Mikasika ny Nenina sy ny Fanapahan-kevitra

Nataon’ ny Filoha Dieter F. Uchtdorf

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany


Arakaraky ny hanokanantsika tena bebe kokoa amin’ ny fikatsahana ny fahamasinana sy ny fahasambarana no hampihena ny tranga izay mitondra antsika amin’ ny lalana mankany amin’ ny nenina.

Mikasika ny Nenina

Ry Filoha Monson, tianay ianao. Misaotra anao noho ireo fanambarana nentanim-panahy sy manan-tantara mikasika ny fanorenana tempoly vaovao sy ny asa fitoriana. Azoko antoka fa noho ireo zavatra ireo dia fitahiana lehibe maro no ho tonga amintsika sy amin’ ireo taranaka fara aman-dimby marobe ho avy.

Ry rahalahy sy anabaviko malala isany, ry namako malala isany! Mety maty daholo isika rehetra. Manantena aho fa tsy manaitra na iza na iza amintsika izany.

Tsy misy amintsika haharitra ela loatra eto an-tany. Manana taona sarobidy maromaro hiainana isika, ary ny isany, raha oharina amin’ ny mandrakizay, dia zara raha mitovy amin’ ny indray mipi-maso.

Ary avy eo dia lasa isika. Ny fanahintsika dia “entina mody any amin’ ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.”1 Avela ao am-pasana ny vatantsika ary ilaozantsika ireo zavatr’ ity izao tontolo izao ity raha miroso mankany amin’ ny dingana manaraky ny fiainantsika isika.

Rehefa mbola kely isika dia toa ireny hoe hiaina mandrakizay ireny. Heverintsika fa misy famatsiana masoandro miposaka tsy misy fetra miandry ao ambadiky ny fara-vodilanitra ao, ary hoe toy ny lalana iray tsy misy fahatapahana izay mitohy tsy misy fetra eo anoloantsika ny ho avy.

Saingy arakaraky ny hitomboan’ ny taonantsika no mampirona bebe kokoa antsika hitodika any aoriana ary ho talanjona fa tena fohy tokoa ilay lalana. Manontany tena isika hoe tamin’ ny fomba ahoana no nahafahan’ ireo taona ireo ho lasa faingana aok’ izany. Ary dia manomboka mieritreritra momba ireo safidy izay nataontsika sy ny zavatra izay vitantsika isika. Mandritra izany dia tsaroantsika ireo fotoana mamy maro izay nanome fahafaham-po ho an’ ny fanahintsika sy fifaliana ho an’ ny fontsika. Kanefa dia tsaroantsika ihany koa ireo nenina—ireo zavatra izay iriantsika mba ho azo iverenana ary ovaina.

Hoy ny mpanampy mpitsabo iray izay mikarakara ireo marary izay eo amin’ ny dingana faran’ ny aretiny, hoe matetika izy no nametraka fanontaniana tsotra iray tamin’ ireo marary raha eo am-piomanana ny handao ity fiainana ity izy ireo.

“Misy zavatra hanenenanao ve?” izay no anontaniany.2

Rehefa antomotra toy izany ilay andro faran’ ny fiainana an-tany dia matetika mazava kokoa ny saina ary mahazo hevi-baovao na fomba fijery vaovao. Ka raha anontaniana mikasika ireo nenina ananany ireo olona ireo dia sokafan’ izy ireo ny fony. Nandinika mikasika izay zavatra ho novainy izy ireo raha mba afaka niverina tany amin’ ny lasa.

Rehefa nandinika izay nolazain’ izy ireo aho dia taitra hoe hatraiza no ahafahan’ ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy miantraika amin’ ny fizotran’ ny fiainantsika mankany amin’ ny tsara, raha mba hampiharintsika izy ireny.

Tsy misy zava-miafina raha ny amin’ ireo fitsipiky ny filazantsara. Efa nandalina azy ireny tao amin’ ny soratra masina isika, efa nifanakalo hevitra momba azy ireny tao amin’ ny Sekoly Alahady isika, ary efa im-betsaka isika no nahare azy ireny nandritra ireo fivoriam-piangonana. Ireo fitsipika sy soatoavina avy amin’ Andriamanitra ireo dia mahitsy sy mazava; tsara, sy lalina ary mahery vaika; ary tena azo antoka fa afaka manampy antsika hisoroka ny hisian’ ny nenina amin’ ny ho avy.

