2010–2019
Ampio Izy Ireo Hametraka Tanjona Tsara
Oktobra 2012


Ampio Izy Ireo Hametraka Tanjona Tsara

Ireo izay tarihanao, raha mitari-dalana azy ireo ianao, dia ho afaka hahita sy haniry ary hino fa afaka mahatratra izay rehetra azon’ izy ireo tratrarina izy ireo eo amin’ ny fanompoana ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako handray anjara amin’ ity fivoriana lehiben’ ny fisoronana ity sy nihaino fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona mahatalanjona toy izany. Nahatonga ahy hahatsiaro ny zavatra niainako manokana izany. Ny nahafahako nanatanteraka saika ny zavatra rehetra izay azoko notanterahana tamin’ ny naha-mpihazona fisoronana ahy dia satria hitan’ ireo olona izay nahafantatra ahy tato amiko ireo zavatra izay tsy hitako.

Fony aho raim-pianakaviana vao herotrerony dia nivavaka aho mba hahafantarana izay anjara biriky azon’ ireo zanako atao ato amin’ ny fanjakan’ ny Tompo. Ho an’ ireo zazalahy dia nahafantatra aho fa afaka manana fahafahana manao zavatra ao amin’ ny fisoronana izy ireo. Ho an’ ireo zazavavy dia nahafantatra aho fa hanolotra asa fanompoana isoloana tena ny Tompo izy ireo. Hanao ny Asan’ ny Tompo avokoa izy rehetra. Nahafantatra aho fa olona iray miavaka ny tsirairay amin’ izy ireo ka noho izany dia nomen’ ny Tompo fanomezam-pahasoavana manokana ny tsirairay amin’ ireo zaza ireo mba hampiasaina hanompoana Azy.

Ankehitriny dia tsy afaka milaza aminareo raim-pianakaviana rehetra sy ianareo mpitarika zatovo rehetra aho ny antsipirian’ny tsara indrindra tokony ho ataonareo. Saingy afaka mampanantena anareo aho fa hitondra fitahiana ho azy ireo ianareo mba hanampiana azy ireo hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana izay ananan’ izy ireo hatrany am-pahaterahana. Samy hafa avokoa ny olona tsirairay ary samy manana anjara biriky hatolotra. Tsy misy natao ho tsy hahomby. Rehefa mikatsaka fanambarana ianareo mba hahitanareo ireo fanomezam-pahasoavana izay hitan’ Andriamanitra ao amin’ ireo izay tarihanareo ao amin’ ny fisoronana—indrindra indrindra ireo tanora, dia ho voatahy ianareo hitari-dalana azy ireo hahitany izay asa fanompoana azon’ izy ireo atao. Ireo izay tarihanao, raha mitari-dalana azy ireo ianao, dia ho afaka hahita sy haniry ary hino fa afaka mahatratra izay rehetra azon’ izy ireo tratrarina izy ireo eo amin’ ny fanompoana ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ho an’ ireo zanako manokana, dia nivavaka aho hahazoana fanambarana hahafantarako ny fomba ahafahako manampy ny tsirairay amin’ izy ireo hiomana ho an’ ireo tombontsoa manokana ahafahany manompo an’ Andriamanitra. Avy eo aho dia niezaka hanampy azy ireo hahita sary an-tsaina sy hanantena ary hiasa ho an’ io ho avy io. Nisokitra takelaka hazo iray ho an’ ny zanako lahy tsirairay aho ka nasiako teny avy amin’ ny soratra masina izay mamariparitra ny fanomezam-pahasoavana manokana nananany sy sary iray izay maneho io fanomezam-pahasoavana io. Nosokiriko teo ambanin’ ilay sary sy ilay maribolana ny daty nanaovana batisa sy nanendrena ny zazalahy tsirairay tamin’ ireo anjara fanompoana tao amin’ ny fisoronana, miaraka amin’ ny halavany voamarika mifanitsy amin’ ny datin’ ny zava-nitranga tsirairay.

Ho fariparitako ireo takelaka izay nosokiriko ho an’ ny zanako lahy tsirairay mba hanampiana azy hahita ireo fanomezam-pahasoavana ananany sy izay anjara biriky azony atolotra ho an’ ny asan’ ny Tompo. Afaka mahazo fitaomam-panahy ianao hamantatra, tahaka ahy, ireo fanomezam-pahasoavana manokana sy ireo tombontsoa tsy manam-paharoa ahafahana manao zavatra ho an’ ny zatovo tsirairay izay tianao sy tarihanao.

