Mianatra amin’ny Fontsika

Nataon’ny Loholona Walter F. González

Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy


Fomba iray hanatonana an’i Kristy ny fikatsahana ny hianatra ireo fahamarinana tena manan-danja amin’ny alalan’ny fontsika.

“[Mankanesa] aty Amiko [mba] hahazoanareo mitsapa sy mahita.”1 Didy nomen’ny Mpamonjy ireo mponina tao Amerika fahiny izany. Nahatsapa tamin’ny tanany sy nahita tamin’ny masony izy ireo fa i Jesoa no Kristy. Manan-danja amintsika amin’izao androntsika izao tahaka ny naha-nanan-danja izany tamin’izy ireo tamin’ny androny ity didy ity. Rehefa manatona an’i Kristy isika, dia afaka mahatsapa sy “mahafantatra marina tokoa”2—tsy amin’ny tanantsika sy ny masontsika—fa amin’ny fontsika sy ny saintsika manontolo kosa fa i Jesoa no Kristy.

Fomba iray hanatonana an’i Kristy ny fikatsahana ny hianatra ireo fahamarinana tena manan-danja amin’ny alalan’ny fontsika. Raha manao izany isika, dia hanome antsika fahalalana izay tsy ho azontsika avy amin’ny alalan’ny fomba hafa, na manao ahoana izany na manao ahoana, ireo fahatsapana avy amin’Andriamanitra ireo. I Petera Apôstôly dia nahafantatra marina fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Nanazava ny Mpamonjy fa tsy “nofo aman-drà … fa [ny] Ray izay any an-danitra”3 no loharanon’ny fahalalan’i Petera.

Nanazava ny anjara asan’izany fahatsapana izany izay avy amin’Andriamanitra tonga ao am-pontsika ny mpaminany Abinadia. Nampianatra izy fa tsy afaka ny hahatakatra tanteraka ny soratra masina isika raha tsy mampihatra ny fontsika araka ny zavatra takatsika.4

Voalaza amin’ny fomba mahafinaritra tokoa ao anatin’ny bokin’ankizy malaza iray ity fahamarinana ity, dia ny Le Petit Prince izay nosoratan’i Antoine de Saint-Exupéry. Lasa naman’ny amboahaolo iray ilay printsy kely ao anatin’ilay tantara. Talohan’ny nandehanany, dia nizara tsiambaratelo tamin’ilay printsy kely ilay amboahaolo. Hoy izy hoe: “Izao no tsiambarateloko … : Amin’ny alalan’ny fo ihany no ahafahana mahita mazava tsara; tsy afaka ho hitan’ny maso ny zavatra tena manan-danja.”5

Ny Rahalahy Thomas Coelho, izay valo amby valopolo taona dia ohatra tsara iray izay nahatsapa tamin’ny fony ireo zavatra manan-danja. Mpikambana mahatoky tao amin’ny filankevitra avo ao Paysandú, Uruguay izy. Talohan’ny nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana, dia niharan-doza izy teo am-pitaingenana ny môtô-ny. Raha iny mbola nitsilany teo amin’ny tany iny izy ka tsy afaka nitsangana, dia nanampy azy hitsangana sy hiverina hody any an-tranony ny roa amin’ireo misiônerantsika. Nilaza izy fa nahatsapa zavatra miavaka rehefa tonga nanampy azy ireo misiônera. Nahatsapa fahatsapana mahery indray izy taty aoriana rehefa nampianatra azy ny misiônera. Ny famakiany ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany tao anatin’ny andro vitsy monja no fiantraikan’ireo fahatsapana ireo. Natao batisa izy ary nanompo tamim-pahatokiana sy tsy nitandro hasasarana nanomboka tamin’izay andro izay. Tsaroako izy mitaingina ny môtô-ny miakatra sy midina ireo lalana ao amin’ny tanànanay, eny fa na dia ao anatin’ny ririnina mangatsiaka sy manorana aza, mba hitaona ny hafa ho ao am-piangonana mba hahafahan’izy ireo mahatsapa sy mahita, ary mahafantatra marina tokoa tahaka azy.