Inay Anie Aho Nandany Fotoana Misimisy Kokoa Niaraka Tamin’ ireo Olona Izay Tiako

Angamba ny nenina izay tena iraisan’ ny rehetra indrindra nambaran’ ireo marary eo am-bavahoanan’ ny fahafatesana dia ny hoe nirian’ izy ireo raha mba nandany fotoana misimisy kokoa niarahana tamin’ ireo olona izay tiany izy ireo.

Ireo lehilahy manokana dia niventsoventso izao alahelo iraisan’ ny rehetra izao: “nanenenan’ [izy ireo] mafy tokoa ny nandaniany fotoana betsaka loatra tamin’ ny anton’ asan’ izy ireo.”3 Maro no tsy nanana fahafahana akory hanana fahatsiarovana mamy izay azo avy amin’ ny fandaniana fotoana iarahana amin’ ny fianakaviana sy ny namana. Tsy nahavita nanorina fifandraisana lalina tamin’ ireo olona izay nanan-danja indrindra taminy izy ireo.

Tsy marina ve fa matetika isika no be atao tokoa? Ary mampalahelo ny milaza fa tena raisintsika ho voninahitra mihitsy aza izany hoe be atao izany, toy ireny hoe ny maha-be atao dia tanjona tsara ho tratrarina na mariky ny fananana fiainana ambonimbony kokoa.

Sa tsy izany?

Mieritreritra an’ ilay Tompontsika sy ohatra tonga lafatra ho antsika aho, dia i Jesoa Kristy, sy ny fiainany fohy teo anivon’ ireo vahoakan’ i Galilia sy Jerosalema. Niezaka aho ny haka sary an-tsaina Azy hoe mikoropadropaka mamonjy fivoriana maro na koa hoe manenjika asa maro amin’ ny fotoana iray mba hamitana ny listitr’ ireo zavatra tsy maintsy atao.

Fa tsy afaka nahita ny toy izany aho.

Ny hitako kosa dia ilay Zanakalahin’ Andriamanitra be fangorahana sy mikarakara, izay miaina ny fianany isan’ andro miaraka amin’ ny tanjona tsara. Rehefa nifandray tamin’ ireo nanodidina Azy Izy dia nahatsiaro ho manan-danja sy tiana izy ireo. Fantany ny lanja tsy misy fetra nananan’ ireo izay nihaona Taminy. Nitahy azy ireo Izy, ary nanompo azy ireo. Nampiorina azy ireo Izy, ary nanasitrana azy ireo. Nanome azy ireo ilay fanomezana sarobidy Izy, dia ny Fotoana nananany.

Amin’ izao androntsika izao dia mora ny mody milaza fa mandany fotoana miaraka amin’ ny hafa. Manindry bokotra indray mandeha amin’ ny totozin’ ny solosaina ianao dia afaka “mifandray” amin’ ny “namana” an’arivony, tsy voatery hoe mihaona mivantana na dia amin’ ny iray amin’ izy ireo aza. Ny teknôlôjia dia mety ho tonga zavatra tsara dia tsara, ary tena mahasoa indrindra izany rehefa tsy afaka ny ho eo anilan’ ireo olona tiantsika isika. Izahay mivady dia miaina lavitr’ ireo olona sarobidy ao amin’ ny fianakavianay; ary fantatray tsara hoe ohatry ny ahoana izany. Kanefa mihevitra aho fa tsy mivoatra mankany amin’ ny tsara isika, na ny isam-batan’ olona izany na amin’ ny maha-fiaraha-monina antsika, raha ohatra ka amin’ ny alalan’ ny fampidirana sary mampihomehy amin’ ny internet, na ny fampitana amin’ ny hafa ireo e-mail izay voaraintsika ka mahafinaritra nefa tsy dia misy dikany loatra, na ny fampidirana azy amin’ ny tranonkala vaovao eo amin’ ny Internet, no fomba ifandraisantsika amin’ ireo fianakaviana na ireo namana rehefa mampiasa ny Internet. Mino aho fa misy toe-javatra azo anekena ny fanaovana zavatra toy izany, kanefa manao ahoana ny faharetan’ ny fotoana ekentsika ho laniana amin’ izany? Raha tsy vitantsika ny manome izay tsara indrindra avy amintsika sy fotoana manokana ho an’ ireo izay tena manan-danja amintsika dia hanenenantsika izany indray andro any.