Tamin’ ny zanako lahimatoa lasa diakona sy Skoto Voromahery dia sarin’ ny voromahery iray no tonga tato an-tsaiko raha nieritreritra azy sy ny hoaviny aho. Nipetraka tany Idaho izahay tamin’ izany teo am-pototry ny tendrombohitra Teton Atsimo, izay niarahanay nihanika ary tany izahay no nitazana ireo voromahery mihiaka. Io sary tao an-tsaiko io no nahazoako ny hevitr’ ireo tenin’ i Isaia manao hoe:

“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.

“Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;

“Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.”1

Raha ny marina, niaraka tamin’ io zanako lahimatoa io, dia voatery nijanona nihanika ny tendrombohitr’ i South Teton izahay satria reraka ny zanako lahy. Te-hijanona izy. Hoy izy hoe: “Halahelo foana ve aho hoe tsy nahavita nihanika hatreny an-tampony isika? Manohiza ianao ry Dada—tsy tiako ho diso fanantenana ianao.”

Namaly aho hoe: “Tsy ho diso fanantenana izany mihitsy aho, ary tsy halahelo izany mihitsy ianao. Ho tsaroantsika foana hoe niara-nihanika isika.” Nosokiriko teo amin’ ny faritra ambony indrindra tamin’ ilay takelany ny sary voromahery iray miaraka amin’ ny soratra hoe: “Ao ambony elatr’ ireo Voromahery.”

Rehefa nandeha ireo taona, dia namiratra kokoa noho izay neritreretiko tao anatin’ ireo zavatra mamy indrindra nantenaiko ny zanako lahy nandritra ny naha-misiônera azy. Nandritra ireo fanamby tany amin’ ny sahan’ ny asa fitoriana dia toa mihoatra noho izay azony natao ny sasantsasany tamin’ ireo zavatra niainany tany. Ho an’ ilay zazalahy izay amporisihanao, toy ny tamin’ ny zanako lahy, dia angamba mety hoe nakarin’ ny Tompo ho ambony kokoa izy teo amin’ ny fitoriana ny filazantsara amin’ ny fiteny sarotra iray, mihoatra noho izay noeritreretiko ho azony tanterahina. Raha manandrana ianao, miaraka amin’ ny zatovolahy iray na iza izy na iza, ny hahatsapa ny zavatra rehetra azony tratrarina ao amin’ ny fisoronana, dia mampanantena anao aho fa hilaza zavatra betsaka araka izay ilainao ny Tompo. Ary mety hanana fahafahana hahatratra mihoatra an’ izay ho ambaran’ny Tompo aminao aza ilay zazalahy. Ampio izy hametraka tanjona avo.

Mety ho toa saro-kenatra loatra ilay zazalahy izay amporisihanao ka tsy afaka ny ho mpanompo mahery ao amin’ ny fisoronana. Ny zanako lahy iray hafa dia saro-kenatra loatra fony izy zazalahy kely ka tsy nety niditra tao amin’ ny fivarotana iray sy hiresaka tamin’ ny mpivarotra. Natahotra loatra izy. Niasa saina aho raha nivavaka momba izay hoaviny ao amin’ ny fisoronana. Nieritreritra azy ho any amin’ ny sahan’ ny fitoriana filazantsara aho—toa tsy naha-velom-panantenana izany. Voasarika aho hijery soratra masina iray ao amin’ ny Ohabolana: “Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.”2

Nosokiriko teo amin’ ny takelany ny hoe: “Matoky toy ny Liona,” teo ambanin’ ny sarin’ ny lohan’ ny liona iray izay mitrerona. Nandritra ny asa fitoriana nataony sy ireo taona taorian’ izany, dia notanterahany ilay fanantenana izay nosokiriko. Ilay zanako lahy izay saro-kenatra fahiny dia nitory ny filazantsara tamin’ ny faharesen-dahatra lehibe dia lehibe ary niatrika loza maro tamin’ ny fo mahery tokoa. Natanjahana izy teo amin’ ny andraikiny nisoloany tena ny Tompo.

Afaka mitranga izany ho an’ ilay zatovolahy izay tarihinao. Mila manorina ny finoany ianao mba hahafahan’ ny Tompo manova azy ho mpanompo iray mahery fo fa tsy ilay zazalahy saro-kenatra izay hitanao amin’ izao fotoana izao.

