2010–2019
Moa ve Voasoratra ao Am-pontsika ny Finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Oktobra 2012


Moa ve Voasoratra ao Am-pontsika ny Finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Ny fanaovantsika sy fitandremantsika ary ny fifaliantsika amin’ny fanekempihavanantsika dia ho porofo fa voasoratra marina ao am-pontsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ry rahavavy malalako, tao an-tsaiko sy tao am-poko ianareo nandritra ny volana maro rehefa nisaintsaina ity andraikitra feno fanamby ity aho. Na dia mahatsapa aza aho hoe toy ny tsy ho vitako ity andraikitra napetraka tamiko ity, dia fantatro fa avy amin’ny Tompo ilay antso tamin’ny alalan’ilay mpaminany voafidy ary ampy izany raha ho an’ny ankehitriny. Mampianatra ny soratra masina fa “na amin’ny alalan’ny feon’ny [Tompo] na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompo[ny], dia iray ihany izany.”1

Iray amin’ireo fanomezana sarobidy hita ao anatin’ity antso ity ny fahatokiana fa tia ny zanany vavy rehetra ny Ray an-danitra. Nahatsapa ny fitiavany antsika tsirairay aho!

Tia ny soratra masina toa anareo koa aho! Misy soratra masina ao amin’ny bokin’i Jeremia izay tena sarobidy ho ahy tokoa. Niaina tao anatin’ny fotoana sarotra sy toerana nanahirana i Jeremia, saingy navelan’ny Tompo izy mba “hahita mialoha ilay fotoam-panantenana mandritra ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany”2—ilay androntsika. Naminany i Jeremia hoe:

“Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. …

“… Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra hoy Jehovah. Fa havelako ny helony ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.”3

Isika ilay vahoaka hitan’i Jeremia. Moa ve isika efa nanasa ny Tompo mba hanoratra ny lalàna na fotopampianarana ao am-pontsika? Moa ve isika mino fa miantefa amintsika manokana ilay famelan-keloka azo avy amin’ny Sorompanavotana izay nolazain’i Jeremia?

Taona vitsy lasa izay ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara ny zavatra tsapany mikasika an’ireo mpisava lalana izay nanana finoana lalim-paka ka nanosika azy ireo ho tonga tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izany na dia taorian’ny fahafatesan’ireo zanany aza. Hoy izy hoe: “Tsy nanao izany ho an’ny fandaharan’asa iray izy ireo ary tsy nanao izany noho ny hetsika ara-tsôsialy iray, fa tena nataony izany satria tao anatin’ny fanahiny ny finoana ny filazantsarana’i Jesoa Kristy. Tao anatin’ny tsokan’ny taolany izany.”

Nanambara tamim-pihetsehampo malefaka izy hoe:

“Izany ihany no hany fomba nahafahan’ireo reny ireo nandevina [ny zanany] tao anatin’ny harona fitoera-mofo ary nanohy sy nilaza hoe: ‘Any ho any ilay tany nampanantenaina. Tsy maintsy tonga any amin’ilay lohasaha isika.’

“Afaka nilaza izany izy ireo noho ny fanekempihavanana sy ny fotopampianarana ary ny finoana sy ny fanahy.”

Nofaranany tamin’ireto teny manaitra ny saina ireto izany: “Raha toa ka afaka mihazona izany toe-tsaina izany ao amin’ny fianakaviantsika sy ny Fiangonana isika, dia angamba mety hanomboka hilamina ho azy ireo zavatra maro hafa. Angamba mety hianjera avy eny amin’ilay sarety ireo zavatra maro izay tsy dia ilaina. Nolazaina aho fa voafetra ihany ireo zavatra zakan’ireo sarety tarihin-tanana ireo. Toy ny tsy maintsy nisafidianan’ireo razambentsika ny zavatra ho entina, angamba no hanosehan’ny taonjato faha-21 antsika hanapa-kevitra hoe: ‘Inona no azontsika ampidirina ao anatin’ity sarety tarihin-tanana ity?’ Ny entana ho an’ny fanahintsika no zava-dehibe. Ireo zavatra latsa-paka any amin’ny tsokan’ny taolantsika izany.”4 Na izay voasoratra ao am-pontsika izany raha lazaina amin’ny teny hafa!