Aoka isika hanapa-kevitra ny hankamamy ireo izay tiantsika amin’ ny alalan’ ny fiarahana amin’ izy ireo sy ny fandaniana fotoana manan-danja miaraka amin’ izy ireo, ny fanaovana zavatra miaraka, ary ny famolavolana fahatsiarovana ankamamiana.

Inay Anie Aho Niaina Araka Izay Tokony ho Vitako

Nenina iray hafa izay nambaran’ ny olona koa ny tsy nahalasa azy ireo ho tahaka ilay olona izay tsapany fa azony sy tokony ho nahatongavan’ izy ireo. Rehefa manao jeritodika ny fiainany izy ireo dia tonga saina fa tsy nahavita mihitsy niaina araka izay azon’ izy ireo natao, ary maro loatra ireo zavatra tsy vita izay tavela.

Eto aho dia tsy miresaka mikasika ny fihanihana ireo zanatohatry ny fahombiazana eo amin’ ny anton’ asantsika samihafa. Io fivoarana io, na lehibe manao ahoana aza ny mety handraisana azy eto amin’ ity tany ity, dia tsy manan-danja raha oharina amin’ ny dingana iray atao ao anatin’ ilay dia lehibe mandrakizay izay miandry antsika.

Fa ny tiako resahana kosa dia ny hoe lasa ilay olona izay nantenain’ Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, fa ahatongavantsika isika.

Tonga eto amin’ ity tany ity isika, araka ny voalazan’ ilay mpanao tononkalo hoe “mitarika rahom-boninahitra”4 avy any amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana.

Hitan’ ny Raintsika any An-danitra ny tena hery ao anatintsika. Mahafantatra zavatra mikasika antsika, izay tsy fantatsika akory Izy. Mitarika antsika Izy mandritra ny androm-piainantsika mba hahatratrarantsika ny tanjon’ ny nahariana antsika, mba hananantsika fiainana tsara, ary mba hiverenantsika eo anatrehany.

Koa nahoana izany isika no manokana ampahany betsaka toy izany amin’ ny fotoanantsika sy ny herintsika ho an’ ireo zavatra izay mandalo sy tsy misy dikany firy ary izay endrika ivelany fotsiny toy izany? Moa ve isika minia tsy mahita ny fahadalana ao amin’ ny fikatsahana hanatanteraka na hahazo zavatra izay maivan-danja sy mandalo?

Tsy ho fahendrena kokoa ho antsika ve ny “mihar[y] harena ho [antsika] any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra”?5

Ahoana no fomba hanaovantsika izany? Amin’ ny alalan’ ny fanarahana ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy, sy amin’ ny fampiharana ireo Fampianarany eo amin’ ny fiainantsika isan’andro ary amin’ ny tena fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika.

Tsy ho afaka hanao izany mihitsy isika raha toa ka malaina ny hiroso amin’ ny maha-mpanara-dia, sady mihasahiran-tsaina ny amin’ izay mety ho fotoana lanintsika amin’ izany, ary mitaraina noho ireo zavatra tokony hataontsika.

Raha mikasika ny fiainana ny filazantsara, dia tsy tokony ho toa an’ ilay zazalahy izay nanatsoboka ny rantsan-tongony tao anaty rano isika, ary avy eo dia milaza fa avy nilomano. Amin’ ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ ny Ray any an-danitra antsika dia mahavita mihoatra lavitra noho izany isika. Tsy ampy ny eritreritra ny hanao zavatra tsara amin’ izany. Tsy maintsy manao isika. Ary mbola manan-danja kokoa noho izany aza ny tsy maintsy hahatongavantsika ho ilay olona izay tian’ ny Ray any an-danitra hahatongavantsika.