Fantatsika fa ataon’ ny Tompo ho lasa sahy ireo mpanompony. Niova ho olona manana haavo ara-panahy lehibe ilay zazalahy Joseph izay nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany lahy tao amin’ ny alakely iray. Hitan’ i Parley P. Pratt izany tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith nanameloka ireo mpiambina ratsy fanahy izay nitazona azy ireo ho gadra. Izao no voarakitry ny Loholona Pratt:

“Tampoka teo dia nitsangana izy ary niteny toy ny feon’ ny kotro-baratra, na toy ny liona mitrerona, ary nanonona, araka ny fitadidiavako azy, ireto teny manaraka ireto:

“‘MANGINA, ianareo ry devolin’ ny helo. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy no hanamelohako anareo, ary handidiako anareo mba hangina; tsy haharitra minitra iray fanampiny intsony aho hiharitra ny fomba fiteny toy izany. Atsaharo izany resaka izany, raha tsy izany dia na ianareo na izaho no ho faty IZAO ANKEHITRINY IZAO!’”

Izao no nosoratan’ ny Loholona Pratt mikasika io zava-nitranga io: “Sambany no nahitako olona hentitra sy feno fahefana toy izany, raha nitsangana teo izy, voafatotry ny rojo, tamin’ ny misasak’ alina, tao anatin’ ny fonja iray tany amin’ ny tanàna iray tany Missouri.”3

Omen’ ny Tompo fahafahana ireo mpanompony izay marina mba ho matoky toy ny liona rehefa miteny amin’ ny Anarany sy amin’ ny maha-vavolombelona azy ireo ao amin’ ny Fisoronany.

Ny zanako lahy iray hafa indray, fony kely, dia nanana namana maro izay matetika no te-hiaraka aminy. Mora aminy ny mifandray aman’ olona. Raha nivavaka aho sy niezaka hijery izay anjara biriky azony ho entina ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia nahatsapa fa hanana hery izy hampitambatra ny olona ao anatin’ ny fitiavana sy ny firaisan-kina.

Izany no nitondra ahy ho any amin’ ilay tantara ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay mamariparitra ireo ezaka nataon’ ireo loholona ao amin’ ny fisoronana mba hanorenana an’ i Ziona tao Missouri teo anatrehan’ ny fiderana nataon’ ireo anjely izay nahita ny ezaka nataon’ izy ireo sy ny fandraisan’ izy ireo anjara. Nitaky fahafoizana lehibe izany. Izao no voalazan’ ny fanambarana ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Na dia eo aza izany, dia sambatra ianareo fa ny tenivavolombelona izay efa nambaranareo dia voasoratra any an-danitra mba hojeren’ ireo anjely; ary mifaly aminareo ireo, ary voavela ny fahotanareo.”4

Nosokiriko teo amin’ ny takelaky ny zanakalahiko ny hoe: “Mifaly aminao ireo Anjely.”Niitatra

nihoatra lavitra noho ireo taona tany an-tsekoly ny fahaizana lehibe nananan’ ity zanako lahy ity hanangona sy hitaona ny olona. Namolavola fiaraha-mientan’ ny tsatòka izy, niaraka tamin’ ireo mpihazona fisoronana namany, fiaraha-mientana izay nanome finoana an’ ireo zatovo teo amin’ ny faritra misy azy nahafahan’ izy ireo naharitra ary nandresy mihitsy aza tamin’ ny fotoan-tsarotra. Rehefa nampiorina ny finoana tao amin’ ireo zatovolahy sy zatovovavy ireo izy dia nanampy nanangana vondrona mpikambana mafy orina vitsivitsy ao Ziona tany amin’ ireo faritra an-tanan-dehibe eto Amerika. Teo amin’ ilay asa sokitra dia nataoko nitsoka trompetra ireo anjely, izay mety tsy tena izany no fomba nanaovan’ izy ireo azy, saingy mora kokoa ny misokitra trompetra toy izay hoe anjely mihiaka.