Amin’ny maha-Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana vaovao anay, dia nikatsaka mafy ny Tompo izahay mba hahafantarana hoe inona avy ireo zavatra tena ilaina tiany hampidirinay ao amin’ny sarety tarihin-tanan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanohizana ny fampandrosoana ny asany. Tsapanay fa tian’ny Ray any an-danitra izahay mba hanampy voalohany indrindra ireo zanakavavy malalany hahatakatra ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Fantatsika fa hitombo ny finoantsika ary torak’izany koa ny faniriantsika hiaina amim-pahamarinana rehefa mahatakatra izany fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany isika. Faharoa, tsapanay fa tian’ny Tompo izahay hamporisika ireo zanakavaviny malalany mba hifikitra amim-pifaliana amin’ireo fanekempihavanany, rehefa nandinika ilay filana goavana ny fanamafisan’orina ny fianakaviana sy ny tokantrano. Lasa mafy orina ny fianakaviana rehefa tandremana ny fanekempihavanana. Farany dia tiany izahay hiara-hiasa ao anatin’ny firaisan-kina miaraka amin’ireo vondrona fanampiny hafa sy ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana, ka hiezaka ny hitady sy hanampy ireo izay sahirana mba hivoatra eny amin’ilay lalana. Ny vavaka mafy ataonay dia ny hanokafantsika tsirairay ny fontsika sy hamelantsika ny Tompo hanoratra ireo fotopampianaran’ny Sorompanavotana sy fanekempihavanana ary firaisan-kina ao anatin’izany.

Ahoana moa no ahafahantsika manantena ny hanamafy orina fianakaviana na hanampy ny hafa raha tsy efa misoratra ao anatin’ny fontsika mihitsy aloha ilay finoana lalina sy maharitra an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra? Te-hizara fitsipika telo momba ny Sorompanavotana aho anio hariva izay hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy raha toa ka voasoratra ao am-pontsika izany. Manantena aho fa hitahy antsika tsirairay ny fahatakarana ireo fitsipika ireo na vaovao isika ao amin’ny Fiangonana na mpikambana efa ela.

Fitsipika 1: “Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.”5

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy izahay, miaraka aminareo. Voasoratra tao am-ponay, toy ny anareo, ny fijoroanay ho vavolombelona rehefa niatrika olana sy fahoriana samihafa izay nampivoatra ny fanahy izahay. Ho toy ny tsy rariny ireo olana ireo raha tsy nisy ny fahatakarana ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra izay tonga lafatra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho toy ny ivon’ilay drafitra. Miaraka miatrika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana isika rehetra. Saingy voasoratra ao amin’ny fon’ny mahatoky ny hoe: “Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.”

Nahoana no avelan’ny Tompo ho tonga eo amin’ny fiainantsika ny fijaliana sy ny fahoriana? Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny fivoarantsika izany raha lazaina amin’ny fomba tsotra! “Nihobim-pifaliana”6 isika rehefa nahafantatra fa hanana fahafahana ho tonga ety an-tany ary hiaina ny fiainana an-tany. Nampianatra ny Loholoha Dallin H. Oaks hoe: “Tanteraka mora kokoa amin’ny alalan’ny fijaliana sy fahoriana ilay fiovam-po ilaintsika noho ny amin’ny alalan’ny fiadanam-piainana sy ny filaminana.”7

Maneho izany fahamarinana izany ity ohatra mikasika ny rahavavy mpisava lalana iray ity. Nanambady an’i John T. Morris tany St. St. Louis, Missouri i Mary Lois Walker fony izy 17 taona. Namakivaky ireo tany lemaka niaraka tamin’ireo Olomasina izy ireo tamin’ny 1853, ary niditra ny Lohasahan’i Salt Lake fotoana fohy taorian’ny tsingerintaona voalohany nivadiany. Nizaka ny tsy fahampiana nahazo ireo Olomasina hafa izy ireo nandritra ny diany. Saingy tsy nifarana ny fijaliana sy ny fahorian’izy ireo rehefa tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy ireo. Herintaona taorian’izay, dia nanoratra an’izao i Mary izay 19 taona tamin’izany: “Niteraka zazalahy kely izahay. … Indray hariva tamin’izy roa na telo volana teo … dia nisy zavatra nibitsika tamiko hoe: ‘Hamoy io zazakely io ianao.’”