Tsara ny milaza ny fijoroantsika ho vavolombelona, fa mbola tsara kokoa ny manao ohatra velon’ ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny. Tsara ny faniriana ho tonga mahatoky kokoa amin’ ireo fanekempihavanana nataontsika; raha ny marina ny hoe mahatoky amin’ ny fanekempihavavana masina dia—ahitana ny fiainana am-pahamarinana, ny fandoavana marina tokoa ny fahafolonkarentsika sy ny fanatitra, ny fitandremana ny Tenin’ ny Fahendrena, ary ny fanompoana marina tokoa ireo izay sahirana. Tsara ny manao filazana hoe hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ ny vavaky ny mpianakavy sy ny fandalinana ny soratra masina, ary ny fiaraha-mientana mahasoa ataon’ ny mpianakavy; fa ny fanaovana marina tokoa ireo zavatra rehetra ireo no hitondra ny fitahian’ ny lanitra eo amin’ ny fiainantsika.

Fikatsahana ny fahamasinana sy ny fahasambarana ny maha-mpanara-dia. Izany no lalana mankany amin’ ilay tsara indrindra sy fahasambarana be indrindra ao amintsika.

Koa aoka isika ho tapa-kevitra ny hanara-dia ny mpamonjy ary hiezaka amim-pahazotoana ho lasa ilay olona izay natao hahatongavantsika. Aoka isika hihaino sy hankato ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Rehefa manao izany isika dia ho ambaran’ ny Ray any an-danitra amintsika ireo zavatra izay mbola tsy fantatsika momba ny tenantsika. Ho asehony amintsika ny lalana ary hanampy antsika Izy mba hahitantsika ireo talentantsika miafina sy tsy azontsika an-tsaina akory angamba.

Arakaraky ny hanokanantsika tena bebe kokoa amin’ ny fikatsahana ny fahamasinana sy ny fahasambarana no hampihena ny tranga izay mitondra antsika amin’ ny lalana mankany amin’ ny nenina. Arakaraky ny hianteherantsika bebe kokoa amin’ ny fahasoavan’ ny Mpamonjy no hahatsapantsika bebe kokoa fa eo amin’ ilay lalana izay antenain’ ny Raintsika any An-danitra ho arahintsika no misy antsika.

Inay Anie Aho Nanao Izay Ahasambatra Ahy Kokoa

Ny nenina iray hafa nananan’ ireo izay nahafantatra hoe efa ho faty dia mety somary manaitra ihany. Nirian’ izy ireo raha mba namela ny tenany ho sambatra kokoa izy ireo.

Matetika tokoa isika no voafandriky ny fiheverana diso hoe misy zavatra efa akaiky ho takatsika izay hitondra fahasambarana ho antsika: fiainam-pianakaviana tsaratsara kokoa, toe-bola tsaratsara kokoa, na ny fitsaharan’ ny fizahan-toetra iray miendrika fanamby.

Arakaraky ny hitomboan’ ny taonantsika no hanaovantsika jery todika matetika kokoa ary ahatsapantsika bebe kokoa fa ny toe-javatra ivelany dia tsy tena manan-danja ary tsy tena mamaritra ny fahasambarantsika.

Isika no manan-danja. Isika no mamaritra ny fahasambarantsika.

Izaho sy ianao no tena tompon’ andraikitra farany amin’ ny fahasambaran’ ny tenantsika.

Izaho sy Harriet vadiko dia tia mitaingina ny bisikiletanay. Mahafinaritra ny mandeha mivoaka sy mankafy ny hakanton’ ny zavaboahary. Misy lalana sasantsasany izay tianay handehanana, saingy tsy dia miraharaha loatra izahay hoe hatraiza no halehanay na hoe firy ny hafainganam-pandehanay raha ampitahaina amin’ ireo mpitaingina bisikileta hafa.

Kanefa, indraindray aho dia mihevitra hoe tokony hahay mifaninana kokoa izahay. Mieritreritra aza aho fa afaka nanana fotoana nahafinaritra kokoa tamin’ ny hafainganam-pandeha ambonimbony kokoa izahay raha toa ka nanao ezaka mafimafy kely kokoa. Ary indraindray aza aho dia mahavita manao ilay hadisoana hoe manambara izany hevitra izany amin’ ilay vadiko izay tena mahafinaritra.