Noho isika hodidinin’ny fampahalalana maro be amin’izao fotoana izao, dia mety hihevitra isika fa ny fanaovana fikarohana ao anatin’ny pejin-tranonkala an-tapitrisany no hanome antsika izay tokony ho fantatsika. Afaka mahita fampahalalana tsara sy ratsy ao amin’ny tranonkala isika, saingy tsy ampy raha fampahalalana fotsiny ihany. Nanome antsika loharano hafa ahazoana fahalalana bebe kokoa Andriamanitra,6 izay fahalalana avy any an-danitra. Afaka manome antsika fahalalana toy izany ny Raintsika any an-danitra rehefa manao fikarohana ao amin’ny tranonkalan’ny lanitra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika isika. Nilaza i Joseph Smith Mpaminany fa nanana “ny boky antitra indrindra tao am-po[ny] izy, dia ny fanomezan’ny Fanahy Masina.”7

Mahazo izany loharano selestialy izany isika rehefa manao zavatra toy ny mamaky ny soratra masina, sy mihaino ny mpaminany velona, ary mivavaka. Zava-dehibe ihany koa ny maka fotoana hitoniana8 ary hahatsapana sy hanarahana ireo bitsika avy any an-danitra. Rehefa manao izany isika, dia “hahatsapa sy hahita” ireo zavatra izay tsy afaka ianarana avy amin’ny teknôlôjia maoderina. Raha vao manana traikefa misimisy kokoa amin’ny fanaovana fikarohana ao amin’io tranonkalan’ny lanitra io isika, dia hahay hanavaka ny fahamarinana, eny fa na dia rehefa mamaky tantara tsy mahakasika ny fivavahana na lohahevitra hafa aza. Ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana dia ahafantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra amin’ny herin’ny Fanahy Masina.9

Ankehitriny dia misy teny fananarana ity. Mihena amin’ny alalan’ny heloka sy ny fanadinoana ny Tompo ny fahafahana miditra ao amin’io tranonkalan’ny lanitra io. Nilaza i Nefia fa tsy afaka “nahatsapa ny teni[n’ny Tompo]” ireo rahalahiny satria “mailaka amin’ny fanaovana heloka [ary] mitaredretra kosa amin’ny fahatsiarovana ny Tompo.”10 Mampihena ny fahaizantsika mijery, sy mahatsapa, ary mitia ny hafa ny heloka. Ny fahakingàna amin’ny fahatsiarovana ny Tompo amin’ny alalan’ny fivavahana “amin’ ny herin’ ny fo manontolo”11 sy ny fahatsiarovana ireo traikefa ara-panahintsika dia mampitombo ny fahaiza-manaontsika hahita sy hahatsapa ireo zavatry ny Tompo. Manontany anao aho ankehitriny:

  1. Tadidinao ve ny fiadanam-po tsapanao rehefa nitalaho tamin’ny Ray tamin’ny vavaka mahery ianao, taorian’ny fahoriana maro?
  2. Moa ve tadidinao raha efa nanova ny lisitr’ireo zavatra nalaminao mba hatao hanarahana ny bitsika tao am-ponao ianao?

Nampitombo ny fahafahany nahazo fahalalana bebe kokoa ireo lehilahy malaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fahatsiarovan’izy ireo ireo traikefa manan-danja ara-panahy nananany. Nankahery sy nampahatanjaka ireo zanany tamin’ny fampahatsiahivana azy ireo mikasika ny traikefan’ny fiovam-pony i Almà.12 Nampianatra an’i Nefia sy i Lehia i Helamàna ny hahatsiaro—ny hahatsiaro fa teo amin’ny vatolampin’i Kristy izy ireo no tsy maintsy nanorina ny fototr’izy ireo ka tsy hanan-kery amin’izy ireo ny devoly.13 Tsy maintsy manao izany koa isika. Ny fahatsiarovana an’Andriamanitra dia manampy antsika hahatsapa sy hiaina. Mampisy heviny lalina ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina izany, izay niteny hoe: “Ary ankehitriny, Rey olona ô, tsarovy, ary aoka tsy ho faty.”14

Iray amin’ireo fahatsiarovana masina lalaiko fatratra ny fahatsapana azoko rehefa nahafantatra aho fa tenin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Nahatsapa aho ary nahafantatra, marina tokoa, tamin’izay andro izay indrindra, ny zavatra izay tsy ho azoko nianarana tamin’ny alalan’ny fomba hafa na inona izany na inona. Nianatra aho fa afaka mahatsapa hafaliana izay tsy hay lazaina isika. Antony hananako fankasitrahana tsy misy fetra eo amin’ny fiainako ny fahatsiarovana toy izany. Mankahery ahy mandritra ny fotoan-tsarotra izany.