Niharatsy ny fahasalaman’ilay zazakely nandritra ilay ririnina. “Nanao izay azonay natao rehetra izahay, … saingy nihombo ny aretin’ilay zazakely … Maty ny faharoan’ny volana Febroary izy … ary dia nigoka ilay kapoaka mangidin’ny fandaozan’ilay avy amin’ny nofoko sy ny rako aho.” Kanefa tsy nitsahatra hatreo akory ny fitsapany. Narary koa ny vadin’i Mary ary maty telo herinandro taorian’ny nahafatesan’ny zanany.

Nanoratra i Mary hoe: “Noho izany, raha mbola vao roapolo taona latsaka aho dia nesorina tamiko tao anatin’ny fotoana fohy teo amin’ny 20 andro, ny vadiko sy ilay zanako tokana, ary tany amin’ny tany hafa iray izay an-jatony kilaometatra maro lavitra ny fianakaviako aho ary nanana olana maro teo anoloako … ka dia naniry koa ny mba hahafatesako sy hiarahako amin’ireo olon-tiako.”

Nanohy i Mary hoe: “Nandehandeha an-tongotra niaraka tamin’ny namako iray aho indray Alahady hariva. … Nahatsiaro ny tsy naha-teo ny [vadiko] aho sy ilay fanirery lalina tsapako, ary rehefa nigogogogo nitomany aho dia afaka nahita toy ny fahitana tao an-tsaiko ilay havoana mideza tokony hianihako ary nahatsapa ny fahamarinan’izany tamin-kery lehibe. Tratran’ny fikorontanan-tsaina lalina aho satria fantatr’ilay fahavalo ny fotoana tokony hanafihana antsika, saingy manana ny hery hamonjena antsika ilay [Mpamonjy antsika Jesoa Kristy]. Afaka niady nanohitra ireo hery izay toa nanafika ahy aho tamin’izany fotoana izany tamin’ny alalan’ny … fanampiana nomen’ny Ray.”8

Vao 19 taona monja i Mary dia nianatra fa afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotana fa azo ahitsy ny zavatra tsy ara-drariny rehetra eo amin’ity fiainana ity—na ireo fahoriana tena lalina aza.

Fitsipika 2: Misy hery ao anatin’ny Sorompanavotana izay manome fahafahana antsika hanaisotra ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo antsika ary ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy.9

Misy fomba iray izay hahafantarana fa nianatra fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara iray isika. Miseho izany rehefa afaka mampianatra fotopampianarana na fitsipika iray amin’ny fomba iray ahafahan’ny ankizy mahatakatra izany isika. Fifanahafana iray izay hita ao amin’ny leson’ny Kilonga no loharano sarobidy iray hampianarana ny ankizy hahatakatra ny Sorompanavotana. Angamba afaka manampy antsika izany amin’ny fampianarana ny zanatsika manokana na ny zafikelintsika na ireo namana avy any amin’ny finoana hafa izay maniry ny hahatakatra io fotopampianarana manan-danja io.

“Nisy [vehivavy] iray nandeha teny an-dalana ary nianjera tao anaty lavaka iray izay tena lalina ka tsy afaka nihanika nivoaka tao [izy]. Tsy afaka namoaka [irery] ny tenany tao [izy] na inona na inona zavatra natao[ny]. Niantso vonjy ilay [vehivavy] ary faly rehefa nisy mpandalo iray tsara fanahy nandre [azy] ka nampidina tohatra tao anatin’ilay lavaka. Nanome [azy] fahafahana hivoaka ilay lavaka izany ary hahazo indray ilay fahafaha[ny].