Mifaly ireo anjely rehefa manorina an’ i Ziona ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana maneran-tany any amin’ ireo paroasy sy tsatòka ary misiôna misy azy. Ary hifaly izy ireo noho ireo zatovolahy sy zatovovavy izay ampianao mba hanorina an’ i Ziona na aiza na aiza misy azy ireo ary na inona na inona toe-javatra misy azy ireo. I Ziona no vokatry ny olona izay tafaray noho ny fanekempihavanana sy ny fitiavana. Manasa anao aho hanampy ireo zatovonao hiditra amin’ izany.

Ho an’ ny iray amin’ ireo zanako lahy dia notaomin’ ny Fanahy aho hisokitra masoandro—io masoandro eny amin’ ny habakabaka io—sy ireo tenin’ ny Mpamonjy ao amin’ ilay vavaka fanalalanana nataony manao hoe: “Izao no Fiainana Mandrakizay.” Tany akaikin’ ny faramparan’ ny fanompoan’ ny Mpamonjy teto an-tany dia nivavaka tamin’ ny Rainy Izy hoe:

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao.

“Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.”5

Io zanako lahy io dia nanao asa fanompoan’ ny fisoronana tany amin’ ny kaontinanta telo, fa ny manan-danja indrindra dia tao an-tranony, teo anivon’ ny fianakaviany. Nanorina ny fiainany manodidina azy ireo izy. Tsy lavitry ny tranony izy no miasa, ary matetika izy no mody mba ho tafaraka amin’ ny vadiny sy ireo zanany izay mbola kely amin’ ny ora fisakafoanana atoandro. Akaiky kely anay mivady no mipetraka ny ankohonany. Mikarakara ny tokontaninay izy ireo toy ireny hoe azy ireny. Io zanakalahy io dia miaina tsy hoe mba ho mendrika ny fiainana mandrakizay fotsiny, fa mba hiaina ihany koa mandrakizay voahodidin’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviany feno fankasitrahana izay atambany manodidina azy.

Ny fiainana mandrakizay dia ny miaina amim-piraisan-kina eo amin’ ny mpianakavy, miaraka amin’ ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Tsy azo tanterahina ny fiainana mandrakizay raha tsy amin’ ny alalan’ ireo fanalahidin’ ny fisoronan’ Andriamanitra, izay naverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith. Ny famporisihana ireo zatovo izay tarihanao mba hanana an’ io fiainana mandrakizay io ho tanjona mandrakizay no fanomezana lehibe indrindra azonao omena azy ireo. Ny fomba tena hanaovanao izany dia amin’ ny alalan’ ny ohatra ao amin’ ny tokantranonao manokana. Mety tsy manana fianakaviana ato amin’ ny Fiangonana ireo izay tarihinareo, saingy omeko fanamby ianareo ny mba hanampianareo azy ireny hahatsapa sy haniry ny fitiavan’ ny fianakaviana avy eo andaniny sy avy eo ankilan’ ny voaly.

Ireo takelaka maneho ny halavana izay nofariparitako ireo dia fomba iray fotsiny hanampiana ireo zatovo hahita sombintsombiny amin’ ilay halehibe izay hitan’ Andriamanitra ao amin’ izy ireo sy ao amin’ ny ho avin’ izy ireo ary ilay asa fanompoana tsy manam-paharoa izay nanomanany azy ireo mba ho atolony. Hanampy anao Izy hahita ny fomba hanaovana izany amin’ ny zanakao sy ireo zatovo hafa. Fa raha mikatsaka amim-bavaka ianao mba hahatakaranao an’ io hoavy io ho an’ ny tenanao manokana, ary hampita izany amin’ ireo zatovo tsirairay, dia ho fantatrao fa tia an’ ireo zanany tsirairay Andriamanitra ary mahita fanomezam-pahasoavana lehibe sy miavaka ao amin’ ny tsirairay amin’ izy ireo.

Amin’ ny maha-ray ahy, dia voatahy manokana aho hahita hoavy lehibe ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ho an’ ireo zanako vavy toy ny amin’ ireo zanako lahy ihany koa. Rehefa mikatsaka fitarihana amim-bavaka aho dia nampisehoana fomba hanampiana ireo zanako vavy hamantatra ny fitokisana izay nomen’ Andriamanitra azy ireo amin’ ny maha-mpanompo azy ireo izay afaka manangana ny Fanjakany.

Fony mbola kely ireo zanako vavy dia hitako fa afaka nanampy ny hafa izahay hahatsapa ny fitiavana an’ ireo izay any ambadiky ny voaly nandritra ireo taranaka maro nifandimby. Nahafantatra aho fa io fitiavana io dia tonga avy amin’ ny asa fanompoana ary mitondra fanantenana ho amin’ ny fiainana mandrakizay.