Ny fomba famaliny rehefa misy sosokevitro mitovy karazana amin’ izany dia tena maneho hatsaram-panahy sy tena mazava ary tena mivantana hatrany. Mitsiky izy dia miteny hoe: “Dieter ô, tsy fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ity, fa fitsangantsanganana. Mahaiza mankafy ny fotoana.”

Tena marina ny voalazany!

Indraindray isika eo amin’ ny fiainana dia lasa mifantoka loatra amin’ ny famitana zavatra iray ka tsy mahavita mahita fifaliana mandritra ny dia. Tsy hoe mandeha mitaingina bisikileta miaraka amin’ ny vadiko aho satria maika hamita izany. Mandeha aho satria mamy sy mahafinaritra izany hoe miaraka aminy izany.

Moa ve tsy miendrika fahadalana izany hoe tsy mankafy ireo zavatra iainana izay mamy sy mahasambatra izany satria isika miandrandra foana ny fotoana izay hiafaran’ izy ireny?

Moa ve isika miandry fotsiny ilay naoty farany hihena tsimoramora rehefa mihaino hira tsara fa tsy mamela ny tenantsika mba tena hankafy marina? Tsia! Henointsika sy ankafizintsika ny fiovaovan’ ny feon-kira, ny hafainganany, ary ny firindrany manomboka any amin’ ny voalohany ka hatrany amin’ ny faran’ ilay sangan’ asa.

Moa ve isika tsy mieritreritra afa-tsy ilay hoe “amena” na ny fiafarany rehefa mivavaka? Mazava ho azy fa tsia. Mivavaka isika mba ho akaiky ny Raintsika any an-danitra, sy handray ny Fanahiny ary hahatsapa ny Fitiavany.

Tsy tokony hiandry hoe hahatratra fetra iray any amin’ ny ho avy isika vao hifaly, ka avy eo dia hahita hoe hay efa azo nankafizina ny fahasambarana—tao anatin’ izay fotoana rehetra izay! Tsy hoe rehefa manao jery todika ny lasa ihany vao tokony hankafizina ny fiainana. “Ity no andro nataon’ i Jehovah … ,” hoy ny voasoratr’ ilay mpanao salamo. “Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.”6

Ry rahalahy sy anabavy, na inona na inona toe-javatra iainantsika, na inona na inona olana sy fizahan-toetra lalovantsika, dia misy zavatra ho ankafizina sy ankamamiana hatrany ao anatin’ ny andro tsirairay. Ao anatin’ ny andro tsirairay dia misy zavatra izay afaka mitondra fankasitrahana sy fifaliana raha toa ka mba hitantsika sy hankafizintsika izany.

Angamba tsy tokony hijery loatra amin’ ny masontsika isika ary hijery bebe kokoa amin’ ny fontsika. Tiako ilay teny hoe: “Tsy mahita mazava tsara ianao raha tsy amin’ ny fo. Tsy hitan’ ny maso ny zavatra rehetra manan-danja.”7

Nodidiana isika “hanati-tsaotra amin-java-drehetra.”8 Koa tsy tsara kokoa ve izany ny mijery amin’ ny masontsika sy ny fontsika na dia ireo zava-madinika izay azo ntsika hanehoana fankasitrahana aza, toy izay mifantoka amin’ ny lafy ratsin’ izay toe-javatra misy antsika ankehitriny?

Nampanantena ny Tompo hoe “Izay mandray ny zava-drehetra amin’ ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra; ary ny zavatry ny tany dia hanampy ho azy, avo zato heny.”9

Ry rahalahy sy anabavy isany, noho ireo fitahiana marobe avy amin’ ny Raintsika any an-danitra, noho ilay drafitry ny famonjeny izay fanehoam-pitiavana be, noho ireo fahamarinana masina izay ao amin’ ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny, ary noho ireo zavatsoa maro amin’ ny ity fiainana an-tany ity, “moa tsy manana antony hifaliana va isika?”10

Koa aoka isika hanapa-kevitra ny ho faly, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainantsika.

Ny amin’ ireo Fanapahan-kevitra ho Raisina

Indray andro any isika dia hanao ilay dingana tsy azo ihodivirana ary hiampita avy amin’ ity tontolo mety maty ity ho any amin’ ilay toetra manaraka. Indray andro any isika dia hanao anisan’ny ny fiainantsika ary hanontany tena raha toa ka afaka nanao tsaratsara kokoa, na nandray fanapahan-kevitra tsara kokoa, na nampiasa tamim-pahendrena kokoa ny fotoantsika.

