2010–2019
Dingana Iray Akaikikaiky Kokoa ny Mpamonjy
Oktobra 2012


Dingana Iray Akaikikaiky Kokoa ny Mpamonjy

Ny fiovam-po no tanjon’ ny fianarana sy fampianarana rehetra ny filazantsara. Tsy vita indray mandeha ny fiovam-po. Ezaka mandritra ny fiainana manontolo ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy izany.

Nivoaka tamin’ ny Liahona sy Ensign tamin’ ny fotoam-pahavaratra lasa teo ny lahatsoratra fohy izay nosoratako. Nanoratra e-mail tamiko ny zanako lahy hoe: “Dada a! Tokony mba hilazanao izahay rehefa misy lahatsoratra nosoratanao hivoaka.” Hoy aho namaly hoe: “Tiako ho hita raha mamaky ny gazetibokin’ ny Fiangonana ianareo.” Nanazava tamiko izy avy eo fa ny zanany vavy 10 taona dia “azo antoka amin’ izany. Nalainy avy tao amin’ ny fitoeran-taratasy avy any amin’ ny paositra ny Ensign, nentiny niditra ny trano ary novakiany. Avy eo dia nankao amin’ ny efitranonay izy ary nasehony anay ilay lahatsoratra.”

Namaky ny Ensign ny zafikeliko vavy satria te-handalina izy. Nanao izany irery izy tamin’ ny fampiharany ny fahafahany misafidy. Vao haingana no nanome lalana fitaovana vaovao fandalinana ho an’ ny tanora ny Fiadidiana Voalohany izay hanampy ny faniriana voajanahary an’ ireo tanora handalina, hiaina ary hizara ny filazantsara. Efa hita sy azo jerena ao amin’ ny tranonkala ireo fitaovana ireo amin’ izao. Hanomboka hampiasa azy ireo any amin’ ny kilasy fianarana isika amin’ ny Janoary. (Raha handalina bebe kokoa mikasika ny fitaovam-pandalinana vaovao ho an’ ny tanora dia tsidiho ny lds.org/youth/learn.)

Zava-dehibe ny fahafahan’ ireo mpianatra misafidy rehefa nampianatra ny Mpamonjy. Tsy nampiseho antsika ny zavatra ho ampianarina fotsiny Izy fa nampiseho koa ny fomba fampianarana. Nifantoka tamin’ ireo zavatra nilain’ ny mpianatra Izy. Nanampy ny olona tsirairay hahita ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny tenany manokana Izy.1 Nihaino ny fanontanian’ izy ireo hatrany Izy.2

Hanampy antsika rehetra handalina sy hampianatra araka ny fomban’ ny Mpamonjy ao an-tokantranontsika sy ao amin’ ny kilasintsika ireo fitaovana fandalinana vaovao ireo.3 Rehefa manao izany isika dia manaiky ilay fanasany hoe: “avia, manaraha Ahy”4 araka ny nampianaran’ ny Loholona Robert D. Hales tamin’ ny fomba mazava tsara azy. Nandritra ny famolavolana ireo fitaovana vaovao ireo dia nahita ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ ny vondrona fanampiny sy seminera niara-nikaondoha tamin’ ireo ray aman-dreny mba hahafantarana ny zavatra ilain’ ireo mpianatra. Nahita ireo zatovovavy tao amin’ ny kilasiny, zatovolahy tao amin’ ny kôlejin’ ny Fisoronana Aharôna ary tanora tao amin’ ny Sekoly Alahady nianatra nampihatra ny fahafahany misafidy sy manatanteraka araka ny nahim-pony aho.

Nanontany tena ny mpampianatra iray ao amin’ ny Sekoly Alahady ho an’ ny tanora amin’ ny fomba hanampiany ireo zatovolahy autiste roa hampiasa ny fahafahany misafidy sy hanao zavatra araka ny nahim-pony. Natahotra izy fa mety handà ny fanasany hizara ny zavatra nianarany ireto zatovolahy roa ireto rehefa nanasa ny mpianatra hizara izany izy. Kanefa tsy nandà izy ireo. Nitsangana mba hampianatra ny zavatra nianarany ny iray ary avy eo nanasa ilay autiste mpiara-mianatra aminy hanampy azy. Rehefa sahirankirana ilay voalohany dia niara-nipetraka taminy ny mpiara-mianatra aminy ary nibitsibitsika teo an-tsofiny mba hahafahany nahatsapa fa mety ny nataony. Samy nampianatra izy roalahy tamin’ izany andro izany. Nampianatra ny zavatra izay nampianarin’ ny Mpamonjy izy ireo, ary koa nampianatra ny fomba fampianaran’ ny Mpamonjy. Naneho fitiavana ho an’ ilay olona izay ampianariny ny Mpamonjy rehefa nampianatra, tahaka ny nataon’ ity mpiara-mianatra ity tamin’ ity namany.5

