2010–2019
Homba Anao Hatrany Anie ny Ray
Oktobra 2012


Homba Anao Hatrany Anie ny Ray

Hotahiana isika raha toa ka mandray ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika ireo hafatra nampitaina tao anatin’ny roa andro lasa izay.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mifarana indray ity ny fihaonamben’ny Fiangonana nentanim-panahy iray. Izaho manokana dia mahatsapa ho novokisana sy nankaherezina ara-panahy ary mahafantatra fa ianareo koa dia nahatsapa ny fanahy miavak’ity fihaonambe ity.

Manolotra fankasitrahana amin-kitsim-po ho an’ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny endriny rehetra isika. Nampianarina sy nohamafisina tamin’ny fomba kanto ireo fahamarinan’ny filazantsara. Hotahiana isika raha toa ka mandray ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika ireo hafatra nampitaina tao anatin’ny roa andro lasa izay.

Toy ny mahazatra dia ho hita ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana Ensign sy ny Liahona ny fizotran’ity fihaonambe ity. Manentana anareo aho mba hamaky indray ireo lahateny ary hisaintsaina ny hafatra hoentin’izany. Tsapako teo amin’ny fiainako fa mahazo tombontsoa kokoa avy amin’ireo lahateny nentanim-panahy ireo aho rehefa mandalina azy ireo lalina kokoa.

Tsy manam-paharoa fomba nampitana ity fihaonambe ity, ho an’ireo vahoaka maneran-tany any am-pitan’ireo kaontinanta sy ranomasina. Tsapanay ny fanahinareo ary mampita ny fitiavanay sy fankasitrahanay izahay na dia lavitra ny ankamaroanareo aza.

Te-haneho fankasitrahana amin-kitsim-po avy amintsika rehetra ho an’ireo Rahalahy izay nisaorana tamin’ity fihaonambe ity aho noho ireo taona maro nanaovany asa fanompoana miaro fanoloran-tena. Tsy hita isa ireo izay voatahy noho ny fandraisanareo anjara teo amin’ny asan’ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy, vao avy nankalaza ny faha-85 taonako aho, ary feno fankasitrahana ny Tompo aho amin’ireo taona nomeny ahy. Rehefa misaintsaina ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainako aho dia misaotra Azy noho ireo fitahiana maro natolony ahy. Nahatsapa ny Tanany nitarika ny ezaka nataoko aho rehefa niezaka tamim-pahazotoana ny hanompo Azy sy hanompo ireo hafa, araka ny efa nolazaiko tamin’ny lahateniko anikeheo maraina.

Mitaky asa tsy tambo isaina ny anjara fanompoan’ny Filohan’ny Fiangonana. Velom-pankasitrahana aho noho izany amin’ireo mpanolotsaiko mahatoky roa, izay manompo eo anilako ary vonona hatrany sy mahavita zavatra amin’ny fomba mahavariana amin’ny fanatanterahana ireo asa izay sahanin’ny Fiadidiana Voalohany. Maneho ny fankasitrahako an’ireo lehilahy mendri-kaja izay ahitana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho. Tsy mitandro hasasarana izy ireo amin’ny tanjon’ny Tompo, miaraka amin’ireo Kôlejin’ny Fitopololahy izay manolotra fanampiana entanim-panahy ho azy ireo.

Te-hidera anareo koa aho, ry rahalahy sy anabavy, na aiza toerana misy anareo eto amin’izao tontolo izao, amin’ny zava-drehetra ataonareo any amin’ny paroasy sy sampana, tsatòka ary distrika misy anareo. Manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ianareo rehefa manatanteraka an-tsitrapo ireo antso nangatahina ho ataonareo.

Ndeha isika hifampiahy, hifanampy amin’ireo fotoana mahory. Aoka tsy hifampitsikera sy hifampitsaratsara isika, fa mba hifandefitra, haka tahaka ny ohatra amin’ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy. Aoka hifanompo araka izany fomba izany isika. Ndeha hivavaka isika mba ho entanin’ny fanahy hahafantatra ny zavatra ilain’ireo manodidina antsika, ary avy eo hanao sy hanolotra fanampiana.

Ndeha isika hifaly am-piadanana eo am-panatrehana ny fiainantsika. Tia sy miahy antsika ny Tompo, na dia miaina ao anatin’ny fotoana mahory tsy mitsaha-mitombo aza isika. Miaraka amintsika foana Izy rehefa manao ny tsara isika. Hanampy antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana Izy. Tonga eo amin’ny fiainantsika ireo fahasahiranana, olana izay tsy nampoizintsika ary tsy nosafidiantsika velively. Tsy misy afa-bela amin’izany isika. Ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny hianatra sy hivoatra ho tonga bebe kokoa tahaka ny Raintsika, ary matetika dia mandritra ny fotoana sarotra no ianarantsika izany bebe kokoa, eny fa na dia mampanaintaina aza ny lesona ianarana mandritra izany. Afaka ho rakotry ny fifaliana koa ny fiainantsika rehefa manaraka ny fampianarana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

Nanome toky ny Tompo hoe: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”1 Endrey ny fifaliana goavana tokony ho entin’izany fahalalana izany ho antsika. Niaina ho antsika Izy ary maty ho antsika. Nanonitra ny saran’ny otantsika Izy. Ndeha isika haka tahaka ny ohatra nataony. Ndeha isika haneho fankasitrahana lehibe Aminy amin’ny alalan’ny fanekena ny sorona nataony ary miaina fiainana izay mendrika ny hahatonga antsika hiverina sy hiaina hiaraka Aminy indray andro any.

Araka ny efa nolazaiko nandritra ireo fihaonambe teo aloha dia misaotra anareo aho noho ireo vavaka ataonareo ho ahy. Ilaiko izany, tsapako izany. Mahatsiaro anareo rehetra izahay amin’ny maha-Manampahefana Ambony anay ary mivavaka amin’ny Raintsika any an-danitra handrotsaka ireo fitahiana miavaka indrindra ho anareo.

Ankehitriny, ry rahalahiko sy anabaviko, hitsahatra mandritra ny enim-bolana ity fihaonambe ity. Homba anareo hatrany anie Andriamanitra mandrapihaonantsika indray amin’izay fotoana izay. Amin’ny anaran’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.