Mba hialana amin’ ireo nenina izay an’ isan’ ny lalina indrindra eo amin’ ny fiainana dia ho fahendrena ny mandray fanapahan-kevitra sasantsasany izao anio izao. Koa aoka isika:•

Hanapa-kevitra ny handany fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ ireo izay tiantsika.•

Hanapa-kevitra ny hiezaka amim-pahamatorana kokoa ny ho tonga ho ilay olona izay tian’ Andriamanitra hahatongavantsika.•

Hanapa-kevitra ny hahita fifaliana, na inona na inona toe-javatra iainantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny ankamaroan’ ireo nenina lalina indrindra amin’ ny ampitso dia azo sorohana amin’ ny alalan’ ny fanarahana ny Mpamonjy amin’ izao fotoana izao. Raha nanota isika na nanao hadisoana—raha nanao safidy izay hanenenantsika ankehitriny—dia eo ilay fanomezana sarobidy izay ahafahana mamela ny helotsika, dia ny Sorompanavotan’ i Kristy. Tsy afaka miverina isika ka hanova ny lasa, kanefa dia afaka mibebaka. Afaka mamafa ny alahelontsika izay ateraky ny nenina11 ny Mpamonjy, ary manala ny vesatry ny fahotantsika.12 Ny Sorompanavotany no ahafahantsika mamela ny lasa ho any aoriana ary handroso miaraka amin’ ny tanana madio, sy ny fo madio,13 ary ny fanapahan-kevitra ny hanao tsara kokoa ary indrindra indrindra ho tonga tsara kokoa.

Eny, mandalo vetivety ity fiainana ity; toa mihamanjavona haingana ireo androntsika; ary indraindray toa mampitahotra ny fahafatesana. Na dia izany aza dia mbola hanohy hiaina ihany ny fanahintsika ary indray andro any dia hitambatra amin’ ny vatantsika izay efa nitsangana mba hahazoana voninahitra tsy mety maty. Mijoro ho vavolombelona amin-kafanam-po aho fa noho ilay Kristy feno famindrampo dia hiverina hiaina indray isika rehetra, ary ho mandrakizay. Noho ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, indray andro any isika dia tena hahatakatra sy hifaly marina noho ireo teny hoe “ny fanindronan’ ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’ i Kristy.”14

Ny lalana mankany amin’ ny fahanterahan’ilay anjarantsika izay masina amin’ ny maha zanaka lahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia lalana maharitra mandrakizay. Ry rahalahy sy anabaviko ary namana malala isany, tsy maintsy manomboka mandeha amin’ io lalana maharitra mandrakizay io isika anio; tsy azontsika lanilaniana na dia ny andro iray monja aza. Mivavaka aho ny mba tsy hiandrasantsika hoe efa akaiky ho faty isika vao tena hianatra ny hiaina. Amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  Almà 40:11.

  2.  

    2. Jereo ny Susie Steiner, “Top Five Regrets of the Dying,” Guardian, 1 Feb. 2012, www.guardian.co.uk/lifeandstyle/2012/feb/01/top-five-regrets-of-the-dying.

  3.  

    3. Bronnie Ware, ao amin’ ny Steiner, “Top Five Regrets of the Dying.”

  4.  

    4. “Ode: Intimations of Immortality from Recollections of Early Childhood,” The Complete Poetical Works of William Wordsworth (1924), 359.

  5.  

    5.  Matio 6:20.

  6.  

    6.  Salamo 118:24.

  7.  

    7. Antoine de Saint-Exupéry, Le Petit Prince, nadikan’ i Richard Howard (2000), 63.

  8.  

    8.  Môsià 26:39; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7.

  9.  

    9.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19.

  10.  

    10.  Almà 26:35.

  11.  

    11. Jereo ny Apôkalypsy 7:17.

  12.  

    12. Jereo ny Matio 11:28–30.

  13.  

    13. Jereo ny Salamo 24:4.

  14.  

    14.  Môsià 16:8; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 15:54.