Manaiky ilay fanasana “avia, manaraha Ahy” isika rehefa mianatra sy mampianatra ny Teniny araka ny Fombany. Manaraka azy tsikelikely isika. Manatona akaiky kokoa ny Mpamonjy isaky ny dingana tsirairay isika ary miova. Fantatry ny Tompo fa tsy mitranga ao anatin’ ny fotoana iray ny fivoarana ara-panahy. Mandeha tsikelikely izany. Mandroso ao amin’ ny lalan’ ny fiovam-po feno isika isaky ny manaiky ny fanasany sy misafidy ny hanaraka Azy.

Ny fiovam-po no tanjon’ ny fianarana sy fampianarana rehetra ny filazantsara. Tsy vita indray mandeha ny fiovam-po. Ezaka mandritra ny fiainana manontolo ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy izany. Nampahatsiahy antsika ny Loholona Dallin H. Oaks fa “ny mahafantatra” dia tsy ampy. “Ny hoe ‘miova fo’ … dia mitaky antsika hanao zavatra sy ho tonga olona iray vaovao.”6 Noho izany ny fandalinana ho amin’ ny fiovam-po dia zavatra atao tsy tapaka mba hahafantarana, sy hanaovana ary hahatongavana ho olona iray. Ary toy izany koa dia mitaky fotopampianarana fototra, sy fanasana mba hanao zavatra ary fitahiana nampanantenaina ny fampianarana ho amin’ ny fiovam-po.7 Manampy ireo mpianatra mba hahafantatra zavatra isika rehefa mampianatra ny fotopampianarana marina. Manampy azy ireo hanao na hiaina ny fotopampianarana isika rehefa manasa azy ireo hanao zavatra. Miova isika rehefa tonga ireo fitahiana nampanantenain’ ny Tompo. Ho tonga olom-baovao isika, toa an’ i Almà.8

Manana tanjona iray ifantohana ireo fitaovana fandalinana vaovao ho an’ny tanora ireo: mba hanampy ireo tanora hiova fo amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Vao haingana aho no nahita zatovolahy iray tao amin’ ny kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ ny tanora, izay nahita ny fahamarinana tamin’ ny ezaka nataony manokana. Nanontany azy aho raha efa nisy fotoana nahatsapany ho voavela heloka, rehefa tsikarotro fa nanana fahasarotana izy nieritreritra zavatra nitranga teo amin’ ny fiainany izay misy ifandraisany amin’ ny Sorompanavotana. Hoy ny valinteniny hoe: “Eny, ohatra izao tamin’ ilay fotoana namelezako totohondry ny oron’ ilay tovolahy izay tamin’ izahay nilalao baolina. Tena nahatsiaro ho meloka aho ka dia lasa saina amin’ izay tokony ho ataoko mba hananako fahatsapana tsara. Ka dia nankany an-tranony aho ary nangataka azy mba hamela ahy, kanefa fantatro fa tokony hanao zavatra bebe kokoa aho, ka dia nivavaka aho ary avy eo nahatsapa fa namela heloka ahy koa ny Ray any an-danitra. Izany no lanjan’ ny Sorompanavotana ho ahy.”

Rehefa nizara izany zavatra niainany tao am-pianarana izy tamin’ izay andro izay dia namaky tao amin’ ny Jaona 3:16—“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana”—ary avy eo nijoro ho vavolombelona mikasika ny herin’ ny Sorompanavotana. Tsy toe-pisainana tsy hay takarina intsony ho an’ ity zatovolahy ity izany fotopampianarana izany. Lasa ampahan’ ny fiainany izany satria nanontany tena izy ary nampihatra ny fahafahany misafidy hanao zavatra avy eo.9

Nihaniova fo kokoa ity zatovolahy ity, ary torak’ izany koa ireo mpiara-mianatra taminy. Nifantoka tamin’ ny fotopampianarana fototra izy ireo tamin’ ny alalan’ ny fandalinana ny soratra masina. Nampiharin’ izy ireo teo amin’ ny fiainan’ izy ireo ireo teny masina ireo ary avy eo nijoro ho vavolombelona ny amin’ ireo fitahiana izay azo avy amin’ izany izy ireo ho vokatry ny fiainana mifanaraka amin’ ny fotopampianarana. Mifantoka amin’ ny soratra masina sy ny tenin’ ireo mpaminany amin’ izao andro izao isika rehefa mampianatra ny filazantsaran’ i Jasoa Kristy. Miantehitra amin’ ireo lahatsoratra masina isika mba hanampy hampahatanjaka ny finoana, hanorina fijoroana ho vavolombelona ary hanampy ny tsirairay ho niova fo bebe kokoa. Hanampy ny rehetra izay mampiasa azy hahatakatra sy hiaina ny tenin’ Andriamanitra ilay fitaovana fandalinana vaovao ho an’ ny tanora.