Ireo izay mahazo fahalalana, tsy avy amin’ny nofo aman-drà fa avy amin’ny Raintsika any an-danitra, dia mahafantatra marina tokoa fa i Jesoa no Kristy ary ity no Fiangonany. Izany fahalalana izany indrindra no manome ny hery izay ilaina mba hiovana hanatonana an’i Kristy. Noho izany antony izany indrindra no hanasanay ny olona tsirairay mba ho atao batisa, hibebaka, ary hiverina Aminy ankehitriny.15

Afaka mahita, sy mahatsapa, ary mahafantatra marina tokoa, amin’ny alalan’ny fanatonana an’i Kristy ny fanahy tsirairay, fa i Kristy dia nijaly ary nisolo vaika ny fahotantsika, mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Tsy ilaina ny hijaliantsika, raha mibebaka isika.16 Noho i Kristy, dia azo sitranina ireo fanahy feno fery ary azo sitranina ireo fo maratra. Tsy misy enta-mavesatra tsy hainy hamaivanina na esorina. Fantany ny kilemantsika sy ny aretintsika. Mampanantena aho ary mijoro ho vavolombelona fa raha toy ny hoe tsy hitanao intsony ny lalan-kaleha, raha toy ny hoe tsy misy manjary ireo zavatra hafa rehetra, dia tsy hamela anao amin’izao Izy. Hanampy i Kristy ary Izy no lalana hivoahana na amin’ny fiankinan-doha, na alahelo, na zavatra hafa izany izay hitolomantsika. Fantany ny “fomba hanampiany ny vahoakany.”17 Ireo fanambadiana na fianakaviana izay ao anatin’ny ady mafy na inona na inona no antony—olana ara-toekarena, fitaoman-dratsy avy amin’ny haino aman-jery, na ireo toe-javatra hiainan’ny fianakaviana—dia hahatsapa fitaomana mampitony avy any an-danitra. Mankahery ny “mahatsapa sy mahita” fa nitsangana tamin’ny maty “niaraka tamin’ny fanasitranana tao amin’ny elany,”18 Izy, ary noho Izy, dia hihaona sy hifamihina indray amin’ireo olon-tiana izay nodimandry isika. Tsy hisalasalana fa ny fahasitranantsika no valisoa azontsika avy amin’ny fiovantsika fo ho Azy.19

Fantatro amin’ny foko manontolo fa marina ireo rehetra ireo. Noho izany antony izany dia miombom-peo amin’ireo mponina taloha tao Amerika fahiny aho, izay nihiaka hoe: “Hosana! Hotahiana anie ny anaran’Andriamanitra Avo Indrindra!”20 Namonjy antsika Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, Ilay Mesia masina. Ny Tompon’ny maro, ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  3 Nefia 18:25.

  2.  

    2.  3 Nefia 11:15.

  3.  

    3. Jereo ny Matio 16:16–17.

  4.  

    4. Jereo ny Môsià 12:27.

  5.  

    5. Antoine de Saint-Exupéry, The Little Prince, nadikan’i. Katherine Woods (1971), 87.

  6.  

    6. Jereo ny Etera 4:13.

  7.  

    7.  Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 132.

  8.  

    8.  Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16.

  9.  

    9.  Jereo ny Môrônia 10:3–5.

  10.  

    10.  1 Nefia 17:45.

  11.  

    11.  Môrônia 7:48.

  12.  

    12.  Jereo ny Almà 36:5–24; 38:6–9.

  13.  

    13.  Jereo ny Helamàna 5:12.

  14.  

    14.  Môsià 4:30.

  15.  

    15. Jereo ny 3 Nefia 9:13.

  16.  

    16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16.

  17.  

    17.  Almà 7:12.

  18.  

    18.  2 Nefia 25:13; jereo ihany koa ny 3 Nefia 25:2.

  19.  

    19. Jereo ny 2 Nefia 16:10; 3 Nefia 9:13.

  20.  

    20. Jereo ny 3 Nefia 11:15–17.