery ara-panahy sy ny fiarovana ilaintsika. Nihozongozona ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany nanana fijoroana ho vavolombelona ary dia nihemotra. Tsy nifandanja tamin’ireo zava-tsarotra natrehin’ izy ireo ny fahalalana ara-panahy nananany sy ny fanoloran-tenany.

Mazava ny lesona iray mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po nandritra ny asa fitoriana nataon’ireo zanakalahin’ i Môsià.

“Izay rehetra voatarika ho amin’ny fahalalana ny marina, tamin’ny alalan’ny fitorian’ i Amôna sy ny rahalahiny, araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana ary ny herin’ Andriamanitra, izay nanao fahagagana tao amin’izy ireo—eny, …, raha velona koa ny Tompo, rehefa mety ho Lamanita ka nino ny fitoriany, sy niova fo ho an’ny Tompo, dia tsy nihemotra na oviana na oviana.

“Fa tonga vahoaka marina izy; napetrany ny fiadian’ny fikomiany ka tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy. …

“Ankehitriny, dia ireto no niova fo ho an’ny Tompo” (Almà 23:6–8).

Zavatra roa lehibe no faritana ao amin’ ireo andininy ireo: (1) ny fahalalana ny marina, izay azo adika hoe fijoroana ho vavolombelona, ary (2) miova fo ho an’ny Tompo, izay araka ny fahatakarako azy, dia fiovam-po ho an’ny Tompo sy amin’ny filazantsarany. Araka izany, ilay fiarahana mahery vaika nisy teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po ho an’ny Tompo no naha mafy orina sy nampifahatra tsara ary nitondra fiarovana ara-panahy.

Tsy nihemotra mihitsy izy ireo ary napetrany “ny fiadian’ny fikomiany, ary tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy ireo.” Mitaky bebe kokoa mihoatra ny finoana sy ny fahalalana fotsiny ny fametrahana ireo “fiadian’ny fikomiana” izay ankamamiantsika, toy ny fitiavan-tena, ny avonavona, ary ny tsy fankatoavana. Ny fananana finoana matanjaka, ny fanetren-tena, ny fibebahana, ary ny fankatoavana dia mandeha alohan’ny fametrahantsika ny fiadian’ny fikomiantsika. Moa ve izaho sy ianao mbola manana fiadian’ny fikomiana izay manakana antsika tsy hiova fo ho an’ny Tompo? Raha izany, dia mila mibebaka isika izao ankehitriny izao.

Tadidio fa tsy niova fo ho an’ ireo misionera nampianatra azy ireo ny Lamanita na tamin’ny fandaharana tsara dia tsara ao am-piangonana. Tsy niova fo noho ny lazan’ ireo mpitarika azy izy ireo na mba hiarovana kolon-tsaina nentim-paharazana na ny fomban’ireo razany. Fa niova fo ho an’ny Tompo—ho Azy ilay Mpamonjy sy ho an’ny maha-Andriamanitra Azy ary ho amin’ny fotopampianarany—ary tsy nihemotra na oviana na oviana.

Fahalalana ny fahamarinana ara-panahy azo avy amin’ny herin’ ny Fanahy Masina ny fijoroana ho vavolombelona. Ny fiovam-po maharitra dia fanoloran-tena tsy miovaova amin’ny fahamarinana nampahafantarina izay noraisintsika—tamin’ny fo feno fahavononana sy noho ny antony tsara. Ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahafantarana fa marina ny filazantsara. Ny fiovam-po dia ny mijanona ho mahatoky hatrany amin’ny filazantsara. Isika dia tokony ahafantatra fa marina ny filazantsara ary hijanona ho mahatoky amin’ny filazantsara ihany koa.

Fijoroana ho vavolombelona, sy Fiovam-po, ary ny Fanoharana ny amin’ireo Virijiny Folo

Ankehitriny dia tiako ny ampiasa ny iray amin’ ireo fanazavana ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny virijiny folo mba hanamafisana ny fifandraisana misy eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po. Nandray ny fanalany ireo virijiny folo, izay nahitana dimy hendry sy dimy adala, ary nandeha mba hitsena ny mpampakatra. Raiso ho toy ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona ireo fanala nampiasain’ ireo virijiny. Nitondra ny fanalan’ny fijoroany ho vavolombelona ireo virijiny adala saingy tsy nitondra solika. Raiso ho toy ny soliky ny fiovam-po ilay solika.

“Ary ny hendry kosa nitondra solik[y ny fiovam-po] tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanala[n’ ny fijoroany ho vavolombelona].

“Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.

“Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indry ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

“Dia nitsangana ireo virijiny rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanala[n’ ny fijoroany ho vavolombelona].

“Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: mba omeo kely amin’ny solikareo [izay ny soliky ny fiovam-po]; izahay; fa ny fanala[n’ny fijoroany ho vavolombelona dia mitsilopilopy ary]efa ho faty.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: sao tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo” (Matio 25:4–9).

Moa ve tia tena sy tsy te-hizara ireo virijiny dimy hendry, sa nanoro mazava tsara izy ireo fa tsy azo indramina ny soliky ny fiovam-po? Azo omena olona hafa ve ny hery ara-panahy izay azo avy amin’ny fankatoavana hatrany ireo didy? Azo atolotra ny olona iray izay mila izany ve ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana sy fisaintsainana lalina amim-pahazotoana ny soratra masina? Azo afindra amin’ny olona iray miatrika zava-tsarotra sy fanamby ve ny fiadanam-po entin’ny filazantsara ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray mahatoky? Tsia no valiny mazava ho an’ny tsirairay amin’ ireo fanontaniana ireo.

Araka ny namafisin’ireo virijiny hendry ireo, dia mila “mividy ho an’ny tenantsika” ny tsirairay avy amintsika. Tsy niresaka fifanaovan-draharaha ara-barotra ireo vehivavy nentanim-panahy ireo; fa nanindry kosa ny andraikitsika tsirairay avy mba hanao izay hampirehitra foana ny fanalan’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ahazo famatsiana ampy amin’ny soliky ny fiovam-po. Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity—“andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy tsy an-kijanona. Tsy misy fomba tsotsotra tsy mitaky ezaka; tsy misy fiomanana maimaika azo atao amin’ny fotoana farany.

“Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ny fiavian’ny Mpampakatra” (F&F 33:17).

Fijoroana ho Vavolombelona

Mampanantena aho fa rehefa mahalala ny fahamarinana isika ary miova fo ho an’ny Tompo, dia hitoetra ho mafy orina sy hifahatra tsara ary tsy hihemotra na oviana na oviana. Tsy ho andrintsika izay hametrahantsika ireo fiadian’ny fikomiantsika. Hotahiana amin’ny hazavana bebe kokoa avy amin’ny fanalan’ny fijoroantsika ho vavolombelona isika ary hahazo vatsy ampy amin’ny soliky ny fiovam-po. Ary rehefa miha-feno kokoa ny fiovam-pontsika tsirairay avy, dia hampatanjaka ny fianakaviantsika sy ireo namantsika ary ireo olona hifaneraserantsika isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’ i Jesoa Kristy Tompo, amena.