“Toy io [vehivavy] tao anaty lavaka io isika. Toy ny mianjera ao anatin’ny lavaky ny fahotana isika ary tsy afaka mamoaka ny tenantsika irery. Nandefa ny Zanany Lahitokana ny Ray any an-danitra mba hanome ireo fomba entina mivoaka, toy ilay mpandalo tsara fanahy izay naheno ny hiakiakan’ilay [vehivavy] nitady vonjy. Azo oharina amin’ilay tohatra ampidinina ao anatin’ny lavaka ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary manome antsika ireo fomba hivoahana izany.”10 Saingy manao zavatra mihoatra noho ny mampidina tohatra ny Mpamonjy. “Midina ao amin’ilay lavaka izy ary manao izay ahafahantsika mampiasa ilay tohatra mba hivoahana.”11 “Toy ny tsy maintsy niakaran’ilay [vehivavy] tamin’ilay tohatra dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika koa isika sy mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara mba hahatafavoahana ao amin’ilay lavaka misy antsika ary manao izay iasan’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika. Noho izany, manao izay ahafahantsika ho lasa mendrika ny hiverina eo anatrehan’ny Ray any an-danitra ny Sorompanavotana rehefa avy nanao izay vitantsika rehetra isika.”12

Vao haingana aho no nanana tombontsoa nihaona tamin’ ny mpisava lalana iray amin’izao andro izao, izay zanakavavy malalan’Andriamanitra ary olona niova fo vao haingana ato amin’ny Fiangonana tany Chilie. Reny tokan-tena izy ary nanan-janaka lahy anankiroa. Afaka namela ny lasany tany aoriany izy tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana ary miezaka mafy ankehitriny mba ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy. Tonga ato an-tsaiko ny fitsipika iray nampianaran’ny Loholona David A. Bednar rehefa mieritreritra azy aho: “Zava-dehibe ny mahafantatra fa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba ho faty ho antsika—zavatra manan-danja sy fototra iorenan’ny fotopampianaran’i Kristy izany. Saingy mila koa isika mankasitraka ny hoe, irian’ny Tompo amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny herin’ny Fanahy Masina ny hitoetra ao anatintsika—tsy hoe mba hitarika antsika fotsiny fa mba hanome hery antsika.”13

Nanome toky ahy tamim-pientanentanana ilay rahavavy avy any Chilie fa vonona ny hanohy ilay lalana izy rehefa nifanakalo hevitra mikasika ny fomba hijanonana eo amin’ny lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay izahay. Tany ivelan’ny lalana izy ny ankamaroan’ny fotoana teo amin’ny fiainany, ary nambarany fa tsy misy na inona na inona “any amin’ilay lalana ivelany” any izay tiany hananana indray eo amin’ny fiainany. Miaina ao anatiny ilay herin’ny Sorompanavotana ahafahana manao zavatra. Voasoratra ao am-pony izany.

Tsy hoe manome fahafahana ho antsika fotsiny mba hivoahana ilay lavaka izany hery izany fa manome hery antsika koa hanohy handeha eo amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra miverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.

Fitsipika 3: Porofo lehibe indrindra ananantsika mikasika ny fitiavan’ny Ray ny zanany ny Sorompanavotana.

Tsara isika raha misaintsaina an’ity hevitra mampihetsi-po avy amin’ny Loholona Oaks ity: “Eritrereto fa tsy maintsy tena mafy dia mafy ho an’ny Raintsika any an-danitra izany hoe nandefa ny Zanany Lahy hizaka fijaliana tsy takatry ny saina noho ny fahotantsika izany. Porofo lehibe indrindra maneho ny fitiavany antsika tsirairay izany!”14

Izany fihetsika fanehoam-pitiavana lehibe izany dia tokony hampahatonga antsika tsirairay handohalika hivavaka amim-panentren-tena hisaotra ny Ray any an-danitra noho ny fitiavany lehibe antsika ka nanolorany ilay Zanany Lahitokana sy lavorary hijaly noho ny fahotantsika sy ny fahoriantsika ary ireo zavatra izay toa tsy ara-drariny rehetra eo amin’ny fiainantsika manokana.

Tsaroanareo ve ilay vehivavy noresahan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf vao haingana? Hoy izy hoe: “Nisy vehivavy iray izay nianjadian’ny fitsapana sy fahoriana nandritra ny taona maro nilaza tamin-dranomaso hoe: Tsapako fa toy ny vola taratasy 20 dôlara efa tranainy aho—miforiporitra, rovidrovitra, maloto, efa nampiasaina be loatra ary misy marika tsy mety miala. Saingy mbola vola taratasy 20 dôlara ihany aho. Manana ny maha-izy azy ahy aho. Na dia toy ny tsy manan-danja aza aho ary na dia efa ratsiratsy sy tonta dia mbola 20 dôlara feno ny sandako.’”15

