Mijere aloha, ary avy eo dia manompoa

Nataon’i Linda K. Burton

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany


Miaraka amin’ny fampiharana, dia afaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika rehefa manompo ny zanak’Andriamanitra isika.

Ny iray amin’ireo porofo lehibe ananantsika fa ny mpaminany mamintsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia mpanompo voafidin’ny Tompo, dia ny nianarany nanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy—izay ny fanompoana ny isam-batan’olona, ny tsirairay avy. Isika izay nirotsaka tao amin’ny ranon’ny batisa dia nanao fanekempihavanana ny hanao toy izany koa. Isika dia nanao fanekempihavanana ny “hahatsiaro [ny Mpamonjy] mandrakariva ary hitandrina ny didiny,”1 ary hoy Izy hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”2

Jereo fa hita ao anatin’ity tenin’ny Filoha Monson manaraka ity io fanasana io: “Voahodidin’ireo olona mila ny fikarakarantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika, ny fankaherezantsika sy ny hatsaram-panahintsika isika. … Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany, ary nodidiana mba hanompo sy hampitraka ireo zanany. Miantehitra amintsika tsirairay Izy.”3

Moa ve renao ilay izy—ilay fanasana mba hifankatia? Tsy mora ho an’ny olona sasany ny manompo ny tsirairay, araka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Saingy rehefa miaraka amin’ny fampiharana, dia afaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika rehefa manompo ny zanak’Andriamanitra isika. Mba hanampiana antsika hifankatia bebe kokoa, dia te-hanolotra ity fehezan-teny ity mba ho tadidiana aho: “Mijere aloha, ary avy eo dia manompoa.”

Efa ho 40 taona lasa izay no nandehananay sy ny vadiko tany amin’ny tempoly tamin’ilay zoma hariva fampiarahanay. Vao haingana izahay no nivady, ary natahotra aho satria vao fanindroany tamin’izay no nandehanako tao amin’ny maha-olona vao avy nanambady ahy. Tsy maintsy ho nahatsikaritra izany ilay rahavavy nipetraka teo akaikiko. Nitongilana nanakatra ahy izy sady nibitsibitsika moramora hoe: “Aza manahy. Hanampy anao aho.” Nitony ny tahotro, ary afaka nankafy ny fotoana sisa tamin’ny fianarana tao amin’ny tempoly aho. Nijery izy aloha, ary avy eo dia nanompo.

Asaina avokoa isika rehetra hanaraka ny fampianaran’i Jesoa sy hanompo ny hafa. Tsy voafetra ho an’ireo rahavavy manana toetran’anjely izany fanasana izany. Eto am-pizarako ireo ohatra fahita isan’andro momba ireo mpikambana izay nianatra nijery aloha ary avy eo dia nanompo, dia henoy ireo fampianaran’i Jesoa asehon’izy ireo.

Hoy ny Kilonga enin-taona iray hoe: “Fony aho voafidy ho mpanampy tao an-dakilasy, dia afaka nisafidy namana iray hiara-hiasa tamiko aho. Nisafidy [zazalahy izay nampijaly ahy tao am-pianarana] aho satria tsy nisy olona hafa nisafidy azy mihitsy. Tiako ho faly izy.”4

Inona no nojeren’ity ankizy ity? Tsikariny fa tsy nisy nifidy mihitsy ilay mpampahory tao an-dakilasy. Inona no nataony mba hanompoany? Nofidiany fotsiny ho namany toy ny mpanampy tao an-dakilasy izy. Nampianatra i Jesoa hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo.”5