Koa dia nisokitra akalana fitetehana mofo izahay ka nasianay mofo vita tao an-trano teo amboniny ary niara-nandeha izahay hizara ny fanatitray tamin’ ireo maty vady sy ireo fianakaviana. Toy izao no vakin’ ny soratra nosokiriko teo amin’ ny akalana tsirairay: “J’ aime et J’ espère,” izay dikanteny frantsay ho an’ ny hoe: “Tia aho ary manantena.” Tsy teo amin’ ireo akalana nosokiriko fotsiny no nahitana soritra ny porofon’ ireo fanomezam-pahasoavana manokana nananan’ izy ireo fa nazava kokoa izany rehefa nizara ireo akalana izahay ho an’ ireo izay nahatsapa fahoriana na fahaverezana ka nila fanomezan-toky indray fa afaka mamokatra fanantenana mamirapiratra tanteraka ny fitiavan’ ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Izany asa fanompoana izany no fiainana mandrakizay ho an’ ireo zanako vavy sy ho antsika tsirairay.

Ankehitriny dia mety hihevitra ianao hoe: “Ry Rahalahy Eyring, moa ve izany ianao milaza hoe tsy maintsy mianatra manao asa sokitra aho?” Tsia no valiny. Tsy nahay nanao asa sokitra aho raha tsy teo ny fanampian’ ny mpampianatra iray tsara fanahy sy nanan-talenta, dia ny Loholona Boyd K. Packer tamin’ izany fotoana izany. Izay mba fahaiza-manao kely nananako dia azo lazaina fa azoko noho ny talenta lehibe izay nananany tamin’ ny maha-mpanao asa sokitra azy sy noho ny faharetany tamin’ ny naha-mpampianatra azy. Ny lanitra ihany no afaka manome karazana mpampianatra toy ny Filoha Packer. Fa misy fomba maro ahafahanao mampisy fiantraikany amin’ ny fon’ ireo zanaka fa tsy voatery misokitra takelaka hazo na takelaka fandrefesana halavana ho azy ireo.

Ohatra, ireo teknnolôjia vaovaon’ ny fifandraisana dia ahafahana mizara hafatra mifono finoana sy fanantenana mamakivaky ireo kilaometatra maro izay manasaraka antsika, sy eo no ho eo ary amin’ ny sarany mirary dia mirary na maimaimpoana. Manampy ahy hanao izany ny vadiko. Atombokay izany amin’ ny firesahana an-telefaonina amin’ ireo zafikelinay na ireo zanakay. Asainay izy ireo hizara ny tantaran’ ireo zavatra tsara vitany sy ny asa fanompoana natolony. Asainay koa izy ireo handefa ny sary tamin’ ireny zavatra natao ireny. Ampiasainay ireo sary ireo mba hanaingoana andalan-tsoratra vitsivitsy. Ampianay andininy iray na roa avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna izany. Angamba mety tsy dia hanaitra firy an’ i Nefia sy i Môrmôna ny kalitao ara-panahin’ ny zavatra voasoratray na ny tsy nilana ezaka firy loatra teo amin’ ny namoronanay ilay zavatra izay antsoinay hoe: “Ny Diarim-pianakaviana: Ireo Takelaka Madinika.” Saingy voatahy izaho sy Rahavavy Eyring noho ny ezaka natao. Mahatsapa ho taomin’ ny Fanahy izahay eo am-pisafidianana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo hafatra fohy mifono fijoroana ho vavolombelona izay soratanay. Ary mahita porofo izahay eo amin’ ny fiainan’ izy ireo mikasika ny fitodihan’ ny fon’ izy ireo aty aminay sy any amin’ ny Mpamonjy ary mankany ambony.