Nasehoko ambony ny boky L’ Enseignement, Pas de Plus Grand Appel tamin’ izaho nampianatra ireo Olomasina tany Costa Rica, ary nanontany aho hoe: “Ka firy aminareo no manana ity boky fampianarana ity?” Saika nanangan-tanana daholo ny olon-drehetra. Nitsiky aho sady niteny hoe: “Manantena aho fa mamaky izany isan’ andro ianareo.” Gaga aho fa rahavavy iray teo anoloana ihany no nanangana ny tanany, izay nilaza fa mamaky izany isan’ andro. Niangavy azy aho mba hiakatra teny aloha ary hanazava ny anton’ izany. Hoy izy hoe: “Mamaky ny Bokin’ i Môrmôna isa-maraina aho. Mamaky ampahan-javatra ao amin’ ny L’ Enseignement, Pas de Plus Grand Appel aho avy eo mba hahafahako mampianatra ny zavatra nianarako amin’ ny zanako araka ny fomba tsara indrindra.”

Te-hianatra sy hampianatra ny Teniny araka ny Fombany izy, ka dia nandalina ny Teniny tao amin’ ny soratra masina ary avy eo nandalina ny fomba hampianarana ny Teniny mba hahafahan’ ireo zanany hiova fo tanteraka. Tsy vitany tao anatin’ ny indray mandeha izany lamim-pandalinana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara izany raha ny hevitro. Nandray fanapahan-kevitra hanao zavatra izy. Arakaraka ny nanaovany bebe kokoa ny zavatra izay fantany fa tokony hataony no nampahatanjahan’ ny Tompo azy bebe kokoa amin’ ny fanarahana ny Fombany.

Indraindray dia mety ho lava sy sarotra ny lalana mankany amin’ ny fiovam-po. Tsy nazoto tato am-piangonana nandritra ny 50 taona ny zaodahiko. Rehefa feno 60 taona izy vao nanomboka nanaiky ilay fanasan’ ny Mpamonjy mba hiverina. Maro ireo olona nanampy azy tamin’ izany. Nandefa carte postale taminy isam-bolana nandritra ny 22 taona ny mpampianatra isan-tokantrano iray. Kanefa nila nanapa-kevitra irery izy raha te-hiverina na tsia. Nila nampihatra ny fahafahany misafidy izy. Tsy maintsy nanao ilay dingana voalohany izy—dia avy eo dingana iray hafa indray ary toy izany hatrany. Ankehitriny dia vita famehezana izy mivady ary manompo ao amin’ ny episkôpà izy.

Nampiseho azy horonantsary izay novolavolaina hanampy ireo mpitarika sy mpampianatra amin’ ny fampiasana ilay fitaovana fandalinana vaovao izahay vao haingana. Taorian’ ny nijereny ilay horonantsary dia naka toerana teo amin’ ny sezany ilay zaodahiko sady niteny, tamin’ny fo somary feno ihany, hoe: “Angamba raha nahita izany aho tamin’ ny mbola tovolahy dia tsy ho lasa nalaindaina.”

Nihaona tamin’ ny zatovolahy iray izay nanana olana aho herinandro maromaro lasa izay. Nanontany azy aho raha mpikamban’ ny Fiangonana izy. Nolazainy tamiko fa olona tsy mino ny fisian’ Andriamanitra izy kanefa nisy fotoana teo amin’ ny androm-piainany efa nianarany mahakasika ny Fiangonana. Rehefa nilaza taminy ny antsoko ao amin’ ny Sekoly Alahady aho sy nolazaiko fa hanao lahateny amin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia hoy izy hoe: “Raha hiteny ianao dia hanaraka izany fivoriana izany aho.” Manantena aho hoe mijery izy androany. Fantatro fa raha mijery izy dia hianatra zavatra avy amin’ izany. Toerana miavaka hianarana sy hampianarana hitondra fiovam-po ity Foiben’ ny Fihaonambe ity.