Tao amin’ny paroasy iray, dia nisy mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay nijery aloha ary manompo amin’ny fomba tena manan-danja ankehitriny. Tonga aloha ireo zatovolahy isan-kerinandro ary mijoro eo ivelan’ny Fiangonana ao anatin’ny orana, na ranomandry na hafanana mandoro, miandry ny fahatongavan’ireo olona antitra maro izay mpikambana ao amin’ny paroasin’izy ireo. Mibata ireo seza misy kodiarana sy ireo déambulateurs avy ao anatin’ireo fiara izy ireo, manolotra sandry matanjaka hifikirana, ary miaraka amim-paharetana amin’ireo olon-dehibe fotsy volo miditra ao am-piangonana. Tena manao ny adidiny amin’Andriamanitra tokoa izy ireo. Rehefa mijery ary avy eo manompo izy ireo dia miaina ireo ohatra avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy manao hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”6 Rehefa ampianarina ilay fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny zatovo, dia tsy hisalasalana fa mbola hahita fahafahana maro kokoa hanaovana asa fanompoana araka ny fomban’i Kristy ny mason’ireo zatovolahy ireo.

Indraindray dia mitaky ezaka lehibe ny mijery sy ny manompo. I Alexandria, izay tovovavy nentanim-panahy, dia nahatsikaritra fa ny zanaky ny iray tampo amin’ny ray aman-dreniny, izay i Madison no anarany, dia tsy afaka namita ireo zavatra takiana ataony ao amin’ny Mon Progrès Personnel satria tratran’ny autisme mahery vaika izy. Niara-nivory tamin’ireo zatovovavy tao amin’ny paroasiny i Alexandria, sy naka torohevitra tamin’ireo mpitarika azy, ary tapa-kevitra ny hanao zavatra ho an’i Maddy izay tsy vitany samirery. Samy nanao ampahany tamin’ireo zavatra tokony hatao tao amin’ny Mon Progrès Personnel, nisolo tena an’i Maddy, ireo zatovovavy tsirairay mba hanampiana azy hahazo ny medaliny.7

Hivoatra tsara amin’ny anjara andraikitr’izy ireo amin’ny maha-reny sy rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo zatovovavy ireo satria mianatra ny mijery aloha ary avy eo dia manompo amin’ny fomba feno fiantrana izy ireo.

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Monson fa ny fiantrana izay “ny fitiavana madion’i Kristy”8—na amin’ny teny hafa, ny mijery sy manompo—“dia hita mibaribary rehefa tsaroana sy entina manatrika ireo fivoriana ao amin’ny paroasy ny vehivavy iray mananotena efa antitra” sy “rehefa mahazo fanasana manao hoe ‘Avia-mipetraha eto akaikinay’ ny rahavavy iray mipetra-drery ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.’”9 Azo ampiharina eto ilay fitsipika volamena manao hoe: “Ny zavatra rehetra na inona na inona ka tianareo mba hataon’ny [lehilahy na vehivavy] aminareo, dia ataovy toy izany aminy koa.”10

Nanompo tamin’ny fomba roa manan-danja ny lehilahy iray izay mahay mijery, ary efa manambady. Hoy izy hoe:

“Nanampy ny vadiko aho indray Alahady tao amin’ny kilasin’ny Kilonga nampianarany ankizy fito taona mavitrika tokoa. Rehefa nanomboka ny fotoana ifanakalozana fanaon’ny Kilonga, dia tsikaritro fa nitampify teo amin’ny sezany ny iray tamin’ireo mpianatra ary hita mazava tsara fa tsy nahazo aina. Nibitsika tamiko ny Fanahy fa nila fankaherezana ilay zazavavy kely, ka dia nipetraka teo anilany aho ary nanontany azy moramora hoe inona no olana nananany. Tsy namaly izy … , noho izany dia nanomboka nihira moramora taminy aho.