Fantatr’io vehivavy io fa zanakavavy malalan’ilay Ray any an-danitra izy ary ny fananan’io vehivavy io lanja eo anatrehany dia ampy nandefasany an’ilay Zanany Lahy hanao sorona, ho azy manokana. Tokony hahafantatra ny zavatra fantatr’io vehivavy io ny rahavavy rehetra—fa zanakavavy malalan’Andriamanitra izy. Ahoana no hanovan’ilay fahafantarantsika ny fananantsika lanja eo anatrehany an’ilay fomba fitandremantsika ny fanekempihavanantsika? Inona no fiantraikan’ny fahafantarantsika ny fananantsika lanja eo anatrehany eo amin’ny faniriantsika hanompo ny hafa? Ahoana no fomba hampitomboan’ny fahafantarantsika ny fananantsika lanja eo anatrehany an’ilay faniriantsika hanampy ireo izay mila mahatakatra ny Sorompanavotana toy ny ahatakarantsika azy—tena latsa-paka? Rehefa voasoratra lalina ao am-pontsika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana, dia hanomboka ho tonga toy ilay karazan’olona tian’ny Tompo hahatongavantsika isika rehefa ho avy indray Izy. Ho ekeny ho toy ny mpianany marina isika.

Enga anie ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ka hiteraka “fiovana mahery vaika” hitranga ao am-pontsika.16 Rehefa mahatakatra ity fotopampianarana izay nambaran’ny anjelin’Andriamanitra iray ho toy ny “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe”17 ity isika dia mampanantena aho fa hahatsapa ny zavatra tsapan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina isika. Taorian’ny nivavahan’izy ireo mba hampiharana ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainany dia “feno fifaliana izy ireo”18 ary “vonona ny hanao fanekempihavanana amin’ … Andriamanitra, hanao ny sitrapony sy hankatò ny didiny amin’ny zava-drehetra.”19 Ny fanaovantsika sy fitandremantsika ary fifaliantsika amin’ny fanekempihavanantsika dia ho porofo fa voasoratra marina ao am-pontsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ry rahavavy, aoka ianareo hahatsiaro ireto fitsipika telo ireto:

  1. “Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.”20

  2. Misy hery ao anatin’ny Sorompanavotana izay manome fahafahana antsika hanaisotra ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo antsika ary ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy.21

  3. Porofo lehibe indrindra ananantsika mikasika ny fitiavan’ny Ray ny zanany ny Sorompanavotana.22

“Rehefa afaka izany andro izany hoy Jehovah, dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko.”23 Manasa antsika aho mba hangataka ny Tompo hanoratra ireo fitsipiky ny Sorompanavotana ireo ao am-pontsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izy ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  2. Old Testament: Gospel Doctrine Teacher’s Manual (2001), 198.

  3. Jeremia 31:33–34; nampiana famanamafisana.

  4. Jeffrey R. Holland, “Fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory, Worldwide Leadership Training Meeting, Feb. 9, 2008, 28.

  5. Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 52.

  6. Joba 38:7.

  7. Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Liahona, Jan. 2001, 42.

  8. Tantaran’i Mary Lois Walker Morris (misy tahadikan’izany any amin’i Linda Kjar Burton).

  9. Jereo ny David A. Bednar, “The Atonement and the Journey of Mortality,” Liahona, Apr. 2012, 12–19.

  10. Kilonga 7: Testamenta Vaovao (1997), 104.

  11. Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3 (1954–56), 1:123.

  12. Kilonga 7, 104.

  13. David A. Bednar, Liahona, Apr. 2012, 14.

  14. Dallin H. Oaks, “Love and Law,” Liahona, Nôv. 2009, 26.

  15. Dieter F. Uchtdorf, “You Are My Hands,” Liahona, Mey 2010, 69.

  16. Jereo ny Almà 5:12–14.

  17. Môsià 3:3.

  18. Jereo ny Môsià 4:1–3.

  19. Jereo nyMôsià 5:2–5.

  20. Torio ny Filazantsarako, 52.

  21. Jereo ny David A. Bednar, Liahona, Apr. 2012, 12–19.

  22. Jereo ny Dallin H. Oaks, Liahona, Nôv. 2009, 26.

  23. Jeremia 31:33; nampiana fanamafisana.