Mianatra araka ny fomban’ ny Mpamonjy isika rehefa miaina ireo fitsipika nampianarin’ ireo izay tohanantsika ho mpaminany, mpahita ary mpanambara ireo.10 Manao dingana iray hanatona Azy kokoa isika. Amin’ izao fiafaran’ ny fihaonambe izao dia manasa ny tsirairay izay mandre ahy aho mba hanao io dingana io. Toy ny nataon’ ireo Nefita fahiny dia afaka miverina “any an-tranon[tsika isika], ary [misaintsaina] ny zavatra izay efa nolazaiko, ary [manontany ny Ray] amin’ ny Anara[n’] i Kristy, mba hahatakaran[tsika].”11

Tianay hahatakatra zavatra ireo zatovo tsirairay. Tianay izy ireo handalina, hampianatra ary hiaina isan’ andro ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Izany no tian’ ny Tompo ho an’ ny Zanany rehetra. Manasa anao aho mba ho avy sy hanaraka ny Diany, na ianao ankizy, na tanora, na olon-dehibe. Mijoro ho vavolombelona aho fa hampahatanjaka antsika ny Tompo, isaky ny dingana ataontsika. Hanampy antsika amin’ ny diantsika ambiny Izy. Handroso hatrany isika na dia hisy aza ireo sakana. Handroso hatrany isika na dia hitranga aza ny fisalasalana. Tsy hiverin-dalana isika ary tsy hihemotra velively.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa mbola miantso antsika tahaka ny nataony tamin’ ny andro fahiny ny Mpamonjy mba hanatonantsika Azy. Afaka manaiky ny fanasany isika rehetra. Afaka mianatra, mampianatra ary miaina ny Teniny araka ny Fombany amin’ ny alalan’ ny fanaovana dingana iray akaikikaiky ny Mpamonjy kokoa. Hiova fo tanteraka isika raha manao izany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jaona 3:1–7. Ao amin’ ity andalana ity dia namaly ny fanontaniana napetrak’ i Nikodemosy ny Mpamonjy. Nampianatra ny zavatra nilain’ i Nikodemosy Izy. Namela an’ i Nikodemosy hanana fahafahana hampihatra ny fahafahany misafidy ny hianatra Izy. Nanampy an’ i Nikodemosy hahita ny valiny tamin’ ny alalan’ ny tenany manokana Izy.

  2. Jereo ny Jaona 3:4; Joseph Smith—Tantara 1:18.

  3. Jereo ny “Teaching the Gospel in the Savior’s Way,” lds.org/youth/learn/guidebook/teaching.

  4. Jereo ny Lioka 18:18–22.

  5. Jereo ny 1 Jaona 4:19.

  6. Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Liahona, Jan. 2001, 41: “Ny hoe mijoro ho vavolombelona dia mahafantatrasy manambara. Mametraka fanamby ho antsika mba ho lasa ‘niova fo’ ny filazantsara, izay mitaky antsika hanao zavatra sy ho tonga olona iray vaovao. Ho tonga amin’ ny toerana nisy ireo Apôstôly nandray fitahiana kanefa mbola tsy niova fo tsara, izay nametrahan’ i Jesoa fanamby mba ‘hiova fo’ isika raha toa ka miantehitra amin’ ny fahalalantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ ny filazantsara. Mahafantatra olona izay manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka isika rehetra kanefa tsy miezaka manaraka izany mba ho lasa niova fo.”

  7. Jereo ny Abrahama 2:11.

  8. Jereo ny Môsià 27:24–26; 2 Korintiana 5:17.

  9. Jereo ny David A. Bednar, “Watching with All Perseverance,” Liahona, Mey 2010, 43: “Moa ve izaho sy ianao manampy ny zanatsika ho lasa tompon’ andraikitra amin’ ny asa ataony sy ny fikatsahany fahalalana amin’ ny alalan’ ny fandalinana sy finoana, sa nanofana ireo zanatsika hiandry hampianarina sy hohetsehina ve isika? Moa ve isika amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika manome an’ ireo zanatsika zavatra mitovy amin’ ny trondro hohaniny, sa manampy azy ireo tsy tapaka ny hihetsika, hianatra amin’ ny ezaky ny tenany, ary hiorina mafy sady tsy hiova? Moa ve isika manampy ireo zanatsika hazoto hirotsaka amin’ ny fangatahana, fikatsahana ary fandondonana?”

  10. Jereo ny Dennis B. Neuenschwander, “Living Prophets, Seers, and Revelators,” Liahona, Jan. 2001, 49–51.

  11. 3 Nefia 17:3.