“Nianatra hira vaovao ny Kilonga tamin’izay, ary rehefa nihira hoe: ‘Si j’écoute avec mon Coeur Jésus parle je sais’ izahay, dia nanomboka nahatsapa ny hazavana sy hafanana tena mampitolagaga nameno ny fanahiko aho. … Nahazo fijoroana ho vavolombelona manokana mikasika ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika ilay zazavavy kely … sy ny tenako aho. … Nianatra aho fa tanan’ [ny Tompo] isika rehefa manompo ny iray amintsika.”11

Tsy ny ilana ny hanampiany ny vadiny izay ao amin’ilay kilasy feno ankizy fito taona mavitrika dia mavitrika ihany no tsikaritr’ity rahalahy manana ny toetran’i Kristy ity; fa nanao asa fanompoana manokana ho an’ilay zaza nila fanampiana ihany koa izy. Nanaraka ny Mpamonjy izy, izay nampianatra hoe: “Ny asa izay efa hitanareo nataoko dia izany no hataonareo koa.”12

Vao haingana izay, dia nanome fahafahana ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy hijery aloha ary avy eo dia hanompo ny tondra-drano iray. Nahita ireo orinasa sy trano rava ireo lehilahy, vehivavy, sy zatovo, ary ankizy ka dia namela ny zava-drehetra mba hanampy hanadio sy hanarina ireo foto-drafitr’asa simba. Ny sasany dia nahita ny filana fanampiana teo amin’ny fanasan-damba izay nandreraka tokoa. Ny sasany dia niezaka mafy tamim-paharetana nanadio ireo sary, ireo taratasim-panjakana, sy ireo taratasy, ary ireo taratasy hafa manan-danja, ary avy eo dia nanantona azy ireny tamim-pitandremana mba ho maina mba hahafahany mitahiry izay azony notehirizina. Ny mijery ary avy eo manompo dia tsy voatery hifanaraka sy ho mety amin’ny fandaharam-potoantsika foana.

Aiza moa no toerana tsara indrindra hijerena aloha ary avy eo dia hanompoana raha tsy ao an-trano? Maneho izany ny ohatra avy amin’ny tantaram-piainan’ny Loholona Richard G. Scott:

“Indray alina ilay zanakay lahy kely, Richard, izay nanana olana tamin’ny fo dia taitra sady nitomany. … Raha ny mahazatra dia ny vadiko foana no mitsangana mandeha mikarakara ny zazakely mitomany, saingy tamin’izay fotoana izay dia niteny aho hoe: ‘Aleo fa hokarakaraiko izy.’

“Noho ny olana mahazo azy, raha vao manomboka mitomany izy dia midobodoboka be ny fony. Mandoa izy avy eo ary mandoto ny lambam-pandriana. Tamin’izay alina izay dia nofihiniko mafy izy mba hampitoniana ilay fony midobodoboka haingana sy hampitsaharana ny tomaniny rehefa nanolo ny akanjony aho sy nametaka lambam-pandriana vaovao. Notrotroiko izy mandrapatoriny. Tsy nahafantatra aho tamin’izay hoe ho faty izy afaka volana vitsivitsy monja. Hotsaroako foana ilay famihinako azy teo an-tsandriko tamin’izany alina izany.”13

Hoy i Jesoa hoe: “Fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo.”14

Indraindray isika dia alaim-panahy hanompo amin’ny fomba tiantsika hanaovana izany fa tsy araka izay ilaina amin’io fotoana io. Rehefa nampianatra ny fitsipiky ny fitsitsiana ny loholona Robert D. Hales, dia nizara ohatra mikasika ny nividianany fanomezana ho an’ny vadiny izy. Nanontany ny vadiny hoe: “Ho ahy ve sa ho anao no hividiananao ity?”15 Raha ampiharintsika amin’ny tenantsika izany fanontaniana izany rehefa manompo isika ary manontany hoe: “Ho an’ny Mpamonjy ve sa ho ahy no hanaovako ity? dia hitovy bebe kokoa amin’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy ny fanompoana ataontsika. Ny Mpamonjy dia nanontany an’izao ary tokony hanao toy izany koa isika, “Inona no tianareo hataoko aminareo?”16