Misy fomba maro ahafahana miantraika amin’ ny hafa; efa miroso amin’ ny maro amin’ izy ireny ianareo. Ny fahazaranareo manao vavaka sy famakiana soratra masina iarahan’ ny mpianakavy dia hiteraka fahatsiarovana maharitra kokoa sy fiovana lehibe kokoa ao am-po mihoatra noho izay mety tsapanao amin’ izao fotoana izao. Na dia ireo zavatra atao izay toa miendrika ara-batana toy ny fanatrehana fifaninanana atletisma na ny fijerena sarimihetsika aza dia afaka miantraika amin’ ny fon’ ny zaza iray. Tsy ilay karazana zavatra atao no zava-dehibe fa ny fahatsapana izay tonga rehefa manao azy ianareo. Nahita fomba tsara iray aho hamantarana ireo zavatra atao izay afaka manova zavatra be eo amin’ ny fiainan’ ny ankizy iray. Izany dia hoe avy amin’ ny zava-mahaliana iray izay tsapany hoe tonga ao aminy toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra no hanolorany sosokevitra mikasika ilay zavatra atao. Fantatro tamin’ ny zavatra niainako manokana fa azo atao izany.

Fony aho lasa diakona tamin’ izaho feno 12 taona, dia tany New Jersey no nipetraka izahay, 80 kilaometatra miala an’ i New York City. Nanofinofy ny ho tonga mpilalao baseball malaza aho. Nanaiky hitondra ahy ny raiko hijery lalao iray izay natao tao amin’ ny kianja iray efa antitra sy manan-tantara hoe Yankee Stadium, any Bronx. Mbola tsaroako hatramin’ izao raha nanodina ny fikapohana baseball i Joe DiMaggio ka nahavita “home run” nampipitika ny baolina ho eny amin’ ny faritry ny lampihazo afovoany izay nisy ahy sy ny raiko tamin’ izany, tamin’ ilay hany fotoana nandehananay niaraka hijery lalao baseball tao amin’ ny ligy ambony.

Fa andro iray hafa niarahako tamin’ ny raiko no nanova mandrakizay ny fiainako. Nentiny avy tany New Jersey aho ho any an-tranon’ ny patriarika iray voatendry, tany Salt Lake City. Mbola tsy nahita io lehilahy io aho hatramin’ izay. Teo an-tokonam-baravarana aho no navelan’ ny raiko. Nentin’ ilay patriarika aho ho eo amin’ ny seza iray, nametraka ny tanany teo ambonin’ ny lohako izy ary nanonona tsodrano ho toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay nahitana ny fanambarana izay mikasika ilay faniriana lehibe tao am-poko.

Hoy izy hoe izaho dia anisan’ ireo izay voalaza hoe: “Sambatra ny mpampihavana.”6 Taitra loatra aho hoe nisy olon-kafa tanteraka izay tsy fantatro afaka nahafantatra ny tao am-poko ka dia nosokafako ny masoko mba hahitana ilay efitrano izay nitrangan’ ny fahagagana toy izany. Io tsodrano io izay nanambara ireo zavatra azoko tratrarina no namolavola ny fiainako, sy ny fanambadiako ary ny asa fanompoana nataoko tato amin’ ny fisoronana.

Avy tamin’ io zavatra niainako io sy ny zavatra nitranga taorian’ io no ahafahako mijoro ho vavolombelona hoe: “Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray.”7

Tamin’ ny nanambaran’ ny Tompo ahy ny fanomezam-pahasoavana iray no nahafahako namantatra sy niomana ho amin’ ny fotoana hampiasako izany mba hitahiana ireo izay tiako sy tompoiko.

Mahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika Andriamanitra. Ny fanamby ataoko aminareo sy amin’ ny tenako dia ny mivavaka mba hahafantarantsika ny fanomezam-pahasoavana izay nomena antsika, sy hahafantarana ny fomba ahafahana mampivelatra azy ireny, ary hamantatra ny fotoana ahafahana manompo ireo hafa izay nomen’ Andriamanitra antsika. Fa ny zava-dehibe indrindra dia mivavaka aho mba ho taomin’ ny Fanahy ianareo hanampy ny hafa mba hahafantarany ireo fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’ Andriamanitra entiny hanompo.

Mampanantena ianao aho fa raha mangataka ianao dia hahazo fitahiana hahafahanao manampy sy mampiakatra ny hafa hahatratrarany izay rehetra mety ho tratrany eo amin’ ny fanompoana an’ ireo izay tarihany sy tiany. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona Andriamanitra, i Jesoa no Kristy, ity no fisoronan’ Andriamanitra, izay hazonintsika, ary efa nomanin’ Andriamanitra isika nomeny fanomezam-pahasoavana manokana mba hanompoana Azy mihoatra noho izay azontsika antenaina. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.