Herinandro vitsivitsy lasa izay, dia taitaitra sy nikorontan-tsaina aho, satria nanana zavatra maro be hatao. Nanantena ny ho any amin’ny tempoly aho tamin’izay andro izay saingy nahatsapa ho be asa be loatra. Raha vao tonga tao an-tsaiko izany eritreritra hoe be atao loatra ka tsy afaka ny handeha ho any amin’ny tempoly izany dia nampahatsiahy ahy ny zavatra tena tokony hataoko izany. Nandao ny toeram-piasako aho mba ho any amin’ny Tempolin’i Salt Lake, sady nanontany tena hoe rahoviana aho no hanenjika ireo fotoana izay nariako. Soa ihany fa manam-paharetana sy mpamindra fo ny Tompo ary nampianatra ahy lesona tsara Izy tamin’izay andro izay.

Rehefa nipetraka tao amin’ny trano fivoriana aho, dia nisy rahavavy tanora iray nitongilana nanakatra ahy ary nibitsibitsika moramora hoe: “Tena matahotra aho. Vao fanindroany izao no nankanesako tato amin’ny tempoly. Afaka manampy ahy ve ianao azafady?” Ahoana moa no nahafantarany fa ireo teny ireo mihitsy no nilaiko mba ho heno? Tsy nahafantatra izy, fa ny Ray any an-danitra kosa nahalala. Nozahany ny zavatra tena nilaiko indrindra. Nila nanompo aho. Notaominy ny fanahin’ilay rahavavy tanora feno fanetren-tena mba hanompo ahy amin’ny alalan’ny fanasana ahy hanompo azy. Manome antoka anareo aho fa izaho no nahazo tombony be indrindra.

Ankasitrahako amin’ny fisaorana lalina ireo olona maro manana ny toetran’i Kristy izay nanompo ny fianakaviako tao anatin’ny taona maro. Maneho fankasitrahana avy amin’ny fo ho an’ny vadiko sy ny fianakaviako aho, izay nanompo ka nanadino ny tenany sy nanao izany tamim-pitiavana lehibe.

Enga anie isika rehetra ka hikatsaka ny hijery aloha, ary avy eo dia hanompo. Rehefa manao izany isika, dia mitandrina ny fanekempihavanana ary ho lasa porofon’ny maha-mpanara-dia antsika toy ny an’ny Filoha Monson ny asa fanompoana ataontsika. Fantatro fa velona ny Mpamonjy. Ahafahantsika miaina ny fampianarany ny Sorompanavotany. Fantatro fa ny Filoha Monson no mpaminanintsika amin’izao fotoana izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  2.  

    2.  Jaona 15:12.

  3.  

    3. Thomas S. Monson, “Inona no Zavatra Nataoko ho an’ny Hafa Androany?” Liahona, Nôv. 2009, 86.

  4.  

    4. Canyon H., “A Good Choice,” Friend, Jan. 2012, 31.

  5.  

    5.  Matio 5:44.

  6.  

    6.  Matio 25:40.

  7.  

    7. Jereo ny “For Madison,” lds.org/youth/video/for-madison.

  8.  

    8.  Jereo ny Môrônia 7:47.

  9.  

    9. Thomas S.Monson, “Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay,” Liahona, Nov. 2010, 125; Jereo ihany koa ny Filles dans mon royaume: L’Histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours (2011), 101.

  10.  

    10.  3 Nefia 14:12.

  11.  

    11. Al VanLeeuwen, “Servir Chacun,” Liahona, Aog. 2012, 19; jereo ihany koa ny Sally DeFord, “Si j’écoute avec mon coeur,” 2011 Outline for Sharing Time, 28.

  12.  

    12.  3 Nefia 27:21.

  13.  

    13. Richard G. Scott, “Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana,” Liahona, Mey 2011, 96.

  14.  

    14.  Matio 20:26.

  15.  

    15. Robert D. Hales, “Ho Lasa Mpanome Manana ny Ampy: Ara-nofo sy Ara-panahy,” Liahona, Mey 2009, 9.

  16.  

    16.  Matio 20:32.